FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/9 p. 3-4
  • Lalana Malalaka Tsy Misy Fahafahana Firy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lalana Malalaka Tsy Misy Fahafahana Firy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba fiaina iray niova
  • Lalana iray malalaka tokoa
  • Mitarika mankany amin’ny loza ilay lalana malalaka
  • Ilay Lalana Ety Mankany Amin’ny Fahafahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • “Henoy” Foana Izy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Tsara Daholo ve ny Fivavahana Rehetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/9 p. 3-4

Lalana Malalaka Tsy Misy Fahafahana Firy

Tao an-tranony tany Sydney, Aostralia, ny fianakaviana iray nisy mpikambana telo — ray, reny sy zanakavavy kely — rehefa nirehitra ny trano. Nanandrana nitsambikina avy teo am-baravarankely izy ireo, kanefa voafefy vy ireo varavarankely ireo. Noho ireny fefy vy fiarovana ireny, dia tsy afaka namonjy azy ireo ny mpamonjy trano may. Maty tao anatin’ny setroka sy ny lelafo ilay reny sy ilay ray. Maty tatỳ aoriana kokoa, tany amin’ny hopitaly, ilay zanakavavy.

NAMPALAHELO toy inona moa ny nahafatesan’io fianakaviana io noho ireo zavatra naorina izay noheverina fa hiaro azy! Izany dia fanamarihana iray tsy mivantana momba ny androntsika, hanazavana fa tsy maningana akory io fianakaviana io tamin’ny fanaovana izay hahavoaro ny tranony tamin’ny loza, tamin’ny alalan’ireo fefy vy sy hidin-trano mafy. Maro amin’ireo mpiara-belona no manana trano sy fananana mitovy amin’ny manda mafy koa. Nahoana? Mitady tsy fananana ahiahy sy fiadanan-tsaina izy ireo. Zavatra mahakivy toy inona moa ho an’ny fitambaran’olona “afaka” iray ny hoe tsy mahatsiaro ho voaro amin’ny loza ny olona raha tsy rehefa voahidy toy ny mpigadra ao an-tranony ihany! Any amin’ny fiaraha-monina mitombo isa hatrany, ireo ankizy dia tsy afaka milalao intsony ao amin’ny saha fitsangantsanganan’ny besinimaro eo akaiky eo, na koa mandeha an-tongotra mankany an-tsekoly tsy misy ray, na reny, na olon-dehibe hafa miaraka aminy ka hoe ho voaro amin’ny loza. Eo amin’ny lafim-piainana maro, ny fahafahana dia manjavona toy ny andon’ny maraina.

Fomba fiaina iray niova

Hafa ny vanim-potoana niainan’ireo raibe sy renibentsika. Fony izy ireo ankizy, dia mazàna afaka nilalao tsy nisy tahotra tamin’izay toerana tiany izy ireo. Rehefa tonga olon-dehibe izy ireo, dia tsy nisahiran-tsaina tafahoatra tamin’ny hidin-trano sy ny fefy vy fiarovana. Nahatsiaro tena ho afaka izy ireo, ary hatramin’ny fetra sasany dia afaka izy ireo. Kanefa nahita ny fiovan’ny fironana manjaka eo amin’ny fitambaran’olona ireo raibe sy renibentsika, nandritra ny fahavelomany. Niova ho nangatsiaka kokoa, nampiseho fitiavan-tena kokoa io fironana io; any amin’ny toerana maro, ny fitiavana ny mpiara-belona dia nosoloan’ny tahotra ny mpiara-belona, ka izany dia anisan’ny nahatonga ilay fisehoan-javatra nampalahelo voalaza etsy ambony. Niaraka tamin’io fitomboan’ny tsy fisiam-pahafahana io ny fahasimbana miandalana eo amin’ireo zava-tsarobidy ara-pitondran-tena. Nanjary narehitry ny fitiavana “fari-pitondran-tena vaovao” iray ny fitambaran’olona, kanefa raha ny marina, dia tratra ankehitriny ny tarehin-javatra iray izay zara raha ahitana fari-pitondran-tena akory.

Nanoratra toy izao ny Dr. Rupert Goodman, mpandahateny taloha momba ny fanabeazana tao amin’ny Oniversiten’i Queensland: “Ny tanora ankehitriny dia iharan’ny fitaoman’ny fomba fiaina hafa, mikatsaka voalohany indrindra ny fahafinaretana (...) fomba fiaina izay anaovana ny ‘tena’ ho ivon’ny zava-drehetra: fampanaranam-po ny fanirian’ny tena, fahatsapana tafahoatra ny maha-izy ny tena, fahatsapana ho afa-po amin’ny tena, fitadiavana ny tombontsoa ho an’ny tena”. Hoy koa izy: “Ireo zavatra misy vidiny toy ny fifehezan-tena, ny fandavan-tena, ny asa mafy, ny fitsitsiana, ny fanajana ny fahefana, ny fitiavana sy ny fanomezam-boninahitra ny ray aman-dreny (...) dia hevitra tsy fantatry ny olona maro.”

Lalana iray malalaka tokoa

Ireo olona mahafantatra tsara ny faminaniana ao amin’ny Baiboly dia tsy gaga amin’izany fielezan’ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena izany, satria nampitandrina ireo mpihaino azy toy izao i Jesosy Kristy: “Malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14). Ilay lalana voalohany izay misy toerana ampy tsara ho an’ny mpandeha maro, dia “malalaka” satria tsy voafepetra amin’ny fananana an’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly mifehy ny fari-pitondran-tena sy ny fiainana andavanandro. Izy io dia manintona an’ireo tia mieritreritra araka izay mahafinaritra azy, ary miaina araka izay mahafinaritra azy — tsy misy fitsipika, tsy misy fifanekena.

Marina fa maro amin’ireo nifidy ny lalana malalaka no milaza fa mankafy ny fahafahany. Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia atosiky ny toe-tsaina feno fitiavan-tena fahita. Milaza ny Baiboly fa fehezin’ny “[toe-tsaina, NW ] izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana” izy ireo. Io toe-tsaina io dia manosika azy ireo hiaina araka ‘ny filan’ny nofo, ka manao ny danin’ny nofo’, na amin’ny fanarahana fahalotoam-pitondran-tena sy fidorohana zava-mahadomelina izany, na amin’ny fikatsahana tsy an-kiantra harena, laza, na fahefana. — Efesiana 2:2, 3.

Mitarika mankany amin’ny loza ilay lalana malalaka

Mariho fa ireo mandeha amin’ny lalana malalaka dia voatarika hanao “ny danin’ny nofo”. Mampiseho izany fa tsy afaka velively izy ireo — manana tompo izy ireo. Andevon’ny nofo izy ireo. Ary ny fanompoana an’io tompo io dia afaka mitarika ho amin’ny zava-manahirana isan-karazany — fihanahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, tokantrano rava, vatana sy saina marary vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fanaranam-po amin’ny zava-pisotro misy alkaola, raha vokany vitsivitsy monja aza no hotononina. Na dia ireo asa feno herisetra, vaky trano, sy fisavihana aza, dia miandoha ao amin’ilay fisainana tsy mihevitra afa-tsy ny tena, izay kolokoloina eo amin’io lalana malalaka milefitra loatra io. Ary raha mbola mitohy koa ny fisian’io “làlana izay mankany amin’ny fahaverezana” io, dia mbola hanjary hanimba bebe kokoa hatrany ihany ny vokatra hoentiny. — Ohabolana 1:22, 23; Galatiana 5:19-21; 6:7.

Diniho ny ohatra roa tena nisy teo amin’ny fiainana, avy any Aostralia.a Resin’ny fakam-panahy i Mary, ka nampiasa tamin’ny fomba ratsy zava-mahadomelina ary nanao fahalotoam-pitondran-tena koa. Kanefa nandositra azy ny fahasambarana izay notadiaviny. Na dia taorian’ny nananany zanaka roa aza dia toa poaka aty ny fiainany. Nahatratra ny fetrany farany ambany izy rehefa nahafantatra fa voan’ny SIDA ny tenany.

Voa tamin’ny fomba hafa i Tom. “Notezaina tao amin’ny misiona, tany Queensland avaratra aho”, hoy izy nanoratra. “Fony aho 16 taona, dia nanomboka nisotro be aho. Samy mpisotro raindahiny avokoa ny raiko sy ireo dadatoako ary ireo namako, hany ka toa zavatra ara-dalàna ny fanaovana izany. Tonga tamin’ny fetra izay nisotroako ny zavatra rehetra aho, nanomboka tamin’ny labiera ka hatramin’ny toaka mahery nifangaro méthanol. Nanomboka niloka tamin’ny hazakaza-tsoavaly koa aho, ka indraindray dia namoy ny ankabetsahan’ny ny karamako izay mafy erỳ ny nahazoako azy. Tsy vola kely ilay izy satria nahazoana karama ampy tsara mihitsy ny asako tamin’ny fikapana fary.

“Avy eo dia nanambady aho, ary niteraka izahay. Tsy niatrika nivantana ny andraikitro aho, fa nanao izay nataon’ireo namako kosa — nisotro sy niloka ary niady. Matetika aho dia voahidy tao amin’ny fonja teo an-toerana. Kanefa na dia izany aza dia tsy nisy vokany teo amiko. Nikororosy fahana ny fiainako. Feno zava-manahirana ilay izy.”

Eny, tamin’ny fanekena ho resin’ny fanirian-dratsy, i Tom sy i Mary dia tsy vitan’ny hoe nanimba ny tenany fotsiny, fa nanimba ny fianakaviany koa. Mampalahelo fa tanora hafa maro koa no mirona ho voasarik’ilay toe-tsaina tia fahafahana tsy misy fifehezana sady diso lalana atolotra eo amin’ilay lalana malalaka. Raha mba afaka mahatsinjo izay ao ambadiky ny fisehoana ivelany manodokan’io fahafahana io mantsy ireo tanora. Raha mba hitany mantsy ny zavatra tena izy ao amin’ilay lalana malalaka — ny vidiny lafo dia lafo tsy maintsy aloan’ireo rehetra mandeha amin’izy io, amin’ny farany. Marina fa malalaka izy io sady mora ny mankeo aminy. Kanefa ny maha-malalaka be azy io no maha-mampidi-doza azy. Ny lalam-pahendrena dia ny fandraisana am-po ilay zava-misy tsy azo lavina hoe: “Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo”. — Galatiana 6:8.

Misy safidy tsara kokoa anefa. Izany dia ny lalana ety. Kanefa amin’ny ahoana io lalana io no misy fameperana, amin’ny ahoana izy io no tery sy ety? Ary mitarika mankaiza izy io?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ireo anarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara