FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/12 p. 24-25
  • “Sarobidy Amin’i Jehovah Aho!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Sarobidy Amin’i Jehovah Aho!”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Miraiki-po Aminao i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Sarobidy eo Imason’Andriamanitra Ianao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/12 p. 24-25

“Sarobidy Amin’i Jehovah Aho!”

AMIN’IZAO “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao, dia mpanompon’i Jehovah mahatoky maro no miaritra ady tsy an-kijanona amin’ny fahatsapana ho tsy misy vidiny. (2 Timoty 3:1, NW ). Tsy mahagaga izany satria iray amin’ireo ‘asa feno hafetsen-dratsin’i’ Satana ny fanaovana izay hahatsapantsika tena ho tsy tiana, tsy tian’ny Mpamorona antsika mihitsy aza! (Efesiana 6:11, NW, fanamarihana ambany pejy). Mifanaraka amin’izany, ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1995 dia nirakitra lahatsoratra roa natao hianaran’ny kongregasiona, ary nitondra ny lohateny hoe “Sarobidy eo Imason’Andriamanitra Ianao!” sy hoe “Mandrisiha ho Amin’ny Fitiavana sy ny Asa Tsara — Amin’ny Fomba Ahoana?” Ireo lahatsoratra ireo dia natao mba hampahatsiaro antsika fa mankamamy ny ezaka ataontsika i Jehovah. Ireto manaraka ireto ny sasany amin’ireo teny fankasitrahana voaray:

“Mbola tsy nisy mihitsy gazety nampihetsi-po ahy toy izany hatramin’ireo 27 taona naha-Vavolombelon’i Jehovah ahy. Tsy naharitra aho fa nitomany — nitondra fanamaivanana ho ahy toy inona moa ireo lahatsoratra ireo. Ankehitriny aho dia mahatsapa ho tian’i Jehovah aoka izany. Izany dia toy ny hoe misy enta-mavesatra goavana iray nesorina avy teo an-tsoroko.” — C. H.

“Novakiko inefatra tao anatin’ny indray andro io gazety io. Tiako ny fomba nilazan’ilay lahatsoratra fa nampianarina lainga ianao raha mino fa tsy misy vidiny ny tenanao. Hampiasaiko amin’ny asa fiandrasana sy ny fitoriana isan-trano io lahatsoratra io.” — M. P.

“Nahavita asa faran’izay tsara i Satana tamin’ny fanaovana izay hahatsapan’ny olona, na dia ireo tia an’i Jehovah aza, fa tsy misy vidiny sy tsy maha-te ho tia izy ireo. Iray tamin’ireo zavatra nampahery indrindra novakiko ny fampahatsiarovan’ny kilasin’ny ‘mpanompo mahatoky’ fa tia lalina antsika i Jehovah, ary fa ankasitrahany ny zavatra madinika rehetra ataontsika ho azy. Nandritra ny taona maro aho dia nanana ireo fihetseham-po resahinareo ao anatin’ireo lahatsoratra ireo. Tsy nahatsapa ho mendrika ny fitiavan’i Jehovah mihitsy aho, hany ka niezaka hanao bebe kokoa hatrany teo amin’ny fanompoana azy, ho toy ny fomba iray hahazoana io fitiavana io. Kanefa natosiky ny fanamelohan-tena sy ny henatra aho. Koa na firy na firy ora laniko teo amin’ny fanompoana, ary na firy na firy olona nampiako, dia tsapako fa tsy ampy izany. Tsy nahita afa-tsy zavatra tsy ampy aho teo amiko. Ankehitriny, rehefa manompo an’i Jehovah noho ny fitiavana aho, dia azoko alaina sary an-tsaina fa mitsiky izy, ary mirehareha ny amiko. Izany dia mahatonga ny fitiavako azy ho mbola hitombo kokoa ihany, ary mahatonga ahy haniry hanao bebe kokoa. Ankehitriny aho dia mahatsapa fifaliana mahatalanjona avy amin’ny fanompoako an’i Jehovah.” — R. M.

“Ireo no tsy iadian-kevitra fa ny lahatsoratra tsara dia tsara indrindra, mampahery indrindra, eny, miavaka indrindra natao mba hanohinana ny fontsika, novakiko hatramin’izay! Efa namaky Ny Tilikambo Fiambenana hatramin’ny 55 taona aho, ary efa nisy nomerao maro niavaka. Kanefa io nomerao io dia manoatra izay rehetra efa nananantsika mba hampitonena ny fisalasalantsika sy ny fanahiantsika ary ny tahotra tsapantsika fa hoe ‘tsy misy vidiny’ sy ‘tsy tiana’ isika, ary tsy ho afaka hanao zavatra ampy mihitsy mba ‘hahazoana’ ny fitiavan’i Jehovah. Io Tilikambo Fiambenana io dia mirakitra ilay karazana fanampiana ara-panahy ilain’ireo rahalahintsika mafy dia mafy. Mikasa ny hampiasa ireo lahatsoratra ireo amin’ny fomba miverimberina hatrany aho rehefa manao ny asan’ny mpiandry.” — F. K.

“Ho antsika izay miady amin’ny fiheveran-tena ho tsinontsinona, na amin’ny fahatsapana rikoriko amin’ny tenantsika mihitsy aza, dia mety ho sarotra aoka izany ny hanangona ny tanjaka ananantsika hanohizana handeha ao amin’ny fahamarinana. Nanome taratry ny fangorahana sy ny fahazoana ny fihevitry ny hafa lalina aoka izany io lahatsoratra io, hany ka toy ny fanosorana menaka manitra mampitony sy manasitrana ny fo mihitsy, ilay izy. Mampionona toy inona moa ny mamaky ny teny toy izany ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ary ny mahafantatra tsy misy isalasalana fa tena mahazo ny fihevitry ny tena i Jehovah! Misaotra mampahatsiaro anay fa i Jehovah dia tsy manandrana manosika ny vahoakany amin’ny alalan’ny fanamelohan-tena, ny henatra, na ny tahotra. Na dia voafetra tokoa aza ny fandraisako anjara tamin’ny asa fitoriana tato ho ato noho ny fahasahiranana ara-bola sy ny zava-manahirana ara-pahasalamana tao amin’ny fianakaviako, dia mbola mahita fahafaham-po ihany aho amin’izay azoko atao. Tsapako ho sambatra kokoa ny tenako amin’ny fanompoana, rehefa miezaka mamela ny fitiavana ho hery manosika ahy, aho.” — D. M.

“Vao avy nahavita ny famakiana ny ‘Sarobidy eo Imason’Andriamanitra Ianao!’, aho. Nampanganohano ny ranomasoko ny fehintsoratra rehetra. Avy tamin’ny fianakaviana iray tsy nampiseho fitiavana firy aho. Natao tsinontsinona aho, nohanihanina sy nihomehezana. Noho izany, aloha be teo amin’ny fiainana aho dia nahatsapa tena ho tsy nisy vidiny. Mbola mitondra ireo fihetseham-po raiki-tampisaka avy tamin’ny fiainako tamin’ny lasa ihany aho ary izany dia mampahory ahy rehefa tratran’ny loza aho. Rehefa nitsahatra tsy nanompo tamin’ny naha-loholon’ny kongregasiona aho, dia nahatsapa tena ho toy ny olona tsy nahomby, toy ny nahazatra — teo imason’Andriamanitra sy ny fianakaviako ary ireo rahalahiko tao amin’ny kongregasiona. Tsy afaka vetivety ireny fihetseham-po ireny, kanefa io lahatsoratra ara-potoana io dia nanampy ahy hahazo fahaiza-mandanjalanja indray. Nampahazava ny fomba fijeriko zavatra izy io.” — D. L.

“Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe ‘Sarobidy eo Imason’Andriamanitra Ianao!’ Izaho dia miatrika fankahalan-tena mafy sy fahatsapana lalina ho tsy misy vidiny, izay niandoha tamin’ny fampijaliana nandritra ny fahazazana. Tena mety tokoa ny handraisana an’io fomba fihevitra naolana io ho toy ny asa feno hafetsen-dratsin’ny tenan’i Satana mihitsy. Izy io dia afaka manamontsamontsana na dia ny fanirian’ny olona iray ho velona mihitsy aza. Tsy maintsy miezaka marina tokoa isan’andro aho mba hanoherana ilay lainga hoe tsy maha-te ho tia ny tenako. Io lahatsoratra io dia misy heviny betsaka kokoa ho ahy noho izay mety ho fantatrareo.” — C. F.

“Amin’izao andro izao ireo rahalahy dia manaiky amin’ny fomba manokana ilay hevitra fa i Jehovah dia mankasitraka ireo asa atosiky ny fitiavana fa tsy an-tery. Ny fandinihana ny maha-izy an’i Jehovah mampiseho hafanana sy firaiketam-po, ny fanehoany fiheverana ny vahoakany amin’ny maha-isam-batan’olona, ary ny fomba feno fitiavana iezahan’ny tenany manokana, dia mamelombelona sy mandrisika. Noho izany, raha vantany vao naharay ilay lahatsoratra hoe ‘Sarobidy eo Imason’Andriamanitra Ianao!’, izahay, dia maro no naneho fankasitrahana. Izany dia toy ny namoha ny lalana ho an’ny maro mba hampitomboana fifandraisana manokana kokoa amin’i Jehovah. Tianay mivady ny haneho fankasitrahana noho ny fomba fanoratra sy noho ny fahatsapana ny zavatra ilain’ny hafa niseho tao amin’ireo gazety Tilikambo Fiambenana faramparany. Maro amin’ireny hevitra ireny no ampiasainay rehefa mitsidika ireo kongregasiona izahay.” — Avy amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray.

“Mpamaky mahatoky hatramin’ny efa ho 30 taona aho, nefa mbola tsy namaky zavatra mandrisika sy mampiorina toy izany mihitsy. Ireo andinin-teny mahery, nampiharina tamim-pahakingana dia nanampy ahy hanongotra ireo lainga niafina tao amin’ireo fihetseham-poko manokana ka namela ahy hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah. Hatramin’ny taona maro aho dia nanompo an’i Jehovah noho ny fanamelohan-tena. Tsy nanana afa-tsy fahazoana ara-tsaina ny hevitry ny avotra sy ny fitiavan’Andriamanitra aho. Misaotra noho ireo lahatsoratra feno fahatakarana hevi-dalina sy fiheverana ny hafa. Manantena ny hamaky lahatsoratra maro kokoa toy ireny aho.” — M. S.

“Nandritra ireo 29 taona manontolo naha-tao amin’ny fahamarinana ahy, dia mbola tsy tadidiko hoe oviana ny lahatsoratra iray no nahatonga tao anatiko, fihetsika nampiseho fahaiza-mankasitraka sy fihetseham-po lalina toy izany. Na dia notezaina tamim-pitiavana lehibe sy tao amin’ny fianakaviana iray be fiahiana aza aho, dia tsy nahatsapa tena ho mendrika ny ho velona mihitsy, tsy lazaina intsony izany hoe mendrika ny hanompo an’i Jehovah izany. Taorian’io lahatsoratra io dia nandohalika aho, ary nisaotra an’i Jehovah tamim-pifokofokoana mafy. Hankamamiko mandrakizay io lahatsoratra io. Hijery ny tenako amin’ny fomba hafa aho satria ankehitriny dia takatro fa sarobidy amin’i Jehovah aho.” — D. B.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara