FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/9 p. 26-29
  • Iza moa Ireo Masoreta?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza moa Ireo Masoreta?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fianakaviana Ben Asher
  • Notakina ny fitadidiana goavana
  • Inona no ninoan’izy ireo?
  • Fandraisan-tsoa amin’ny asan’izy ireo
  • Inona moa ny Soratra Masoretika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Soratanana Amin’ny Baiboly Hebreo Modely Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Asera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Aserita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/9 p. 26-29

Iza moa Ireo Masoreta?

JEHOVAH, “Andriamanitry ny fahamarinana”, dia niaro ny Teniny, ny Baiboly. (Salamo 31:5). Nefa, satria i Satana, ilay fahavalon’ny fahamarinana, nanandrana nanimba sy nandevona azy io, ahoana no nahatongavan’ny Baiboly hatratỳ amintsika, indrindra fa tamin’ny endriny voasoratra? — Jereo ny Matio 13:39.

Hita ao amin’ny fanazavana nataon’ny Profesora Robert Gordis ny tapany amin’ny valiny, manao hoe: “Tsy nankasitrahana tamin’ny fomba ampy ny zava-bitan’[ireo] mpanora-dalàna hebreo, nantsoina hoe masoreta na ‘mpiaro ny nentim-paharazana’. Ireny mpanora-dalàna tsy fantatra anarana ireny dia nanao kopia ny Boky Masina tamim-pitandremana fatratra sy tamim-pitiavana.” Na dia mitoetra ho tsy fantatsika anarana aza amin’izao andro izao ny ankamaroan’ireny mpanao kopia ireny, dia voarakitra an-tsoratra mazava kosa ny anaran’ny fianakaviana iray nisy Masoreta — Ben Asher. Inona no fantatsika momba azy ireo sy ireo Masoreta toa azy?

Ny fianakaviana Ben Asher

Ilay tapany amin’ny Baiboly nosoratana tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany, ary antsoina matetika hoe ny Testamenta Taloha, dia nataon’ireo mpanora-dalàna jiosy kopia tamim-pahatokiana. Nanomboka tamin’ny taonjato fahenina ka hatramin’ny taonjato fahafolo am.f.i., dia nantsoina hoe Masoreta ireny mpanao kopia ireny. Inona no tafiditra tamin’ny asan’izy ireo?

Nandritra ireo taonjato, ny teny hebreo dia tsy nosoratana afa-tsy tamin’ny fampiasana renisoratra, ka ny mpamaky no nanampy ireo zanatsoratra. Tamin’ny andron’ireo Masoreta anefa, dia efa nadiva ho very ny fanononana araka ny tokony ho izy ny teny hebreo, satria Jiosy maro no tsy niteny azy io nisosa tsara intsony. Nisy antokona Masoreta tany Babylona sy Isiraely, namorona marika an-tsoratra tokony hatao nanodidina ireo renisoratra mba hanondroana ireo tsindrimpeo sy ny fanononana araka ny tokony ho izy an’ireo zanatsoratra. Nisy rafitra telo samy hafa fara fahakeliny nampiasaina tamin’izany, kanefa ilay niharihary ho natanjaka indrindra dia ny an’ireo Masoreta tany Tiberiasy, any akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, fonenan’ny fianakaviana Ben Asher.

Ireo loharanon-kevitra dia manome lisitra taranaka dimy nisy Masoreta niandoha tamin’io fianakaviana tokana io, nanomboka tamin’i Asher Zokiny, tamin’ny taonjato fahavalo am.f.i. Ireo hafa dia i Nehemiah Ben Asher, i Asher Ben Nehemiah, sy i Moses Ben Asher, ary farany dia i Aaron Ben Moses Ben Asher, tamin’ny taonjato fahafolo am.f.i.a Ireo lehilahy ireo no loha laharana tamin’ireo nandavorary ireo marika an-tsoratra nampiseho tsara indrindra izay noheveriny ho fanononana araka ny mety an’ilay soratra ao amin’ny Baiboly amin’ny teny hebreo. Mba hanazavana tsara ireny marika famantarana ireny, dia voatery izy ireo namaritra ny fototra iorenan’ny rafitra ara-pitsipi-pitenenana hebreo. Tsy nisy mihitsy anefa rafitra voafaritra tsara momba ireo fitsipi-pitenenana hebreo, voarakitra an-tsoratra hatramin’izay. Noho izany, dia mety hilaza ny olona iray fa ireny Masoreta ireny no anisan’ireo mpahay fitsipi-pitenenana hebreo voalohany.

I Aaron, ilay Masoreta farany araka ny nentim-paharazana teo amin’ny fianakaviana Ben Asher, no voalohany nandrakitra an-tsoratra sy namoaka io fanazavana io. Nanao izany izy tao amin’ny asa soratra iray mitondra ny lohateny hoe: “Sefer Dikdukei ha-Te‘amim”, dia ny boky voalohany momba ny fitsipi-pitenenana hebreo. Io boky io no nanjary fototra ho an’ny asan’ireo mpahay fitsipi-pitenenana hebreo hafa nandritra ireo taonjato ho avy. Izy io anefa dia tsy inona fa vokatra fanampin’ilay asa mbola lehibe kokoa ihany nataon’ireo Masoreta. Inona moa izany?

Notakina ny fitadidiana goavana

Ny zavatra lehibe nahin’ireo Masoreta dia ny fampitana araka ny marina ny teny tsirairay, ny litera tsirairay mihitsy aza, amin’ny teny ao amin’ny Baiboly. Mba hahazoana antoka ny maha-araka ny marina an’ilay izy, ireo Masoreta dia nampiasa ny sisim-pejy tsirairay mba handraketana izay fanazavana nanambara ny fanovana teny rehetra nety hitranga, nataon’ireo mpanao kopia tany aloha, na tsy nahy izany na fanahy niniana. Tao amin’ireny fanamarihana an-tsisim-pejy ireny, dia nomarihin’ireo Masoreta koa ny endriky ny teny sy ny fanakambanan-teny tsy mahazatra, ka nomarihiny hoe impiry izy ireny no niseho tao anatin’ny boky iray, na tao anatin’ny Soratra Hebreo manontolo. Ireny fanazavana ireny dia noraketina tao amin’ny rafitra iray nisy marika famantarana faran’izay nohafohezina, satria voafetra ny toerana. Ho fitaovana fanamarinana fanampiny, dia nomarihin’izy ireo ny teny sy ny litera teo afovoany tamin’ny boky sasany. Tonga mihitsy hatramin’ny fanisana ny litera rehetra ao amin’ny Baiboly izy ireo, mba hahazoana antoka fa araka ny marina ny kopia.

Teny amin’ny sisim-pejy ambony sy ambany, no nandraketan’ireo Masoreta fanazavana niitatra kokoa nahakasika ny sasany tamin’ireo fanamarihana nohafohezina teo amin’ny sisim-pejy.b Izy ireny dia nanampy tamin’ny fanamarinana fanampiny ny asan’izy ireo. Koa satria mbola tsy voaisy nomerao ireo andininy tamin’izay, ary mbola tsy nisy ny konkordansy momba ny Baiboly, tamin’ny fomba ahoana no nakan’ireo Masoreta teny tany amin’ny tapany hafa tamin’ny Baiboly mba hanaovana io fanamarinana io? Teny amin’ny sisim-pejy ambony sy ambany, dia nataony lisitra ny tapany tamin’ny andininy iray mifanitsy, mba hampahatsiaro azy hoe toerana taiza koa tao amin’ny Baiboly no nahitana ilay na ireo teny voatondro. Noho ny naha-voafetra ny toerana, dia matetika izy ireo no tsy nanoratra afa-tsy teny fototra iray monja mba hampahatsiaro azy ny andininy tsirairay mifanitsy. Mba hahatonga ireny fanamarihana an-tsisim-pejy ireny hahasoa, dia saika voatery nahay an-kandrina ny Baiboly hebreo manontolo ireny mpanao kopia ireny.

Ireo lisitra izay lava loatra ka tsy omby teny an-tsisim-pejy, dia nafindra tany amin’ny fizarana hafa iray tamin’ilay sora-tanana. Ohatra, ilay fanamarihana teny an-tsisim-pejin’ny Genesisy 18:3 dia mampiseho litera hebreo telo, קלד. Io no teny hebreo mifanitsy amin’ny isa 134. Any amin’ny fizarana hafa iray amin’ilay sora-tanana, dia misy lisitra iray manondro toerana 134 izay ninian’ireo mpanao kopia talohan’ny andron’ny Masoreta nanesorana ny anarana hoe Jehovah tao amin’ny teny hebreo, ka nanoloany azy io tamin’ilay teny hoe “Tompo”.c Na dia nahafantatra ireny fanovana ireny aza ireo Masoreta, dia tsy nifidy ny hanova ilay andininy natolotra azy, izy ireo. Nasehony tao amin’ireo fanamarihana an-tsisim-pejy nataony kosa ireny fanovana ireny. Fa nahoana ireo Masoreta no nanao fitandremana fatratra toy izany mba tsy hanovana ny teny, kanefa ireo mpanao kopia teo alohany dia efa nanova ilay izy? Hafa noho ny an’ireo nodimbasany ve ny endriky ny zavatra ninoany tamin’ny naha-jiosy azy?

