“Ny Tànan’i Jehovah” teo Amin’ny Fiainako
NOTANTARAIN’I LAWRENCE THOMPSON
Indray alina tamin’ny 1946, dia niara-nipetraka tao anaty fiara izahay sy i Dada, nitazana ny fahazavan’ny maraina avy any avaratra teny amin’ny lanitra. Niresaka momba ny halehibeazan’i Jehovah sy ny hakelezantsika izahay. Notsarovinay ireo fitrangan-javatra tao anatin’ireo taona nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada. Nataon’i Dada latsa-paka tao amiko ny fomba nanohanan’i Jehovah sy nitarihany ny vahoakany tao anatin’ireny taona ireny.
NA DIA vao 13 taona monja aza aho tamin’izay, dia afaka nahatakatra ny fahamarinan’izay nolazain’i Dada. Nataony latsa-paka tao amiko koa ny fahatsapana ny naha-maika sy ny halehiben’ny asa fitoriana izay mbola tokony hatao. Nanonona ny Nomery 11:23 i Dada ary nanantitrantitra tamiko fa, raha ny tena izy, dia tsy mihafohy na oviana na oviana ny tanan’i Jehovah. Ny tsy fananantsika finoana sy fatokiana azy ihany no mametra izay hataony ho antsika. Resaka sarobidy nifanaovan’ny ray sy ny zanaka ilay izy, resaka izay tsy hohadinoiko na oviana na oviana.
Ny fianarana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, indrindra fa ny boky Salut, nivoaka tamin’ny 1939, dia nisy heriny lehibe koa teo amin’ireo taona voalohany tamin’ny fiainako. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ilay fanoharana nanaitra teo am-panombohan’ilay boky, nanao hoe: “Ilay fiarandalamby haingam-pandeha, feno mpandeha, dia nahavita [enimpolo amby zato kilaometatra] isan’ora. Tsy maintsy nita ilay renirano teo amin’ny tetezana izay nanao fiolahana efa ho [180 degre] ilay izy, ka ny olona nitaingina tany amin’ny faran’ilay fiarandalamby dia afaka nahita ny lohamasinina (...) Nisy lehilahy roa tany amin’ny faran’ilay lamasinina (...) nahita fa nirehitra ny tapany iray tany amin’ny faran’ilay tetezana ary nianjera tao amin’ilay renirano. Takatr’izy ireo fa niatrika loza lehibe izy ireo. Tena nisy nilana ny hanaovan-javatra maika dia maika. Azo najanona ara-potoana ve ilay fiarandalamby mba hamonjena ny ain’ireo mpandeha maro be tao anatiny?”
Ho fampiharana ilay fanoharana, ilay boky dia namaran-teny toy izao: “Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, ny firenena sy ny olona rehetra amin’ny tany dia miatrika ny tarehin-javatra ilana ny hanaovan-javatra maika indrindra. Ampitandremana izy ireo, araka ny baikon’Andriamanitra, fa tena efa antomotra ny lozan’i Haramagedona. (...) Rehefa avy nampitandremana toy izany ny tsirairay, dia tsy maintsy mifidy dieny izao ny lalana harahiny.”
Ilay fiarandalamby haingam-pandeha, ilay tetezana nirehitra ary ny naha-maika dia maika ny asa fitoriana dia voasoritra tsy hay kosehina tao an-tsaiko.
Ny asa fitoriana tany am-boalohany
Nanomboka nandray anjara tamin’ny asa fitoriana aho tamin’ny 1938, fony aho dimy taona. I Henry sy i Alice Tweed, samy mpisava lalana (mpitory manontolo andro), dia nitondra ahy niaraka taminy, ary nandany teo amin’ny adiny 10 ka hatramin’ny adiny 12 isan’andro izahay niresahana tamin’ny olona. Tena nankafiziko ireny andro manontolo nanaovana ny fanompoana an’i Jehovah ireny, hany ka nientan-kafaliana aho tamin’ny taona nanaraka, rehefa navelan’i Dada sy i Neny ho tonga mpitory ka namerina filazana momba ny asa nataoko mihitsy.
Tamin’ireny taona tany am-boalohany ireny izahay dia nandray anjara tamin’ireo filaharana ho fampielezan-kevitra, nanaraka ny arabe lehibe indrindran’ireo tanàna sady nitondra takelaka nisy teny nanala sarona ny fivavahan-diso ary nanambara ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampiasa gramophones fitondra koa izahay ary nandefa hafatra ara-baiboly teo an-tokonan’ireo tompon-trano mihitsy. Nandefa ireo lahatenin’i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, izahay, ka ny sasany tamin’izy ireny dia haiko tsianjery. Mbola reko foana izy nanao hoe: “Nolazaina matetika ny hoe: Ny fivavahana dia fandrika sy fanambakana!”
Norarana ny asanay teto Kanada
Nandritra ny ady lehibe faharoa, dia norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada, toy ny tany Alemaina Nazia sy tany an-tany hafa. Koa tsy nampiasa afa-tsy ny Baiboly àry izahay, kanefa nanohy ny asanay nahazoan-dalana tamin’Andriamanitra ho fankatoavana ireo toromariky ny Baiboly. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 5:29). Nianatra ny hiatrika ireo bemidin’ny polisy tamin’ireo fivorianay sy ny tokantranonay izahay. Nanjary za-draharaha koa izahay tamin’ny fanaovana teny fanamarinana teo anoloan’ireo mpitsara sy tamin’ny famaliana ireo mpamotopototra.
Nanjary nanam-pahaizana manokana tamin’ny fanipazana bokikely avy tamina fiara mbola nandeha, teny amin’ireo tokonam-baravarana sy lavarangana, izahay sy i Jim zokiko lahy. Ankoatra izany, dia nanao ny asan’ny mpampita hafatra izahay, ary koa ny an’ny mpiambina indraindray ho an’ireo izay niampita ny sisin-tany mba hanatrika fivoriamben’ny distrika tany Etazonia.
Tany ivelan’ny tanànan’i Port Arthur (Thunder Bay ankehitriny), any Ontario, no nisy ny tranonay, teo amin’ny tany iray hektara teo ho eo izay voahodidina hazo sy kirihitr’ala. Nanana omby vavy iray, zanak’omby iray, kisoa ary akoho izahay — ka ireo rehetra ireo dia samy fitaovana tsara dia tsara nanafenana ny asa nataonay ho fanampiana tanora kristiana hafa izay natao haza lambo mba hatao an-tranomaizina noho ny fitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tamin’ny alina, dia nisy fiara sy kamiao ary fitaterana entana niditra sy nivoaka ny tokotaninay izay niafina, nitondra tanora kristiana. Nampiantrano, nanafina, nanova ny fisehoana ivelan’ireny tanora ireny, sy nanome sakafo azy izahay ary avy eo dia nandefa azy handeha indray. Ny raiko sy ny reniko, ary koa ireny mpiasa hafa voalohany ireny, dia nanompo tamin’ny fanahiny manontolo ka namolavola ny foko mbola tanora mba hanompo sy ho tia an’i Jehovah Andriamanitra.
Tamin’ny Aogositra 1941, dia nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah aho ary natao batisa tao amin’ny farihy kely iray tany anaty ala be. Maromaro taminay no niara-nivory ho amin’io fisehoan-javatra io tamin’ny alina be, tao amin’ny trano hazo kely nohazavain’ny jiro kely iray. Toa mahina ny polisy ka nisava ilay toerana, tamin’ny fanazavana ny faritra tsirairay tamin’ilay farihy, kanefa tsy nahita anay.
Lafiny maro tamin’ny fanompoana manontolo andro
Tamin’ny 1951, dia nahavita ny fianarako tany amin’ny lise aho ary nanao dia efa ho 1 600 kilaometatra mba ho any amin’ny nanendrena ahy ho mpisava lalana, tany Cobourg, any Ontario. Kely ilay kongregasiona, ary tsy nana-namana mpisava lalana niaraka tamiko aho. Kanefa tadidiko fa tsy mihafohy ny tanan’i Jehovah, ka nanofa efitrano iray aho, nahandro ny sakafoko ihany, ary faly nanompo an’i Jehovah. Nasaina mba hanompo tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany Toronto aho, ny taona nanaraka. Tany aho dia nahazo fianarana sarobidy maro izay nanatsara ahy ho amin’ny fanompoana momba ilay Fanjakana tatỳ aoriana.
Rehefa avy nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana tany Toronto nandritra ny herintaona mahery aho, dia nivady izahay sy i Lucy Trudeau, ary tamin’ny ririnin’ny taona 1954 izahay dia nahazo fanendrena ho mpisava lalana tany Levis, any Québec. Namirifiry ny hatsiaka, nahatahotra ny fanorisorena tsy an-kijanon’ny mpirotaka sy ny polisy, ary tena sarotra ny fianarana ny teny frantsay. Tamin’izany rehetra izany, dia tsy nihafohy na oviana na oviana ny tanan’i Jehovah, hany ka na dia nisy toe-javatra mafy aza, dia nahazo fitahiana maro koa izahay.
Nangatahina izahay, ohatra, hijery sambo roa (ny Arosa Star sy ny Arosa Kulm) izay nokasain’ny Fikambanana hampiasaina mba hitondra solontena hankany amin’ireo fivoriambe niraisam-pirenena lehibe tany Eoropa tamin’ny 1955. May ny hifampiraharaha tamin’ny Fikambanana ireo mpitarika fikambanam-pitaterana an-tsambo, ka naneho fahaiza-mampiantrano vahiny taminay indraindray. Izany dia nanome fitsaharana kely nahafinaritra teo amin’ny fanompoana feno fihenjanana nataonay tany Québec tamin’izany andro izany.
Tamin’ny fararanon’ny taona 1955 aho, dia nasaina mba ho mpiandraikitra mpitety faritany, ary nandany ny ririnina nanaraka nitsidihana kongregasiona lavitra tany amin’ny faritra avaratra mamanalan’i Ontario izahay. Ny taona nanaraka izahay dia nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower tany Etazonia, ary taorian’izay, dia notendrena ho misionera tany Brezila, any Amerika Atsimo.
Nanomboka tamin-kafanam-po ilay asa vaovao nanendrena anay izahay, ary tsy ela dia afaka nitory sy nampianatra tamin’ny teny portogay. Tany am-piandohan’ny taona 1957, dia notendrena hanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany indray aho. Izao, dia tsy ny toetr’andro mamanalan’ny tany Avaratra no tsy maintsy niaretanay fa hafanana nigaingaina. Imbetsaka izahay no voatery nijanona sy nanala ny fasika nahamay tao anaty kiraronay, na nanapaka fary hofiahina mba hahazoana tanjaka indray. Kanefa nisy fitahiana maro.
Tao amin’ny tanànan’i Regente Feijo, dia niresaka tamin’ny lehiben’ny polisy aho, ary nandidy ny hanakatonana ny fivarotana rehetra izy, ka nilaza fa tsy maintsy nankany amin’ny kianjan’ny tanàna ny rehetra. Teo ambany alokaloky ny hazo iray feno voninkazo sy nisy raviny vaventy aho, dia nanao lahateny ara-baiboly tamin’ny mponina rehetra tao amin’ilay tanàna. Amin’izao andro izao, dia misy kongregasionan’ny Vavolombelona any.
Fitaizana ireo zanakay tany Brezila
Rehefa bevohoka i Lucy tamin’ny 1958, dia nanorim-ponenana tao Juiz de Fora izahay ary nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana. Tao anatin’ireo roa taona nanaraka, dia teraka i Susan sy i Kim, zanakay vavy. Tena fitahiana mihitsy izy ireo teo amin’ny fanompoana, satria nanjary zava-baovao tao an-tanàna. Rehefa nanosika ny posiposin-jaza natoriany teny amin’ny lalam-bato izahay, dia nivoaka mba hijery azy ireo ny olona. Koa satria nila mpitory ilay Fanjakana betsaka ny tany Recife, teo atsimon’ny ekoatera, dia nifindra nankany amin’io toerana faran’izay mafana io izahay.
Tamin’ny 1961, dia tsy vitan’ny hoe afaka nanampy tamin’ny fandaminana ny fitaterana tamin’ny fiaramanidina ireo Vavolombelona nankany amin’ny fivoriamben’ny distrika tany São Paulo aho, fa afaka nanatrika iny fivoriambe mendrika hotsarovana iny koa. Rehefa nanidina 20 minitra teo ho eo anefa, dia nitsontsorika tampoka ny lohan’ilay fiaramanidina, ka nampivadibadika ireo mpandeha tao anatiny. Potika ny atin’ilay fiaramanidina; voatsoaka avy tamin’ireo rojo nihazona azy ireo toerana fipetrahana, ary naratra sy nandeha ra ireo mpandeha. Soa ihany fa afaka nanitsy ilay fiaramanidina tamin’izany fianjerany izany ilay mpamily, ary dia afaka nipetraka soa aman-tsara tamin’ny tany izahay. Tsy nisy na dia iray aza taminay naratra mafy ka hoe tsy ho afaka ny hanohy nankany São Paulo tamin’ny fiaramanidina hafa iray. Faly izahay nanatrika fivoriambe nahafinaritra aoka izany, kanefa nilaza aho fa tsy handeha fiaramanidina intsony mihitsy!
