Niseho Masoandro ny Harena Niafina Iray — Ny Tantaran’ny Baibolin’i Makarios
TAMIN’NY 1993, ny mpikaroka iray dia nahita antontan-gazetiboky Orthodox Review, izay efa tonta sy nihamavo, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Rosiana ao Saint-Pétersbourg. Tao anatin’ny pejin’ireo gazetiboky izay nivoaka teo anelanelan’ny 1860 sy ny 1867, no nisy ny harena iray niafina tamin’ny vahoaka rosiana nandritra ny taonjato iray mahery. Izy io dia fandikana tamin’ny teny rosiana ny Soratra Hebreo manontolo, na “Testamenta Taloha”, ao amin’ny Baiboly!
Ny mpandika teny tamin’ilay Soratra Masina dia i Mikhail Iakovlevich Glukharev, fantatra hoe Archimandrite Makarios, sy i Gerasim Petrovich Pavsky. Samy mpikambana nitana toerana ambony tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Rosiana izy roa lahy ireo, no sady manam-pahaizana manokana momba ny fiteny. Mbola tsy voadika tamin’ny teny rosiana ny Baiboly manontolo fony nanomboka ny asa sorany ireo lehilahy ireo, tany amin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-19.
Marina aloha fa efa nisy tamin’ny fiteny slavônika, izay mpialoha lalana ny teny rosiana amin’izao andro maoderina izao, ny Baiboly. Kanefa, teo antenatenan’ny taonjato faha-19, dia efa ela ny teny slavônika no tsy fampiasa afa-tsy tamin’ny fotoam-pivavahana, izay nampiasan’ny klerjy azy io. Nisy tarehin-javatra nitovy tamin’izany tany Andrefana, dia ny niezahan’ny Eglizy Katolika Romana nihazona ny Baiboly tsy hisy afa-tsy tamin’ny teny latina, na dia efa ela aza ny teny latina no nanjary fiteny tsy fampiasa andavanandro.
Niezaka nanao izay hahatonga ny Baiboly ho azon’ny sarambabem-bahoaka ampiasaina i Makarios sy i Pavsky. Hita ilay asa soratr’izy ireo efa hadino hatry ny ela, ka azo natao, noho izany, ny namerina tamin’ny laoniny ny ampahany lehibe tamin’ilay lovan’i Rosia eo amin’ny sahan’ny haisoratra sy ny fivavahana.
Kanefa, iza marina moa i Makarios sy i Pavsky? Ary nahoana no tojo fanoherana mafy ny ezaka nataon’izy ireo mba hahatonga ny Baiboly ho amin’ny fiteny mahazatra ny olona? Sady mahavariana an’ireo rehetra tia ny Baiboly ny tantaran’izy ireo no manatanjaka ny finoany.
Ny ilana Baiboly amin’ny teny rosiana
Tsy i Makarios sy i Pavsky akory no voalohany nahita fa ilaina ny Baiboly amin’ny fiteny mahazatra ny olona. Zato taona talohan’izy ireo, dia efa nahatsapa ny ilana izany zavatra izany koa i Pierre I, na Pierre le Grand, tsar rosiana. Zava-dehibe ny hoe nihevitra ny Soratra Masina tamim-panajana izy ary voalaza ho niteny hoe: “Ny Baiboly dia boky iray sangany amin’ny hafa rehetra, ary mirakitra ny zavatra rehetra momba ny adidin’ny olombelona amin’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy.”
Araka izany, tamin’ny 1716, dia nandidy ny tao an-dapany i Pierre mba hampanao Baiboly izay hatonta any Amsterdam, ka izy no hiantoka ny lany. Ny pejy tsirairay dia hisy tsanganana iray hasiana ny soratra rosiana sy tsanganana iray hasiana ny soratra holandey. Herintaona monja taorian’izay, tamin’ny 1717, dia efa vonona ny Soratra Grika Kristiana, na ny “Testamenta Vaovao”.
Ny Soratra Hebreo dia nanaovana dikan-teny tao anatina fitambaram-boky efatra, ka vita pirinty tamin’ny 1721 ilay ilany tamin’ny fiteny holandey tamin’izy io. Navela tsy nisy na inona na inona ny tsanganana iray, izay natao hofenoina ny soratra rosiana, any aoriana. I Pierre dia nanankina ireo Baiboly ireo tamin’ny “Synoda Masina” ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Rosiana — ny fahefana ara-pivavahana fara tampony tao amin’ny eglizy — mba handavorarian’izy io ny fanaovam-pirinty sy hikarakarany ny fampielezana, azy io. Tsy nanatanteraka izany anefa ilay synoda.
Tsy ampy efa-taona taorian’izay, dia maty i Pierre. Nanao ahoana ireo Baiboliny? Tsy nampiasaina mihitsy ilay tsanganana tsy nisy na inona na inona izay natao hasiana ny soratra rosiana. Nasavovona be tao amin’ny lakaly iray ireo Baiboly, ka simba — tsy nahitana kopia iray tsy simba tao, tatỳ aoriana! Nanapa-kevitra ny synoda fa “hivarotra izay rehetra tavela, tamin’ireo mpivarotra”.
Nanomboka ireo ezaka ho fandikan-teny
Tamin’ny 1812, dia tonga tany Rosia i John Paterson, mpikambana tao amin’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Britanika sy Vahiny. Nanaitra ny fahalianan’ireo avara-pianarana tao Saint-Pétersbourg ho amin’ny fanorenana fikambanana mpampiely Baiboly, i Paterson. Tamin’ny 6 Desambra 1812 — tamin’ilay taona naharesy tosika ny miaramilan’i Napoléon I mpanani-bohitra, teo anoloan’ny tafika rosiana — dia nankatò ny dinan’ny fikambanana mpampiely Baiboly rosiana ny Tsar Alexandre I. Tamin’ny 1815, ilay tsar dia nandidy ny mpitari-draharahan’ilay fikambanana, ny Andriana Aleksandr Golitsyn, mba hanolo-kevitra tamin’ny synoda mpitantan-draharaha, ny amin’ny “tokony hananan’ny Rosiana fahafahana hamaky koa ny Tenin’Andriamanitra amin’ny teny rosiana, tenin-drazany”.
Mendri-piderana fa nekena ny handikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny rosiana, ka hatao mivantana avy amin’ny teny hebreo tany am-boalohany izany. Ny Septante grika tranainy no natao fototr’ireo fandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny slavônika. Nilazana ireo izay handika ny Baiboly ho amin’ny teny rosiana fa ny fitsipika fototra itondrana ny fandikan-teny dia ny tokony hanaovana azy io ho marina sy mazava ary madio. Nanao ahoana ireny ezaka tany am-boalohany ireny, izay natao mba hisian’ny Baiboly tamin’ny teny rosiana?
Kapoka nahafaty ny fandikana ny Baiboly ve?
Tsy ela ireo tsy tia fanovana teo anivon’ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana dia nanjary maodimaody tamin’ny fitaomana nampiharin’ny vahiny teo amin’ny sehatry ny fivavahana sy ny politika. Nilaza koa ny mpitarika fiangonana sasany fa ny slavônika — ny teny fampiasa amin’ny litorjia — no nilaza tsara kokoa ny hafatry ny Baiboly raha oharina tamin’ny rosiana.
Nofoanana, noho izany, ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Rosiana, tamin’ny 1826. Nodorana ny kopia an’arivony maro tamin’ireo fandikan-teny novokarin’ilay fikambanana mpampiely Baiboly. Ho vokany, dia nampandeferina teo anoloan’ny fombafomba sy ny lovantsofina ny Baiboly. Nanaraka ny ohatra navelan’ny Eglizy Katolika Romana ny synoda, ka namoaka didy toy izao tamin’ny 1836: “Mahazo mihaino ny Soratra Masina ny lahika tia fivavahana rehetra, kanefa tsy misy olona mahazo mamaky ampahany sasany amin’ny Soratra Masina, indrindra fa ny Testamenta Taloha, raha tsy mahazo tari-dalana.” Toa azon’ny kapoka nahafaty ny fandikana ny Baiboly.
Ny asa soratr’i Pavsky
Nandritra izany fotoana izany, i Gerasim Pavsky, profesora momba ny teny hebreo, dia nanomboka ny asa fandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny rosiana. Tamin’ny 1821, dia nahavita ny fandikana ny Salamo izy. Neken’ny tsar haingana izy io, ary tamin’ny Janoary 1822, dia navoaka ho an’ny besinimaro ny bokin’ny Salamo. Tonga dia neken’ny olona izy io ka voatery natonta in-12 — niisa 100 000 tamin’ny fitambarany!
Ireo ezaka feno hakingan-tsaina nataon’i Pavsky dia nahatonga azy hahazo ny fanajan’ny manam-pahaizana maro momba ny fiteny sy ny teôlôjiana. Lazalazaina ho lehilahy nahitsy sy nanao ny marina izy, tsy azon’ireo teti-dratsy nanodidina azy. Na dia teo aza ny fanoheran’ny eglizy ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Rosiana, sy ny fiheveran’ny sasany azy io ho mpitady tombontsoa ho an’ny vahiny, ny Profesora Pavsky dia nanohy nandika andinin-tenin’ny Baiboly ho amin’ny teny rosiana tamin’ireo lahateny nataony. Nanao kopia sora-tanana ny dikan-teny nataony ireo mpianany niaiky volana, ary tatỳ aoriana, izy ireo dia afaka nanambatra ny asan’i Pavsky. Tamin’ny 1839, dia nisikina fahasahiana izy ireo ka nanonta kopia 150 tao amin’ny fanontam-pirintin’ilay sekoly ambony — tsy nisy fahazoan-dalana avy tamin’ireo mpanao sivana.
Nanaitra mafy ny sain’ny mpamaky ny fandikan-tenin’i Pavsky, ary tsy nitsaha-nitombo ny fanafarana azy io. Tamin’ny 1841 anefa, dia nisy olona tsy nitonona anarana nanao fitarainana tany amin’ny synoda, momba ny “loza” aterak’io fandikan-teny io, ka nilaza fa nivaona tamin’ny foto-pinoana ortodoksa izy io. Roa taona taorian’izay, dia namoaka didy toy izao ny synoda: “Raofy avokoa izay kopia rehetra misy amin’ny fandikan-tenin’ny Testamenta Taloha nataon’i G. Pavsky, na sora-tanana izany na natao pirinty, ka poteho.”
Fanomezam-boninahitra ny anaran’Andriamanitra
Na dia izany aza, dia namelona indray ny fahalianana tamin’ny fandikana ny Baiboly i Pavsky. Namela ohatra tena lehibe ho an’ireo handika ny Baiboly amin’ny hoavy izy, raha ny amin’ny raharaha lehibe hafa iray — ny anaran’Andriamanitra.
Nanazava toy izao ilay mpikaroka rosiana atao hoe Korsunsky: ‘Ny tena anaran’Andriamanitra, ny masina indrindra amin’ireo anarany, dia fitambaran’ny litera hebreo efatra יהוה izay tononina hoe Jehovah, ankehitriny.’ Ao amin’ny Soratra Hebreo fotsiny dia efa miseho an’arivony maromaro io anarana mampiavaka an’Andriamanitra io, ao amin’ireo kopia tranainy amin’ny Baiboly. Nanjary nino tamin’ny fomba diso anefa ny Jiosy fa masina loatra ny anaran’Andriamanitra ka tsy tokony hosoratana na hotononina. Momba izany, dia izao no fanamarihan’i Korsunsky: ‘Na tamin’ny teny na tamin’ny soratra, dia mazàna izy io no nosoloana hoe Adonai, teny izay adika hoe “Tompo”, mazàna.’
Mazava fa ny tsy nampiasana intsony ny anaran’Andriamanitra dia avy tamin’ny tahotra niharo finoanoam-poana — fa tsy avy tamin’ny tahotra araka an’Andriamanitra. Tsy misy mihitsy ao amin’ny Baiboly, fampirisihana ny tsy hampiasana ny anaran’Andriamanitra. Andriamanitra mihitsy no nilaza tamin’i Mosesy hoe: “Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, (...) no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Eksodosy 3:15). Imbetsaka ny Soratra Masina no mampirisika mafy ny mpivavaka toy izao: “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany”. (Isaia 12:4). Na dia izany aza, ny ankamaroan’ireo mpandika tenin’ny Baiboly dia nifidy ny hanaraka ny lovantsofina jiosy ka nanalavitra ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra.
Tsy nanaraka an’ireny lovantsofina ireny anefa i Pavsky. Tao amin’ilay fandikan-tenin’ny Salamo nataony fotsiny aza dia efa miseho maherin’ny in-35 ny anarana hoe Jehovah. Hanan-kery lehibe teo amin’ny iray tamin’ireo niara-belona taminy ny fahasahiany.
Ny Archimandrite Makarios
Io niara-belona tamin’i Pavsky io dia ny archimandrite Makarios, misionera ortodoksa rosiana izay nanana fahaizana nikoizana momba ny fiteny. Vao fito taona monja izy, dia efa afaka nandika lahatsoratra rosiana fohy ho amin’ny teny latina. Teo amin’ny faha-20 taonany, dia efa nahay ny teny hebreo sy alemà ary frantsay, izy. Nanampy azy hanalavitra ny fandrika hatoky tena tafahoatra anefa ny fihetsika feno fanetren-tena sy ny tena fahatsapany ny andraikiny teo anatrehan’Andriamanitra. Imbetsaka izy no nitady torohevitra tamin’ireo manam-pahaizana momba ny fiteny sy manam-pahaizana hafa.
Naniry hitondra fanavaozana teo amin’ny asa misionera tany Rosia i Makarios. Nihevitra izy fa alohan’ny hahafahana hitondra ny Kristianisma any amin’ny Silamo sy ny Jiosy tany Rosia, ny eglizy dia tsy maintsy “manome fahatakaran-javatra ara-panahy ho an’ny sarambabem-bahoaka, amin’ny fanorenana sekoly sy fampielezana Baiboly amin’ny teny rosiana”. Tamin’ny Martsa 1839, dia tonga tao Saint-Pétersbourg i Makarios, nanantena fa homen-dalana handika ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny rosiana.
Efa nandika ny Isaia sy ny Joba, boky ao amin’ny Baiboly, i Makarios. Tsy nanome lalana azy handika ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny rosiana anefa ny synoda. Raha ny marina, dia nilazana i Makarios mba hanaisotra ao an-tsaina ny fandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny teny rosiana. Namoaka didy ny synoda, tamin’ny 11 Aprily 1841, ka nandidy an’i Makarios mba “hamita sazy telo ka hatramin’ny enina herinandro tao an-tranon’ny eveka iray tao Tomsk, mba hanadiovana ny feon’ny fieritreretany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandohalehana”.
Ny fihetsika feno fahasahiana nasehon’i Makarios
Nanomboka tamin’ny Desambra 1841 ka hatramin’ny Janoary 1842, dia nanefa ny saziny i Makarios. Raha vantany vao vita anefa izany, dia nanomboka avy hatrany ny fandikana ny sisa tamin’ny Soratra Hebreo izy. Nahazo kopia iray tamin’ny fandikan-tenin’ny Soratra Hebreo nataon’i Pavsky izy ary nampiasa azy io mba hanamarinana ny dika teniny. Toa an’i Pavsky, dia nanda tsy hanamaizina ny anaran’Andriamanitra izy. Raha ny marina, dia miseho maherin’ny in-3500 ny anarana hoe Jehovah, ao amin’ny fandikan-tenin’i Makarios!
Nandefa kopian’ny asa sorany tany amin’ireo namana niandany taminy i Makarios. Na dia efa nisy kopia sasantsasany natao tanana aza naely, ny eglizy dia nanohy nanakana ny famoahana ny asa sorany. Nanao fandaharana mialoha i Makarios mba hampahafantarana ny Baiboliny tany ivelany. Tamin’ilay andro talohan’ny hiaingany, dia narary izy ary avy eo dia maty, fotoana fohy taorian’izay, tamin’ny taona 1847. Tsy navoaka mihitsy ny fandikan-tenin’ny Baiboly nataony, fony fahavelony.
Navoaka ihany tamin’ny farany!
Tatỳ aoriana, dia niova ny rivotra politika sy ara-pivavahana. Nisy fahalalahana vaovao nitsoka nanerana ilay tany, ary tamin’ny 1856, dia neken’ny synoda indray ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny teny rosiana. Tao anatin’izany rivo-piainana nihatsara izany, ny Baibolin’i Makarios dia navoaka tsikelikely tao amin’ny Orthodox Review, teo anelanelan’ny 1860 sy ny 1867, teo ambanin’ny lohateny hoe Fanandramana Fandikan-teny ho Amin’ny Teny Rosiana.
Ny Arseveka Filaret avy any Chernigov, manam-pahaizana momba haisoratra ara-pivavahana rosiana, dia nanao izao teny fiderana izao momba ny Baibolin’i Makarios: “Mifikitra amin’ny soratra hebreo ny dikan-teniny, ary madio sy mifanentana amin’ilay foto-kevitra ny teny ampiasain’ilay fandikan-teny.”
Na dia izany aza anefa, dia tsy navoaka ho an’ny sarambabem-bahoaka mihitsy ny Baibolin’i Makarios. Raha ny marina, dia efa saika hadino tanteraka ilay izy. Tamin’ny 1876, ny Baiboly manontolo, izay nisy ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika, dia voadika tamin’ny teny rosiana tamin’ny farany, nomban’ny fankatoavan’ny synoda. Antsoina hoe fandikan-tenin’ny synoda io Baiboly feno io, mazàna. Ny mahatsikaiky dia ny fandikan-tenin’i Makarios, sy ny an’i Pavsky, no natao fototra niaingana tamin’io fandikan-teny “ofisialy” nataon’ny Eglizy Ortodoksa Rosiana io. Ny anaran’Andriamanitra anefa dia tsy nampiasaina afa-tsy tamin’ny sasantsasany ihany amin’ireo toerana nisehoany tao amin’ny teny hebreo.
Ny Baibolin’i Makarios amin’izao andro izao
Nitoetra ho tsy be mpahalala ny Baibolin’i Makarios, mandra-pahatongan’ny taona 1993. Araka ny nomarihina teo amin’ny teny fampidirana, tamin’io fotoana io dia nisy kopia iray taminy hita tao amin’ireo gazetiboky Orthodox Review tranainy, tao amin’ny faritra misy ireo boky tsy fahita firy, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Rosiana. Nanaiky ny maha-sarobidy ny hananan’ny olona an’io Baiboly io ny Vavolombelon’i Jehovah. Ilay tranomboky dia nanome lalana ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, hampanao kopia iray amin’ny Baibolin’i Makarios mba hahafahana hanomana ny fanontana azy io.
Avy eo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandamina ny hanontana efa ho 300 000 tamin’io Baiboly io, tany Italia, mba haely manerana an’i Rosia sy ny tany maro hafa miteny rosiana. Ho fanampin’ny ankamaroan’ny Soratra Hebreo nadikan’i Makarios, io Baiboly natonta io dia mirakitra ny Salamo nadikan’i Pavsky ary koa ny Soratra Grika, fandikan-tenin’ny synoda nahazoan-dalana tamin’ny Eglizy Ortodoksa.
Tamin’ny Janoary tamin’itỳ taona itỳ, dia navoaka izy io, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Saint-Pétersbourg, any Rosia. (Jereo ny pejy faha-26.) Azo antoka fa hahazo fahatakaran-javatra ara-panahy sy fahalalana mampiorina ireo mpamaky rosiana, noho io Baiboly vaovao io.
Ny famoahana an’io Baiboly io, araka izany, dia fandresena teo amin’ny lafiny ara-pivavahana sy haisoratra! Izy io koa dia fampahatsiahivana manatanjaka ny finoana, ny amin’ny fahamarinan’ireto teny voalazan’ny Isaia 40:8 ireto: “Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.”
[Efajoro, pejy 26]
Baiboly Noderain’ireo Mpanao Tsikera
“SANGAN’ASA hafa koa teo amin’ny sehatry ny haisoratra no navoaka: ny Baibolin’i Makarios.” Io teny fampidirana io no nanambaran’ny gazety Komsomolskaya Pravda ny fivoahan’ny Baibolin’i Makarios.
Naneho ny alahelony toy izao io gazety io rehefa avy nanamarika fa “120 taona lasa” teo ho eo izay vao niseho voalohany tamin’ny teny rosiana ny Baiboly: “Tao anatin’ny taona maro, ny eglizy dia nanohitra ny fandikana ireo boky masina ho amin’ny fiteny mora vakina. Efa nitsipaka fandikan-teny maromaro ny eglizy vao nanaiky ny iray tamin’izy ireo tamin’ny farany, tamin’ny 1876, ary nanjary fantatra ho ny fandikan-tenin’ny synoda izy io. Tsy navela hampidirina tao amin’ireo eglizy anefa izy io. Ny hany Baiboly ekena ao mantsy hatramin’izao andro izao, dia ilay amin’ny teny slavônika.”
Nanazava koa ny maha-sarobidy ny famoahana ny Baibolin’i Makarios ny gazety St. Petersburg Echo, ka nanamarika toy izao: “Midera fatratra an’io fanontana vaovaon’ny Baiboly io ireo manam-pahaizana inoan-teny avy ao amin’ny Oniversitem-pirenen’i Saint-Pétersbourg sy ny Oniversite Pedagôjikan’i Herzen ary ny Tranombako-pirenena Momba ny Tantara Ara-pivavahana.” Nohazavain’ilay gazety ny amin’ny nandikan’i Makarios sy i Pavsky ny Baiboly ho amin’ny teny rosiana, tamin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato faha-19, ka hoy ny fanamarihany: “Mandra-pahatongan’io fotoana io, teto Rosia, ny Baiboly dia tsy azo novakina afa-tsy tamin’ny teny slavônika, izay tsy nisy nahazo ny heviny afa-tsy ireo anisan’ny klerjy.”
Ny famoahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baibolin’i Makarios dia nanaovana tatitra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Saint-Pétersbourg, taloha kokoa tamin’itỳ taona itỳ. Hoy ny fanamarihan’ny Nevskoye Vremya, gazety eo an-toerana mpiseho isan’andro: “Ireo manam-pahaizana inoan-teny (...) dia nanantitrantitra fa tokony hoheverina ho zava-bita misy heviny lehibe dia lehibe eo amin’ny fiainana ara-kolontsain’i Rosia sy i Saint-Pétersbourg, iny fanontana iny. Na ahoana na ahoana iheverantsika ny asan’io fikambanana ara-pivavahana io, dia tsy isalasalana fa mitondra soa lehibe ny famoahana an’io fandikan-tenin’ny Baiboly io, izay tsy nisy nahalala raha tsy izao.”
Azo antoka fa ravoravo ireo rehetra tia an’Andriamanitra noho ny fanaovana izay hisian’ny Teniny an-tsoratra amin’ny fiteny iray izay sady azon’ny sarambabem-bahoaka vakina no takany ny heviny. Hatraiza hatraiza, dia ravoravo ireo tia ny Baiboly fa natao izay hisian’ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa iray, ho an’ireo olona an-tapitrisany maro miteny rosiana, manerana ny tany.
[Sary, pejy 23]
Ny Tranombokim-pirenena Rosiana, izay nahitana ilay harena niafina
Niezaka ny hampanonta ny Baiboly tamin’ny teny rosiana i Pierre le Grand
[Sary nahazoan-dalana]
Corbis-Bettmann
[Sary, pejy 24]
I Gerasim Pavsky, izay nandray anjara tamin’ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny teny rosiana
[Sary, pejy 25]
Ny archimandrite Makarios; nampitondraina ny anarany ilay Baiboly rosiana vaovao
[Sary, pejy 26]
Nampandrenesina tamin’itỳ valandresaka ho an’ny mpanao gazety itỳ ny fivoahan’ny Baibolin’i Makarios