“Tsy Volamena no Hitako fa Diamondra”
NOTANTARAIN’I MICHALIS KAMINARIS
Taorian’ny dimy taona nandehanako tany Afrika Atsimo mba hitady volamena, dia nody nitondra zavatra sarobidy lavitra aho. Mamelà ahy hitantara aminareo momba ny harena izay ananako sy iriko hozaraina izao.
TERAKA tamin’ny 1904 tao amin’ny nosy grikan’i Céphalonie, tao amin’ny Ranomasina Ionienne aho. Maty ireo ray aman-dreniko tsy ela taorian’izay, ka tao anatin’ny fahakambotiana no nahalehibe ahy. Naniry mafy hahazo fanampiana aho, ary nivavaka matetika tamin’Andriamanitra. Na dia nankany amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika tsy tapaka aza aho, dia tsy nahalala na inona na inona momba ny Baiboly. Tsy nahita fampiononana aho.
Tamin’ny 1929 aho dia nanapa-kevitra ny hifindra monina ka hitady fiainana tsaratsara kokoa. Nandao ny nosiko tsy namokatra aho, ary niondrana an-tsambo ho any Afrika Atsimo, ka nandalo tany Angletera. Taorian’ny 17 andro teny an-dranomasina, dia tonga tao Le Cap, Afrika Atsimo, aho ka tao dia noraisin’ny mpiray tanindrazana iray avy hatrany hiasa tao aminy. Kanefa, tsy nahita fampiononana tao amin’ny harena ara-nofo aho.
Zavatra Sarobidy Kokoa
Tao Afrika Atsimo tokony ho roa taona aho, rehefa nitsidika ny toeram-piasako ny Vavolombelon’i Jehovah iray ary nanolotra ahy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny teny grika. Anisan’izany ireo bokikely Où sont les morts? sy Oppression. Quand prendra-t-elle fin? Tadidiko tsara ny fahalianako teo am-pamakiana azy ireo, ka nianarako tsianjery mihitsy aza ny andinin-teny voatonona rehetra. Indray andro, dia niteny tamin’ny mpiara-miasa iray aho hoe: “Hitako izay notadiaviko tao anatin’izay taona rehetra izay. Tonga teto Afrika hitady volamena aho, nefa tsy volamena no hitako fa diamondra.”
Tamin-kafaliana lehibe no nianarako fa manana anarana manokana hoe Jehovah, Andriamanitra, sy ny hoe efa miorina any an-danitra ny Fanjakany, ary miaina amin’ny andro farany ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ isika. (Salamo 83:18; Daniela 2:44; Matio 6:9, 10; 24:3-12; 2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 12:7-12). Nampientana toy inona moa ny nianatra fa ny Fanjakan’i Jehovah dia hitondra fitahiana tsy hisy farany ho an’ny olombelona avy amin’ny firazanana rehetra! Nanaitra ny saiko koa ny hoe efa torina maneran-tany ireo fahamarinana sarobidy ireo. — Isaia 9:5, 6; 11:6-9; Matio 24:14; Apokalypsy 21:3, 4.
Tsy ela dia hitako ny adiresy nisy ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tao Le Cap ka nahazo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly bebe kokoa aho. Finaritra indrindra aho nahazo Baiboly iray ho ahy manokana. Izay novakiko dia nanosika ahy haniry hanao fanambarana. Nanomboka nandefa zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tany amin’ireo havana aman-tsakaizako ary olom-pantatro tany Lixoúrion, tanàna nahabe ahy aho. Noho ny fianarako dia nanjary nahatakatra tsikelikely aho fa mba hampifaliana an’i Jehovah, ny olona iray dia tsy maintsy manolotra ny fiainany ho azy. Koa nanao izany avy hatrany tao amin’ny vavaka aho.
Indray mandeha, dia nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa, noho izaho tsy nahay teny anglisy, dia tsy nisy zavatra azoko. Rehefa fantatro fa nisy Grika maro nonina tao Port Elizabeth, dia nifindra tany aho, nefa tsy nahita Vavolombelona niteny grika aho na dia iray aza. Noho izany, dia nanapa-kevitra aho ny hiverina tany Gresy mba ho tonga evanjelisitra manontolo andro. Tsaroako aho niteny anakampo hoe: ‘Hiverina any Gresy aho, na dia hitafy voro-kitsay aza aho vao ho tonga any’.
Fanompoana manontolo andro tany Gresy
Tamin’ny lohataonan’ny taona 1934, dia teny ambony sambo italiana Duilio aho. Tonga tany Marseille, Frantsa, aho, ary rehefa nijanona folo andro tany, dia nankany Gresy tamin’ny sambo Patris, mpitondra mpandeha. Raha teny an-dranomasina izahay, dia nisy zava-nanahirana mekanika nahazo an’ilay sambo ary tao anatin’ny alina, dia nomena ny baiko hampidinana ny lakan’aina ho any an-dranomasina. Tamin’izay dia nitamberina tao an-tsaiko ny eritreritro hoe hitafy voro-kitsay aho vao ho tonga any Gresy. Kanefa tonga, tamin’ny farany, ny sambo italiana matanjaka iray ka nitarika anay ho any Naples, Italia. Tatỳ aoriana, dia tonga tany Piraiévs (Pirée), Gresy ihany izahay.
Avy teo aho no nitodi-doha ho any Atena, izay nitsidihako ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’ny resaka nifanaovako tamin’i Athanassios Karanassios, ilay mpiandraikitra ny sampana, dia nangataka ny hahazo fanendrena hitory manontolo andro aho. Ny ampitso aho dia teny an-dalana ho any Péloponnèse, any amin’ny tapany atsimon’i Gresy. Io distrika manontolo io no nanendrena ahy, ho faritaniko manokana!
Tamin-kafanam-po tsy nisy fetra, dia nanomboka ny asa fitoriana aho, nandeha isan-tanàna, isam-bohitra, isaky ny toeram-piompiana, ary isaky ny trano nitokana. Tsy ela dia tonga mba hiaraka tamiko i Michael Triantafilopoulos, izay nanao batisa ahy tamin’ny fahavaratry ny taona 1935 — herintaona mahery taorian’ny nanombohako ny fanompoana manontolo andro! Tsy nisy fitateram-bahoaka azo nampiasaina, koa dia nandeha an-tongotra hatraiza hatraiza izahay. Ny zava-nanahirana anay lehibe indrindra dia ny fanoheran’ny klerjy, izay nanao ny zavatra rehetra mba hanakanana anay. Ho vokany, dia niharan’ny fitsarana an-tendrony be dia be izahay. Kanefa, na dia teo aza ny vato misakana, dia natao ny asa fitoriana, ary nampahafantarina eran’ny vazan-tany ny anaran’i Jehovah.
Fiaretana fanoherana
Indray maraina, raha teo am-pitoriana tany amin’ny distrika be tendrombohitr’i Arcadie aho, dia tonga tany amin’ny tanànan’i Magouliana. Taorian’ny adiny iray nitoriana, dia nandre ny lakolosin’ny eglizy aho, ary tsy ela dia takatro fa nampanenoina noho izaho, izy ireo! Nisy vahoaka romotra niangona teo ambany fitarihan’ny archimandrite ortodoksa grika iray (olo-manan-kaja ambany noho ny eveka, ao amin’ny eglizy). Nohidiako haingana ny kitapo fitondrako mitory ary nivavaka nangina tamin’i Jehovah aho. Namantana tatỳ amiko ilay archimandrite, niaraka tamin’ireo ankizy maro be nanaraka azy. Nanomboka nikiakiaka izy hoe: “Io izy! Io izy!”
Nihodidina ahy akaiky ireo ankizy, ary nanatona ilay anisan’ny klerjy ka nanomboka nanosika ahy tamin’ny kibobeny, sady nilaza fa tsy te hikasi-tanana ahy izy ‘sao misy otrik’aretina aho’. Niantsoantso izy hoe: “Asio izy! Asio izy!” Tamin’izay indrindra anefa no nipoitra ny polisy iray ary nitondra anay mirahalahy tany amin’ny paositry ny polisy. Nentina teo amin’ny fitsarana ilay anisan’ny klerjy noho ny nampirisihany vahoaka hirotaka ary nandoa lamandy 300 drakma, niampy ny lany tamin’ny fitsarana. Nafahana aho.
Rehefa tonga teo amin’ny faritra vaovao iray izahay, dia nifidy izay tanàna lehibe kokoa ho foiben’ny asanay, ary avy tao no niasanay ny faritany rehetra tafiditra ao anatin’ny adiny efatra andehanan-tongotra. Midika izany fa niainga vao mangiran-dratsy izahay ary niverina nody taorian’ny filatsahan’ny alina, ka tamin’ny ankapobeny dia nitsidika tanàna iray na roa isan’andro. Taorian’ny niasana ireo tanàna nanodidina, dia nitory teo amin’ilay tanàna lehibe izahay, ary avy eo dia nifindra. Matetika dia nosamborina izahay, satria nanainga ny olona hanohitra anay ny klerjy. Tao amin’ny faritr’i Parnasse, ao afovoan’i Gresy, dia nokarohin’ny polisy nandritra ny volana maro aho. Kanefa, tsy nahasambotra ahy mihitsy izy ireo.
Indray andro, dia teo am-pitoriana tao amin’ny tanànan’i Mouríki, ao amin’ny distrikan’i Béotie izahay sy ny Rahalahy Triantafilopoulos. Nozarainay roa ilay tanàna, ary nanomboka niasa teo amin’ny tehezan-tany nideza aho, noho izaho zandriny kokoa. Tampoka teo, nandre kiakiaka avy tany ambany aho. Teo am-pihazakazahana nidina, dia nieritreritra aho hoe ‘Nisy nikapoka ny Rahalahy Triantafilopoulos’. Niangona teo amin’ilay fisotroan-kafe teo an-toerana ireo mponin’ny tanàna, ary nisy pretra iray nihinjakinjaka toy ny omby nitrifana. “Ireto olona ireto no miantso antsika hoe ‘taranaky ny Menarana’ ”, hoy izy nikiakiaka.
Efa nahatapaka tehina iray teo amin’ny lohan’ny Rahalahy Triantafilopoulos ilay pretra, ary nikoriana teo amin’ny tavany ny ra. Rehefa avy nanala ny ra aho, dia afaka niala teo izahay. Nandeha an-tongotra nandritra ny adiny telo izahay vao tonga tany amin’ny tanànan’i Thèbes. Tany, dia notsaboina tao amin’ny tobim-pahasalamana iray ny ratra. Nanao ny tatitra momba ny zava-nitranga, tamin’ny polisy izahay, ary napetraka ny fitoriana. Kanefa, nahalala olona ilay pretra ary tamin’ny farany, dia afaka nadiodio izy.
Raha teo am-pitoriana tao amin’ny tanànan’i Leucade izahay, ireo mpomba ny iray amin’ireo mpitarika politika teo amin’ilay faritra dia “nisambotra” anay ary nitondra anay tany amin’ny fisotroan-kafe tao an-tanàna; tao dia nampangaina teo amin’ny fitsaram-bahoaka sarintsariny iray izahay. Nifandimby nivezivezy nanodidina anay ilay mpitarika politika sy ny olony sady nanao kabary be — nandevilevy anay — ary nanambana totohondry anay. Mamo daholo izy rehetra. Nanomboka tamin’ny mitataovovonana ka nitohy hatramin’ny filentehan’ny masoandro ny teny naharary nataony taminay, nefa nitoetra ho tony izahay ary tsy nitsahatra nitsiky rehefa nanambara ny tsy fanananay tsiny sy nivavaka nangina tamin’i Jehovah Andriamanitra mba hahazoana fanampiana.
Tamin’ny hariva somambisamby, dia nanafaka anay ny polisy roa. Nentiny tany amin’ny paositry ny polisy izahay ary nitondra anay tamin’ny fomba tsara izy ireo. Mba hanamarinana ny zavatra nataony, dia tonga ilay mpitarika politika ny ampitso ary niampanga anay ho nanao fampielezan-kevitra nanohitra ny Mpanjakan’i Gresy. Koa nandefa anay ho any amin’ny tanànan’i Lamia ny polisy mba hisian’ny fakana am-bavany fanampiny, ka nisy lehilahy roa niambina anay tamin’izany. Nohazonina nandritra ny fito andro izahay ary avy eo, dia nopetahana rojo vy ka nentina tany amin’ny tanànan’i Larissa mba hotsaraina.
Ireo rahalahinay kristiana tany Larissa, izay efa nampahafantarina mialoha, dia niandry ny fahatongavanay. Ny fitiavana lehibe nasehony anay dia fanambarana tsara dia tsara ho an’ireo mpiambina. Olona fantatra tsara tao amin’ilay tanàna ilay mpisolovavanay, izay Vavolombelon’i Jehovah sady lietnà kolonely taloha. Rehefa niseho teo amin’ny fitsarana izy ary niaro anay, dia niharihary ho diso ireo fiampangana anay, ka dia nafahana izahay.
Nitarika ho amin’ny fitomboan’ny fanoherana ny fahombiazana ankapobe teo amin’ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Navoaka tamin’ny 1938 sy 1939 ny lalàna nandrara ny fitaomana olona hiova finoana, ary voarohirohy tao amin’ny raharaha ara-pitsarana momba izany imbetsaka izahay sy i Michael. Taorian’izany, ny biraon’ny sampana dia nanoro hevitra anay hiasa irery mba tsy dia hanintona loatra ny saina ny asanay. Hitako ho sarotra ny tsy nanana namana. Kanefa, nitoky tamin’i Jehovah aho, ka namakivaky an-tongotra ny distrikan’i Attique, i Béotie, i Phthiotis, i Eubée, i Etolie, i Acarnanie, i Eurytania, ary ny distrikan’i Péloponnèse.
Izay nanampy ahy nandritra izany fe-potoana izany dia ny teny mahafinaritra maneho fitokiana an’i Jehovah, nataon’ny mpanao salamo, manao hoe: “Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny mànda. Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako. Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ny fitoerako avo.” — Salamo 18:29, 32, 33.
Tamin’ny 1940, dia nanapoaka ady tamin’i Gresy i Italia, ary tsy ela taorian’izany, ireo tafika alemà dia niditra an-keriny tao amin’ilay tany. Nambara ny lalà-miaramila, ary norarana ny bokin’ny Fikambanana Watch Tower. Fotoan-tsarotra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Gresy ireny; na dia izany aza, dia nitombo be ny isan’izy ireo — Vavolombelona 178 tamin’ny 1940 no tonga 1 770 tany amin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa, tamin’ny 1945!
Fanompoana ao amin’ny Betela
Tamin’ny 1945, dia nasaina hiasa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Atena aho. Tamin’izay, dia tao amin’ny trano nohofana teo amin’ny Lalana Lombardou ny Betela, izay midika hoe “Tranon’Andriamanitra”. Tao ambany rihana ireo birao, ary tao amin’ny lakaly ny fanontam-pirinty. Izany dia milina fanontam-pirinty kely iray sy milina fanapahana iray. Tamin’ny voalohany, dia roa monja ny mpiasan’ny fanontam-pirinty, nefa tsy ela dia nisy mpiasa an-tsitrapo hafa, niainga avy tany an-tranony, ka nivezivezy nankao amin’ny Betela mba hanampy teo amin’ny asa.
Tafaverina tamin’ny laoniny ny fifandraisana tamin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower, tany Brooklyn, New York, tamin’ny 1945, ary tamin’io taona io, dia nanomboka nanao pirinty tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana teto Gresy indray izahay. Avy eo, tamin’ny 1947, dia namindra ny sampanay ho ao amin’ny 16, Lalana Tenedou izahay, nefa ny fanontam-pirinty dia nijanona tao amin’ny Lalana Lombardou ihany. Tatỳ aoriana, ny fanontam-pirinty dia nafindra avy tao amin’ny Lalana Lombardou ho ao amin’ny orinasa iray, an’ny Vavolombelona iray, teo amin’ny dimy kilaometatra avy eo. Nandritra ny fotoana kelikely àry, dia nivezivezy teo anelanelan’ireo toerana telo ireo izahay.
Mbola tadidiko ny nialana vao maraina be tao amin’ny faritra fonenana tao amin’ny Lalana Tenedou, ka nandehanana nankany amin’ny fanontam-pirinty. Rehefa avy niasa tao hatramin’ny iray ora tolakandro aho, dia nandeha tany amin’ny Lalana Lombardou izay nitondrana ireo taratasy efa vitanay pirinty. Tao, ireny taratasy ireny dia natambatra ho gazety, nozairina niaraka, ary natao tanana ny fanapahana ny sisiny mba ho tsara tarehy. Taorian’izany, dia nentinay tany amin’ny paositra ireny gazetinay efa vita ireny, nitondra azy ireny tany amin’ny rihana faharoa izahay sy nanampy ny mpiasan’ny paositra handamina azy ireny ary nametaka hajia teo amin’ny valopy mba handefasana azy.
Tamin’ny 1954, ny isan’ireo Vavolombelona teto Gresy dia nitombo ho 4 000 mahery ary nilaina ny trano lehibe kokoa. Noho izany, izahay dia nifindra tao amin’ny Betela vaovao iray nisy rihana roa teto Atena tanàn-dehibe, tao amin’ny Lalana Kartali. Tamin’ny 1958, dia nasaina niandraikitra ny lakozia aho, ary izany no andraikitro hatramin’ny 1983. Teo anelanelan’izany, tamin’ny 1959 aho dia nanambady an’i Eleftheria izay vady nahatoky teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Niaritra fanoherana indray
Tamin’ny 1967, dia nandray ny fahefana ny fitondra-miaramila ary nasiana fameperana indray ny asa fitorianay. Kanefa, noho ny fanandraman-javatra hitanay teo aloha teo amin’ny fiatrehana ny fandrarana ny asanay, dia nanao fanitsiana sy nanohy tamim-pahombiazana izahay. Haingana no nanaovanay izany ary tamim-piafenana.
Nanao ireo fivorianay tao amin’ny tranon’olona manokana izahay ary nampiseho fahamalinana teo amin’ny fanompoana isan-trano. Na dia izany aza, ireo rahalahinay dia nosamborina tsy tapaka, ary nihanitombo isa ireo raharaha ara-pitsarana. Be zavatra natao foana ireo mpisolovavanay mba handaminana ireo fitsarana natao tany amin’ny faritra maro samihafa amin’ilay tany. Na dia teo aza ny fanoherana, ny ankamaroan’ireo Vavolombelona dia nitoetra ho tsy nanapatapaka teo amin’ny asa fitoriany, indrindra tamin’ireo faran’ny herinandro.
Ny asabotsy na ny alahady, rehefa vita ny asa fitorianay tamin’iny andro iny, dia nisy fanamarinana natao mba hahitana hoe iza no tsy tao. Amin’ny ankapobeny, ireo tsy teo dia voatazona tao amin’ny paositry ny polisy akaiky indrindra. Koa nitondra bodofotsy sy sakafo ho azy ireo izahay ary nampahery azy. Afa-tsy izany koa, dia nampahafantarinay izany ireo mpisolovavanay, izay niseho teo anoloan’ny mpiampanga ny alatsinainy mba hiaro an’ireo izay nohazonina. Niatrika an’izany tarehin-javatra izany tamim-pifaliana izahay satria nijaly noho ny fahamarinana!
Nandritra ny fandrarana dia nakatona ny fanaovam-pirintinay tao amin’ny Betela. Koa nanjary toy ny toerana fanontam-pirinty ilay trano nipetrahanay sy i Eleftheria, tany amoron’i Atena. Nanao kopia lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny milina fanoratana navesatra i Eleftheria. Taratasy folo indray niaraka no nataony tao amin’ny milina fanoratana ary tsy maintsy nanindry mafy be izy mba ho tanteraka hatrany amin’ny farany ireo litera. Avy eo aho dia nanangona an’ireo pejy sy nanjaitra azy ireny niaraka. Isan-kariva, dia nitohy hatramin’ny misasak’alina izany. Nipetraka tao ambaninay ny polisy iray, ary mbola manontany tena foana izahay ny antony tsy niahiahiany mihitsy.
Fifaliana noho ny fitarana nitohy
Tafaorina indray teto Gresy tamin’ny 1974 ny demokrasia, ary natao tamin’ny fomba niharihary kokoa indray ny asa fitorianay. Kanefa, nandritra ireo fito taona nisian’ny fameperana teo amin’ny asanay, izahay dia nahazo fitomboana nahatalanjona: Vavolombelona vaovao 6 000 mahery, ka tratra ny tontalin’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 17 000 mahery.
Nanohy indray koa ny asa fanaovam-pirinty tsy tapaka, tao amin’ny tranon’ny sampana, izahay. Ho vokany, tsy ela ny tranon’ny Betela tao amin’ny Lalana Kartali dia nanjary tery loatra. Koa novidina ny tany iray hektara tao Marousi, amoron’i Atena. Naorina ny trano Betela vaovao izay nisy efitra fatoriana 27, orinasa iray, birao, ary trano hafa. Notokanana tamin’ny Oktobra 1979 ireo.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nila toerana bebe kokoa izahay. Koa novidina ny tany 22 hektara, tokony ho 60 kilaometatra any avaratr’i Atena. Tao Eleona no nisy azy io, teo amin’ny ilan-kavoana iray izay ahatazanana tendrombohitra sy lohasaha azon-drano tsara. Teo amin’io toerana io, tamin’ny Aprily 1991, dia nitokana trano lehibe kokoa izay misy trano 22, izahay, ny tsirairay avy aminy dia azon’olona valo ipetrahana.
Rehefa avy nandany 60 taona teo amin’ny fanompoana manontolo andro aho, dia mbola mandray fitahiana amin’ny fananana fahasalamana tsara ihany. Soa ihany fa ‘mbola manorobona ihany aho, na dia efa antitra aza’. (Salamo 92:14). Velom-pisaorana indrindra an’i Jehovah aho satria mbola velona ka mahita maso ny fitomboana lehibe eo amin’ny isan’ireo mpivavaka marina aminy. Nanambara mialoha ny fitomboana toy izany ny mpaminany Isaia hoe: “Hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ny firenena”. — Isaia 60:11
Mahatalanjona toy inona moa ny mahita olona an-tapitrisany maro avy amin’ny firenena rehetra miangona ao amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ampianarina ny fomba hahatafitana velona amin’ny fahoriana lehibe ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra! (2 Petera 3:13). Afaka milaza marimarina aho, fa ny fanompoana manontolo andro dia sarobidy amiko noho ny zavatra hafa rehetra azon’itỳ tontolo itỳ atolotra. Eny, tsy volamena no hitako, fa diamondra ara-panahy izay nahatonga ny fiainako ho ampoky ny soa tsy manam-petra.
[Sary, pejy 23]
I Michalis sy i Eleftheria Kaminaris
(Ankavanana) Ilay fanontam-pirinty tao amin’ny Lalana Lombardou