Rehefa nody avy tany amin’ilay fivoriambe anefa aho, dia nisy fanendrena hafa niandry ahy. Tokony hikarakara ny fivoriamben’ny distrika iray tany anaty ala be tany Teresina, any amin’ny Fanjakan’i Piauí, aho. Ho voatery handeha fiaramanidina ho any aho. Na dia raiki-tahotra aza aho, dia nanaiky ilay asa nanendrena ahy, ary niantehitra tamin’ny tanan’i Jehovah.
Tamin’ny 1962, dia teraka tany Recife i Greg zanakay lahy. Na dia tsy afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana intsony aza aho, satria nanana fianakaviana nitombo izao, dia afaka nampihatra fitaomana nanorina teo amin’ilay kongregasiona kely. Dodona foana ireo zanakay hiaraka taminay teny amin’ny fanompoana, satria nataonay ho zavatra nahaliana ho azy ireo ilay izy. Ny tsirairay avy taminy, nanomboka tamin’ny fahatelo taonany, dia afaka nanolotra fomba fampiseho iray teny am-baravarana. Nataonay ho fahazarana ny tsy hanao tsirambina na oviana na oviana ny fanatrehana fivoriana na ny fandraisana anjara tamin’ny asa fanompoana. Na dia rehefa narary aza ny iray tao amin’ny fianakaviana, ka nety ho niara-nijanona taminy ny iray hafa, ny sisa kosa dia nandeha nanatrika fivoriana na nandray anjara tamin’ny asa fanompoana.
Nandritra ireo taona, dia niara-niresaka tsy tapaka tamin’ny naha-fianakaviana, momba ny fianaran’ireo zanakay sy ny tanjona hotratrariny teo amin’ny fiainana, izahay, ka nanomana azy ireo ho amin’ny asa iray hataony ho antom-piainana tao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Nitandrina izahay mba tsy ho voan’ireo fitaomana mampahalemy, toy ny televiziona, izy ireo. Tsy nanana vata fahitalavitra tao an-trano izahay raha tsy rehefa zatovo ireo zanakay. Ary na dia nanana fahafahana ara-bola aza izahay, dia tsy nampihanta azy ireo tamin’ny alalan’ny zavatra ara-nofo. Tsy nividy afa-tsy bisikilety iray monja izahay, ohatra, ka tsy maintsy nikambanan’izy telo mianadahy izy io.
Niara-nanao zavatra betsaka araka izay azo natao izahay, toy ny filalaovana baskety, ny filomanosana ary ny fitondrana ny fianakaviana hanao dia lavitra. Ireo dia lavitra nataonay dia nifandray tamin’ny fanatrehana ireo fivoriambe kristiana na fitsidihana trano Betela tany amin’ny tany samihafa. Ireny dia lavitra ireny dia nanome anay fotoana hiaraha-miresaka malalaka, hany ka azonay sy i Lucy natao ny nahafantatra izay tao am-pon’ireo zanakay. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aoka izany izahay noho ireny taona nahafinaritra ireny!
Nisy vokany ratsy teo amin’ny fahasalaman’i Lucy tamin’ny farany ireo folo taona nijanonanay tany amin’ireo tany mafana akaikin’ny ekoatera. Koa nandray tamim-pifaliana ny fiovan’ny fanendrena anay ho any amin’ny toetr’andro antonony kokoa tany atsimo, tany Curitiba, any amin’ny Fanjakan’i Paraná, àry izahay.
Fiverenana teto Kanada
Tamin’ny 1977, rehefa avy nandany teo amin’ny 20 taona teo ho eo tany Brezila izahay sy i Lucy, dia niverina teto Kanada niaraka tamin’ireo zanakay mba hikarakara ny raiko narary. Fifandonana ara-kolontsaina re izany ho an’ny fianakavianay! Kanefa tsy nisy fifandonana teo amin’ny ara-panahy, satria mbola nihazona ny fahazaranay ihany izahay, niaraka tamin’ireo rahalahinay kristiana be fitiavana.
Teto Kanada, dia nanjary raharaham-pianakaviana ny fanompoana manontolo andro, rehefa nifandimby nirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana manontolo andro ireo zanakay vavy. Nandray anjara tamin’ilay raharaham-pianakavianay avokoa izahay rehetra. Izay karama rehetra azonay avy tamin’ny asa tapa-potoana nataonay dia nampidirina tao amin’ny tahirim-bola nandoavana ireo fandaniana tamin’ny fikojakojana ny tokantranonay sy ireo fiarakodia telo nilaina mba hiasana ny faritaninay izay niparitaka. Isan-kerinandro, taorian’ny fianaran’ny fianakavianay ny Baiboly, dia niara-niresaka momba ireo zavatra nokasain’ny fianakaviana hatao izahay. Ireny fiaraha-niresaka ireny dia nanampy mba hamantaran’ny rehetra ny zava-nokendrenay sy izay nampiasanay ny fiainanay.
I Greg, zanakay lahy, tahaka ireo zokiny vavy, dia nanao ny fanompoana manontolo andro koa ho tanjona hotratrariny. Hatramin’ny fahadimy taonany izy dia naneho ny faniriany hiasa any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana iray, antsoina hoe Betela. Tsy nanadino izany tanjona izany na oviana na oviana izy, ary rehefa avy nahavita ny fianarany tany amin’ny lise, dia nanontany anay sy ny reniny hoe: “Heverinareo ve fa tokony hanao fangatahana hiditra ao amin’ny Betela aho?”
Na dia nankarary ny fonay aza ny hamela ny zanakay lahy handeha, dia tsy nisalasala izahay namaly hoe: “Na oviana na oviana ianao dia tsy hahatsapa be dia be ny tanan’i Jehovah toy ny any amin’ny Betela — ny tena fototra ao amin’ny fandaminan’i Jehovah.” Tao anatin’ny roa volana izy dia lasa, ho any amin’ny Betelan’i Kanada. Tamin’ny 1980 izany, ary dia mbola manompo any izy hatramin’izao.
Ireo taona 1980 dia nitondra zava-tsarotra vaovao ho anay sy i Lucy. Niverina tany amin’ny nanombohanay indray izahay — izahay mivady irery. Tamin’izay i Susan dia efa nanambady ary niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny vadiny, ary i Kim sy i Greg dia samy nanompo tany amin’ny Betela. Inona re no hataonay e? Voavaly haingana izany fanontaniana izany tamin’ny 1981, rehefa nasaina izahay mba hanompo tao amin’ny fizaran-tany iray tamin’ny teny portogay, izay nivelatra teo amin’ny faritany nisy 2 000 kilaometatra teo ho eo eto Kanada. Mbola faly manao ny asa fitetezana faritany ihany izahay ankehitriny.
Hatramin’izay i Kim dia nanambady ary nanatrika ny Sekolin’i Gileada, ary izao izy sy ny vadiny dia manompo ao amin’ny asan’ny fizaran-tany any Brezila. I Susan sy ny vadiny dia mbola eto Kanada, mitaiza ireo zanak’izy ireo roa, ary mpisava lalana ny vadin’i Susan. Na dia tafasaraka ara-batana aza ny fianakavianay tao anatin’ireo taona faramparany, noho ireo asa samihafa nanendrena anay ao amin’ny fanompoana manontolo andro, dia mitoetra ho akaiky ara-panahy sy ara-pihetseham-po izahay.
Miandry amim-panantenana ny hoavy mamirapiratra iray hiarahana amin’ny fianakavianay eto amin’ny tany voadio, izahay sy i Lucy. (2 Petera 3:13). Toa an’i Mosesy fahiny, izahay dia nahita mivantana ny maha-marina ny valin’ilay fanontaniana tsy miandry valiny ao amin’ny Nomery 11:23 hoe: “Nihafohy va ny tànan’i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.” Marina tokoa fa tsy misy na inona na inona afaka misakana an’i Jehovah tsy hitahy ny mpanompony noho ny fanompoana ataon’izy ireo amin’ny fony manontolo.
[Sary, pejy 25]
Miaraka amin’i Lucy vadiko