Inona no ninoan’izy ireo?

Nandritra io fe-potoana nandrosoan’ny Masoreta io, dia tafiditra tao amin’ny ady iray momba ny firehan-kevitra efa lalim-paka aoka izany ny Jodaisma. Nanomboka tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nampitombo ny fifehezana nampihariny ny Jodaisma narahin’ireo raby. Niaraka tamin’ny fanoratana ny Talmoda sy ny filazana ny hevitry ny teny nataon’ireo raby, ny teny tao amin’ny Baiboly dia nanjary teo amin’ny laharana faharoa, nanarakaraka ny filazana ny hevitry ny lalàna am-bava nataon’ireo raby.d Noho izany, dia nety ho namoy ny naha-zava-dehibe azy ny fiarovana tamim-pitandremana ny teny tao amin’ny Baiboly.

Tamin’ny taonjato fahavalo, dia nisy antokon’olona fantatra tamin’ny anarana hoe Karahita nikomy nanohitra an’io fironana io. Mba hampisongadinana ny naha-zava-dehibe ny fianarana manokana ny Baiboly, dia nolavin’izy ireo ny fahefan’ireo raby sy ny filazana ny hevitry ny teny nataon’izy ireo ary ny Talmoda. Ny teny tao amin’ny Baiboly irery ihany no nekeny ho fahefana. Izany dia nampitombo ny hilana ny fampitana izany teny izany araka ny marina, ary dia nahazo fandrisihana nohavaozina ireo fandinihana nataon’ireo Masoreta.

Hatraiza ny zavatra ninoan’ireo raby, na ny Karahita no nisy heriny teo amin’ny asan’ireo Masoreta? Milaza toy izao i M. H. Goshen-Gottstein, manam-pahaizana manokana momba ireo sora-tanana amin’ny Baiboly amin’ny teny hebreo: “Niaiky mafy ireo Masoreta (...) fa izy ireo dia nanohy fomba nentim-paharazana tranainy iray, ary fa ny fanakantsakanana azy io amim-piniavana, dia ho ny heloka bevava ratsy indrindra hataon’izy ireo.”

Ireo Masoreta dia nihevitra ny fanaovana kopia araka ny marina ny teny ao amin’ny Baiboly ho toy ny asa masina. Na dia nety ho tena natosiky ny antony ara-pivavahana hafa aza ny tenan’izy ireo, dia toa tsy niharan’ny fitaoman’ny raharaha nahakasika firehan-kevitra ny asan’ireo Masoreta. Tsy nanome fahafahana firy ho an’ny ady hevitra teolojika ireo fanamarihana an-tsisim-pejy faran’izay fohy. Ny teny tao amin’ny Baiboly mihitsy no zavatra nahin’izy ireo teo amin’ny fiainana; tsy nanatsatso azy io izy ireo.

Fandraisan-tsoa amin’ny asan’izy ireo

Na dia tsy vahoaka voafidin’Andriamanitra intsony aza ny Isiraely ara-nofo, ireny mpanao kopia jiosy ireny dia nanolo-tena tanteraka ho mpiaro mba ho araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 21:42-44; 23:37, 38). Ny zava-bitan’ny fianakaviana Ben Asher sy ireo Masoreta hafa dia nofintinin’i Robert Gordis tsara tamin’ny fanoratana hoe: “Ireo mpiasa nanetry tena nefa tsy nety resy ireo (...) dia nanao ny asany sarotra sy goavana, nefa tsy nahazoana laza, tamin’ny fanaovana izay tsy hahavery na hampiova ny Teny ao amin’ny Baiboly.” (The Biblical Text in the Making). Vokatr’izany, rehefa nanohitra niharihary ny fahefan’ny fiangonana ireo Mpanao Fanavaozana toa an’i Luther sy i Tyndale tamin’ny taonjato faha-16, ka nanomboka nandika ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny sarambaben’olona mba hovakin’ny rehetra, dia nanana teny hebreo voaro tsara izy ireo mba hampiasainy ho toy ny fototra ho an’ny asany.

Mbola andraisantsika soa hatrany hatramin’izao andro izao ny asan’ireo Masoreta. Mahaforona ny fototra ho an’ny Soratra Hebreo amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, ny soratra hebreo nampiasain’izy ireo. Io fandikan-teny io dia mbola adika hatrany amin’ny fiteny maro, ary atao amin’ny toe-tsaina feno fandavan-tena sy fiahiana ny maha-araka ny marina izany fandikan-teny izany, tahaka izay nasehon’ireo Masoreta fahiny. Tokony haneho toe-tsaina toy izany koa isika amin’ny fitandremana ny Tenin’i Jehovah Andriamanitra. — 2 Petera 1:19.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Amin’ny teny hebreo ny hoe “ben” dia midika hoe “zanakalahy”. Noho izany, ny hoe Ben Asher dia midika hoe “zanakalahin’i Asher”.

b Antsoina hoe Masora Kely ireo fanamarihana masoretika teny an-tsisim-pejy. Antsoina hoe Masora Lehibe ireo fanamarihana teny an-tsisim-pejy ambony sy ambany. Antsoina hoe Masora Farany ireo lisitra natao tany amin’ny toeran-kafa tamin’ilay sora-tanana.

c Jereo ny Appendice 1B ao amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy).

d Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny lalàna am-bava sy ny Jodaisma narahin’ireo raby, dia jereo ny pejy faha-8-11 ao amin’ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Efajoro/Sary, pejy 28]

Ilay Rafitra ho An’ny Fanononana ny Teny Hebreo

NAHARITRA nandritra ny taonjato maro teo anivon’ireo Masoreta ny fikarohana ny fomba tsara indrindra fandraketana an-tsoratra ireo marika famantarana zanatsoratra sy tsindrimpeo. Noho izany, dia tsy mahagaga ny mahita fanazavana tsara nitohy teo amin’ny taranaka tsirairay avy, tamin’ny fianakaviana Ben Asher. Ireo sora-tanana misy dia mampiseho ny angaly sy ny fomba nampiasain’ireo Masoreta roa farany ihany, tamin’ny fianakaviana Ben Asher, dia i Moses sy i Aaron.e Ny fandinihana iray natao hampitahana ireny sora-tanana ireny dia mampiseho fa i Aaron dia nanazava tsara ireo fitsipika momba ireo tsipiriany madinika sasany momba ny fanononana sy ny fanoratana, izay tsy nitovy tamin’ny an’i Moses, rainy.

I Ben Naphtali dia niara-belona tamin’i Aaron Ben Asher. Mirakitra fanazavana manokana maro izay heverina fa nataon’i Ben Naphtali, ny Kodeksa Le Caire an’i Moses Ben Asher. Noho izany, dia na ny tenan’i Ben Naphtali no nianatra tamin’i Moses Ben Asher, na izy roa lahy no samy nitahiry fomba nentim-paharazana niombonana iray, tranainy kokoa. Maro ireo manam-pahaizana manokana miresaka momba ny fahasamihafana misy eo amin’ny rafitra Ben Asher sy ny rafitra Ben Naphtali, kanefa i M. H. Goshen-Gottstein dia manoratra hoe: “Toa araka ny marina kokoa ny hiresahana momba ireo rafitra roa tsy mitovy laharana tao anatin’ny fianakaviana Ben Asher ka hilazana ilay fifanoherana teo amin’ireo fanazavana manokana amin’ny hoe: I Ben Asher miady amin’i Ben Asher.” Koa tsy ho araka ny marina àry ny hiresahana momba ny fomba nampiasaina Ben Asher iray monja. Tsy vokatry ny fahamboniana anaty akory no nahatonga ireo fomba nampiasain’i Aaron Ben Asher ho ilay endriny nekena tamin’ny farany. Tiana kokoa ilay soratra nataon’i Aaron Ben Asher satria fotsiny hoe nidera azy io i Moses Maimonides, manam-pahaizana manokana momba ny Talmoda tamin’ny taonjato faha-12.

[Artwork—Hebrew characters]

Tapany amin’ny Eksodosy 6:2 misy sy tsy misy an’ireo teboka solon-janatsoratra sy marika diacritique

[Fanamarihana ambany pejy]

e Ny Kodeksa Le Caire (895 am.f.i.) izay tsy mirakitra afa-tsy ireo mpaminany tany aloha sy ireo tatỳ aoriana kokoa, dia manome ohatra iray ny amin’ny fomba nampiasain’i Moses. Ny kodeksa Aleppo (930 am.f.i. tany ho any), sy ny kodeksa Leningrad (1008 am.f.i.) dia ohatra heverina fa ny amin’ireo fomba nampiasain’i Aaron Ben Asher.

[Sary, pejy 26]

Tiberiasy, foiben’ny asan’ireo Masoreta nanomboka tamin’ny taonjato fahavalo ka hatramin’ny taonjato fahafolo

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara