Horesena Ilay “Fahavalo Farany”!
FONY ianao mbola kely, dia nety ho natahotra ny haizina ianao. Ireo tantara nampihorohoro, ary na dia ny angano sasany aza, dia nety ho nahatonga anao ho feno tebiteby. Nanome toky toy inona moa ny famelan’ny reninao na ny rainao ny jiro hirehitra teo am-piezahanao nitady torimaso!
Maharaiki-tahotra ny maro toy izany koa ny fahafatesana. Kanefa dia tsy voatery ho toy izany izy io. Nahoana? Noho izay atao hoe fahafatesana mihitsy.
Fantaro ny fahavalonao
Nanambara toy izao i Solomona, Mpanjaka hendry teo amin’ny Isiraely fahiny: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5). Araka io hevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra hita ao amin’ny Baibolinao manokana io, ny fahafatesana dia ny mifanohitra amin’ny fiainana fotsiny. Tsy mahatsiaro tena ny maty.
Raha nanisy fitenenana ny amin’ny fahafatesana tamin’ny fomba ara-panoharana i Paoly apostoly kristiana, dia nanoratra hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” Inona moa ilay fanindronana izay mahatonga fahafatesana? Hoy i Paoly: “Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana”. (1 Korintiana 15:55, 56; Hosea 13:14). Avy aiza àry no niavian’io fanindronana mahafaty io? Izao no nolazain’i Paoly ao amin’ny toerana hafa iray ao amin’ny Soratra Masina: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12). Tsy namela fisalasalana ny amin’ny anaran’io “olona iray” io ilay apostoly rehefa nilaza hoe: “Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama”. (1 Korintiana 15:22). Eny, tamin’ny tsy fankatoavan’ilay razambentsika voalohany, i Adama, dia mety ho voan’ny fanindronan’ny fahafatesana avokoa isika rehetra. — Genesisy 3:1-19.
Tsy misy amintsika hifidy ny ho faty raha manana fahasalamana tsara sy fianakaviana be fitiavana ary manodidina mahafinaritra. Araka ny asehon’ny Baiboly anefa, “ny fotoana sy ny sampona” dia mety hanaisotra amintsika ny fiainana. (Mpitoriteny 9:11). Raha ny marina, dia tsy fantatsika izay hitranga amin’ny fiainantsika rahampitso. (Jakoba 4:14). Zavatra iray no azo antoka — samy nandova ota sy fahafatesana avokoa isika rehetra. Noho izany, dia mijoko antsika ny fahafatesana ary mamely toy ny fahavalo iray izy io.
Fiatrehana amim-pahombiazana ny fahafatesan’olon-tiana
Fahavalo indrindra ny fahafatesana rehefa mamely olon-tiana. “Ho ratsiratsy kokoa ny anao”, hoy ny vehivavy iray narary efa ho faty, tamin’ny vadiny raha nisaintsaina ny fahafatesana izy. Nahoana no afaka nilaza izany izy? Satria hoy ny Baiboly hoe: “Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana iombonan’ny olombelona] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:10). Tsy mijaly intsony ny maty. Ny enta-mavesatry ny alahelo anefa dia mianjera amin’ireo havana aman-tsakaiza mbola velona. Misy zavatra azo atao ve amin’ny fahoriana toy izany?
Ireo pejin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia mirakitra teny maro mampionona. Ny famakiana sy ny fisaintsainana ireo salamo, ohatra, dia azo antoka fa loharanom-pampiononana. Mampionona marina tokoa ny teny toy itony: “Isaorana anie ny Tompo [“Jehovah”, NW ], izay mitondra ny entantsika isan-andro isan-andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.” — Salamo 68:19.
Loharanom-pampiononana hafa iray ny kongregasiona kristiana. Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Hajao ny vehivavy mpitondratena, dia ireo tena mpitondratena tokoa. Raha manana zanaka aman-jafy [izay afaka mikarakara azy ara-nofo] ilay vehivavy mpitondratena, dia aoka ireo aloha hianatra haneho ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fianakaviany ka hamaly babena ny ray aman-dreniny na ny raibe aman-drenibeny, fa izany no ankasitrahin’Andriamanitra. Aza atao lisitra ho isan’ny vehivavy mpitondratena afa-tsy izay mihoatra ny enimpolo taona sady indray mandeha ihany no nanambady, ary tsara laza amin’ny asa soa vitany; vehivavy nitaiza tsara ny zanany, nampiantrano vahiny, nanasa ny tongotr’ireo namana kristianina, nanampy ny nozoim-pahoriana, nazoto tamin’ny asa soa isan-karazany.” (1 Timoty 5:3, 4, 9, 10, DIEM ). Mitovy amin’izany koa fa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia manampy sy mampionona ny mpiray finoana aminy toy izany.
Matetika ny fanamboarana lehibe indrindra tsy maintsy ataon’ireo nozoim-pahoriana, dia ara-pihetseham-po. “Tia ny vadiko aoka izany aho”, hoy ny nosoratan’ny lehilahy iray maty vady roa taona talohan’izay. “Io no fisehoan-javatra nampalahelo indrindra teo amin’ny fiainako, ary sarotra amiko ny miaritra izany.” Ny olona iray nanambady nandritra ny fotoana sasany dia nizara ny fiainany tamin’ny vadiny tao amin’ilay fifandraisana akaiky indrindra amin’ireo fifandraisan’ny samy olombelona. Rehefa maty ny vady, ilay andaniny velona dia mahatsapa avy hatrany fahavoazana lehibe. Any amin’iza izy no afaka mitady fanampiana?
Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia afaka mampahery ireo namana tsara kristiana. “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana”, hoy ny ohabolana mampiseho fahendrena iray. (Ohabolana 17:17). Ny vehivavy na ny lehilahy maty vady dia mila fanampiana — namana izay tena manome fanohanana. Ny namana hendry dia mampahery ilay nozoim-pahoriana mba hiresaka, na dia mampilatsa-dranomaso aza ny fanaovana izany. Angamba ny Kristiana iray izay efa nahita ny fahoriana sy ny alahelo entin’ny famoizana vady, dia afaka manolotra fanampiana feno hatsaram-panahy sasany. “Manaova teny mampionona amin’ny fanahy ketraka”, hoy ny torohevitry ny Baiboly. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Tsarovy anefa fa manina ny vadiny ny vehivavy sy ny lehilahy maty vady. Noho izany, ireo nozoim-pahoriana dia tsy tokony hamboraka ny tsiambaratelony amin’ny hafa raha tsy ao anatin’ny tarehin-javatra izay mamela ny rehetra hitana fitondran-tena madio ihany. — 1 Petera 2:12.
Ny fanafody tsara indrindra amin’ny fahoriana entin’ny fahafatesana, dia ny fanaovana izay haharevo ny tena amin’ny fanampiana ny hafa — tsy mora izany ho an’ireo izay mino fa ny tenan’izy ireo no mila fanampiana! Mandray anjara eto ny tsy fitiavan-tena. Ny fanaovan-javatra ho an’ny hafa tsy misy fitiavan-tena dia manampy mba hampisinda ny alahelo sy ny fahoriana, satria hoy i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny Apostoly 20:35.
Fandresena ny fahafatesana
Mety hampanaintaina mafy na hahafaty mihitsy aza ny fanindronan’ny tantely iray. Mazàna anefa, ny fanesorana ny tsilon’ilay bibikely tafatsofoka tao amin’ny hoditrao dia hanampy amin’ny fitondrana fanamaivanana. Inona anefa no fahatsinjovana fanamaivanana amin’ilay fanindronana mitondra fahafatesana?
Rehefa avy nanazava i Paoly fa ny ota no fanindronana mitondra fahafatesana, dia nihiaka toy izao izy: “Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (1 Korintiana 15:57). Amin’ny ahoana ny fandresena ny fahafatesana no ampifandraisina amin’i Kristy? Nasehon’i Jesosy fa izany no izy rehefa nilaza toy izao ny amin’ny tenany izy: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Eny, ho an’izay maneho finoana an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, sy ny sorom-panavotana izay nomen’i Jehovah tamin’ny alalany, dia tsy hiteraka tsy fisiana maharitra ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. — Jaona 3:16.
Mampahery marina tokoa ny tenin’i Jesosy hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” — Jaona 5:28, 29.
Taonjato maro talohan’izay, dia efa naminany toy izao i Isaia mpaminanin’Andriamanitra: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”. (Isaia 25:8). Ao amin’ny Apokalypsy 21:4 indray dia asehon’ny Baiboly itỳ fahatsinjovan-javatra mahatalanjona itỳ: “Ary hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” Noho ireo nozoim-pahoriana mahazo hery avy amin’io fanantenana omen’ny Baiboly an’ireo matory ao anatin’ny fahafatesana io, dia tsy voatery halahelo “tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana” izy ireo. — 1 Tesaloniana 4:13.
Manandrama maka sary an-tsaina izay tahirizin’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona, araka ny anambarana azy ao amin’ny Baiboly. Midika ho fiafarana mahatsiravina ho an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ny “fahoriana lehibe” efa antomotra. (Apokalypsy 7:14). Horinganina ireo izay manaraka fivavahan-diso. Tsy ho eo intsony ireo tapany ara-politika sy ara-barotra mpierina izay nandray anjara tamin’ny fisian’ny mosary sy ny ady. Halefan’i Jesosy Kristy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa i Satana Devoly izay nahatonga fahafatesan’olona maro aoka izany. Avy eo dia hanomboka ny Fanjakany Arivo Taona i Kristy. Mandritra izany no hampiharany ny vidin’ny sorom-panavotana nomeny ho an’ny taranak’olombelona. Ny maty dia hiverina noho ilay fitsanganan’ny maty nantenaina, ary hamirapiratra aoka izany ny fahazavana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, hany ka tsy hisy intsony ireo fiheverana feno finoanoam-poana momba ny fahafatesana, ilay fahavalon’ny taranak’olombelona. Izay rehetra velona amin’izany dia hanana fahafahana hianatra ny lalan’Andriamanitra sy hanaraka ny fari-pitsipiny marina. — Ohabolana 4:18; Asan’ny Apostoly 24:15; Hebreo 2:14, 15; Apokalypsy 18:4-8; 19:19-21; 20:1-3.
‘Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany’, hoy i Paoly, ‘ka amin’izay dia hatolotr’i Kristy Jesosy ho an’Andriamanitra Rainy ny fanjakana (...) Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.’ (1 Korintiana 15:24-26). Tsy ho eo intsony ny kilema rehetra vokatry ny fahotan’i Adama. Hitranga ny fitsapana farany, ary ho tafavoaka amin’izany amim-pahatokiana ireo tia an’Andriamanitra. (Apokalypsy 20:4-10). Rehefa tafaverina ho amin’ny fahatanterahana ireo olona mankato ireo, dia hiaina, tsy fitopolo taona na folo amby zato taona akory aza, fa mandrakizay. Fanomezana toy inona moa izany avy amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany malala! — Romana 6:23.
Koa, hafiriana àry no ahafahanao ho velona? Afaka miitatra hatramin’ny mandrakizay ny halavan’ny androm-piainanao. Noho ianao miaina amin’izao “andro farany” ho an’itỳ tontolo itỳ izao, dia mety tsy ho faty mihitsy ianao. (Daniela 12:4; Jaona 11:25, 26; 17:3). Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra ianao, dia mety hiaina avy hatrany ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. — 2 Petera 3:13.
Raha efa zokiolona anefa ianao, amin’ny fijerena ny zava-misy, dia ilainao ny mihevitra ny mety hitrangan’ny fahafatesana. Azo antoka fa mitondra fifaliana ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Mety hanontany tena anefa ianao ny amin’ny fomba handaminan’i Jehovah ny fiainam-pianakaviana ao amin’izany fandehan-javatra vaovao izany. Aoka ianao tsy hamela ny zavatra toy izany hampanahy anao, satria hataon’i Jehovah izay hisian’ny fahasambarana maharitra ho an’ireo izay tsy mivadika aminy mandrakizay.
Koa satria mandroso ho amin’ny fifaranany ireo “andro farany” sarotra ireo, dia aoka ianao tsy hamela ny tahotra ny fahafatesana hanaisotra aminao ny tombontsoa hanompo an’i Jehovah dieny izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Raha namoy olon-tiana tao amin’ny fahafatesana ianao, dia mampionòna tena amin’ny fieritreretana fa mihelina ihany ny herin’ny fahafatesana. (Apokalypsy 20:13, 14). Matokia ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Amin’izay, na tafiditra ao amin’ilay tontolo vaovao amin’ny alalan’ny fahatafitana velona amin’ny fahoriana lehibe ianao, na amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty, dia aoka ianao hatoky ilay fanomezana antoka ara-tsindrimandry hoe ny fahafatesana, ilay fahavalo farany, dia tsy maintsy horesena. — Apokalypsy 7:9, 14.
[Sary, pejy 5]
Ireo namana tsara kristiana dia afaka mampahery ara-panahy ireo nozoim-pahoriana
[Sary, pejy 7]
Ny fanaovana izay haharevo ny tena amin’ny fanampiana ny hafa dia mampihena ny alahelo vokatry ny fahafatesan’olon-tiana