Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — India
INDIA! Io tapa-kontinenta midadasika io dia fonenan’ny olona 1 ao anatin’ny 6 eto amin’itỳ planeta itỳ. Amin’ny fitambarany dia misy fiteny sy fitenim-paritra 1 000 mahery ampiasaina ao amin’io tany manana mponina sy fiteny maro samihafa io. Ny mponina amin’ny ankapobeny dia Hindoa ny 83 isan-jato aminy, kanefa kosa Miozilimanina ny 11 isan-jato, miaraka amin’ireo Sikhs, Bodista sy Jaina ary Kristiana anarana izay mahaforona ny tapany sisa.
Ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nifaly tamin’ny fahombiazana niavaka tany India, tato anatin’ireo taona faramparany. Izy ireo dia nahita olona toy ny ondry izay vonona hihazona fijoroana hentitra eo amin’ilay andaniny misy ny Fanjakan’i Jehovah, na dia eo aza ny fomba rehetra ampiharana fanerena sy fanoherana.
Ohatra, ny zazavavy iray tao amin’ny fianakaviana hindoa ortodoksa iray dia nanjary kilemaina hatramin’ny fahazazany noho ny lefakozatra. Ny fanaintainana nihatra taminy dia nahatonga azy hieritreritra momba an’Andriamanitra sy ny zava-kendren’ny fiainana. Nandinika fivavahana maro izy mba hahazoana valiny, nefa tsy nahita fampiononana. Ho vokatr’izany dia nafoiny ny fatokiany ny fivavahana fa tsy ny fatokiany an’Andriamanitra.
Tokony ho tamin’izay fotoana izay no nifankahita tamin’io zazavavy io ny Vavolombelona roa, tamin’ny fanompoana isan-trano nataon’izy ireo. “Tohina mafy aoka izany aho ka nitomany rehefa nandre azy ireo namaky ny Apokalypsy 21:4”, hoy izy mahatsiaro. Nandray zavatra vita an-tsoratra maro navoakan’ny Fikambanana Watch Tower izy, ary nanaiky fampianarana Baiboly tany an-tokantrano na dia teo aza ny fanoheran’ny reniny. Nanao fiovana maro teo amin’ny fiainany ilay zazavavy, niatrika tamin-kerim-po ny fanoherana avy tamin’ireo havana, ary dia tonga Vavolombelona vita batisa. Hoy izy hoe: “Nanao fandrosoana betsaka aho, ary tena sarotra ilay dia. Kanefa i Jehovah Andriamanitra dia nomba ahy mandrakariva, ary nanome ahy fiadanana sy fifaliana lehibe.”
Hentitra teo amin’ny fanompoam-pivavahana madio tany an-tsekoly
Nasain’ny mpampianatra azy nandeha tany amin’ny fiangonana katolika iray niaraka tamin’ny mpiray kilasy rehetra taminy ny anabavy tanora iray. Nanda tamim-pahalalam-pomba izy tamin’ny filazana fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany, ka tsy hanolotra fanompoam-pivavahana na amin’iza izany na amin’inona, afa-tsy amin’i Jehovah ihany. Nilaza ilay mpampianatra fa raha nandeha tany am-piangonana ny hafa rehetra dia tokony handeha koa ilay anabavy. Kanefa nitana ny heviny tamin’ny fomba hentitra izy ka nilaza hoe, satria ireo handeha hankany am-piangonana tsy hivavaka amin’i Jehovah tsinona, dia fantany fa tsy tokony hanatrika tany ny tenany.
Noho ilay zazavavy nitana ny heviny tamin’ny fomba hentitra dia naniry hahafantatra bebe kokoa momba ny finoany ilay mpampianatra azy. Koa ny ampitson’iny ilay anabavy dia nanome azy io lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana nahakasika ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Tohina tamin’izay vao avy novakiny ilay mpampianatra ka nanafaka an’ilay anabavy tamin’ireo fihetsiketsehana ara-pivavahana rehetra tao an-tsekoly. Afaka nametraka gazety folo taminy sy tamin’ireo mpampianatra hafa ilay anabavy.
Novalian-tsoa ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra
Vao haingana dia nisy tazo nateraky ny virosy iray nipoitra tamin’ny endriky ny valanaretina tany amin’ny faritra sasany amin’ny fanjakan’i Kerala. Manimba be mihitsy ny voa io aretina io, ka manjary ilaina ny fampiasana dialyse. Mahazatra ny mampiasa fampidiran-dra. Tao amin’ny tanàna iray dia nisy olona 14 nampidirina hopitaly noho io aretina io. Vavolombelona sady loholona teo an-toerana ny iray tamin’ireo marary ireo. Nilazana izy fa ny fampidiran-dra no hany fomba fitsaboana azo nampiasaina. Nanazava ireo zavatra ninoany araka ny Soratra Masina ilay loholona ary nanda tamin’ny fomba hentitra ny ra. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Taorian’ny ady hevitra be dia nilaza ireo dokotera fa ho faty ilay Vavolombelona noho ny fandavany fampidiran-dra.
Nandray ra ireo marary 13 hafa. Nampalahelo fa maty avokoa tao anatin’ny andro vitsivitsy izy rehetra ireo. Ilay rahalahy no sisa velona! Talanjona tokoa ireo manam-pahefana tao amin’ilay hopitaly. Tohina mafy ireo mpiasan’ny fitsaboana noho ny fitsidihana tsy tapaka nataon’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona. Rehefa tafavoaka ny hopitaly ilay rahalahy dia nandeha nisaotra ireo dokotera, kanefa dia hoy izy ireo hoe: “Nahoana no misaotra anay ianao? Ny Andriamanitrao, Jehovah, no isaory. Izy no Ilay namonjy anao. Mba mivavaha amin’ny Andriamanitrao, Jehovah, ho anay koa.”
[Efajoro, pejy 24]
ANTONTAN’ISAN’ILAY TANY
Taom-piasana 1994
TAMPON’ISAN’NY MPITORY: 14 271
AMIN’NY ARA-KEVINY: Vavolombelona 1 ho an’ny olona 65 266
MPANATRIKA NY FAHATSIAROVANA: 38 192
ANTSALAN’NY MPITORY MPISAVA LALANA: 1 780
ANTSALAN’NY FAMPIANARANA NY BAIBOLY: 12 453
ISAN’NY NATAO BATISA: 1 312
ISAN’NY KONGREGASIONA: 410
BIRAON’NY SAMPANA: LONAVLA
[Sary, pejy 25]
Biraon’ny Sampana, Lonavla
Fanaovana fanambarana nifandray tamin’ny fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay” tamin’ny 1963
Fitoriana tamin’ny mpivarotra iray tany ivelan’ny Red Fort, any New Dehli