FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/3 p. 4-7
  • Nahoana Izy Ireo no Mangataka Famelan-keloka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Izy Ireo no Mangataka Famelan-keloka?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny eokiomenisma sy ny laza tsarany ara-pitondran-tena
  • Tsy ny rehetra no manaiky
  • Fitsaran’Andriamanitra
  • Miaiky Heloka Ireo Fiangonana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Iray Ihany ve ny Fivavahana Marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
    Mifohaza!—1994
  • Ny Vatikana Faharoa — Fitahiana sa Ozona?
    Mifohaza!—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/3 p. 4-7

Nahoana Izy Ireo no Mangataka Famelan-keloka?

TSY vaovao ilay hevitra hoe tokony hibebaka sy hohavaozina ireo fiangonana. Ny Religioni e miti (Ny Fivavahana sy ny Angano), diksionera iray momba ny fivavahana, dia milaza fa izay noheverina ho tsy fivadihan’ny fiangonana tany am-boalohany dia nahaliana ny olona nandritra ny Moyen Âge ary nitarika ny maro hitaky fanavaozana.

Tamin’ny 1523, taorian’ny nisarahan’i Martin Luther tamin’i Roma, ny Papa Adrien VI dia nanandrana nandravona ilay fisarahana tamin’ny fandefasana izao hafatra izao ho an’ny filan-kevi-pitondrana tao Nuremberg: “Fantatray tsara fa nandritra ny taona maro, dia nisy zavatra maharikoriko niangona teto amin’ny Fitondran’ny Papa (...) Hampiasa ny fahazotoana rehetra izahay mba hanavaozana voalohany indrindra ny Fitondram-panjakan’i Vatikana, izay angamba loharano niavian’ireny ratsy rehetra ireny.” Kanefa, tsy nahavita nandravona ilay fisarahana na nanafoana ny fahasimbana ara-pitondran-tena tao amin’ny Fitondram-panjakan’i Vatikana izany fiekena izany.

Vao haingana kokoa, ireo fiangonana dia nokianina noho ny fanginany teo anoloan’ny Fandripahana Tambabe. Nampangaina ho tsy nanakivy ireo mpikambana tao aminy tsy handray anjara tamin’ny ady, koa izy ireo. Tamin’ny 1941, fony namely mafy ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanontany toy izao ny pretra iray antsoina hoe Primo Mazzolari: “Nahoana i Roma no tsy nanohitra mafy ny faharavan’ny fampianarana katolika, toy ny nataony taloha, ary mbola ataony ihany, raha ny amin’ny foto-pampianarana tsy dia mampidi-doza kokoa?” Foto-pampianarana tsy dia mampidi-doza kokoa noho ny inona moa izany? Ny noresahin’ilay pretra dia ilay fanindrahindram-pirenena nampirisika hiady ka nampizarazara ny sivilizasiona tamin’izay fotoana izay.

Ny zava-misy anefa dia hoe, vao haingana izay, ny fieken-kelok’ireo fivavahana dia mbola zava-naningana fa tsy zava-nahazatra. Tamin’ny 1832, teo anoloan’ny olona izay nampirisika ny Eglizy Katolika ‘hanavao tena’, dia nilaza toy izao i Grégoire XVI: “Miharihary fa hevi-dravina sady manimba ny manolotra hevitra ny amin’ny ‘famerenana amin’ny laoniny sy fanavaozana’ mba hiarovana sy hampivoarana [ny fiangonana], toy ny hoe azo heverina ho mora voan’ny kilema izy.” Ahoana ny amin’ireo kilema nibaribary aoka izany, ka tsy azo nolavina? Tetik’ady samihafa no noraisina mba hanamaivanana azy ireny. Ohatra, nilaza ny teôlôjiana sasany fa ny eglizy dia sady masina no feno ota. Ilay zava-naorina dia lazaina fa masina — narovan’Andriamanitra tamin’ny fahadisoana, fa ireo mpikambana ao aminy kosa no mpanota. Araka izany, rehefa misy habibiana atao amin’ny anaran’ny fiangonana, dia tsy tokony ho ilay zava-naorina no hoheverina ho tompon’andraikitra, fa ny olona ao anatiny. Ara-dalàna ve izany? Tsy izany no izy amin’ilay teôlôjiana katolika atao hoe Hans Küng, izay nanoratra toy izao: “Tsy misy izany hoe Fiangonana tonga lafatra misandratra ho ambonin’izao tontolo izaon’ny olombelona izany.” Nanazava toy izao izy: “Tsy misy izany hoe Fiangonana tsy manana fahotana anaovana fieken-keloka izany.”

Ny eokiomenisma sy ny laza tsarany ara-pitondran-tena

Mety hanontany tena ianao hoe fizotran-javatra inona no nitarika ireo fiangonana hangataka famelan-keloka ankehitriny. Tamin’ny voalohany, ny Protestanta sy ny Ortodoksa dia nanaiky ho tompon’andraikitra noho ny “fizarazarana tamin’ny lasa” teo amin’ireo antokom-pivavahana samy hafa. Nanao izany izy ireo tamin’ilay kaonferansy eokiomenika hoe “Finoana sy Laharana”, natao tany Lausanne, any Soisa, tamin’ny 1927. Nanara-drian-drano ny Eglizy Katolika tamin’ny farany. Nanomboka tamin’ny konsily Vatikana IIa indrindra, ireo eveka ambony laharana, anisan’izany ireo papa, dia nangataka famelan-keloka tsy tapaka hatrany noho ny fisaratsarahana teo anivon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Noho ny zava-kendrena inona? Miharihary fa maniry firaisan-tsaina bebe kokoa ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izy ireo. Ilay mpahay tantara katolika atao hoe Nicolino Sarale dia nilaza fa ao amin’ny “ ‘fiampangan-tena’ ataon’ny Papa Jean-Paul II, dia misy paikady, ary izany dia ny eokiomenisma”.

Kanefa, mihoatra noho ny eokiomenisma no voafaoka tamin’izany. Amin’izao andro izao, dia fantatry ny maro ny tantara tsy fakan-tahakan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. “Tsy afaka ny hanilika fotsiny izany tantara rehetra izany ny Katolika”, hoy ny teôlôjiana iray atao hoe Hans Urs von Balthasar. “Ilay Fiangonana misy ny papa mihitsy no nanao, na namela hanao, zavatra izay tena tsy azontsika ekena amin’izao andro izao.” Araka izany, ny papa dia nanendry iraka mba “hanazava ny vanim-potoana maizin’ny eglizy mba (...) ho azo atao ny hangataka famelan-keloka”. Ny antony iray hafa mahatonga ny fiangonana ho vonona hanao fanakianan-tena àry dia toa ny faniriana hahazo indray ny laza tsarany ara-pitondran-tena.

Mitovy amin’izany ihany, fa rehefa nanazava ny fangatahan’ny eglizy famelan-keloka ilay mpahay tantara atao hoe Alberto Melloni, dia nanoratra toy izao: “Raha ny tena izy, ny angatahin’ny fiangonana matetika dia fahamaivanana avy amin’ny fiampangana ho tompon’andraikitra.” Eny, ny Eglizy Katolika dia toa manandrana manilika ny enta-mavesatry ny fahotana nataony fahiny, mba hinoan’ny besinimaro azy indray. Raha ny marina anefa no lazaina, dia miharihary fa toa miahy bebe kokoa ny hihavana amin’izao tontolo izao noho ny amin’Andriamanitra izy.

Mampahatsiahy antsika an’i Saoly, ilay mpanjakan’ny Isiraely voalohany, ny fihetsika toy izany. (1 Samoela 15:1-12). Nanao fahadisoana lehibe izy, ary rehefa nalana sarona ilay izy, dia nanandrana nanamarina ny tenany — nanamaivana ny fahadisoany — tamin’i Samoela, mpaminanin’Andriamanitra nahatoky aloha izy. (1 Samoela 15:13-21). Tamin’ny farany, ilay mpanjaka dia voatery niaiky tamin’i Samoela hoe: “Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’i Jehovah”. (1 Samoela 15:24, 25). Eny, niaiky ny fahadisoany izy. Ireo tenin’i Saoly manaraka tamin’i Samoela anefa dia nampiharihary izay ambony indrindra tao an-tsainy. Hoy izy: “Efa nanota aho izao, kanefa, masìna hianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ny loholoko sy eo anatrehan’ny Isiraely aho”. (1 Samoela 15:30). Niharihary fa niahy bebe kokoa ny toerany teo amin’ny Isiraely noho ny fihavanany indray tamin’Andriamanitra i Saoly. Tsy nahatonga an’Andriamanitra hamela ny helok’i Saoly io fihetsika io. Moa ve ianao mihevitra fa hahatonga an’Andriamanitra hamela ny helok’ireo fiangonana ny fihetsika mitovy amin’izany?

Tsy ny rehetra no manaiky

Tsy ny rehetra no manaiky fa tokony hangataka famelan-keloka ampahibemaso ireo fiangonana. Ohatra, sanganehana ny Katolika maro rehefa mangataka famelan-keloka noho ny fanandevozana na ny fanarenana ireo “heretika” toa an’i Hus sy i Calvin ny papan’izy ireo. Araka ny fanazavana avy tany Vatikana, ny taratasy nalefa ho an’ireo kardinaly izay manolotra hevitra ny hanaovana “fandinihana ny feon’ny fieritreretana” momba ny tantaran’ny Fivavahana Katolika, dia nokianin’ireo kardinaly nanatrika ny konsily iray natao tamin’ny Jona 1994. Na dia naniry hampiditra ny fototr’izany fanoloran-kevitra izany aza ny papa, ilay kardinaly italiana atao hoe Giacomo Biffi dia namoaka taratasy kelin’ny mpiandry, izay nilazany hoe: “Tsy manana ota ny eglizy.” Na dia izany aza, dia niaiky toy izao ihany izy: “Ny fangatahana famelan-keloka noho ireo fahadisoan’ny Eglizy tamin’ireo taonjato lasa (...) dia mety hahatonga antsika ho tsy dia ratsy laza loatra.”

“Iray amin’ireo foto-dresaka iadian-kevitra indrindra ao amin’ny Eglizy Katolika ny fiekena fahotana”, hoy ilay mpivaofy teny ao Vatikana atao hoe Luigi Accattoli. “Raha manaiky ny fahadisoan’ireo misionera ny papa, dia misy misionera tsy ho faly noho izany amim-pahatsorana.” Ankoatra izany, ny mpanao gazety katolika iray dia nanoratra toy izao: “Raha tena matahotra toy izany ny amin’ny tantaran’ny eglizy ny papa, dia sarotra ny mahatakatra ny fomba ahafahany mampiseho an’io Eglizy io ihany ho mpiaro ny ‘zon’olombelona’, ho ny ‘reny sady mpampianatra’, izay hany afaka mitarika ny olombelona ho amin’ny arivo taona fahatelo hamirapiratra tokoa.”

Ny Baiboly dia mampitandrina ny amin’ny fibebahana ivelany izay atosiky ny henatra ny ho tratra ho nanao ratsy fotsiny. Mahalana vao mitondra fiovana maharitra eo amin’ilay mibebaka izany karazana fibebahana izany. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 7:8-11.) Ny fibebahana izay misy vidiny eo imason’Andriamanitra dia arahina ‘vokatra mendrika ny fibebahana’ — izany hoe, porofon’ny fahatsoran’ilay fibebahana. — Lioka 3:8.

Milaza ny Baiboly fa ny olona mibebaka sy miaiky heloka dia tsy maintsy mamela ireo fanao ratsy, ka mitsahatra tsy manao azy ireo. (Ohabolana 28:13). Nitranga ve izany? Taorian’ireny fiekena fahadisoana rehetra nataon’ny Eglizy Katolika sy ireo fiangonana hafa ireny, inona no nitranga tamin’ireo ady an-trano vao haingana tatsy Afrika afovoany sy tany Eoropa Atsinanana, izay nandraisan’ny mponina “kristiana” maro anjara? Moa ve ireo fiangonana nanampy mba hitondra fiadanana? Moa ve ny mpitarika azy ireo sahy miteny mba hiara-manohitra ireo habibiana nataon’ny mpikambana tao aminy? Tsia. Nandray anjara tamin’ilay fandripahana mihitsy aza ny mpitondra fivavahana sasany!

Fitsaran’Andriamanitra

Rehefa niresaka ny amin’ny fiampangan-tenan’ny papa niverimberina, ny Kardinaly Biffi, dia nanontany hoe: “Noho ireo fahotana teo amin’ny tantara, moa ve tsy ho tsaratsara kokoa raha miandry ny fitsarana an’izao rehetra izao isika rehetra?” Antomotra ny fitsarana ny olombelona rehetra. Fantatr’i Jehovah Andriamanitra tsara ireo vanim-potoana maizin’ny tantaran’ny fivavahana. Tsy ho ela, dia hampamoaka ireo olo-meloka izy. (Apokalypsy 18:4-8). Mandra-pahatongan’izany, azo atao ve ny mahita endri-panompoam-pivavahana iray tsy voapentin’ny trosan-dra sy ny famonoana olona tsy misy fifandeferana, ary ireo heloka bevava hafa izay ialan’ireo fiangonan’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana, tsiny? Eny.

Ahoana no anaovantsika izany? Amin’ny fampiharana ilay fitsipika nambaran’i Jesosy Kristy toy izao: “Ny voany no hahafantaranareo azy.” Ny tantara, izay tian’ny fivavahana sasany hohadinoina, dia manampy antsika hamantatra, tsy ireo izay antsoin’i Jesosy hoe “mpaminany sandoka” fotsiny, fa ireo izay mamoa “voa tsara” koa. (Matio 7:15-20). Iza moa ireto farany ireto? Manasa anao izahay hitady ny valin’izany amin’ny fiaraha-mandinika ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo hoe iza amin’izao andro izao no tena miezaka manaraka ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy mitady hiaro toeram-pahefana eo amin’izao tontolo izao. — Asan’ny Apostoly 17:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny konsily fampiraisam-pinoana faha-21 izay nivory inefatra tany Roma nanomboka tamin’ny 1962 ka hatramin’ny 1965.

[Sary, pejy 5]

Miala tsiny ireo fiangonana noho ny habibiana toy izao

[Sary nahazoan-dalana]

The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara