FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 15/12 p. 27-31
  • Fanampiana ho An’ireo Maty Vady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanampiana ho An’ireo Maty Vady
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TOA TSY HISINDA ILAY ALAHELO
  • AZA MANAHY BE MOMBA NY AMPITSO
  • FANANTENANA MAMPIONONA ANTSIKA
  • MANÀNA FANANTENANA
  • Inona no Azo Atao mba Hanampiana An’ireo Maty Vady?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • “Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Ahoana no Azon’ny Olona Anampiana?
    Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
  • Horesena Ilay “Fahavalo Farany”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 15/12 p. 27-31

Fanampiana ho An’ireo Maty Vady

MILAZA mazava tsara ny Baiboly fa tokony ho “tia ny vadiny tahaka ny tenany” ny lehilahy, ary ny vehivavy kosa tokony “hanaja fatratra ny vadiny.” Tokony hankatò an’izany ny mpivady satria “nofo iray.” (Efes. 5:33; Gen. 2:23, 24) Lasa mifandray am-po kokoa sy mihamifankatia ny mpivady sambatra am-panambadiana rehefa mandeha ny fotoana, toy ny fakan’ny hazo roa mifanakaiky izay lasa mifamatotra.

Ahoana anefa raha maty ny iray amin’izy roa? Tapaka ilay fatorana mampiray azy ireo. Matetika no malahelo sy manirery ilay maty vady, ary indraindray aza tezitra na manamelo-tena. Nahalala olona maro maty vady i Daniella nandritra ireo 58 taona nanambadiany.a Hoy anefa izy rehefa maty ny vadiny: “Tsy takatro mihitsy ny manjo an’ireo maty vady, raha tsy efa nihatra tamiko ilay izy.”

TOA TSY HISINDA ILAY ALAHELO

Misy manam-pahaizana milaza fa ny fahorian-tsaina vokatry ny famoizana vady no mafy indrindra. Manaiky an’izany ny olona maro maty vady, anisan’izany i Lisy, izay namoy ny vadiny taorian’ny 25 taona nanambadiana. Efa taona maro no lasa, nefa hoy izy rehefa milaza ny fihetseham-pony noho ny nahafatesan’ny vadiny: “Hoatran’ny hoe kilemaina aho.”

Mbola malahelo ny vehivavy sasany, na dia efa taona maro aorian’ny ahafatesan’ny vadiny aza. Nieritreritra i Suzanne taloha fa tafahoatra izany. Maty anefa ny vadiny taorian’ny 38 taona niarahan’izy ireo. Efa 20 taona mahery no lasa, nefa hoy izy: “Mahatsiaro azy aho isan’andro.” Matetika i Suzanne no mitomany satria tena manina azy.

Asehon’ny Baiboly fa tena mangidy ny hoe maty vady, ary maharitra ela ny fahoriana aterak’izany. Rehefa nodimandry i Saraha vadiny, dia “niditra i Abrahama mba haneho ny alahelony an’i Saraha sy hitomany azy.” (Gen. 23:1, 2) Ory mafy izy na dia nino aza fa hatsangana ny maty. (Heb. 11:17-19) Mbola tsaroan’i Jakoba sy mbola tiany foana koa i Rahely vady malalany, na dia efa maty aza. Hita izany rehefa niresaka momba azy tamin’ny zanany lahy izy.—Gen. 44:27; 48:7.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Maharitra an-taonany maro matetika ny fahorian’ireo maty vady. Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy matanja-tsaina izy ireny, matoa mitomany sy malahelo. Mila tadidintsika kosa fa ara-dalàna izany, satria lasa banga be ny fiainany. Mety hila fangorahana sy fampaherezana avy amintsika mandritra ny fotoana maharitra izy ireo.

AZA MANAHY BE MOMBA NY AMPITSO

Tsy hoe miverina ho mpitovo fotsiny ny olona maty vady. Rehefa ela nanambadiana ny lehilahy iray, dia matetika no hainy ny fomba ampiononana sy ampaherezana ny vadiny rehefa malahelo izy io na sorena. Tsy mana-namana hampahery sy ho tia azy àry ilay vehivavy, rehefa tsy eo intsony ny vadiny. Toy izany koa ny lehilahy rehefa maty ny vadiny. Lasa hain’ilay vehivavy mantsy hoe ahoana no atao mba hahatonga ny vadiny tsy hanana ahiahy sy ho falifaly. Tsy misy mahasolo ny safosafony sy ny teny maminy. Izy irery koa no tena mihevitra izay mahaliana ny vadiny sy izay ilainy. Mety hihevitra ilay lehilahy hoe tsy misy dikany intsony ny fiainany rehefa maty ny vadiny. Lasa manahy na matahotra ny hoavy àry ny olona rehefa maty vady. Inona no toro lalan’ny Baiboly afaka manampy azy ireo hilamin-tsaina?

Afaka manampy anao hiaritra ny alahelonao isan’andro Andriamanitra

Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.” (Mat. 6:34) Marina fa izay ilaintsika eo amin’ny fiainana no noresahiny teo. Nanampy olona maro maty vady mba hizaka ny fahoriany koa anefa ireo teny ireo. Hoy i Charles, volana vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny: “Mbola malahelo be an’i Monique aho, ary hoatran’ny vao mainka mihamafy ilay izy indraindray. Fantatro anefa fa ara-dalàna izany, ary hihamaivana ny fahoriako rehefa mandeha ny fotoana.”

Tsy maintsy nanam-paharetana i Charles. Inona no nanampy azy? Hoy izy: “Nanampy ahy i Jehovah, ka niezaka niatrika ny andro tsirairay aho, fa tsy nanahy be momba ny ampitso.” Tsy tototry ny alahelo àry i Charles. Marina fa tsy tonga dia nisinda ny alahelony, nefa koa tsy nampijaly be azy intsony. Raha maty vady àry ianao, dia miezaha hizaka ny alahelonao isaky ny andro tsirairay. Mety tsy hampoizinao ny zava-tsoa na ny fampaherezana ho azonao ny ampitso.

Tsy fikasan’i Jehovah ny fahafatesana, fa anisan’ny “asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8; Rom. 6:23) Matahotra fahafatesana ny olona, ka hararaotin’i Satana izany mba hifehezana azy ireo toy ny andevo sy hahatonga azy ireo tsy hanana fanantenana. (Heb. 2:14, 15) Faly izy rehefa mamoy fo isika ka tsy manantena ny ho sambatra intsony, na ankehitriny na ao amin’ny tontolo vaovao. Ny fahotan’i Adama sy ny teti-dratsin’i Satana àry no fototry ny fahorian’ireo maty vady. (Rom. 5:12) Hofoanan’i Jehovah anefa ny fijaliana vokatry ny asan’i Satana, sy ny fahafatesana izay fitaovam-piadiana ampahoriany ny olona. Ho afaka amin’ilay tahotra aelin’i Satana àry ny olona, anisan’izany ireo maty vady toa anao.

Azo inoana fa maro ny zavatra hiova eo amin’ny fifandraisan’ny olona, rehefa hitsangana ny maty. Ho lasa lavorary tsikelikely miaraka amin’ny zanany sy ny zafikeliny ny ray aman-dreny sy ny raibe sy renibe ary ny razamben’izy ireo. Tsy hisy intsony ny voka-dratsin’ny fandrosoan’ny taona. Mety ho tsy maintsy hanova ny fomba fiheverantsika an’ireo razambentsika isika, amin’izay fotoana izay. Azo inoana fa hanatsara ny fiainan’ny olombelona izany.

Maro ny fanontaniana mety hanitikitika ny saintsika, momba an’ireo hatsangana amin’ny maty. Ahoana, ohatra, raha efa maty vady imbetsaka ny olona iray? Nametraka fanontaniana momba ny vehivavy iray impito maty vady ny Sadoseo, indray mandeha. (Lioka 20:27-33) Rehefa hatsangana ny maty, ho lasa mpifaninona izy sy ireo vadiny taloha? Ary ahoana ny amin’ny olon-kafa toa azy? Tsy fantatsika ny valiny ary tsy ilaina ny manombantombana na ny miasa saina amin’izany. Mila matoky an’i Jehovah fotsiny isika. Azo antoka fa ho tsara izay hataony amin’ny hoavy, na inona izany na inona. Tsy hampatahotra antsika izany ary tsy ho andrintsika mihitsy.

FANANTENANA MAMPIONONA ANTSIKA

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa hatsangana ireo havan-tiantsika efa maty. Maro ny fitantarana momba ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny Baiboly. Manome toky antsika izy ireny fa ‘hivoaka izay rehetra any am-pasana rehefa handre ny feon’i Jesosy.’ (Jaona 5:28, 29) Tena ho faly ireo velona amin’izay fotoana izay, satria hihaona amin’ireo olona nafahana tamin’ny fangejan’ny fahafatesana. Na ireo hatsangana amin’ny maty koa aza dia ho faly, ary tsy ho azontsika sary an-tsaina ny hafalian’izy ireo.

Hisy fifaliam-be mbola tsy nisy toy izany eto an-tany amin’izay. Olona an’arivony tapitrisa no hatsangana amin’ny maty, ka ho anisan’ny fiaraha-monina indray. (Mar. 5:39-42; Apok. 20:13) Tena hampahery an’izay rehetra namoy havan-tiana ny misaintsaina an’izany fahagagana ho avy izany.

Asehon’ny Baiboly fa tsy misy antony tokony hampalahelo antsika intsony rehefa hatsangana ny maty. Milaza ny Isaia 25:8 fa ‘hofoanan’i Jehovah tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.’ Ho foana miaraka amin’izany ny fahoriana ateraky ny fahafatesana, satria milaza koa ilay faminaniana hoe: ‘Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.’ Raha malahelo ianao izao satria namoy ny vady malalanao, dia azo antoka fa tena ho faly ianao rehefa hitsangana ny maty.

Tsy misy tena mahatakatra an’izay rehetra hataon’Andriamanitra ao amin’ny tontolo vaovao isika. Hoy i Jehovah: “Toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany, ny haavon’ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo, sy ny hevitro raha oharina amin’ny hevitrareo.” (Isaia 55:9) Hita hoe matoky an’i Jehovah toa an’i Abrahama isika, rehefa mino ny fampanantenan’i Jesosy momba ny fitsanganana amin’ny maty. Tena ilain’ny Kristianina tsirairay izao ny manao izay takin’Andriamanitra. Ho “mendrika hahazo izany fiainana izany” miaraka amin’ireo hatsangana amin’ny maty izy amin’izay.—Lioka 20:35.

MANÀNA FANANTENANA

Aza mitebiteby àry fa manàna fanantenana. Manjombona no fahitan’ny olona ny hoavy. Mampanantena zavatra tsara anefa i Jehovah. Tsy fantatsika mazava tsara hoe ahoana no hanomezan’i Jehovah fahafaham-po an’izay rehetra ilaintsika sy irintsika. Afaka matoky anefa isika fa hanao izany izy. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fanantenana zavatra efa hita anefa dia tsy fanantenana, fa ahoana no mbola anantenan’ny olona an’izay efa hitany? Fa raha manantena izay tsy hitantsika isika, dia miandry azy io hatrany ka miaritra.” (Rom. 8:24, 25) Hahavita hiaritra ianao raha tena mino ny fampanantenan’Andriamanitra. Hiaina ao amin’ny tontolo vaovao ianao raha miaritra, ka ‘homen’i Jehovah anao izay irin’ny fonao.’ ‘Hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ izy amin’izay.—Sal. 37:4; 145:16; Lioka 21:19.

Matokia fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah hoavy sambatra

Kivy ny apostoly rehefa akaiky ho faty i Jesosy. Nampahery azy ireo toy izao àry i Jesosy: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Minoa an’Andriamanitra ary minoa koa ahy.” Hoy koa izy: “Tsy hamela anareo ho kamboty aho, fa hankatỳ aminareo.” (Jaona 14:1-4, 18, 27) Nanome fanantenana an’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy ireo teny ireo, ary nanampy azy ireo hiaritra. Tsy tokony ho very fanantenana koa àry ireo maniry mafy hahita ny havan-tiany nodimandry. Afaka matoky izy ireo fa tsy hamela azy ho kamboty i Jehovah sy ny Zanany. Mbola hihaona amin’ireo havan-tiany indray izy ireo!

a Novana ireo anarana.

Ampaherezo Ireo Vao Namoy Havan-tiana

Maro matetika no tonga mampionona sy manampy ny Kristianina vao maty vady. Tena tian’​ny vehivavy maty vady, ohatra, rehefa misy fianakaviana sy namana miahy azy. Mety ho elaela anefa vao hisinda ny alahelony, ka mila fampiononana sy fanampiana mandritra ny fotoana elaela izy. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohab. 17:17.

Ahoana no tokony hiarahabana ny olona namoy havan-tiana? Hoy ny Baiboly: “Miraisa saina ianareo rehetra ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, manàna fangorahana.” (1 Pet. 3:8) Mety ho elaela vao hahazo aina tsara ny Kristianina iray avy nidonam-pahoriana. Aleo àry tsy manontany azy hoe “Manao ahoana ianao izao?” na hoe “Salama tsara ve ianao?”, na dia tena miahy azy aza isika. Mety hieritreritra izy hoe ‘Tsy takatrao mihitsy ny manjo ahy’ na koa hoe ‘Ahoana moa no hahasalama tsara ahy amin’izao fahoriako izao?’ Mety ho tsara kokoa ny manao teny mampahery vokatry ny fo, toy ny hoe “Faly be aho mahita anao” na hoe “Tena mampahery ahy ny mahita anao atỳam-pivoriana.”

Azonao asaina hihinana sakafo tsotsotra miaraka aminao ilay maty vady na entina mandehandeha. Maty vady i Marcos ary nampahery azy ny namana tonga namangy azy. Inona no noresahin’izy ireo? Hoy i Marcos: “Tsy niresaka firy momba ny olana nahazo ahy izahay, fa niresaka zavatra mampahery.” Hoy i Nina, vehivavy maty vady: “Matetika ny namako no milaza teny mampahery amin’​ny fotoana ilako azy mihitsy. Tsy miteny kosa izy ireo indraindray, fa dia miaraka amiko fotsiny.”

Mihainoa tsara ary manàna faharetana, raha te hiresaka momba ny nahafaty ny vadiny ilay olona. Aza be fanontaniana satria fotsiny hoe te hahalala zavatra ianao. Aza mitsaratsara koa. Tsy tsara ny miteny aminy hoe ahoana no tokony hampisehoany ny alahelony na hoe hafiriana izy no tokony halahelo. Aza sosotra raha te ho irery izy. Afaka miverina indray ianao amin’ny manaraka. Asehoy foana fa tia azy ianao.—Jaona 13:34, 35.

Manam-panontaniana Momba ny Hoavy ve Ianao?

Ara-dalàna isika raha mieritreritra ny fomba hahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Nampanantena hanome zanaka an’i Abrahama i Jehovah, ary nisaintsaina izany matetika i Abrahama. Nampirisihin’i Jehovah hanam-paharetana izy, ary nanao izany ka tsy diso fanantenana.—Gen. 15:2-5; Heb. 6:10-15.

Tena nalahelo an’i Josefa zanany i Jakoba, rehefa naharay vaovao nahatonga azy hieritreritra fa maty izy. Mbola nalahelo azy ihany izy, taona maro tatỳ aoriana. Nahazo fitahiana tsy nampoizina avy tamin’i Jehovah anefa i Jakoba. Tafahaona tamin’i Josefa indray izy tatỳ aoriana, sady faly nahita an’ireo zanak’i Josefa. Hoy izy: “Tsy nieritreritra ny hahita anao intsony aho, nefa izao aho navelan’Andriamanitra hahita ny zanakao koa aza.”—Gen. 37:33-35; 48:11.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Voalohany, matokia fa tsy misy mahasakana an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra tsy hahatanteraka ny sitrapony. Faharoa, raha mivavaka sy manao ny sitrapon’i Jehovah isika, dia hikarakara antsika izy dieny izao ary hanome fahafaham-po izay rehetra ilaintsika sy irintsika amin’ny hoavy. Hoy i Paoly: “Ho an’ilay afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika, eny, mihoatra lavitra noho izany mihitsy aza, araka ny heriny izay miasa ao anatintsika, dia ho azy anie ny voninahitra, amin’ny alalan’ny fiangonana sy amin’ny alalan’i Kristy Jesosy hatrany amin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay! Amena.”—Efes. 3:20, 21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara