Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Fanafahan-tena Amin’ny Herin’ny Demonia
NANAPAKA ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro hatramin’ny ela ny fanaovana spiritisma. Azo atao anefa ny manafa-tena! Izany no nitranga tamin’ny olona maro tao amin’ny tanànan’i Efesosy fahiny. Araka ny fitantaran’ny Baiboly, dia “maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy (...) Fatratra toy izany no fandroson’ny tenin’Andriamanitra sy ny heriny”. — Asan’ny Apostoly 19:19, 20.
Mahita fandrosoana toy izany koa ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao. Toy ny tany Efesosy, dia misy olona izay nanompo demonia teo aloha, eo anivon’ireo manjary mpino. Manazava izany izao fitantarana manaraka avy any Zimbabwe izao:
Fantatra tsara noho ny heriny nisy spiritisma i Gogo (Nenibe) Mthupha. Tonga avy lavitra, toy ny any Zambia, Botswana, ary Afrika Atsimo, ny olona mba hotsaboiny amin’ny alalan’ny raokandrony. Nampianatra ny hafa mba hahatongavany ho n’anga, na mpimasy, koa i Gogo Mthupha. Ary nanozona ho famosaviana izy indraindray!
Indray alahady maraina, dia notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah nanao fanompoana isan-trano i Gogo Mthupha. Nankafiziny tanteraka ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo momba ny fampanantenan’ny Baiboly tontolo vaovao hisian’ny fahamarinana, tontolo iray ho afaka amin’ny hery ratsy rehetra. Nandray ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany izy, ary nanaiky hianatra Baiboly tao an-tokantranony.a Taorian’ny nianarana intelo monja, dia nanomboka nanatrika fivoriana izy.
Tamin’ny alalan’ny fianarany ny Baiboly dia nianaran’i Gogo Mthupha fa avy tamin’ny zavaboary ara-panahy ratsy, izay nikomy hanohitra ny fiandrianan’i Jehovah, ny hery ambony nananany. (2 Petera 2:4; Joda 6). Nianarany koa fa tapa-kevitra ny hampiodina ny olona rehetra araka izay azony atao, hanohitra an’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana marina, ireo demonia ireo. Koa satria ny fivelomany niankina tamin’ny fiantsoany an’ireo zavaboary ara-panahy ratsy ireo, inona no hataony?
Naneho ny faniriany hanary ireo odiny sy fitaovany rehetra momba ny spiritisma i Gogo Mthupha. Anisan’izany ny saron-dohany manokana sy ny ‘tandrok’ombiny miteny’, izay nampiasainy tamin’ny fanasitranana nataony tamin’ny naha-n’anga azy. Naniry hanary ny zavatra rehetra toy izany i Gogo Mthupha mba hahafahany hanompo an’i Jehovah, hany Andriamanitra marina sy velona.
Nanohitra anefa ny sasany tamin’ireo havany, satria izy no nanohana azy ireo ara-bola. Nitalaho taminy izy ireo mba hamindra ny fitaovana any amin’izy ireo, miaraka amin’ny heriny hafahafa, mba hahafahan’izy ireo hanohy handray soa. Nanda i Gogo Mthupha.
Nahazo ny fanampian’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana izy, ary nahangona fitaovana momba ny spiritisma telo sobika lehibe, sy nandoro azy rehetra. Rehefa nandifotra ny fitaovany momba ny fanompoana demonia ny lelafo, dia nihiaka toy izao i Gogo Mthupha: “Jereo ilay tandroka! Tsy afaka mamonjy tena akory ilay izy.”
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanamarika tamim-pifaliana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano, i Gogo Mthupha. Ahoana no fomba ivelomany izao? Amin’ny fivarotana legioma. Eny, amin’ny alalan’ny herin’ny Tenin’Andriamanitra no ahafahan’ny olona iray manafa-tena amin’ny fanompoana demonia. Hoy i Gogo Mthupha: “Mbola tsy nahatsapa tena ho afaka toy izao mihitsy aho.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.