Rehefa Tsy Hisy Intsony ny Fijaliana
TSY anisan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny fianakavian’olombelona ny fijaliana. Tsy nikasa azy io izy no sady tsy maniry azy io. ‘Raha izany no izy’, hoy ny mety ho fanontanianao, ‘ahoana no nanombohan’izy io, ary nahoana Andriamanitra no namela azy io hitohy hatramin’izao?’ — Ampitahao amin’ny Jakoba 1:13.
Ny valiny dia hita ao amin’ny firaketana an-tsoratra tany am-boalohany indrindra, izay misy ny tantaran’ny olombelona, dia ny Baiboly, ary indrindra fa ny bokin’ny Genesisy. Milaza izy io fa nanara-dia an’i Satana Devoly tamin’ny fikomiany tamin’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia i Adama sy i Eva. Ny zavatra nataon’izy ireo dia nampipoitra raharaha iadian-kevitra fototra izay niantraika tamin’ny fototra iorenan’ny lalàna sy ny filaminana eo amin’izao rehetra izao mihitsy. Rehefa nitaky ny zo hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy izay ratsy izy ireo, dia nihantsy ny fiandrianan’Andriamanitra. Nametraka fisalasalana izy ireo raha ny amin’ny zon’Andriamanitra hanapaka sy ho hany mpitsara hamaritra ny “tsara sy ny ratsy”. — Genesisy 2:15-17; 3:1-5.
Nahoana no tsy tonga dia tanterahiny ny sitrapony?
‘Nahoana àry no tsy tonga dia tanterahin’Andriamanitra ny sitrapony?’, hoy ny mety ho fanontanianao. Ho an’ny maro, dia toa tsotra erỳ ilay raharaha. ‘Nananan’Andriamanitra ny hery. Tokony ho nampiasa azy io izy mba handringanana an’ireo mpikomy ireo’, hoy izy ireo. (Salamo 147:5). Manontania tena anefa ianao hoe: ‘Hihoby tsy amim-pisalasalana an’izay rehetra mampiasa hery ambony mba hanatanterahana ny sitrapony ve ny tenako? Tsy mahatsapa rikoriko ho azy eo ve ny tenako rehefa mampiasa andian’olona voatendry hamongotra ny fahavalony ny mpitondra jadona iray?’ Mitakemotra amin-javatra toy izany ny ankamaroan’ny olona misaina.
‘Eny e’, hoy ianao, ‘saingy raha nampiasa an’io hery io Andriamanitra, dia iza moa no handeha hametraka fisalasalana ny amin’ny zavatra nataony’? Azonao antoka ve? Tsy marina ve fa tena mametraka fisalasalana ny amin’ny fampiasan’Andriamanitra hery ny olona? Iadian’izy ireo hevitra ny hoe nahoana izy no tsy nampiasa azy io indraindray, toy ny tamin’ny nandeferany ny faharatsiana. Ary iadian’izy ireo hevitra ny hoe nahoana izy no nampiasa azy io tamin’ny fotoana hafa. Na dia i Abrahama nahatoky aza dia nanana zava-nanahirana momba ny fampiasan’Andriamanitra hery hanoherana ny fahavalony. Tadidio ny fotoana nanapahan’Andriamanitra hevitra handrava an’i Sodoma. Natahotra ambony ihany i Abrahama sao ho faty miaraka amin’ny olon-dratsy ny olo-marina. Niantsoantso toy izao izy: “Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka”. (Genesisy 18:25). Na dia ny olona mahitsy saina toa an’i Abrahama aza dia mila fanomezan-toky fa tsy hampiasaina amin’ny fomba ratsy ny fananana hery tsy manam-petra.
Mazava ho azy fa azon’Andriamanitra natao ny nandringana teo no ho eo an’i Adama sy i Eva ary i Satana. Eritrereto anefa ny nety ho fiantraikan’izany teo amin’ireo anjely hafa na teo amin’ireo zavatra hoforonina amin’ny hoavy, izay mety hanjary hahalala ny zavatra nataon’Andriamanitra, atỳ aoriana. Tsy nety ho nahatonga azy ireo hanana fanontaniana nanelingelina momba ny maha-ara-drariny ny fanapahan’Andriamanitra ve izany? Tsy ho nahatonga an’Andriamanitra ho azo nampangaina ve izany hoe karazana mpitondra tsy refesi-mandidy izy, raha ny marina, araka ny nilazalazan’i Nietzsche azy, dia Andriamanitra iray izay mamongotra tsy misy antra an’izay rehetra manohitra azy?
Nahoana no tsy terena hanao izay mahitsy ny olona?
‘Tsy azon’Andriamanitra natao fotsiny ve ny nanery ny olona hanao izay mahitsy?’, hoy ny mety ho fanontanian’ny sasany. Diniho koa anefa izao: Nandritra ny tantara manontolo, dia nisy fitondram-panjakana niezaka nanery ny olona hanaraka ny fomba fisainany. Ny fitondram-panjakana na ny mpanapaka sasany dia nanao fanasana atidoha tamin’ny endriny isan-karazany, angamba tamin’ny fampiasana zava-mahadomelina na fandidiana, ka nanaisotra ilay fanomezana mahatalanjona, dia ny safidy malalaka nananan’ireo nampiharana izany. Moa ve tsy ankamamintsika ny maha-olona manana safidy malalaka antsika, na dia mety hampiasaina amin’ny fomba ratsy aza io fanomezana io? Moa ve isika manala tsiny ny fiezahan’izay fitondram-panjakana na mpanapaka rehetra hanaisotra azy io?
Inona àry ny safidy azon’Andriamanitra natao ankoatra ny hoe tonga dia nampiasa hery hampiharana ny lalàna? Nanapa-kevitra i Jehovah Andriamanitra fa ny fomba tsara indrindra handaminana an’io fikomiana io dia ny famelana fotoana mihelina, ka mandritra izany dia tsy hiankina amin’ny fanapahany ireo nanda ny lalàny. Izany dia hamela ny fianakavian’olombelona, taranak’i Adama sy i Eva, hanana fotoana voafetra hitondrana samirery ny tenany, tsy voafehin’ny lalàn’Andriamanitra. Nahoana izy no nanao izany? Satria fantany fa any aoriana dia hisy porofo tsy azo lavina hiavosa, ka hanamarina fa araka ny hitsiny sy ny rariny mandrakariva ny fomba fanapahany, na dia amin’ny fotoana hampiasany ny heriny tsy manam-petra mba hahatanteraka ny sitrapony aza, ary koa fa izay fikomiana rehetra entina hanoherana azy, dia hitera-doza, na ho ela na ho haingana. — Deoteronomia 32:4; Joba 34:10-12; Jeremia 10:23.
Ahoana ny amin’ireo rehetra tsy manan-tsiny niharam-pahavoazana?
‘Etsy an-danin’izany, ahoana ny amin’ireo rehetra tsy manan-tsiny niharam-pahavoazana?’, hoy ny mety ho fanontanianao. ‘Tena mendrika ny fijalian’izy ireo ve ny fanaporofoana ny maha-marim-pototra tsipirian-dalàna?’ Tsy hoe mba hanaporofoana ny maha-marim-pototra tsipirian-dalàna manjavozavo fotsiny akory no namelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy. Mifanohitra amin’izany fa izy io dia natao hampiorenana indray mandeha tsy miverina ilay fahamarinana fototra hoe izy irery ihany no tompom-piandrianana ary tena ilaina ny fankatoavana ny lalàny mba hisian’ny fiadanana sy ny fahasambarana maharitra, ho an’ny zavatra noforonina rehetra.
Ny zavatra iray lehibe tokony hatao an-tsaina dia hoe: Fantatr’Andriamanitra fa afaka mikosoka tanteraka izay fahasimbana rehetra mety hoentin’izany eo amin’ny fianakavian’olombelona ny tenany. Fantany fa rahatrizay dia hahitan-tsoa ilay fotoana nihelina nisian’ny fahoriana sy ny fijaliana. Eritrereto ny amin’ny reny izay mihazona mafy ny zanany manaintaina noho ny tsindrona vaksiny ataon’ny dokotera, mba hiarovana azy io amin’ny aretina izay hahafaty azy raha tsy izany. Tsy misy reny maniry ny hahatsapan’ny zanany fanaintainana. Tsy misy dokotera maniry hampahory ny marariny. Amin’io fotoana io dia tsy takatr’ilay ankizy ny antony hampanaintainana azy, fa any aoriana kosa dia ho azony ny antony namelana ilay izy hitranga.
Tena fanamaivanana ho an’ireo mijaly ve?
Mety hihevitra ny sasany fa ny fahalalana an’izany zavatra izany fotsiny dia mety tsy hitondra fanamaivanana firy ho an’ireo mijaly. Manambara i Hans Küng fa ny fanazavana lojika momba ny antony isian’ny fijaliana dia “azo lazaina ho tsy manampy ny mijaly, toy ny lahateny iray fampianarana ny toetoetra simikan’ny sakafo, atao amin’ny olona maty noana”. Hoy ny fanontaniany: “Moa ve izany fanjohian-kevitra feno fahiratan-tsaina rehetra izany tena mahavelom-bolo ny olona, izay saika tototry ny fijaliana?” Ny “fanjohian-kevitra feno fahiratan-tsaina” rehetra avy amin’olombelona tsy miraharaha ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia tsy nahavelom-bolo an’ireo mijaly. Nanampy trotraka ilay zava-manahirana fotsiny izany fanjohian-kevitr’olombelona izany, amin’ny fanipazana hevitra fa efa fikasan’Andriamanitra ny nijalian’ny olombelona ary natao ho lohasahan-dranomaso na toeram-pisedrana ny tany, ho an’ireo hahazo ny fiainana any an-danitra any aoriana. Blasfemia re izany!
Tena manome fanamaivanana tokoa anefa ny Baiboly. Tsy vitan’ny hoe manome fanazavana tsy miovaova momba ny antony isian’ny fijaliana izy io fa mampitombo koa ny fatokiana an’ilay fampanantenan’Andriamanitra azo antoka hoe hikosoka ny fanimbana rehetra naterak’izao fotoana mihelina amelana ny fijaliana hisy izao Andriamanitra.
Ny “fampodiana ny zavatra rehetra”
Tsy ho ela intsony izao Andriamanitra dia hampody ny zavatra rehetra ho amin’ny fomba nikasany azy talohan’ny nikomian’ny zavaboary olombelona voalohany. Efa ho tapitra ny fotoana voatondrony hananan’ny olombelona fahaleovan-tena hanapaka ny tenany. Isika dia hiaina amin’ny fotoana hanirahany an’i “Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra”. — Asan’ny Apostoly 3:20, 21.
Inona no hataon’i Jesosy Kristy? Hanesotra amin’ny tany ny fahavalon’Andriamanitra rehetra izy. (2 Tesaloniana 1:6-10). Tsy ho famonoana ho faty tsy hisy hataka andro, toy izay ataon’ireo mpitondra jadona, izany. Ny porofo misavovona manamarina fa loza no ateraky ny tsy fahaizan’ny olombelona manapaka ny tenany, dia hampiseho fa manana ny rariny tanteraka Andriamanitra raha tsy ho ela dia hampiasa ny heriny tsy manam-petra mba hanatanterahana ny sitrapony. (Apokalypsy 11:17, 18). Eo am-boalohany, izany dia hidika ho “fahoriana” mbola tsy nisy toa azy hatrizay naha-tany ny tany, mitovy amin’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, saingy mbola lehibe lavitra. (Matio 24:21, 29-31, 36-39). Ireo ho tafita velona amin’io “fahoriana lehibe” io dia handia “andro famelombelomana” rehefa hahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra, nomena ‘tamin’ny alalan’ny mpaminaniny masina’. (Asan’ny Apostoly 3:19; Apokalypsy 7:14-17). Inona no nampanantenain’Andriamanitra?
Ireo mpaminanin’Andriamanitra fahiny dia milaza fa hisy farany ny fijaliana ateraky ny ady sy ny fandatsahan-dra. Milaza amintsika, ohatra, ny Salamo 46:9 hoe: “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy”. Tsy hisy intsony ny tsy manan-tsiny iharam-pahavoazana sy ny mpitsoa-ponenana mampahonena, tsy hisy intsony ireo olona voavetaveta sy kilemaina ary maty amin’ny ady feno habibiana! Hoy i Isaia mpaminany: “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Isaia 2:4.
Manambara mialoha ny amin’ny hifaranan’ny fijaliana ateraky ny heloka bevava sy ny tsy rariny koa ireo mpaminany. Mampanantena ny Ohabolana 2:21, 22 fa “ny olona mahitsy no honina amin’ny tany” ary koa fa “hongotana” ireo mahatonga fahoriana sy fijaliana. ‘Tsy hisy olona hanapaka ny namany intsony, ka hampidi-doza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9). Hesorina tsy hisy mandrakizay ny ratsy fanahy rehetra. (Salamo 37:10, 38). Ho afaka hiaina amim-piadanana sy filaminana ny rehetra, ho afa-pijaliana. — Mika 4:4.
Ankoatr’izany, dia mampanantena koa ireo mpaminany fa hisy farany ny fijaliana ateraky ny aretina ara-batana sy ara-pihetseham-po. (Isaia 33:24). Mampanantena i Isaia fa ho sitrana ny jamba, ny marenina, ny kilemaina, ary ireo rehetra ory noho aretina sy ny tsy fahasalamana. (Isaia 35:5, 6). Hikosoka ny vokatry ny ota mihitsy aza Andriamanitra. Nanambara mialoha i Jesosy fa ‘handre ny feony izay rehetra any amin’ny fasam-pahatsiarovana, dia hivoaka’. (Jaona 5:28, 29, NW ). Tao amin’ny fahitany ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”, dia nilaza ny apostoly Jaona fa ‘Andriamanitra dia hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana’. (Apokalypsy 21:1-4). Alao sary an-tsaina ange e! Tsy hisy fanaintainana, na ranomaso, na fitarainana, na fahafatesana — tsy hisy fijaliana intsony!
Na inona na inona loza mety ho nitranga mandritra izao fotoana mihelina andeferana ny faharatsiana izao dia hofafana avokoa. Na dia ny fahatsiarovana ny fahoriana sy ny fijalian’olombelona — izay tsy nokasain’Andriamanitra mihitsy — aza dia ho voafafa tanteraka. ‘Efa ho hadino ny fahoriana taloha ary tsy ho mby ao an-tsaina akory ny taloha’, hoy ny nambaran’i Isaia ara-paminaniana. (Isaia 65:16, 17). Ho tanteraka amin’ny fomba feno ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, dia ny hiainan’ny fianakavian’olombelona lavorary ao anatin’ny fiadanana sy ny fahasambarana tanteraka, eo amin’ny tany zary paradisa. (Isaia 45:18). Tsy hisy hiadian-kevitra ny fatokiana ny fiandrianany. Tombontsoa toy inona moa ny hiaina amin’ny fotoana hamaranan’Andriamanitra ny fijalian’olombelona, dia fotoana hampisehoany fa tsy karazan’olona “tsy refesi-mandidy sy mpisandoka sy mpanambaka ary mpamono ho faty” akory ny tenany, araka ny fiampangan’i Nietzsche, fa be fitiavana sy hendry ary mahitsy mandrakariva, eo amin’ny fampiasany ny heriny tsy manam-petra!
[Sary, pejy 5]
Nanao fanasana atidoha ny mpanapaka sasany, ka nanaisotra ilay safidy malalaka nananan’ireo nampiharana izanyl
[Sary nahazoan-dalana]
UPI/Bettmann
[Sary, pejy 7]
Rehefa tsy hisy intsony ny fijaliana dia hankafy ny fiainana amin’ny fomba feno ny rehetra