FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/2 p. 3-4
  • Ireo Antokom-pinoana Madinika — Inona moa Izy Ireny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Antokom-pinoana Madinika — Inona moa Izy Ireny?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe antokom-pinoana?
  • Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Antokom-pinoana Madinika ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Fanafinafenana Atao Amin’ny Anaran’ny Tompo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fahavirjiniana — Nahoana?
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/2 p. 3-4

Ireo Antokom-pinoana Madinika — Inona moa Izy Ireny?

NY 28 Febroary 1993 — mpitandro ny filaminana maherin’ny zato no nanao be midina tao amin’ny fitambaran-trano maromaro nipetrahan’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy am-polony maro. Ny anton-dia dia ho fikarohana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna sy ho fisamborana olona iray nahiahina ho mpanao heloka bevava. Tratran’ny tsy nampoizina anefa ireo mpitandro ny filaminana rehefa nisy tifitra vary raraka nalefa avy tao amin’ireo fitambaran-trano nankany amin’izy ireo. Namaly tifitra koa izy ireo.

Nahafaty olona folo sy nandratra olona maromaro io fifandonana io. Nandritra ireo 50 andro nanaraka, dia nanao fahirano ireo fitambaran-trano ny mpitandro ny filaminana an-jatony maro niaraka tamina basy ampy mba hanaovana ady kely iray. Nifarana ilay fiziriziriana tamin’ny fifampitsapan-kery iray izay nahafaty olona 86, anisan’izany ny ankizy 17 fara fahakeliny.

Iza anefa ilay fahavalo? Andian-tontakely mpivarotra zava-mahadomelina ve? Antokona mpiady anaty akata ve? Tsia. Araka ny mety ho fantatrao, ilay “fahavalo” dia antokon’olona mpivavaka nafana fo, mpikambana tamin’ny antokom-pinoana madinika iray. Ny loza nahatsiravina nanjo azy ireo dia nahatonga fitambaran’olona tsy be mpahalala iray teo amin’ny lemaka midadasik’i Texas afovoany, any Etazonia, ho zavatra nifantohan’ny saina naneran-tany. Nameno ireo fampitam-baovao tamin’ny radio sy televiziona ary ireo pejy vita pirinty ny fibosesik’ireo tatitra sy tsikera ary fanazavana mikasika ireo loza avy amin’ireo antokom-pinoana madinika mirehidrehitra tafahoatra.

Nampahatsiahivina ny besinimaro ireo ohatra teo aloha mikasika ireo anisan’ny antokom-pinoana madinika izay notarihin’ireo mpitarika azy ho any amin’ny fahafatesana: ireo vonoana olona nataon’i Manson tany Californie tamin’ny 1969; ny famonoan-tena tambabe nataon’ireo anisan’ny antokom-pinoana madinika tany Jonestown, Guyana, tamin’ny 1978; ilay fanekena hamono olona sy hamono tena novolavolain’ilay mpitarika antokom-pinoana madinika atao hoe Park Soon-ja tany Korea izay niafara tamin’ny fahafatesan’ny mpikambana 32. Zava-dehibe ny hanamarihana fa ny ankamaroan’ireny olona ireny dia nihambo ho Kristiana ary nilaza fa nino ny Baiboly.

Takatra mora foana fa olona maro manaja ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra no tsiravina amin’ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny Soratra Masina ataon’ireny antokom-pinoana madinika ireny tsy amin-kenatra. Ho vokatr’izany, nandritra ireo taona dia nisy fandaminana an-jatony maro naorina ho fikendrena ny hanara-maso ireo antokom-pinoana madinika sy hampiharihary ny fanaon’izy ireo mampidi-doza. Misy manam-pahaizana manokana momba ny fihetsik’ireo antokom-pinoana madinika milaza mialoha fa ny fahatongavan’ny arivo taona vaovao iray rehefa afaka taona vitsivitsy, dia mety hanetsika ny fitomboana izaitsizin’ireo antokom-pinoana madinika. Nanamarika ny gazety iray fa, araka ireo antokon’olona mpanohitra antokom-pinoana madinika, dia misy antokom-pinoana madinika an’arivony maro “any, vonona ny handrombaka ny vatanao, hifehy ny sainao, hanimba ny fanahinao. (...) Vitsy no mitam-piadiana fa ny ankamaroany dia heverina ho mampidi-doza. Hamitaka anao izy ireo, hanao izay hahafongana ny fanananao, hikarakara ny fanambadianao sy ny fandevenana anao”.

Inona no atao hoe antokom-pinoana?

Ny teny hoe “antokom-pinoana” dia ampiasaina amin’ny fomba malalaka eo amin’ny olona maro tsy tena mahafantatra tsara izay tiany holazaina. Mba hisorohana ny fifangaroan-kevitra dia halavirin’ny teolojiana sasany, raha ny marina, ny fampiasana ilay teny.

Manazava ny The World Book Encyclopedia fa “araka ny nahazatra, ny teny hoe antokom-pinoana dia nanondro izay nety ho endri-panompoam-pivavahana na fankalazana ara-pomba”. Raha tsaraina amin’io fari-pitsipika io, dia azo kilasina ho antokom-pinoana avokoa ireo fandaminana ara-pivavahana rehetra. Eo amin’ny fampiasana ankapobe amin’izao andro izao anefa, dia manana heviny hafa ny teny hoe “antokom-pinoana”. Nomarihin’io firaketana io ihany fa “hatramin’ny antenatenan’ireo taona 1990, dia nanova ny hevitr’ilay teny ny fampielezan-kevitra natao mikasika ny antokom-pinoana madinika. Amin’izao andro izao, ilay teny dia ampiharina amin’ireo antokon’olona izay manaraka mpitarika mbola velona iray izay mampiely foto-pampianarana sy fanao vaovao sy tsy araka izay nekena hatramin’izay”.

Manaiky ny fampiasana tiam-bahoaka mikasika ilay teny ny gazetiboky Newsweek ka manazava fa ny antokom-pinoana madinika “mazàna dia antokon’olom-bitsy manana fiheverana tafahoatra, ka ireo mpikambana ao aminy dia nandray ny maha-izy azy sy ny fikasany avy amin’olon-tokana mahay manentana iray”. Toy izany koa, ny gazetiboky Asiaweek dia manamarika fa “ilay teny [hoe antokom-pinoana madinika] mihitsy dia tsy mazava, kanefa dia mazàna izy io no milaza fitsipika ara-pivavahana vaovao miorina manodidina mpitarika mahay manentana iray izay matetika manambara ny tenany ho sary velona mampiseho an’Andriamanitra”.

Ilay fiteny nampiasaina tao amin’ny fanapahan-kevitra niombonan’ny Kongresy faha-100 tao amin’ny Fanjakan’i Maryland, any Etazonia, koa dia nampita hevitra manambany an’ilay teny hoe antokom-pinoana. Milaza ilay fanapahan-kevitra fa “ny antokom-pinoana madinika dia antokon’olona na fihetsiketsehana iray mampiharihary fifikirana tafahoatra amin’olona na hevitra iray, ary mampiasa fomba fanararaotana tsy mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ekena, eo amin’ny fandresen-dahatra sy ny fanasana atidoha mba hampandrosoana ny zava-kendren’ireo mpitarika azy”.

Mazava fa ny antokom-pinoana madinika dia heverina amin’ny ankapobeny ho antokon’olona mpivavaka manana fiheverana sy fanao tafahoatra mifanohitra amin’izay ekena ho fihetsika ara-dalàna eo amin’ny tany ama-monina. Mazàna izy ireo dia mitarika ny asany ara-pivavahana ao amin’ny miafina. Maro amin’ireny antokon’olona anisan’ny antokom-pinoana madinika ireny no mitoka-monina miaraka. Azo inoana fa tsy misy fepetra sy tsy mizarazara ny fifikiran’izy ireo amin’olona iray nanambara tena ho mpitarika. Matetika ireny mpitarika ireny dia mirehareha ho voafidin’Andriamanitra manokana, na ho manana toetra maha-Andriamanitra mihitsy aza.

Indraindray ireo fandaminana mpanohitra antokom-pinoana madinika sy ny fampahalalam-baovao dia manisy fitenenana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho toy ny antokom-pinoana madinika. Misy lahatsoratra an-gazety vao haingana maromaro nampiditra ny Vavolombelona tao anatin’ireo antokon’olona mpivavaka fantatra noho ireo fanaony mampisalasala. Araka ny marina ve anefa ny fanisiana fitenenana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho antokon’olona mpivavaka manana fiheverana tafahoatra? Matetika ireo anisan’ny antokom-pinoana madinika no mampitokana ny tenany amin’ny havana aman-tsakaiza, sy ny tany ama-monina amin’ny ankapobeny mihitsy aza. Izany ve no izy amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah? Moa ve ny Vavolombelona mampiasa fomba feno fitaka sy tsy mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ekena mba handraisana mpikambana vaovao?

Fantatra ho mampiasa fomba fanararaotana mba hifehezana ny sain’ireo mpanara-dia azy ireo mpitarika antokom-pinoana madinika. Misy porofo ve fa manao izany ny Vavolombelon’i Jehovah? Moa ve ny fanompoam-pivavahan’izy ireo saronana ao amin’ny miafina? Moa ve izy ireo manara-dia sy manaja fatratra mpitarika olombelona iray? Miharihary ve fa antokom-pinoana madinika ny Vavolombelon’i Jehovah?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Jerry Hoefer/Fort Worth Star Telegram/Sipa Press

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara