Azo Ampifanarahina Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra ve ny Lahatra?
“IZAHAY dia mamaritra ny atao hoe lahatra ho ilay planina mandrakizay ataon’Andriamanitra, ka amin’ny alalan’izany no hamaritany izay iriny hatao amin’ny olona tsirairay. Tsy namorona azy rehetra ho ao anatin’ny toe-piainana mitovy izy, fa ny sasany tendreny mialoha ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary ny hafa kosa ho amin’ny fanamelohana mandrakizay.”
Toy izany no namaritan’i Jean Calvin, Mpanao Fanavaozana protestanta, ny fiheverany ny amin’ny lahatra, ao amin’ilay boky hoe Institution de la religion chrétienne. Io fiheverana io dia miorina amin’ilay hevitra hoe Andriamanitra dia manana ny fahalalana rehetra, ary izay ataon’ny zavaboariny dia tsy afaka mametraka fisalasalana ny amin’ny fikasany na manery azy hanova zavatra.
Izany marina tokoa ve no tian’ny Baiboly holazaina mikasika an’Andriamanitra? Mbola zava-dehibe kokoa ny hoe: Moa ve ny fanazavana toy izany mifanaraka amin’ireo toetran’Andriamanitra, indrindra fa ilay toetrany lehibe indrindra, dia ny fitiavana?
Andriamanitra iray afaka manambara mialoha ny hoavy
Afaka manambara mialoha ny hoavy Andriamanitra. Izy dia milazalaza ny tenany ho ilay “manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory, — dia Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra”. (Isaia 46:10). Nandritra ny tantaran’olombelona, dia nataon’Andriamanitra izay handraketana an-tsoratra ireo faminaniany mba hampisehoana fa afaka mampiasa ny fahafantarany zavatra mialoha izy ka manambara mialoha fisehoan-javatra alohan’ny hitrangany.
Araka izany, tamin’ny andron’i Belsazara mpanjakan’i Babylona, fony nanonofy ny amin’ny biby dia roa, ka ny iray naka ny toeran’ilay hafa, i Daniela mpaminany, dia nanome azy ny fanazavana izany toy izao i Jehovah: “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia”. (Daniela 8:20, 21). Miharihary fa nampiasa ny fahafantarany zavatra mialoha Andriamanitra mba hampiharihariana ny fifandimbasan’ireo herim-panjakana teo amin’izao tontolo izao. Ilay Empira Babyloniana nahery indrindra tamin’izany dia hodimbasan’i Media sy i Persia, ary avy eo dia i Grisia.
Mety hahakasika isam-batan’olona koa ireo faminaniana. Ny mpaminany Mika, ohatra, dia nanambara fa ny Mesia dia tsy maintsy teraka tao Betlehema. (Mika 5:1). Tamin’io tarehin-javatra io indray koa Andriamanitra dia nampiasa ny fahafantarany zavatra mialoha. Io fisehoan-javatra io anefa dia nambara noho ny fikasana manokana iray: ny fampahafantarana ny Mesia. Io ohatra io dia tsy manamarina ny fampiharana amin’ny ankapobeny fampianarana iray mahakasika ny lahatra izay mahatafiditra ny olona tsirairay.
Mifanohitra amin’izany fa ny Soratra Masina dia mampiharihary fa misy tarehin-javatra izay ifidianan’Andriamanitra ny tsy hahafantatra mialoha izay ho fiafaran-javatra. Taloha kelin’ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora, dia izao no nambarany: “Hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.” (Genesisy 18:21). Io andinin-teny io dia mampiseho mazava tsara amintsika fa Andriamanitra dia tsy nahafantatra mialoha ny fitaran’ny faharatsian’ireo tanàna ireo talohan’ny namotopotorany ny raharaha.
Marina fa afaka mahita mialoha fisehoan-javatra sasany Andriamanitra, kanefa tamin’ny toe-javatra maro, dia nifidy ny tsy hampiasa ny fahafantarany zavatra mialoha izy. Noho izy Andriamanitra tsitoha, dia afaka mampiasa ny fahaizany araka izay iriny izy, fa tsy araka izay irin’ny olombelona tsy lavorary.
Andriamanitra iray afaka mandamin-javatra
Toy ny nataon’i Calvin, dia misy milaza fa Andriamanitra dia nandahatra mialoha ny fahalavoan’ny olombelona, talohan’ny namoronana azy, sy ny hoe efa nandahatra mialoha ireo ‘olom-boafidy’ izy talohan’izany fahalavoana izany. Raha marina anefa izany, dia tsy ho fihatsarambelatsihy ho an’Andriamanitra ve ny hanolotra ilay fahatsinjovana fiainana mandrakizay an’i Adama sy i Eva, kanefa fantany tsara fa tsy ho afaka ny hanatanteraka izany izy ireo? Ambonin’izany, na aiza na aiza ny Soratra Masina dia tsy mandà ny nanomezana safidy ny olombelona mpivady voalohany: na hanaraka ny fitarihan’Andriamanitra ka hiaina mandrakizay, na handa izany ka ho faty. — Genesisy, toko faha-2.
Kanefa, moa ve ny fahotan’i Adama sy i Eva tena nisakana tokoa ny fikasan’Andriamanitra? Tsia, satria taorian’ny nanotan’izy ireo avy hatrany, dia nambaran’Andriamanitra fa hanangana “taranaka” iray izay handringana an’i Satana sy ireo masoivohony izy, ka handamin-javatra indray eto an-tany. Toy ny tsy ahafahan’ny bibikely vitsivitsy manakana mpanao zaridaina iray tsy hamokatra betsaka, no tsy hanakanan’ny tsy fankatoavan’i Adama sy i Eva an’Andriamanitra tsy hanao ny tany ho paradisa. — Genesisy, toko faha-3.
Tatỳ aoriana Andriamanitra dia nampiharihary fa hisy Fitondram-panjakana iray hankinina amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka ary hisy olon-kafa hampiarahina aminy ao amin’io Fanjakana io. Ireo olon-kafa ireo dia antsoina hoe “ny olo-masin’ny Avo Indrindra”. — Daniela 7:18; 2 Samoela 7:12; 1 Tantara 17:11.a
Tsy mandahatra mialoha ny hoe manambara mialoha
Ny tsy nifidianan’Andriamanitra hahafantatra ny lalana harahin’ny taranak’olombelona dia tsy nanakana azy tsy haminany ireo vokatry ny asa tsara na ratsy ataon’ny olombelona. Ny mécanicien iray izay mampitandrina mpamily iray noho ny haratsian’ny fiarany, dia tsy azo tanana ho tompon’andraikitra raha misy lozam-piarakodia mitranga na hoe azo ampangaina ho nandahatra mialoha izany. Mitovy amin’izany koa fa Andriamanitra dia tsy azo ampangaina ho mandahatra mialoha ireo vokatra mampalahelon’ny asan’ny isam-batan’olona.
Marina koa izany raha ny amin’ireo taranaky ny olombelona mpivady voalohany. Talohan’ny namonoan’i Kaina ny rahalahiny, dia nametraka safidy teo anoloany i Jehovah. Handresy ny ota ve izy sa ny ota no handresy azy? Tsy misy na inona na inona ao amin’ilay fitantarana milaza fa i Jehovah dia nandahatra mialoha ny hanaovan’i Kaina ilay safidy ratsy ka hamonoany ny rahalahiny. — Genesisy 4:3-7.
