Tadidinao Ve?
Nankasitrahanao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:
▫ Inona no fanampiana mahasoa azo omena ny marary sy ny be taona ao amin’ny kongregasiona amin’izao andro izao?
Tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany, dia nisy lisitra notanana ny amin’ireo vehivavy mpitondratena nila fanohanana ara-nofo. (1 Timoty 5:9,10). Toy izany koa amin’izao andro izao, mety hanao lisitra momba ireo marary sy be taona mila fiheverana manokana ireo loholona. Kanefa, tsy tokony havela ho an’ny loholona irery ny fanombohan-javatra amin’io lafiny io. Samy tokony hahafantatra ny amin’ireny zavatra ilaina ireny ny rehetra ao amin’ny kongregasiona. (1 Timoty 5:4-8). — 15/8, pejy faha-28-29.
▫ Sarotra inoana ve ny tantara ao amin’ny Baiboly momba an’i Jona natelin’ny bibin-dranomasina iray?
Tsia, na ny trozona, na ny antsantsa fotsy na ny antsantsa-trozona dia afaka mitelina lehilahy iray. Fanampin’izany, dia nohamafisin’i Jesosy fa marina ny fitantarana momba an’i Jona. (Matio 12:39, 40). — 15/8, pejy faha-32.
▫ Inona avy ireo vokatra manimba azo avy amin’ny fampiasana amim-pinoanoam-poana ireo ody sy ody atao fiaro?
Ny fampiasana azy ireny raha ny marina, dia manakivy ny olona tsy hiatrika amim-pahakingan-tsaina ny zava-manahirana azy, ary mampirisika azy ireo hitodika any amin’ny vintana ho fanafodin’ny zava-drehetra. Izy ireny dia manome koa an’ilay mpampiasa azy fahatsapana tsy fananana ahiahy sandoka. Ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia mety hanolotra ny fifehezana ny fiainany ho eo ambany herin’ny demonia tsy hita maso ny olona iray izay mino ny herin’ny ody atao fiaro sy ny ody mahatsara vintana ara-majika. — 1/9, pejy faha-4.
▫ Inona avy ireo foto-javatra efatra izay afaka manampy mba hahatonga ny fanambadiana haharitra?
Izany dia ny fahavononana hihaino, ny fahaizana miala tsiny, ny fahafahana manome fanohanana ara-pihetseham-po tsy miovaova, ary ny faniriana hanohina amim-pitiavana. (1 Korintiana 13:4-8; Efesiana 5:33; Jakoba 1:19). — 1/9, pejy faha-20.
▫ Inona no fomba iray anomezan’i Jehovah fiaretana an’ireo izay miatrika fitsapana?
Manao izany i Jehovah amin’ny alalan’ireo oha-piaretana voarakitra ao anatin’ny Teniny, ny Baiboly. (Romana 15:4). Eo am-pandinihantsika azy ireny, dia ampaherezina mba hiaritra isika, sady mianatra zavatra betsaka momba ny fomba hiaretana koa. — 15/9, pejy faha-11-12.
▫ Inona no atao hoe fifikirana amin’Andriamanitra?
Ny fifikirana amin’Andriamanitra dia manondro fifikirana amin’i Jehovah, izay manosika antsika hanao izay hahafaly azy, na dia eo anatrehan’ny fitsapana sarotra aza, satria tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika isika. — 15/9, pejy faha-15.
▫ Ahoana no tokony hiheverantsika ny famindram-pon’Andriamanitra?
Tsy tokony hanamaivana na oviana na oviana ny famindram-po lehibe asehon’Andriamanitra isika. Tokony hanahaka an’i Paoly isika ary hampiseho ny fankasitrahantsika amin’ny fiadiana mafy amin’ny tsy fahatanterahantsika manokana. (1 Korintiana 9:27). Amin’izany fomba izany no hampisehoantsika fa manana faniriana amim-pahatsorana hanao izay mahitsy isika, na dia eo anatrehan’ny zava-manahirana aza. — 1/10, pejy faha-23.
▫ Nahoana no mety ny nandaharan’i Paoly ny fahari-po ho lafiny voalohany amin’ny fitiavana?
Voalaza fa tsy mety hisy ny zavatra toy ny fiarahana kristiana raha tsy misy ny fahari-po, na raha tsy misy ny fifampizakana amim-paharetana. Izany no izy satria samy tsy tanteraka avokoa isika rehetra, ary fisedrana ho an’ny hafa ny tsy fahatanterahantsika sy ny fahadisoantsika. Noho izany, dia tena ilaina ny fahari-po raha tiana haharitra eo amin’ireo mpirahalahy ny fitiavana. — 15/10, pejy faha-21.
▫ Nampiasa ny anaran’Andriamanitra ve ireo Kristiana voalohany?
Eny, hoy ny porofo. Nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka amin’Andriamanitra toy izao i Jesosy: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Ary tamin’ny fifaranan’ny fanompoany teto an-tany, dia nivavaka izy hoe: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao”. (Jaona 17:6). Ankoatra izany, dia nirakitra ny anaran’Andriamanitra tamin’ny endriky ny Tetragrama hebreo ireo kopia voalohany amin’ny Septante. — 1/11, pejy faha-30.
▫ Inona avy ireo ohatra avy ao amin’ny Baiboly mampiseho fa mety hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika ny fomba ikarakarantsika ny fahadisoantsika?
Nikiry nanohitra torohevitra i Saoly Mpanjaka, hany ka nihamaro ny fahadisoana nataony, ary nahatratra ny fara tampony izany tamin’ny farany tamin’ny nahafatesany tao anatin’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. (1 Samoela 15:17-29). Etsy an-daniny, na dia teo aza ireo fahadisoana sy fahotana nataon’i Davida Mpanjaka, dia nibebaka ka nanaiky fanitsiana izy ary nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah. Ireo ohatra avy ao amin’ny Baiboly ireo dia mampiseho fa ny fiekentsika ny fahadisoantsika dia manampy antsika hihazona fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, ka amin’izany dia hanana fanantenana fiainana mandrakizay. (Salamo 32:1-5). — 15/11, pejy faha-29-30.
▫ Ahoana no anampian’i Jehovah ny vahoakany rehefa azom-pahoriana izy ireo noho ny loza araka ny natiora na noho ny antony hafa?
Manampy i Jehovah, tsy amin’ny fampitsimbadihana amin’ny fomba mahagaga ireo herin’ny natiora akory, na amin’ny asa tsy vitan’olombelona hafa, fa amin’ny alalan’ny hery hafa izay tsy tena takatry ny ankamaroan’ny olona — ny fitiavana. Eny, tia tokoa ny vahoakany i Jehovah, ary nataony izay hampitomboana fifankatiavana mahery aoka izany teo amin’izy ireo, hany ka afaka manatanteraka ho azy ireo zavatra toa saiky fahagagana mihitsy izy. — (1 Jaona 4:10-12, 21). — 1/12, pejy faha-10.