FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/12 p. 26-29
  • Loza Nahatsiravina Tany Rwanda — Iza no Tompon’andraikitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loza Nahatsiravina Tany Rwanda — Iza no Tompon’andraikitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Hutu sy ny Tutsi
  • Iza no tompon’andraikitra?
  • Anjara asan’ny fivavahana
  • Hafa ireo tena Kristiana
  • Ny Fivavahana sy ny Resaka Ady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Fikarakarana Ireo Niharam-pahavoazana Tamin’ilay Loza Nahatsiravina Tatsy Rwanda
    Mifohaza!—1995
  • Fizarana Ilay Fampiononana Omen’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?
    Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/12 p. 26-29

Loza Nahatsiravina Tany Rwanda — Iza no Tompon’andraikitra?

“Taloha kelin’ny nikapokapohana mandra-pahavakin’ny karandohan’ilay mécanicien 23 taona”, hoy ny U.S.News & World Report, “dia nilaza tamin’i Hitiyise toy izao ny iray tamin’ireo mpamely: ‘Tsy maintsy maty ianao satria Tutsi.’ ”

IMPIRY impiry moa no niverimberenan’ny fisehoan-javatra toy izany tao amin’ilay tany kelin’i Rwanda atsy Afrika Afovoany, nandritra ireo volana Aprily sy May! Tamin’izay fotoana izay dia nisy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah 15 tao Kigali, renivohitr’i Rwanda, sy teny amin’ny manodidina azy. Ilay mpiandraikitra ny tanàna, i Ntabana Eugène, dia Tutsi. Izy sy ny vadiny sy ny zanany lahy ary i Shami, zanany vavy sivy taona, dia anisan’ireo olona voalohany naripaka, rehefa nipoaka ilay tabataba feno herisetra.

Rwandais an’arivony maro no nisy namono isan’andro — isan-kerinandro, isan-kerinandro. Teo an-tenatenan’ny ny volana May, dia hoy ny tatitra nataon’ilay gazetiboky mpamakafaka vaovao voalaza etsy ambony: “Tao anatin’ireo herinandro enina farany, dia olona 250 000 no maty tao anatin’ny ezaka manokana iray ho fandripahana foko iray manontolo sy ho valy faty, izay tsy mena-mitaha amin’ny ra nandriaka tamin’ny fanesoran’ny Khmer Rouge izay tsy tiany tao Kambodja, teo an-tenatenan’ireo taona 1970.”

Hoy ny gazetiboky Time: “Tamin’ny fisehoan-javatra iray mampahatsiaro an’i Alemaina nazia, ireo ankizy dia nesorina avy tao amin’ny antoko iray nisy olona 500 noho izy ireo nitovitovy tamin’ny Tutsi fotsiny. (...) Ilay ben’ny tanànan’i Butare, tanàna any amin’ny faritra atsimo, izay nanambady Tutsi, dia notoloran’ireo tantsaha hutu safidy iray [nahafadiranovana] toy izao: afaka namonjy ny vady aman-janany izy raha nanolotra ny fianakavian’ny vadiny — ny ray aman-dreniny sy ny rahavaviny — hovonoina. Nanaiky io fandaharana io izy.”

Nisy olona enina niasa tao amin’ny Biraon’ny Fandikan-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Kigali, ny efatra tamin’izy ireo dia Hutu, ary ny roa Tutsi. Ny Tutsi dia i Ananie Mbanda sy i Mukagisagara Denise. Rehefa tonga tao amin’ilay trano ireo miaramila niaraka tamin’ireo mpandroba, dia nanjary tezitra izy ireo nahita Hutu sy Tutsi niray trano. Naniry ny hamono an’i Mbanda sy i Denise izy ireo.

“Nanomboka nisintona ilay fihatsiny tamin’ny grenadiny izy ireo”, hoy i Emmanuel Ngirente, iray amin’ireo rahalahy hutu, “ka nandrahona ny hamono anay, noho izahay nanana ny fahavalon’izy ireo teo aminay. (...) Nangataka vola be izy ireo. Nomenay azy ireo izay vola rehetra nisy teo aminay, kanefa dia tsy afa-po izy ireo. Nanapa-kevitra ny haka taminay, ho solony, izay rehetra azony nampiasaina izy ireo, anisan’izany ny ordinatera iray azo entina mandehandeha izay nampiasainay tamin’ny asan’ny fandikan-teny, ny milina fanaovanay photocopie, ny radionay, ny kiraronay, sy ny toy izany. Tampoka teo, dia nandao anay izy ireo, tsy namono na iza na iza taminay, kanefa dia nilaza izy ireo fa mbola hiverina any aoriana.”

Tamin’ireo andro nanaraka, dia tsy nitsahatra niverina ireo mpandroba, ka isaky ny tonga izy ireo dia niangavy ny amin’ny ain’ireo Tutsi namany ireo Vavolombelona Hutu. Farany, rehefa nanjary nampidi-doza loatra ho an’i Mbanda sy i Denise ny nijanona tao, dia natao ny fandaharana mba handehanan’izy ireo niaraka tamin’ireo mpitsoa-ponenana Tutsi hafa, tany amin’ny sekoly iray teny akaiky. Rehefa nisy nanafika ilay sekoly, dia afaka nandositra i Mbanda sy i Denise. Nahavita niampita arabe voasakana maromaro izy ireo, saingy tamin’ny farany, dia natokana ireo Tutsi rehetra, ary dia novonoina i Mbanda sy i Denise.

Rehefa niverina tany amin’ilay Biraon’ny Fandikan-teny ny miaramila ka nahita fa efa lasa ireo Vavolombelona tutsi, dia nikapoka mafy an’ireo rahalahy hutu, izy ireo. Avy eo, dia nisy tafondro nipoaka teo akaiky teo ka afa-nandositra nahavotra ny ainy ireo rahalahy.

Arakaraka ny nitohizan’ilay famonoana nanerana ilay tany, ny isan’ny maty dia azo inoana fa tafakatra ho antsasa-tapitrisa. Tamin’ny farany, tamin’ireo mponina tao Rwanda valo tapitrisa, dia nandao ny tranony ny olona teo anelanelan’ny roa sy telo tapitrisa na mahery. Maro tamin’izy ireo no nitady fialofana tany Zaïre sy Tanzania teo akaiky teo. Vavolombelon’i Jehovah an-jatony maro no novonoina ho faty, ary maro hafa no anisan’ireo izay nandositra tany amin’ireo toby tany ivelan’ilay tany.

Inona no nandrehitra io fandripahana sy fifindrana rodobe mbola tsy nisy toy izany io? Ho azo natao ve ny nisoroka azy io? Nanao ahoana ny toe-javatra talohan’ny nipoahan’ny herisetra?

Ny Hutu sy ny Tutsi

I Rwanda sy i Burundi, tany iray mifanila aminy, dia samy manana mponina hutu sy tutsi. Ny Hutu dia vahoaka bantou mazàna fohy sy bozenizeny, ary ny Tutsi, amin’ny ankapobeny dia vahoaka lava kokoa sy mazava volon-koditra kokoa, izay fantatra koa hoe Watusi. Ao amin’ireo tany roa ireo, ny Hutu dia mahaforona ny 85 isan-jaton’ny mponina, ary ny Tutsi ny 14 isan-jato. Ny fifandonana teo amin’ireo antokom-pirazanana ireo dia efa voarakitra an-tsoratra taloha be, hatrany amin’ny taonjato faha-15. Kanefa, tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia niara-niaina tamim-pihavanana izy ireo.

“Niara-niaina tao anatin’ny fihavanana izahay taloha”, hoy ny vehivavy iray 29 taona, anisan’ireo Hutu sy Tutsi 3 000 nipetraka tao amin’ny tanàna kelin’i Ruganda, kilaometatra vitsivitsy any atsinanan’i Zaïre. Tamin’ny Aprily anefa, dia nisy fanafihana nataon’ireo andian-jiolahy hutu nandringana saiky ny mponina tutsi manontolo tao amin’ilay tanàna kely. Nanazava toy izao ny The New York Times:

“Mitovy amin’ny tantaran’i Rwanda manontolo ny tantaran’io tanàna kely io: Hutu sy Tutsi niara-niaina sy nifanambady, tsy niraharaha na nahafantatra akory hoe iza no Hutu ary iza no Tutsi.

“Avy eo, dia nisy zavatra niova haingana. Tamin’ny Aprily, dia nisy mpirotaka hutu nanerana ilay tany nanao tabataba sy namono ireo Tutsi na taiza na taiza nahitany azy. Rehefa nanomboka ireo famonoana, dia nandositra tany amin’ireo fiangonana mba hitady fiarovana ireo Tutsi. Nanaraka tany ireo vahoaka nitabataba ka nanova ireny toeram-pialofana ireny ho fasana izay nitoetra ho feno ra niporitika.”

Inona no nanetsika ilay famonoana? Izany dia ny fahafatesan’ny prezidàn’i Rwanda sy ny prezidàn’i Burundi tamin’ny fianjeran’ny fiaramanidina iray tany Kigali, tamin’ny 6 Aprily. Samy Hutu izy roa lahy. Na manao ahoana na manao ahoana, io zava-nitranga io dia nampirongatra ilay fandripahana, tsy ny Tutsi ihany, fa izay nety ho Hutu noheverina fa nangoraka azy ireo koa.

Tamin’izay fotoana izay ihany, dia nihamafy ny ady teo amin’ireo tafika mpikomy — ny F.P.R. (Front Patriotique Rwandais) izay tapahin’ny Tutsi — sy ny tafi-panjakana tapahin’ny Hutu. Tamin’ny Jolay, dia resin’ny F.P.R. ny tafi-panjakana, ary azony i Kigali sy ny maro tamin’ny tapany sisa amin’i Rwanda. Noho ny fahatahorana valy faty, dia Hutu ana hetsiny maro no nandositra ilay tany, tamin’ny fiandohan’ny Jolay.

Iza no tompon’andraikitra?

Rehefa nanontaniana mba hanazava ny antony nipoahan’ny herisetra tampoka tamin’ny Aprily ny mpiompy tutsi iray, dia nilaza hoe: “Izany dia noho ireo filoha ratsy.”

Mazava ho azy, fa nandritra ireo taonjato, ireo filoha ara-politika dia nampiely lainga momba ireo fahavalony. Teo ambany fitarihan’ilay “andrianan’izao tontolo izao”, dia i Satana Devoly, ireo mpanao politika eo amin’izao tontolo izao dia nandresy lahatra ny vahoakany mba hiady sy hamono ireo izay hafa firazanana na foko na firenena noho ny azy. (Jaona 12:31; 2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19). Tsy hafa noho izany ny toe-javatra any Rwanda. Hoy ny The New York Times: “Ireo mpanao politika dia nanandrana imbetsaka hampitombo ny tsy fivadihana ara-poko sy ny tahotra ara-poko — raha ny amin’ireo Hutu, izany dia mba hitanana ny fahefana eo amin’ny Fitondrana; raha ny amin’ireo Tutsi, izany dia mba hanentanana fanohanana ho an’ny fihetsiketsehan’ireo mpikomy.”

Koa satria be zavatra itoviana ny vahoakan’i Rwanda, dia tsy nisy nanampo azy ireo hifankahala na hifamono. “Ny Hutu sy ny Tutsi dia manana fiteny iray ihany, ary mazàna dia manana fomban-drazana iray ihany”, hoy ny nosoratan’ilay mpanao gazety mpanangom-baovao atao hoe Raymond Bonner. “Taorian’ny taranaka maro nifanambady, dia nanjavona aoka izany ireo tsy fitoviana ara-batana — ny Tutsi lava sy manify, ny Hutu fohy kokoa sy vaventy kokoa — hany ka matetika ireo Rwandais no tsy mahazo antoka raha Hutu na Tutsi ny olona iray.”

Kanefa dia nisy vokany tsy nampino ilay fitosahan’ny fampielezan-kevitra vao haingana. Mba hanazavana ilay raharaha, dia hoy i Alex de Waal, talen’ilay antoko hoe Ireo Zo Afrikana: “Ireo tantsaha any amin’ireo faritra tapahin’ny F.P.R., dia voalaza fa talanjona noho ireo miaramila tutsi tsy nanan-tandroka sy rambo ary maso izay mamirapiratra ao amin’ny maizina — toy izany no filazan’ny radio henoin’izy ireo.”

Tsy ireo filoha ara-politika ihany no mamolavola ny fisainan’ny olona, fa manao izany koa ny fivavahana. Inona avy ireo fivavahana lehibe ao Rwanda? Moa ve izy ireo koa tompon’andraikitra tamin’ilay loza nahatsiravina?

Anjara asan’ny fivavahana

Hoy ny The World Book Encyclopedia (1994) momba an’i Rwanda: “Ny ankamaroan’ny olona dia Katolika. (...) Ny Katolika sy ireo fiangonana kristiana hafa dia mitantana ny ankamaroan’ireo sekoly fanabeazana fototra sy ny lise.” Raha ny marina, ny National Catholic Reporter, dia niantso an’i Rwanda ho “firenena katolika 70%”.

Ny The Observer, any Angletera dia manome ireo toe-javatra ara-tantara manodidina ny toe-javatra ara-pivavahana any Rwanda, amin’ny fanazavana hoe: “Nandritra ireo taona 1930, rehefa niady mba hahazoana ny fifehezana ny rafi-pampianarana ireo fiangonana, ny Katolika dia nanome tombontsoa mihoatra ho an’ireo andriana tutsi fa ny Protestanta kosa nanao fanekena tamin’ireo Hutu maro an’isa natao tsindry hazo lena. Tamin’ny 1959, dia nandrombaka ny fitondrana ireo Hutu, ary vetivety dia nanjary nahazo ny fanohanan’ny Katolika sy ny Protestanta. Nitoetra ho matanjaka be ny fanohanan’ny Protestanta ny Hutu maro an’isa.”

Nanameloka ireo fandripahana olona ve, ohatra, ireo filoham-piangonana protestanta? Mamaly toy izao ny The Observer: “Nisy mpitondra fiangonana roa [anglikana] nanontaniana raha nanameloka ireo mpamono olona izay nameno ny lalantsaram-piangonan’i Rwanda tamin’ny fatin’ankizy tapa-doha, izy ireo na tsia.

“Tsy nety namaly izy ireo. Niala tamim-pahakingana an’ireo fanontaniana izy ireo, nanjary taitaitra, ary niakatra mihitsy aza ny feony, ary dia vaky betroka ilay fototra lalin’ny krizy any Rwanda: Ireo mpikambana ambony indrindra ao amin’ny eglizy anglikana dia niasa ho toy ny mpitondra hafatra ho an’ireo manam-pahefana ara-politika izay nampirisika ny famonoana olona ary nameno ireo renirano tamin’ny ra.”

Mazava ho azy fa ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana any Rwanda dia tsy hafa noho ireo fiangonana any an-toeran-kafa. Mahakasika ny fanohanan’izy ireny ireo filoha ara-politika tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, ohatra, dia niteny toy izao ilay Jeneralin’ny Brigady anglisy atao hoe Frank P. Crozier: “Ireo Fiangonana kristiana no mpanetsika ny faniriana ho amin’ny herisetra tsara indrindra anananay sy ampiasainay araka izay tianay.”

Eny, manana andraikitra lehibe ny amin’izay nitranga ireo filoha ara-pivavahana! Nanao izao tatitra izao ny National Catholic Reporter tamin’ny 3 Jona 1994: “Ny ady tany amin’ireo firenena afrikana dia mahatafiditra ‘tena fandripahana foko iray manontolo tokoa, ka ny amin’izany, dia mampalahelo fa na dia ny Katolika aza dia tompon’andraikitra’, hoy ny papa.”

Mazava fa ireo fiangonana dia tsy nahavita nampianatra ny tena fotopoto-pitsipika kristiana miorina amin’ny andinin-teny toy ny Isaia 2:4 sy ny Matio 26:52. Araka ny voalazan’ilay gazety frantsay hoe Le Monde, dia nitaraina toy izao ny pretra iray: “Mifandripaka izy ireo, ka nandritra izany rehetra izany dia hadinony fa mpirahalahy izy ireo.” Nibaboka toy izao ny pretra rwandais hafa iray: “Ireo Kristiana dia novonoin’ny Kristiana hafa, taorian’ny taonjato iray nisian’ny toriteny momba ny fitiavana sy ny famelan-keloka. Tsy fahombiazana ilay izy.” Nanontany toy izao ny Le Monde: “Ahoana moa no ahafahan’ny tena manalavitra ny fieritreretana hoe ireo Tutsi sy Hutu izay niady tany Burundi sy Rwanda dia nampiofanin’ny misionera kristiana mitovy ihany sy niangona tao amin’ny fiangonana mitovy ihany?”

Hafa ireo tena Kristiana

Ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy Kristy dia manaraka tsy miova ilay didiny mba ‘hifankatia’. (Jaona 13:34). Azonao alaina sary an-tsaina ve i Jesosy, na ny iray amin’ireo apostoliny, maka kalaza iray ary mikapakapa olona mandra-pahafatiny? Ny famonoana olona tsy ara-dalàna toy izany dia mampahafantatra olona ho “zanaky ny devoly”. — 1 Jaona 3:10-12.

