Fikarakarana Ireo Niharam-pahavoazana Tamin’ilay Loza Nahatsiravina Tatsy Rwanda
I RWANDA, izay eo afovoan’i Afrika, dia nantsoina hoe “ilay Soisa ao Afrika”. Ny zava-maitso nilenodenoka hitan’ny olona rehefa nisidina ilay tany tamin’ny fiaramanidina dia nahatonga azy ireo hihevitra ny zaridainan’i Edena. Tsy mahagaga raha nilazalaza an’i Rwanda ho paradisa iray izy ireo taloha.
Nisy fotoana nambolena hazo roa isaky ny nikapa hazo iray. Nisy andro iray isan-taona natokana ho an’ny fambolen-kazo. Nambolena nanaraka ny arabe ireo hazo fihinam-boa. Nalalaka sy mora ny fivezivezena nanerana ilay tany. Vita godorao ireo arabe lehibe indrindra izay nampifandray an’ireo fileovana samy hafa tamin’i Kigali, renivohitra. Nitombo haingana ilay renivohitra. Nahazo vola ampy mba hivelomany hatramin’ny faran’ny volana ny mpiasa antonintoniny iray.
Niroborobo koa ny asa kristiana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Rwanda. Teo am-piandohan’ny taon-dasa, dia nisy Vavolombelona maherin’ny 2 600 nandray anjara tamin’ny fitondrana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’olona valo tapitrisa teo ho eo, mponin’ilay tany izay Katolika ny ankamaroany. (Matio 24:14, NW ). Tamin’ny Martsa 1994, ireo Vavolombelona dia nitarika fampianarana ny Baiboly maherin’ny 10 000 tany an-tokantranon’ny olona. Ary nisy kongregasiona 15 tao Kigali sy ny manodidina azy.
Nanao izao fanamarihana izao ny mpiandraikitra mpitety faritany iray ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tamin’ny Novambra 1992 aho dia nitsidika kongregasiona 18. Tamin’ny Martsa 1994 anefa dia nitombo ho 27 izy ireny. Nitombo isan-taona koa ny isan’ireo mpisava lalana (mpitory manontolo andro).” Tamin’ny asabotsy 26 Martsa 1994, dia 9 834 ny mpanatrika tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.
Avy eo, tampoka teo, dia niova tamin’ny fomba nampalahelo ny tarehin-javatra tao Rwanda.a
Nifarana tampoka ny fandaharan-javatra efa niorina
Tamin’ny 6 Aprily 1994, teo amin’ny valo ora alina teo ho eo, dia maty tao amin’ny fianjeran’ny fiaramanidina iray tao Kigali ny prezidàn’i Rwanda sy ny an’i Burundi, izay samy Hutu. Tamin’io alina io, dia re hatraiza hatraiza tao amin’ilay renivohitra ny kiririokan’ny polisy, ary nosakanana ireo lalana. Avy eo, vao mangiran-dratsy, dia nisy miaramila sy lehilahy nitondra kalaza (karazana famaky) nanomboka namono ny olona izay Tutsi. Anisan’ireo voalohany naripaka i Ntabana Eugène — ilay mpiandraikitra ny tanàna tao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Kigali — niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
Nisy fianakaviana eoropeana Vavolombelon’i Jehovah niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny mpiray tanàna maromaro izay Tutsi. Nialokaloka tao amin’ny tranon’ireo Eoropeana ny sivy tamin’ireny mpiray tanàna ireny raha mbola nandeha nitety isan-trano ireo mpamono romotra. Tao anatin’ny minitra vitsivitsy dia nisy mpandroba 40 tao amin’ilay trano, nanapotipotika zavatra sy nanjerazera ireo fanaka. Nampalahelo fa novonoina ireo mpiray tanàna tutsi. Kanefa ireo hafa dia navela handositra hanavotra aina, na dia teo aza ny ezaka nataon’izy ireo mba hamonjena ny namany.
Nitohy nandritra ny herinandro maro ilay fandripahana. Tamin’ny farany dia notombanana ho 500 000 na mahery ireo Rwandais novonoina. An’arivony maro no nandositra mba hanavotra ny ainy, indrindra fa ireo Tutsi. Nampahafantatra an’ireo rahalahy tany Frantsa ny biraon’ny sampana tany Zaïre fa nila fanampiana izy ireo. “Nangataka conteneur iray misy akanjo efa nampiasaina izahay”, hoy ny fanazavan’ny sampana tany Zaïre. “Ireo rahalahy tany Frantsa dia nandefa ho anay conteneurs dimy nisy akanjo sy kiraro saiky vaovao avokoa.” Tamin’ny 11 Jona, dia nisy fitafiana 65 taonina nalefa. Ny sampana tao Kenya koa dia nandefa ho an’ireo mpitsoa-ponenana fitafiana sy fanafody ary koa gazety Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fitenin’izy ireo teo an-toerana.
Tamin’ny Jolay ireo tafika tapahin’ny Tutsi antsoina hoe Front Patriotique Rwandais dia nandresy ny tafi-panjakana tapahin’ny Hutu. Taorian’izay, dia nanomboka nandositra ilay tany ny Hutu, niaraka ana hetsiny maro. Velona ny fisafotofotoana tanteraka rehefa nitady fialofana tany amin’ireo toby naorina maimaika tany amin’ireo tany manodidina ny Rwandais roa tapitrisa na mahery.
Niezaka nifanampy izy ireo
Tutsi ny roa tamin’ireo olona enina izay niasa tao amin’ny Biraon’ny Fandikan-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Kigali — i Ananie Mbanda sy i Mukagisagara Denise. Nahomby nandritra ny herinandro vitsivitsy ny ezaka nataon’ireo rahalahy hutu mba hiarovana azy ireo. Tany amin’ny faramparan’ny volana May 1994 anefa, dia novonoina ireo Vavolombelona tutsi roa ireo.
Nitady hiaro ireo Kristiana namany izay hafa fiaviana ara-poko ireo Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fanaovana vy very sy sorona mihitsy aza ny ainy. (Jaona 13:34, 35; 15:13). Ohatra, i Mukabalisa Chantal dia Tutsi. Rehefa nikaroka Hutu tao amin’ilay kianja nisy azy ireo mpikambana tamin’ny Front Patriotique Rwandais, dia nisalovana izy ho fiarovana an’ireo namany hutu. Na dia sorena noho ny ezaka nataony aza ireo mpikomy, dia nihiaka toy izao ny iray tamin’izy ireo: “Tena manana firahalahiana tsy hay ravana tokoa ianareo Vavolombelon’i Jehovah. Ny fivavahanareo no tsara indrindra misy!”
Fitoerana ho afaka amin’ny fankahalana ara-poko
Izany akory tsy milaza fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia vita fanefitra tanteraka amin’ireo fankahalana ara-poko izay efa nisy hatramin’ny an-jatony taona maro tao amin’io faritra atsy Afrika io. Nanao izao fanamarihana izao ny Vavolombelona iray avy any Frantsa izay nandray anjara tamin’ny asa fanampiana: “Na dia ireo rahalahintsika kristiana aza dia tsy maintsy manao ezaka lehibe mba hanalavirana ny hifindran’ilay fankahalana izay nandray anjara tamina fandripahana tsy hay lazalazaina.
“Nifanena tamina rahalahy izay nahita ny fianakaviany naripaka teo imasony, izahay. Ohatra, vao nanambady roa andro monja ny anabavy kristiana iray, rehefa novonoina ny vadiny. Nisy Vavolombelona sasany nahita ny zanany sy ny ray aman-dreniny novonoina. Ny anabavy iray izay any Ouganda izao, dia nahita ny fianakaviany manontolo naripaka, anisan’izany ny vadiny. Izany dia mampisongadina fotsiny ny fahoriana ara-pihetseham-po sy ara-batana izay nanjo ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah tsirairay.”
Amin’ny fitambarany, dia Vavolombelona 400 teo ho eo no novonoina tao amin’ilay herisetra ara-poko. Na dia izany aza, dia tsy nisy tamin’izy ireo maty novonoin’ny Vavolombelona namany. Ireo Tutsi sy Hutu mpikambana ao amin’ireo fiangonana katolika sy protestanta anefa, dia nandripaka an’arivony maro. Araka ny voaporofo tsara, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia tsy mandray anjara amin’ny ady na revaolisiona na fifandirana hafa na inona na inona an’itỳ tontolo itỳ. — Jaona 17:14, 16; 18:36; Apokalypsy 12:9.
Fahoriana tsy hay lazalazaina
Tamin’ny fahavaratra lasa teo (ririnina teto Madagasikara), ny olona manerana izao tontolo izao dia afaka nahita sarin’ny fahorian’olombelona saiky tsy mampino. Mpitsoa-ponenana rwandais ana hetsiny maro no hita nirohotra nankany amin’ireo tany manodidina ka nitoetra tany, tao anatin’ny toe-piainana faran’izay tsy mahasalama. Ny Vavolombelon’i Jehovah iray namita fanirahana hitondra fanampiana avy tany Frantsa, dia nilazalaza toy izao manaraka izao ny tarehin-javatra hitan’ny tenany sy ireo olona niara-dia taminy, tamin’ny 30 Jolay.
“Nifanatrika tamin’ny fisehoan-javatra nampihorohoro tanteraka izahay. Teo amin’ny kilaometatra maro, dia nitandahatra teny amin’ny arabe ireo faty. Nofenoina faty an’arivony maro ireo fasana niombonana. Tsy tanty ny fofona maimbo raha nanavatsava teo amin’ilay vahoaka sesehena nisamboaravoara izahay, nisy ireo ankizy nilalao teo akaikin’ny faty. Nisy fatin-dray aman-dreny nanan-janaka mbola velona izay nifikitra teo an-damosiny. Ny fisehoan-javatra toy izany niverimberina imbetsaka dia mamela soritra lalina. Resin’ny fahatsapana tsy fahafaha-manoatra tanteraka ny olona iray, ary tsy afaka ny tsy hihontsina amin’ny halehiben’ny horohoro sy ny faharavana.”
Rehefa nirohotra nankany Zaïre ireo mpitsoa-ponenana niaraka an’aliny maro, teo antenatenan’ny volana Jolay, dia nankeny amin’ny sisin-tany ireo Vavolombelona tany Zaïre nanainga ambony ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nentiny mba hahafahan’ireo rahalahiny kristiana sy ireo olona liana hamantatra azy ireo. Avy eo dia nangonina niaraka sy nentina nankany amin’ilay Efitrano Fanjakana akaiky tao Goma ireo Vavolombelona mpitsoa-ponenana avy tany Rwanda, ka tany izy ireo dia nomena fikarakarana. Niasa mafy ireo Vavolombelona nanana fanandraman-javatra ara-pitsaboana mba hampihenana ny fahorian’ireo marary, na dia teo aza ny tsy fisian’ny fanafody sahaza sy trano araka ny tokony ho izy.
Fanaovan-javatra haingana teo anatrehan’ny fahoriana
Ny zoma 22 Jolay, dia naharay antso vonjy nalefa fax avy tatsy Afrika ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa. Izy io dia nilazalaza ilay toe-piainana faran’izay nampahonena nisy an’ireo rahalahiny kristiana izay nandositra an’i Rwanda. Tao anatin’ny dimy na folo minitra nandraisana ilay filazana, dia nanapa-kevitra ny hameno ny fiaramanidina mpitondra entana iray tamin’ny fanampiana ireo rahalahy. Izany dia nitarika ho amin’ny faran’ny herinandro iray nanaovana fanomanana fatratra. Niavaka indrindra izany rehefa jerena ny tsy fananan’izy ireo fanandraman-javatra mihitsy teo amin’ny fandaminana ezaka ho amin’ny fanampiana goavana toy izany ao anatin’ny fotoana fohy.
Nisy fanaovan-javatra nahatalanjona teo anatrehan’ny fanampiana ara-bola nilaina. Ireo Vavolombelona tany Belzika sy Frantsa ary Soisa fotsiny dia nanome vola maherin’ny 6 080 000 000 FMG. Azo ireo fanampiana ara-nofo, tafiditra tamin’izany ny sakafo, sy fanafody ary fitaovana ho fitanana aina. Ny zava-drehetra dia natao tanaty baoritra sy nasiana anarana tao amin’ireo trano naorin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Louviers, ao Frantsa. Nisy Vavolombelona niasa andro aman’alina mba hahavonona ilay entana ka haterina tany Ostend, any Belzika. Tany, tao amin’ny seranam-piaramanidina, ny alarobia 27 Jolay, dia entana maherin’ny 35 taonina no naondrana tao amin’ilay fiaramanidina mpitondra entana. Ny ampitson’iny, dia nisy entana kely kokoa, fanampiana ara-panafody indrindra, nalefa. Ny asabotsy, roa andro taorian’izay, dia nisy fiaramanidina hafa iray nitondra fanampiana ara-panafody bebe kokoa ho an’ireo niharam-pahavoazana.
Nisy Vavolombelona avy tany Frantsa, anisan’izany ny dokotera iray, nankany Goma nialoha ilay entana lehibe nalefa. Tamin’ny alatsinainy 25 Jolay, rehefa tonga tany Goma ny Dr. Henri Tallet, dia Vavolombelona 20 teo ho eo no efa maty noho ny kôlerà, ary nisy hafa niala aina isan’andro. Koa satria ilay entana tsy maintsy nampandalovina tany Bujumbara, any Burundi, sahabo ho 250 kilaometatra niala teo, dia tsy tonga tany Goma izy io raha tsy ny zoma maraina 29 Jolay.
Fiezahana handresy ny aretina
Nandritra izay fotoana izay, dia nifanizina tao amin’ilay sombin-tany nisy ilay Efitrano Fanjakana kely tao Goma ny Vavolombelona sy ny namany sahabo ho 1 600. Ho an’ireo olona rehetra ireo, dia nisy toerana fivoahana iray, tsy nisy rano ary sakafo kely dia kely. Nifatratra tao amin’ilay Efitrano Fanjakana ireo olona am-polony maro voan’ny kôlerà. Niakatra haingana ny isan’ireo maty.
Mandritra tanteraka ny rano ao amin’ny olona iray ny kôlerà. Manjary toy ny fitaratra ny maso ary avy eo dia mivadika. Raha atomboka ara-potoana ny fitsaboana amin’ny famerenana ny rano very, dia sitrana ao anatin’ny roa andro ilay olona. Noho izany, dia natao avy hatrany ny ezaka ho famerenana ny rano very tamin’ireo rahalahy tamin’ireo fanafody kely nisy.
Ho fanampin’izany, ireo rahalahy dia niezaka nampitokana ny marary mba hisorohana ny famindran’izy ireo aretina tamin’ny hafa. Notadiavin’izy ireo ny hamindrana an’ireo mpitsoa-ponenana lavitra an’ilay toe-piainana nahatsiravina tao Goma. Nisy toerana nety iray hita teo akaikin’ny Farihy Kivu, lavitra ny vovo-paty sy ny fofom-paty izay namonto ny rivotra.
Nohadina ireo toeram-pivoahana ary nisy fitsipika momba ny fahadiovana hentitra nanerena harahina. Izany dia nahatafiditra ny fanasana tanana tao anatin’ny koveta iray nisy rano sy eau de javel rehefa avy nandeha tany amin’ny toeram-pivoahana. Nohantitranterina ny naha-zava-dehibe an’ireny fepetra ireny, ary nanaiky izay notakina taminy ilay vahoaka. Tsy ela dia nihena ny fielezan’ilay aretina nahafaty.
Rehefa tonga ilay entana lehibe nisy ireo fanampiana tamin’ny zoma 29 Jolay, dia nisy hopitaly kely naorina tao amin’ilay Efitrano Fanjakana tao Goma. Natsangana ny fandriana azo aforitra sahabo ho 60, ary koa ny fomba fanadiovan-drano iray. Ho fanampin’izany, dia nisy trano lay nentina tany amin’ireo Vavolombelona tany amoron’ny Farihy Kivu. Tao anatin’ny fotoana fohy izy ireo dia nahatsangana lay 50 nilahatra tamin’ny fomba nadio sy nilamina.
Nisy fotoana nampaharary mafy ny Vavolombelona sy ny namany 150 teo ho eo. Tamin’ny herinandro voalohany tamin’ny volana Aogositra, dia maherin’ny 40 tamin’izy ireo no maty tao Goma. Kanefa dia tonga ara-potoana ny fanampiana ara-panafody sy ara-pitsaboana mba hamonjena aina maro sy hampitsaharana fahoriana be.
Vahoaka araka ny fanahy izay feno fankasitrahana
Naneho fankasitrahana fatratra noho izay rehetra natao ho azy ireo mpitsoa-ponenana Vavolombelona. Tohina izy ireo noho ny fitiavana nasehon’ireo rahalahiny kristiana tany an-tany hafa sy noho ny porofo mazava fa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena marina tokoa izy ireo.
Na dia teo aza ireo zava-tsarotra nahazo azy, ireo mpitsoa-ponenana ireo dia nitana ny fahasalamany ara-panahy. Raha ny marina dia nanamarika ny mpitazana iray fa “toa nanahy kokoa ny amin’ny fandraisana sakafo ara-panahy izy ireo noho ny fanampiana ara-nofo, na dia nila fatratra ny zava-drehetra azy izy ireo”. Taorian’ny fangatahana dia nisy 5 000 tamin’ilay boky fianarana ny Baiboly hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany amin’ny fiteny kinyarwanda any Rwanda, nalefa tany amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana maro samihafa.b
Nandinika andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly isan’andro ireo mpitsoa-ponenana, ary nandamina fivorian’ny kongregasiona izy ireo. Natao koa ny fandaharana mba hitarihana fianarana an-tsekoly ho an’ny ankizy. Ireo mpampianatra dia nanararaotra ireny fianarana ireny mba hanomezana toromarika ny amin’ireo fitsipika momba ny fahadiovana, tamin’ny fanantitranterana fa niankina tamin’ny fitandremana azy ireny ny fahatafitana velona.
Ilaina ny fikarakarana mitohy
Nahitana mpitsoa-ponenana Vavolombelona an-jatony maro tany an-toeran-kafa ankoatra an’i Goma, toa an’i Rutshuru. Nisy fanampiana toy izany koa nomena an’ireny rahalahy ireny. Tamin’ny 31 Jolay, ny antokon-tsolontena nisy Vavolombelona fito dia nandeha fiaramanidina nianatsimo avy tao Goma nankany Bukavu izay nisy Vavolombelona mpitsoa-ponenana sahabo ho 450. Maro tamin’izy ireo no avy tany Burundi. Nirongatra tao ny kôlerà, ary nisy fanampiana nomena ho fiezahana hisoroka ny fahafatesana teo amin’ireo rahalahy.
Ny ampitson’izay, ilay fitambaran-tsolontena dia nandeha efa ho 150 kilaometatra tamin’ny fiarakodia nankany Uvira, any Zaïre. Teny an-dalana, dia nisy Vavolombelona 1 600 teo ho eo tany amin’ny toerana fito, avy tany Rwanda sy Burundi. Nomena ny toromarika ny amin’ny fomba nahafahan’izy ireo niaro tena tamin’ny aretina. Hoy ny tatitra iray niorina tamin’ireo zavatra hitan’ilay fitambaran-tsolontena: “Izay natao hatramin’izao dia vao fiandohana fotsiny, ary ireo olona 4 700 izay mahazo ny fanampianay izao dia hila fanampiana fanampiny mandritra ny volana maro.”
Voalaza fa Vavolombelona an-jatony maro no niverina any Rwanda tamin’ny Aogositra. Saiky ny trano sy ny fananana rehetra anefa dia voaroba avokoa. Koa eo ilay asa sarotra amin’ny fanorenana indray ireo trano sy Efitrano Fanjakana.
Ireo mpanompon’Andriamanitra dia manohy mivavaka amin-kafanam-po ho an’ireo izay nijaly mafy aoka izany tany Rwanda. Fantatsika fa arakaraka ny anatonan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia mety hitombo ny herisetra. Ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany anefa dia hanohy hitana ny fialanalanany kristiana ary haneho ny tena fangorahany marina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Loza Nahatsiravina Tany Rwanda — Iza no Tompon’andraikitra?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1994.
b Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sarintany, pejy 20]
(Jereo ny gazety)
RWANDA
Kigali
OUGANDA
ZAÏRE
Rutshuru
Goma
Farihy Kivu
Bukavu
Uvira
BURUNDI
Bujumbura
[Sary, pejy 23]
Havia: I Ntabana Eugène sy ny fianakaviany dia naripaka. Havanana: I Mukagisagara Denise, Tutsi iray, izay novonoina na dia teo aza ny fiezahan’ireo rahalahy hutu hamonjy azy
[Sary, pejy 24, 25]
Ambony: Fikarakarana marary tao amin’ny Efitrano Fanjakana ao Goma. Ambany havia: Fanampiana maherin’ny 35 taonina nomanin’ny Vavolombelona sy nalefa tamin’ny fiaramanidina mpitondra entana. Ambany: Eo akaikin’ny Farihy Kivu, toerana namindrana ireo Vavolombelona. Ambany havanana: Mpitsoa-ponenana rwandais tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any Zaïre