Tatỳ aoriana, ny Lalàn’i Mosesy dia nampitandrina ireo Isiraelita ny amin’izay hitranga raha niala tamin’i Jehovah izy ireo, ohatra, tamin’ny fakana vehivavy ho vady avy tamin’ireo firenena mpanompo sampy. Tena nitranga tokoa izay nambara mialoha. Azo atao ny mahita izany avy amin’ny ohatr’i Solomona Mpanjaka izay, tamin’ireo taona faramparany niainany, dia notaomin’ireo vadiny hafa firenena hanao fanompoan-tsampy. (1 Mpanjaka 11:7, 8). Eny, Andriamanitra dia nampitandrina ny vahoakany, fa tsy nandahatra mialoha izay ho asan’ny isam-batan’olona kosa izy.
Ireo olom-boafidy dia ampirisihina mba haharitra raha tsy irin’izy ireo ny hanesorana aminy an’ilay fampanantenana valisoa hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (2 Petera 1:10; Apokalypsy 2:5, 10, 16; 3:11). Toy ny nanontanian’ny teolojiana sasany tamin’ny lasa, dia hoe: Nahoana no nomena ny fampahatsiarovana toy izany raha toa ilay fiantsoana ny olom-boafidy ka efa raikitra?
Ny lahatra sy ny fitiavan’Andriamanitra
Nomena safidy malalaka ny olombelona, noforonina “tahaka ny endrik’Andriamanitra”. (Genesisy 1:27). Tena ilaina ny safidy malalaka raha tian’ny olombelona ny hanome voninahitra sy hanompo an’Andriamanitra noho ny fitiavana, fa tsy toy ny robots izay efa voafaritra mialoha ny fihetsiny rehetra. Ny fitiavana asehon’ny zavaboary manan-tsaina sy manana fahafahana dia hahatonga an’Andriamanitra ho afaka handa ireo fiampangana tsy ara-drariny. Hoy izy: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” — Ohabolana 27:11.
Raha efa voalahatra mialoha ireo ho mpanompon’Andriamanitra — na efa programmé toy ny ordinatera, raha azo atao ny milaza izany — moa ve tsy mampisalasala ny maha-marina ny fitiavany an’ilay Mpamorona azy? Moa ve tsy hifanohitra amin’ny tsy fizahan’Andriamanitra tavan’olona koa ny fanaovana fifidianana efa voalahatra mialoha an’ireo olona voatokana ho amin’ny voninahitra sy ny fahasambarana, tsy misy fiheverana izay fahatsarany manokana? Ambonin’izany, raha misy olona sasany mahazo fikarakarana misy fiangarana toy izany, kanefa ny hafa voatokana ho amin’ny famaizana mandrakizay, dia azo inoana fa tsy hahatonga fahatsapana fankasitrahana amim-pahatsorana eo amin’ireo “olom-boafidy” izany. — Genesisy 1:27; Joba 1:8; Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Farany, dia nasain’i Kristy nitory ny vaovao tsara amin’ny taranak’olombelona iray manontolo ireo mpianany. Raha efa nifidy sahady ireo ho voavonjy Andriamanitra, izany ve tsy hampihena ny zotom-po asehon’ireo Kristiana eo amin’ny fitoriana ny filazantsara? Moa ve izany tsy hahatonga ny asa fitoriana ho tsy hisy heviny?
Ny fitiavana tsy mizaha tavan’olona avy amin’Andriamanitra no hery matanjaka indrindra afaka manosika ny olona ho tia azy ho setrin’izany. Ny fisehoana lehibe indrindra teo amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia ny nanaovana sorona ny Zanany ho an’ny taranak’olombelona tsy lavorary sy mpanota. Ny fahafantaran’Andriamanitra zavatra mialoha mahakasika ny Zanany dia ohatra manokana, kanefa izany dia manome toky antsika fa ho tanteraka tokoa ilay famerenana amin’ny laoniny nampanantenaina, mifototra amin’i Jesosy. Koa enga anie isika hino an’io Zanaka io ka hanakaiky an’Andriamanitra. Aoka isika haneho ny fankasitrahantsika amin’ny fanekena ny fanasan’Andriamanitra hanjary hanana fifandraisana tsara dia tsara amin’ilay Mpamorona antsika. Amin’izao andro izao Andriamanitra dia mandefa io fanasana io any amin’izay rehetra maniry ny hampiasa ny safidiny malalaka sy haneho ny fitiavany an’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Rehefa niresaka ny amin’ilay Fanjakana voaomana “hatrizay nanorenana izao tontolo izao” i Jesosy, (Matio 25:34), dia tsy maintsy nanisy fitenenana ny amin’ny fotoana iray tsy voafaritra taorian’ny fahotana voalohany izy. Ny Lioka 11:50, 51, dia mampifandray ny “nanorenana izao tontolo izao”, na ny nanorenana ny taranak’olombelona azo navotana tamin’ny alalan’ny avotra, amin’ny andron’i Abela.
[Efajoro, pejy 7]
VOALAHATRA MIALOHA AMIN’NY MAHA-KILASIN’OLONA
“Izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.” (Romana 8:29, 30, Kat.). Ahoana no tokony hahazoantsika ny hevitr’ilay teny hoe “notendreny” nampiasain’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo?
Ny fanjohian-kevitr’i Paoly eto dia tsy fanaporofoan-kevitra tsy azo notoherina nanohana ilay hevitra momba ny lahatra ho an’ny isam-batan’olona. Teo am-piandohan’itỳ taonjato misy antsika itỳ, dia nanazava toy izao ireo fanaporofoan-kevitra nataon’i Paoly, (Romana, toko faha-9-11), ny Dictionnaire de Théologie catholique: “Amin’ny fomba mihamitombo hatrany, ny fiheverana fahita eo amin’ireo manam-pahaizana manokana katolika dia ny hoe: Ny tena fiheverana momba ny lahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay dia tsy voalaza mazava tsara.” Io boky nakana teny io ihany dia manonona an’i M. Lagrange ho nilaza hoe: “Ilay raharaha mampisalasala novelabelarin’i Paoly voalohany indrindra dia tsy mahakasika velively ny lahatra na ny fanendrena mialoha ho amin’ny fanamelohana, fa mahakasika fotsiny ny fiantsoana an’ireo Jentilisa ho amin’ny fahasoavan’ny Kristianisma, ka ny mifanohitra mivantana amin’izany dia ny tsy finoan’ny Jiosy. (...) Izy io dia mahakasika antokon’olona, Jentilisa, Jiosy, fa tsy mahakasika isam-batan’olona manokana mivantana.” — Izahay no manao soramandry.
Vao haingana kokoa, ny The Jerusalem Bible dia nanolotra izany fanatsoahan-kevitra izany ihany mahakasika ireo toko ireo (Rom. 9-11), tamin’ny filazana hoe: “Ny foto-kevitr’ireo toko ireo, noho izany, dia tsy ilay zava-manahirana momba ny lahatra ho an’ny isam-batan’olona ho amin’ny voninahitra, na ho amin’ny finoana akory, fa mahakasika kosa ny anjara asan’ny Isiraely teo amin’ny fisehoan’ny tantaran’ny famonjena, dia ilay hany zava-nanahirana napoitran’ireo filazana ao amin’ny T[estamenta] T[aloha].”
Ireo andininy farany amin’ny Romana toko faha-8 dia anisan’io teny manodidina io ihany. Araka izany, ireo andininy ireo dia afaka mampahatsiaro antsika ara-drariny fa Andriamanitra dia nahita mialoha ny fisian’ny kilasin’olona iray, na antokon’olona iray avy eo amin’ny taranak’olombelona, izay hantsoina hiara-manjaka amin’i Kristy, ary mampahatsiro antsika koa ny amin’ireo fepetra tokony hofenoin’izy ireo — ary izany dia tsy nisy fanendrena mialoha ireo isam-batan’olona manokana izay ho voafidy, satria izany dia hifanohitra amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fanaovany ny rariny.