Ny Vavolombelon’i Jehovah any Rwanda dia tsy mandray anjara amin’izay rehetra mety ho ady na revaolisiona na fifandirana ampirisihan’ireo mpanao politika eo amin’izao tontolo izao, izay eo ambanin’ny fifehezan’i Satana Devoly. (Jaona 17:14, 16; 18:36; Apokalypsy 12:9). Mampiseho fifankatiavana marina kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka izany, nandritra ireo fandripahana, ireo Vavolombelona hutu dia nanao vivery ny ainy an-tsitrapo mba hiezahana hiaro ireo rahalahiny tutsi.

Tsy tokony hahagaga anefa ny loza mahatsiravina toy izany. Ao amin’ny faminanian’i Jesosy momba ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia nanambara mialoha izy hoe: “Avy eo ny olona dia (...) hamono anareo”. (Matio 24:3, 9, NW ). Soa ihany fa nampanantena i Jesosy hoe ireo mahatoky dia hotsaroana amin’ny fitsanganan’ny maty. — Jaona 5:28, 29.

Mandra-pahatongan’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah any Rwanda sy any an-toeran-kafa rehetra dia tapa-kevitra ny hiseho hatrany ho mpianatr’i Kristy amin’ny fifankatiavana. (Jaona 13:35). Ny fitiavan’izy ireo dia manao fanambarana na dia ao anatin’ireo fahasahiranana ankehitriny ireo aza, araka ny ahariharin’ilay tatitra hoe “Ireo Vavolombelona any Amin’ireo Tobin’ny Mpitsoa-ponenana” miaraka amin’itỳ lahatsoratra itỳ. Isika rehetra dia mila mitadidy izay nolazain’i Jesosy tao amin’ilay faminaniany hoe: “Izay [miaritra, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” — Matio 24:13.

[Efajoro, pejy 29]

IREO VAVOLOMBELONA ANY AMIN’IREO TOBIN’NY MPITSOA-PONENANA

Tamin’ny volana Jolay tamin’itỳ taona itỳ, dia sahabo ho 4 700 ireo Vavolombelona sy ireo namany tany amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana. Tany Zaïre, dia nisy 2 376 tany Goma, 454 tany Bukavu, ary 1 592 tany Uvira. Fanampin’izany, tany Tanzania, dia nisy 230 teo ho eo tany Benaco.

Tsy mora na dia ny fandehanana fotsiny nankany amin’ireo foibe misy ireo mpitsoa-ponenana aza. Ny kongregasiona iray nisy Vavolombelona 60 dia nanandrana niampita ny tetezana Rusumo, lalana fandosirana lehibe iray mankany amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Tanzania. Rehefa tsy navela hiampita izy ireo, dia nirenireny nanaraka ny moron’ilay renirano nandritra ny herinandro. Avy eo, dia nanapa-kevitra ny hanandrana hiampita amin’ny lakana izy ireo. Nahomby izy ireo, ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga soa aman-tsara tany amin’ilay toby tany Tanzania.

Nandamina ezaka lehibe ho fanampiana ireo Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany hafa. Ireo Vavolombelona tany Frantsa dia nanangona fitafiana maherin’ny zato taonina sy kiraro sivy taonina, ary ny fanampiana toy izany, niaraka tamin’ny fanampiny ara-tsakafo sy fanafody, dia nalefa tany amin’ireo faritra sahirana. Matetika ny zavatra voalohany nangatahin’ireo rahalahy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana anefa, dia Baiboly iray na gazety Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza!

Mpitazana maro no talanjona noho ny fitiavana nasehon’ireo Vavolombelona tany Zaïre sy Tanzania, izay nitsidika sy nanampy ireo rahalahiny nifindra toerana. “Nahazo fitsidihana avy tamin’ny olona ao amin’ny fivavahanareo ianareo”, hoy ireo mpitsoa-ponenana, “fa izahay dia mbola tsy notsidihin’ny pretra iray tao amin’ny fivavahanay akory.”

Nanjary nalaza tao amin’ireo toby ny Vavolombelona, indrindra fa noho ny firaisan-tsainy sy ny filaminany ary ny toe-panahiny be fitiavana. (Jaona 13:35). Mahaliana ny mahamarika fa tany Benaco, any Tanzania, dia tsy nisy afa-tsy 15 minitra no nilaina mba hahitana ny toeran’ireo Vavolombelona mpitsoa-ponenana namany teo anivon’ny olona 250 000 tao amin’ilay toby.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara