Ireo Loza Araka ny Natiora — Famantarana ny Fotoana Ve?
“HISY firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.” Tamin’ireo teny ireo no nanazavan’i Jesosy Kristy tamin’ireo mpianany, taonjato 19 lasa izay, fa hampiditra famantarana iray misy lafiny maro manamarika ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” (NW ) izany fisehoan-javatra mampidi-doza izany, miaraka amin’ny fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna sy ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany. — Matio 24:3-14.
Noho izany, dia tsy maintsy manontany isika hoe: Moa ve isika mahita horohoron-tany, rivo-doza, tondra-drano sy hain-tany ary mosary mampidi-doza kokoa noho izay hitan’ireo taranaka teo aloha? Ary moa ve ampahan’olona bebe kokoa no mijaly ho vokatr’izany na dia eo aza ny fandrosoana vitan’ny siansa sy ny haitao?
Ho an’ny maro, dia eny no valin’izany. Ilay gazetiboky hoe New Scientist, ohatra, dia mampitandrina fa “afaka manampo loza bebe kokoa izao tontolo izao ao anatin’ireo taona 1990 noho ny tao anatin’ireo am-polony taona maro lasa”. Toy izany koa, tao amin’ny UN Chronicle tamin’ny Jona 1991, ny talen’ny Fandaminana Maneran-tany Mpamantatra ny Toetr’andro dia nilaza hoe: “Mazava tsara ilay fironana. Nanomboka tamin’ireo taona 1960 ka hatramin’ireo taona 1980 (...), dia nisy fitomboana avo dimy heny teo amin’ny hamaroan’ny fisehoan’ireo loza araka ny natiora lehibe, ary nisy fitomboana avo telo heny teo amin’ny tontalin’ireo fahavoazana ara-toe-karena.” Rehefa nanome fanantenana kely dia kely ny amin’ilay foto-kevitra ny World Health, gazetibokin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana, dia nanao izao fanamarihana izao: “Azo faritana eo amin’ny tantara ireo ohatra ny amin’ny loza araka ny natiora sy ny vokany mandrava. Arakaraka ny anatonan’ny taonjato faha-21 anefa, isika dia miatrika fifangaroana miovaova eo amin’ny toe-javatra mahakasika ny mponina sy ny fifandraisan’ny zavamiaina amin’ny tontolo iainana, ary ny haitao izay mahatonga mponina maro ho mora voa kokoa amin’ny vokatr’ireo loza araka ny natiora sy ireo loza nataon’olona.”
Na iza na iza mandinika ireo zava-mitranga mahazatra dia tsy gaga amin’ny filazana toy izany. Tsy lany tantara manaitra mihitsy ireo fampitam-baovao, na fipoahana volkano any Philippines izany, na horohoron-tany any Californie, na tondra-drano any Bangladesh, na mosary any Somalia, na rivo-doza any Hawaii, na onjan-dranomasina avo dia avo any Nicaragua. Mahalana vao misy volana mandalo tsy isian’ny filazana loza iray any ho any amin’ny tany.
Ny olona sasany dia manilika izany ho toy ny zavatra tsy misy dikany. Milaza izy ireo fa ilay toa fitomboana eo amin’ny loza amin’izao androntsika izao dia vokatry ny fanaovana tatitra tsara kokoa na ny fitanana an-tsoratra tsara kokoa fotsiny. Milaza koa izy ireo fanampin’izany fa betsaka kokoa ireo olona mijaly noho ny loza satria fotsiny misy olona maro kokoa amin’izao andro izao. Moa ve ireo fanaporofoan-kevitra ireo mamarana ny ady hevitra rehetra?
Mariho izay voalaza ao amin’ilay lahatsoratra voatonona etsy ambony tao amin’ny New Scientist. “Nisy loza 523 nanaovana tatitra tao anatin’ireo taona 1960, ary 767 tao anatin’ireo taona 1970. Hatreo amin’ireo taona 1980, dia nahatratra 1 387 ilay isa.” Nanohy ny fanazavana izy io fa “ny tapany amin’ilay toa fitomboana nandritra ireo folo taona farany dia avy amin’ny filazana amim-pahatsorana kokoa teo amin’ireo tatitra momba ny loza tany Sina sy tany amin’ny Firaisana Sovietika”. Avy eo dia nanampy teny toy izao izy io: “Na dia izany aza, dia mitombo ny isa[n’ireo loza].” Tsy azo hamaivanina ilay fitomboana haingana dia haingana eo amin’ny isan’ireo loza, amin’ny filazana hoe tsara kokoa fotsiny ny fanaovana tatitra na ny fitanana an-tsoratra.
Ankoatra izany, dia manao izao tatitra izao ny UN Chronicle tamin’ny Martsa 1992: “Nandritra ireo roapolo taona farany, dia olona 3 tapitrisa teo ho eo no namoy ny ainy ary 800 tapitrisa amboniny no niharan’ny ‘fanimbana sy ny zava-tsarotra ary ny fahoriana’ nentin’ny loza araka ny natiora.” Izany dia midika fa olona miaina eto an-tany 1 ao anatin’ny 7 eo ho eo no voakasiky ny karazan-doza na voina sasany. Tena manaitra tokoa izany sady tsy mamela hisalasala ny amin’ny hoe taonan’ny fikorontanana sy ny tsy filaminana ny androntsika.
Koa satria ny Baiboly dia manambara mialoha izany fotoam-pahoriana lehibe izany, moa ve midika izany fa Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’ireo loza sy ny fahoriana aterak’izany? Maro ny olona mihevitra izany. Inona anefa no asehon’ny zava-misy? Ary ny mbola zava-dehibe kokoa, inona no asehon’ny Baiboly?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Cover: W. Faidley/Weatherstock
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Middle photo: Mark Peters/Sipa Press
WHO/League of Red Cross