FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/3 p. 3-4
  • Miaiky Heloka Ireo Fiangonana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaiky Heloka Ireo Fiangonana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa mangataka famelan-keloka ny papa
  • Nahoana?
  • Nahoana Izy Ireo no Mangataka Famelan-keloka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ny Eglizy Katolika sy ny Fandripahana Tambabe
    Mifohaza!—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/3 p. 3-4

Miaiky Heloka Ireo Fiangonana

“Mitsara ny Fiangonana ny Papa”. “Ny Inquisition sy ny Fankahalana ny Jiosy — Manomana ny Fiampangan-tenany ny Fiangonana”.a “Fiampangan-tena Noho Ilay Fandripahana Tambabe”. “Miala Tsiny Amin’ny Indiana any Amerika any Andrefana ny Metodista”.

EFA namaky lohateny toy ireo ve ianao? Toa mihamatetika ny fahitana fiangonana manaiky ho diso sy miala tsiny noho izay nataony nandritra ireo taonjato lasa. Ny fampitam-baovao dia tsy mitsahatra manasongadina fiampangan-tena vaovao nataon’ny papa.

Rehefa mangataka famelan-keloka ny papa

Teo anelanelan’ny 1980 sy ny 1996, i Jean-Paul II dia ‘nanaiky ireo fahadisoan’ny Eglizy teo amin’ny tantara na nangataka famelan-keloka’ in-94 fara fahakeliny, hoy ny mpivaofy tenin’ny Vatikana atao hoe Luigi Accattoli, tao amin’ny bokiny hoe Quando il papa chiede perdono (Rehefa Mangataka Famelan-keloka ny Papa). Araka an’i Accattoli, “ao amin’ny Eglizy Katolika, dia ny papa ihany no afaka manao ara-drariny ny fiampangan-tena”. Ary nanao izany izy, momba ireo pejy niadian-kevitra indrindra teo amin’ny tantaran’ny Katolika — ny Kroazada, ny ady, ny fanohanana fanapahana tsy refesi-mandidy, ny fizarazarana ao amin’ny fiangonana, ny fankahalana ny Jiosy, ny Inquisition, ny Mafia, ary ny fanavakavaham-pirazanana. Tao amin’ny taratasy iray nalefa ho an’ireo kardinaly tamin’ny 1994 (izay heverin’ny sasany ho ny taratasy lehibe indrindra avy amin’ny papa), i Jean-Paul II dia nanolo-kevitra “ny amin’ny fieken-keloka faobe noho ireo fahotana natao nandritra izao arivo taona faharoa izao”.

Eveka maro no nanaraka ny ohatra navelan’ny papa. Tamin’ny Desambra 1994, dia nanao tatitra toy izao ny gazety italiana Il Giornale: “Maro tamin’ireo eveka amerikana no niseho tao amin’ny televiziona ary nangataka famelan-keloka ampahibemaso.” Noho ny inona? Noho ny fandraisana ho zava-dehibe ny amin’ireo pretra mpanao firaisana amin’ankizy, ho fahavoazan’ny tanora maro izay niharan’izany. Tamin’ny Janoary 1995, ny gazety La Repubblica dia nanao tatitra ny amin’ny “fihetsika mbola tsy nisy toy izany teo amin’ny tantaran’ny Fivavahana Katolika ankehitriny” — noresahina ny fanginan’ny Papa Pio XII teo anoloan’ilay Fandripahana Tambabe. Tamin’ny Janoary 1995, io gazety io ihany dia nanao tatitra fa ireo eveka alemà dia nangataka famelan-keloka noho ireo “fahadisoana maro” nataon’ny Katolika izay nanohana ireo heloka bevava nataon’ny Nazia. Fiangonana protestanta maro samihafa koa no nanaiky ny fanakianan-tena.

Nahoana?

Ny Baiboly dia mampirisika antsika mba hangataka famelan-keloka rehefa manao fahadisoana isika, ary maro no midera ireo fiangonana manaiky fanakianan-tena. (Jakoba 5:16). Nahoana anefa ireo fiangonana no manao izany? Tokony hanao ahoana ny fomba fijerintsika azy ireo, ho vokatr’izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Teny latina nandikana ny hoe: “ny fahotako”, tapany amin’ny vavaka katolika iray (ny confiteor, na hoe “Izaho miaiky”), izay amerenan’ny mpiangona io fitenenana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara