FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/11 p. 26-27
  • Ny Eglizy Katolika sy ny Fandripahana Tambabe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Eglizy Katolika sy ny Fandripahana Tambabe
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fankahalana ny Jodaisma sy fankahalana ny Jiosy
  • Ny fanginan’i Pio XII
  • Fanilihana ny tsiny
  • Miaiky Heloka Ireo Fiangonana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Ny Vatikana Faharoa — Fitahiana sa Ozona?
    Mifohaza!—1994
  • Nahoana Izy Ireo no Mangataka Famelan-keloka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/11 p. 26-27

Ny Eglizy Katolika sy ny Fandripahana Tambabe

Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Italia

TANY amin’ny taona 1987, dia efa nisy resa-be momba ny fikasan’ny Eglizy Katolika hamoaka tahirin-kevitra manaiky ny nahatompon’andraikitra azy tamin’ny Fandripahana Tambabe. Nanantena zavatra àry ny olona, tamin’ny Martsa 1998, rehefa namoaka ilay tahirin-kevitra mitondra ny lohateny hoe We Remember: A Reflection on the Shoah (Tadidinay: Fandinihana ny Shoah) ny Vaomieran’ny Vatikana Momba ny Fifandraisana Ara-pivavahana Amin’ireo Jiosy.a

Nankasitrahan’ny olona sasany ilay izy, fa ny maro kosa tsy afa-po tamin’izay noraketiny. Nahoana? Inona no nahasosotra azy ireo tao anatiny?

Fankahalana ny Jodaisma sy fankahalana ny Jiosy

Ao amin’ilay tahirin-kevitra navoakan’ny Vatikana, dia misy fanavahana ny fankahalana ny Jodaisma, izay aneken’ny eglizy ny mahameloka azy, sy ny fankahalana ny Jiosy, izay tsipahiny. Tsy nahafa-po ny maro ilay fanavahana sy ny fanatsoahan-kevitra avy aminy. Hoy ilay raby alemà atao hoe Ignatz Bubis: “Amiko, izany dia toy ny milaza hoe tsy anay ny fahadisoana, fa an’ny hafa.”

Nanaiky ilay Italianina katolika mpahay tantara, antsoina hoe Giorgio Vecchio, fa samy hafa tokoa ny fankahalana ny Jodaisma sy ny fankahalana ny Jiosy. Nanazava anefa izy fa “ny olana koa dia ny fahatakarana ny fomba nety ho nahatonga ny fankahalan’ny Katolika ny Jodaisma hiteraka ny fankahalana ny Jiosy”. Mahaliana ny manamarika izay voalaza tao amin’ny taratasy iray navoakan’ny L’Osservatore Romano, gazetin’ny Vatikana, tamin’ny 22-23 Novambra 1895. Izao izany: “Saika mankahala Jiosy foana rehefa mety ho mpino katolika: toy izany koa ny pretra rehetra, satria teren’ny foto-pinoana sy ny fitondrana fiangonana izy ireo.”

Ny tapany nitera-panakianana indrindra tao amin’ilay tahirin-kevitra navoakan’ny Vatikana anefa dia ny fiarovana ny nataon’i Pio XII, izay voatendry ho papa, taloha kelin’ny Ady Lehibe Faharoa. Nonce (solontenan’ny papa) tany Alemaina izy, nanomboka tamin’ny 1917 ka hatramin’ny 1929.

Ny fanginan’i Pio XII

Nihevitra ilay mpahay lalàna italianina atao hoe Francesco Margiotta Broglio fa ilay tahirin-kevitra navoakan’ny Vatikana dia tsy “manolotra hevitra vaovao, na fanazavana, momba ilay antsoina hoe ‘fanginan’ny’ Papa Pio XII, izay niadian-kevitra be, sy momba ilay lazaina fa fombany ny Alemà, ary momba ilay fifandraisana diplaomatika nananany tamin’ny fitondrana nazia, taloha sy nandritra ny fotoana nahapapa azy”.

Eken’ny ankamaroan’ireo mpilaza vaovao fa na ahoana na ahoana fomba fijerin’ny olona ny hevitra raketin’ilay tahirin-kevitra hoe We Remember, dia “mbola tsy voavaly” ilay fanontaniana hoe: nahoana ireo mpitondra ao amin’ny Eglizy Katolika no tsy nanisy firesahana momba ny fandripahana foko tany amin’ny toby fitanana nazia. Araka ny voalazan’ilay mpahay tantara amerikanina atao hoe George Mosse, rehefa nifidy ny hangina i Pio XII, dia “nitsimbina ny eglizy izy, fa nanao sorona ny hafatra nampitain’ny eglizy momba ny fari-pitondran-tena kosa. Nitondra tena toy ny mpitondra Fanjakana izy, fa tsy toy ny papa”. Mihevitra ireo mahara-baovao izay nandinika ny Vatikana fa ny fahasahiranana teo amin’ny fomba hilazana ny anjara asan’i Pio XII nandritra ny Fandripahana Tambabe no nanemotra ny fivoahan’ilay tahirin-kevitra.

Nanorisory ny maro ny fiarovan’ilay tahirin-kevitra ny Papa Pio XII. “Ny tsy fanisiana firesahana momba ny ‘fanginan’ny papa’ no mandiso fanantenana amin’io tahirin-kevitra io”, hoy ny nosoratan’i Arrigo Levi. Hoy i Elie Wiesel, izay nahazo ny Loka Nobel Momba ny Fandriampahalemana tamin’ny 1986: “Amiko, ny fanizingizinana fa tokony ho velom-pankasitrahana an’i Pio XII izahay Jiosy, dia toa herezia, mba tsy hilazana teny henjana kokoa noho io.”

Fanilihana ny tsiny

Fomba nentim-paharazana teo amin’ireo teôlôjianina katolika ilay fanavahana hoe ny eglizy, amin’ny mahafikambanana azy, dia masina ary tsimbinin’Andriamanitra mba tsy hanao fahadisoana, fa ny mpikambana ao aminy kosa, izay mpanota, no meloka raha misy fanaovan-dratsy. Izay fanavahana izay no noraisin’ilay tahirin-kevitra. Izao no nosoratan’ilay vaomieran’ny Vatikana: “Nantenaina ny hanoheran’ny mpanara-dia an’i Kristy [ny fanenjehana ny Jiosy] sy ny hanaovany asa azo tsapain-tanana [ho fiarovana ny Jiosy]. (...) Koa satria kanosa [ireo izay tsy nanohitra na niaro], dia tsy mba nanandra-peo ho fanoherana izany. (...) Malahelo mafy izahay noho ny fahadisoana sy tsy fahombiazan’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ny Eglizy ireo.”

Ny fanilihana ny tsiny tany amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny eglizy, fa tsy fanekena ny mahameloka ny eglizy, amin’ny mahafikambanana azy anefa, dia toa dingana lehibe mihemotra, araka ny fiheveran’ny maro, raha oharina amin’ny fangataham-pamelan-keloka mazava natao vao haingana. Ohatra, nanao “Fanambarana Fibebahana” ofisialy ny Eglizy Katolika atsy Frantsa, ka nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra sy tamin’ny Jiosy, noho ny “tsy firaikana” nasehon’ny Eglizy Katolika teo anoloan’ny fanenjehana ny Jiosy teo ambany fitondram-panjakana Vichy, nandritra ny fotoan’ny ady. Tao amin’ny fanambarana iray novakin’ny Arseveka Olivier de Berranger, dia niaiky ny eglizy fa namela ny tombontsoany manokana “hanakona ny zavatra takin’ny Baiboly mba hanaja ny olombelona rehetra izay natao nitovy endrika tamin’Andriamanitra”.

Izao no voalazan’ilay fanambarana amin’ny teny frantsay, amin’ny ampahany: “Tsy maintsy manaiky ny eglizy fa, raha ny amin’ny fanenjehana ny Jiosy, ary indrindra indrindra ny amin’ireo fepetra maro samihafa navoakan’ny manam-pahefana tao Vichy ho fankahalana ny Jiosy, dia ny tsy firaikana no betsaka fa tsy ny fahasosorana. Nangina hatrany ny eglizy, fa nahalana vao sahy niteny ho fiarovana an’ireo niharam-panenjehana. (...) Miaiky izahay ankehitriny fa diso satria nangina. Manaiky koa izahay fa tsy nahatanteraka ny asa nampiandraiketina azy, dia ny ho mpitaiza ny feon’ny fieritreretan’ny olona, ny eglizy eto Frantsa.”

Dimampolo taona mahery atỳ aorian’ilay loza nahatsiravina, izany hoe ilay Shoah, na Fandripahana Tambabe, dia mbola tsy nahavita nanaiky ny zava-misy momba ny tantarany foana ny Eglizy Katolika, dia tantara feno filazana mampisalasala sy feno fanginana, raha izay fotsiny aza no holazaina. Misy anefa olona tsy nila ny nanao toy izany mihitsy. Ny Vavolombelon’i Jehovah izany, izay mpivavaka vitsy an’isa nenjehin’ny Nazia tamin-kalozana. Tsy nanambany tena izy ireo ka hoe nanaiky lembenana.

Nihanazava tato ho ato fa namaky bantsilana ny herisetra nataon’ny Nazia ny Vavolombelona, mifanohitra amin’ny nataon’ny mpikambana tao amin’ny eglizy. Tsy ny isam-batan’olona fotsiny no nanao toy izany, fa ireo mpitondra teniny sy zavatra vita an-tsorany ofisialy koa. Izao no nohazavain’ilay mpahay tantara atao hoe Christine King, izay lefitry ny rektoran’ny Oniversite Staffordshire, any Angletera: “Tena sahy niteny ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa hatrany am-boalohany izy ireo no sahy niteny. Sahy niteny tamim-piraisan-tsaina izy ireo, ary sahy niteny tamin-kerim-po lehibe, ary izany dia lesona ho antsika rehetra.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Shoah dia ny anarana hebreo ilazana ny Fandripahana Tambabe, dia ilay vono moka nataon’ny Nazia tamin’ireo Jiosy, Tziganes, Poloney, Slavy, ary hafa koa, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

[Sary, pejy 26]

Nangina ny Papa Pio XII nandritra ny Fandripahana Tambabe

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Army photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara