Ireo Loza Araka ny Natiora — Tompon’andraikitra ve Andriamanitra?
“ANDRIAMANITRA ô, inona itỳ nataonao taminay?”
Izany no voalaza fa fihetsiky ny nieren-doza iray izay nandinika ny fandravana nentin’ny fipoahan’i Nevado del Ruiz, tendrombohitra rakotry ny orampanala, any Kolombia tamin’ny 13 Novambra 1985. Ilay riakam-potaka vokatr’izany dia nanototra ny tanàna manontolon’i Armero, ary nahafaty olona maherin’ny 20 000 tao anatin’ny indray alina.
Takatra mora foana ny nety ho nananan’ilay nieren-doza fihetsika toy izany. Noho izy tsy afa-nanoatra teo anatrehan’ny hery mahatahotra ananan’ny natiora, dia nilaza fisehoan-javatra mampidi-doza toy izany ho avy amin’Andriamanitra ny olona hatramin’ny fahagolan-tany. Ny olona fahiny dia nanao fanatitra, sorona olombelona mihitsy aza, mba hampitonena ireo andriamaniny ho an’ny ranomasina, ny lanitra, ny tany, ny tendrombohitra sy ny volkano ary ireo loharano hafa niavian’ny loza. Na dia amin’izao andro izao aza, dia eken’ny sasany fotsiny ho vintan-dratsy na ho asan’Andriamanitra ny vokatr’ireo fisehoan-javatra araka ny natiora mitondra loza.
Moa ve Andriamanitra tena tompon’andraikitra tokoa amin’ireo loza izay mitondra fahorian’olombelona aoka izany sy fahavoazana manerana izao tontolo izao? Tokony homen-tsiny ve izy? Mba hahitana ny valiny, dia ilaintsika ny mandinika akaiky izay tafiditra amin’ny loza toy izany. Raha ny marina, dia ilaintsika ny mandinika indray ireo zava-misy fantatra sasany.
Inona no atao hoe “loza araka ny natiora”?
Rehefa namely an’i Tangshan, any Sina, ny horohoron-tany iray ka nahafaty olona 242 000 araka ny tatitra ofisialy sinoa, ary rehefa namely an’i Floride Atsimo sy i Louisiane, any Etazonia, ny Rivo-doza Andrew ka nahatonga fahasimbana nitentina dolara an’arivony tapitrisa maro, dia tonga matoam-baovao maneran-tany ny loza araka ny natiora toy izany. Ahoana anefa raha toa izany horohoron-tany izany ka namely tany amin’ny Efitra Gobi tsy misy mponina, 1 100 kilaometatra any avaratra-andrefan’i Tangshan, na ahoana raha nizotra tamin’ny lalan-kafa ny Rivo-doza Andrew ka lefy tany an-dranomasina, tsy nahavoa ny tany mihitsy? Zara raha hisy hahatsiaro azy ireo izao.
Mazava àry fa rehefa miresaka ny amin’ny loza araka ny natiora isika, dia tsy miresaka fotsiny ny amin’ireo fisehoan’ny herin’ny natiora mampivarahontsana. Isan-taona dia misy horohoron-tany an’arivony maro, kely sy lehibe, sy tafio-drivotra, sikilaonina, rivo-doza, fipoahana volkano, ary fisehoan-javatra mahery vaika hafa am-polony maro izay notanana an-tsoratra ho toy ny antontan’isa fotsiny. Kanefa rehefa mahatonga fahavoazana lehibe eo amin’ny ain’olona sy ny fananana ny fisehoan-javatra toy izany ka manakorontana ny fizotran’ny fiainana ara-dalàna, dia manjary loza izy ireny.
Tokony homarihina fa tsy mifandanja amin’ny herin’ny natiora tafiditra foana akory ny fahasimbana sy ny fahavoazana vokatr’izany. Ny loza lehibe indrindra dia tsy voatery ho vokatry ny fisehoan’ny herin’ny natiora mahery indrindra. Tamin’ny 1971, ohatra, ny horohoron-tany iray nahatratra 6,6 amin’ny mari-drefy Richter dia namely an’i San Fernando, any Californie, Etazonia, ary nahafaty olona 65. Herintaona taorian’izay, ny horohoron-tany nahatratra 6,2 tany Managua, any Nicaragua, dia nahafaty olona 5 000!
Araka izany, dia tsy maintsy manontany toy izao isika mikasika ny fitomboan’ny fandravana vitan’ireo loza araka ny natiora: Nanjary nahery vaika kokoa ve ireo herin’ny natiora? Sa misy anton-javatra avy amin’olombelona nandray anjara tamin’ilay zava-manahirana?
Iza no tompon’andraikitra?
Ny Baiboly dia mampahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra ho ilay Mpamorona Lehibe nanao ny zava-drehetra, anisan’izany ireo herin’ny natiora amin’itỳ tany itỳ. (Genesisy 1:1; Nehemia 9:6; Hebreo 3:4; Apokalypsy 4:11). Izany akory tsy midika hoe izy no mahatonga ny fizotran’ ny rivotra rehetra na ny ranonorana rehetra. Nataony kosa izay hiasan’ny lalàna sasany izay manapaka ny tany sy ny tontolo iainana eo aminy. Ao amin’ny Mpitoriteny 1:5-7, ohatra, dia vakintsika ny amin’ny telo amin’ireo fiasana fototra mahatonga ny fiainana eto an-tany hisy — ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany isan’andro, ny fihetsehana tsy miovaova arahin’ny rivotra, ary ny tsingerin’ny rano. Na mahafantatra azy ireny ny olombelona na tsia, dia efa niasa hatramin’ny an’arivony taona maro ireny fandehan-javatra araka ny natiora ireny sy ny hafa toa azy, anisan’izany ny toe-tany sy ny jeolojia ary ny fifandraisan’ny zavamiaina amin’ny tontolo iainana eo amin’ny tany. Raha ny marina, ilay mpanoratra ny Mpitoriteny dia nanintona ny saina ho amin’ilay fifanoherana lehibe eo amin’ireo fomba tsy miova sy tsy manam-pahataperana eo amin’ny zavatra noforonina sy ny toetra mihelina sy vonjimaika ananan’ny fiainan’olombelona.
Tsy vitan’ny hoe Mpamorona ireo herin’ny natiora fotsiny i Jehovah, fa manana ny fahefana hifehezana azy ireny koa izy. Ao amin’ny Baiboly manontolo isika dia mahita fitantarana ny amin’ny nifehezan’i Jehovah, na ny nampiasany araka izay tiany an’izany hery izany mba hanatanterahana ny fikasany. Tafiditra tamin’izany ny fampisarahana ny Ranomasina Mena tamin’ny andron’i Mosesy sy ny fampijanonana ny masoandro sy ny volana tamin’ny lalany teny amin’ny lanitra, tamin’ny andron’i Josoa. (Eksodosy 14:21-28; Josoa 10:12, 13). I Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra sady Mesia nampanantenaina, dia nampiseho koa ny fahefany teo amin’ireo herin’ny natiora toy ny tamin’ilay nampitoneny tafio-drivotra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia, ohatra. (Marka 4:37-39). Ny fitantarana sahala amin’io dia tsy mampisy fisalasalana ny amin’ny hoe afaka mifehy tanteraka izay rehetra misy akony eo amin’ny fiainana eto an-tany i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany. — 2 Tantara 20:6; Jeremia 32:17; Matio 19:26.
Koa satria izany no izy, moa ve isika afaka mitana an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fitomboan’ny fahasimbana sy ny fandravana izay vokatr’ireo loza araka ny natiora tato ho ato? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia tsy maintsy dinihintsika aloha raha misy porofo ny amin’ny hoe nanjary nihanahery vaika kokoa tamin’ny fomba nampivarahontsana, angamba tsy azo fehezina mihitsy aza, ireo herin’ny natiora tato ho ato.
Mikasika izany dia mariho izay lazain’ny boky hoe Ireo Loza Araka ny Natiora — Asan’Andriamanitra sa Asan’olombelona? (anglisy): “Tsy misy porofo ny amin’ny hoe eo am-piovana ireo fiasan’ny toe-tany mifandray amin’ny hain-tany sy ny tondra-drano ary ny sikilaonina. Ary tsy misy mpandalina ny siansa momba ny tany milaza fa manjary mihamahery vaika kokoa ny fihetsiky ny tany mifandray amin’ny horohoron-tany sy ny volkano ary ny tsunami (fisamboaravoaran’ny ranomasina mafy).” Toy izany koa fa nanao izao fanamarihana izao ilay boky hoe Earthshock: “Ireo vato amin’ny kaontinenta rehetra dia mirakitra fitantarana ny amin’ny fisehoan-javatra ara-jeolojia lehibe sy kely tsy tambo isaina, ka ny tsirairay amin’izany dia ho loza amin’antambo ho an’ny taranak’olombelona raha nitranga tamin’izao andro izao — ary azo antoka ara-tsiansa fa mbola hiverimberina hitranga izany fisehoan-javatra izany amin’ny hoavy.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny tany sy ireo hery miasa eo aminy dia azo lazaina hoe tsy niova firy nandritra ireo taona. Noho izany, na mampiseho fitomboana na tsia ny antontan’isa sasany eo amin’ny endriny sasany amin’ny fihetsehan-javatra ara-jeolojia na hafa, dia tsy nanjary nahery vaika tamin’ny fomba tsy azo fehezina akory ny tany tato ho ato.
Inona àry no mahatonga ilay fitomboan’ny fitrangana matetika eo amin’ireo loza araka ny natiora sy ny fandravany zavatra izay vakintsika? Raha tsy azo tsinìna ny herin’ny natiora, dia toa manondro ny olombelona ny fiampangana. Ary marina tokoa fa manam-pahefana maro no niaiky fa ny asan’olombelona dia nahatonga ny tontolo iainantsika ho mora itrangan’ny loza araka ny natiora kokoa sy ho mora andairan’izany. Any amin’ireo firenena eo an-dalam-pandrosoana, ny fitomboan’ny filana sakafo dia manery ireo mpamboly hamboly amin’ny fomba tafahoatra izay tany ananany, na haka tany any amin’ireo faritra rakotr’ala tena ilaina amin’ny fiainana, amin’ny fanesorana izany. Izany dia mitarika ho amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany. Ny fahabetsahan’ny mponina koa dia manafaingana ny fitomboan’ireo faritanàna mahantra sy feno trano tsizarizary izay natsangantsangana eny rehetra eny amin’ny faritra mampidi-doza. Na dia any amin’ireo firenena mandroso kokoa aza, dia misy olona mihantsy loza na dia eo aza ny fampitandremana mazava, toy ireo olona an-tapitrisany maro izay mipetraka manamorona ny Fay (tsefaka misy tany miletsy sy misondrotra) San Andreas any Californie. Amin’ny toe-javatra toy izany, rehefa mitranga ny fisehoan-javatra tsy mahazatra iray — tafio-drivotra, na tondra-drano, na horohoron-tany — moa ve azo antsoina marina tokoa hoe “araka ny natiora” ireo vokany mampidi-doza?
Ohatra miavaka mampiseho izany ny hain-tany any Sahel, atsy Afrika. Amin’ny ara-dalàna, isika dia mihevitra ny hain-tany ho tsy fisian’ny orana na rano izay mitarika ho amin’ny mosary sy fijaliana noho ny hanoanana ary fahafatesana. Kanefa moa ve ny mosary sy ny fijaliana noho ny hanoanana mahavoa olona maro be any amin’io faritra io vokatry ny tsy fisian-drano fotsiny? Hoy ilay boky hoe Nature on the Rampage: “Ny porofo nangonin’ireo sampan-draharaha siantifika sy ireo sampan-draharaha mpitondra fanampiana dia mampiseho fa mitohy ny mosary amin’izao andro izao, tsy dia avy amin’ny fahelan’ny hain-tany loatra, fa avy amin’ny fahelan’ny fampiasana tamin’ny fomba tafahoatra ny loharanon-karena avy amin’ny tany sy ny rano. (...) Ny fanjarian’i Sahel ho efitra hatrany dia fisehoan-javatra avy amin’olombelona indrindra.” Nanao izao fanamarihana izao ilay gazety atsy Afrika Atsimo hoe The Natal Witness: “Tsy avy amin’ny tsy fisian-tsakafo ny mosary; izy io dia avy amin’ny tsy fisian’ny fahafahana mahazo sakafo. Raha lazaina amin’ny teny hafa, izy io dia avy amin’ny fahantrana.”
Azo lazaina koa izany amin’ny ankamaroan’ireo fandravana avy amin’ny loza amin’antambo hafa. Nasehon’ny fandinihana fa ireo firenena mahantra kokoa dia mizaka amin’ny fomba tsy mifanentana taham-pahafatesana avo kokoa avy amin’ireo loza araka ny natiora noho ireo firenena manankarena kokoa eo amin’izao tontolo izao. Teo anelanelan’ny 1960 sy 1981, ohatra, araka ny fandinihana iray, dia nahita horohoron-tany sy loza hafa 43 i Japana ary namoy ain’olona 2 700, dia fahafatesana 63 tamin’ny antsalany isaky ny loza. Tao anatin’izay vanim-potoana izay ihany i Peroa dia nahita loza 31 nisy fahafatesana 91 000, na 2 900 isaky ny loza. Nahoana no misy tsy fitoviana toy izany? Mety ho nanetsika ny loza ireo herin’ny natiora, saingy ny asan’olombelona — ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-politika — no tsy maintsy tompon’andraikitra amin’ilay tsy fitoviana lehibe eo amin’ny famoizana ain’olona sy eo amin’ny faharavam-pananana vokatr’izany.
Inona avy no ala olana?
Hatramin’ny taona maro ireo mpahay siansa sy ireo manam-pahaizana manokana dia miezaka mamorona fomba hiatrehana amim-pahombiazana ireo loza araka ny natiora. Mandinika lalina any anatin’ny tany izy ireo mba hitadiavana hahatakatra ny fiasan’ny horohoron-tany sy ny fipoahan’ny volkano. Amin’ireo satelita any amin’ny habakabaka tsy taka-maso, izy ireo dia mandinika ny fiovaovan’ny toetr’andro mba hamaritana ny lalan’ireo sikilaonina sy rivo-doza na mba hilazana mialoha ireo tondra-drano sy hain-tany. Izany fikarohana rehetra izany dia nanome azy ireo filazana izay antenain’izy ireo fa hahatonga azy ho afaka hampihena ny fiantraikan’ireny herin’ny natiora ireny.
Nitondra vokany tsara ve izany ezaka izany? Mikasika io karazana fandaharana andaniam-bola be sy ampiasana teknolojia faran’izay ary fomba io, dia nanao izao fanamarihana izao ny fandaminana iray mpanara-maso: “Manana ny toerany izy ireny. Kanefa raha mandany vola sy ezaka mihoatra ny tokony ho izy ireny — raha atao ho fialan-tsiny izany mba tsy hiraharahana ireo fahavoazana iainan’ny fitambaran’olona misy ireo tra-boina, dia fahavoazana izay vao mainka manampy trotraka ireo loza — amin’izay dia mety hanimba kokoa izy ireny fa tsy hanasoa.” Na dia mahasoa aza, ohatra, ny fahafantarana fa ny vinany eo amin’ny moron-tsirak’i Bangladesh dia rahonan’ny tondra-drano sy ny onjan’ny samonta mandrakariva, izany fahalalana izany dia tsy manakana mponina ao Bangladesh an-tapitrisany maro tsy hipetraka eny tsy fidiny. Ny vokany dia loza miverimberina misy faty olona miisa ana hetsiny maro.
Mazava fa ny filazana ara-teknika dia tsy afaka manampy afa-tsy amin’ny ambaratonga voafetra ihany. Ny zavatra hafa iray ilaina dia ny fahaizana manamaivana ireo fanerena izay mahatonga ny olona tsy hanan-tsafidy firy afa-tsy ny hipetraka eny amin’ny faritra mora voan’ny loza na hiaina amin’ny fomba izay manimbasimba ny tontolo iainana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fampihenana ny fanimbana vitan’ireo herin’ny natiora, dia mitaky fanomezana endriny vaovao tanteraka ny fandehan-javatra ara-tsosialy sy ara-toe-karena ary ara-politika misy antsika. Iza no afaka manatanteraka asa toy izany? Tsy misy afa-tsy Ilay afaka mifehy na dia ireo hery manetsika ireo loza araka ny natiora aza.
Asan’Andriamanitra amin’ny hoavy
Tsy hitsabo ny famantaran’aretina fotsiny i Jehovah Andriamanitra, fa ho tonga hatrany amin’ny fototry ny fahorian’olombelona kosa izy. Hofaranany ilay fandehan-javatra ara-politika sy ara-barotra ary ara-pivavahana feno faniriana mihoa-pampana sy feno fampahoriana izay “nanapaka ny olona ho fahasimbany”. (Mpitoriteny 8:9, NW ). Izay rehetra nifankazatra tamin’ny Baiboly dia tsy afaka ny tsy hahamarika fa manerana ireo pejiny dia misy faminaniana maro be manondro ny fotoana hanaovan’Andriamanitra asa mba hanesorana amin’ny tany ny faharatsiana sy ny fahoriana, sy mba hamerenana indray paradisa an-tany hisian’ny fiadanana sy ny fahamarinana. — Salamo 37:9-11, 29; Isaia 13:9; 65:17, 20-25; Jeremia 25:31-33; 2 Petera 3:7; Apokalypsy 11:18.
Raha ny marina, dia izany no nampianarin’i Jesosy Kristy mba hangatahin’ireo mpanara-dia azy rehetra amin’ny vavaka, izany hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Ny Fanjakana Mesianika dia hanaisotra sy hisolo toerana ireo fanapahan’olombelona tsy lavorary rehetra, araka ny nambaran’i Daniela mpaminany mialoha hoe: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.
Inona no hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra ka tsy azon’ireo firenena amin’izao andro izao atao? Manome topy maso mahasondriana ny amin’izay ho avy ny Baiboly. Tsy hisy ireo toe-piainana aseho an-tsary eto amin’ireto pejy ireto, toy ny mosary sy ny fahantrana fa “hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”, ary “hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ny tany izy”. (Salamo 72:16; Ezekiela 34:27). Mikasika ny tontolo iainana araka ny natiora dia izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. (...) Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika”. (Isaia 35:1, 6, 7). Ary tsy hisy ady intsony. — Salamo 46:9.
Tsy lazain’ny Baiboly ny fomba hanatanterahan’i Jehovah Andriamanitra izany rehetra izany, sy ny fomba hikarakarany ireo hery araka ny natiora rehetra mba tsy hitondran’izy ireo fanimbana intsony. Ny zavatra azo antoka anefa dia ny hoe izay rehetra miaina eo ambanin’io fitondrana marina io dia “tsy hisasatra foana (...), na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; fa taranak’izay notahin’i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy”. — Isaia 65:23.
Ao amin’ireo pejin’itỳ gazety itỳ, ary koa ao anatin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower hafa, dia imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no nilaza fa efa niorina tany an-danitra tamin’ny taona 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra. Eo ambany fitarihan’io Fanjakana io, dia misy fitoriana maneran-tany atao efa ho 80 taona izao, ary amin’izao andro izao isika dia eo an-tokonan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” nampanantenaina. Tsy vitan’ny hoe hafahana amin’ny fanimban’ireo loza araka ny natiora fotsiny ny taranak’olombelona, fa hafahana koa amin’ny fahoriana sy ny fijaliana rehetra izay mamely ny olombelona hatramin’ireo enina arivo taona farany. Ny amin’izany fotoana izany, dia azo atao marina tokoa ny milaza hoe “efa lasa ny zavatra taloha”. — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:4.
Ahoana anefa ny amin’izao fotoana izao? Moa ve Andriamanitra manao zavatra ho an’ireo izay azom-pahoriana noho ny toe-javatra araka ny natiora na noho ny zavatra hafa? Azo antoka tokoa fa manao izany izy, saingy tsy voatery ho araka ny fomba izay mety hanantenan’ny ankamaroan’ny olona azy.
[Sary, pejy 8, 9]
Ny asan’ny olombelona dia nahatonga ny tontolo iainana misy antsika ho mora itrangan’ny loza araka ny natiora kokoa
[Sary nahazoan-dalana]
Laif/Sipa Press
Chamussy/Sipa Press
Wesley Bocxe/Sipa Press
Jose Nicolas/Sipa Press