FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/4 p. 9
  • “Mahery sy Mandresy Lahatra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Mahery sy Mandresy Lahatra”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Aoka isika hanolokolo ny fahalianan’ny olona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakan
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ambarao ny Vaovao Tsara Momba Ilay Fanjakana Amin’ny Alalan’ny Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mampiasà Bokikely Isan-karazany eo Amin’ny Fanompoanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/4 p. 9

“Mahery sy Mandresy Lahatra”

“MANOMBOKA rahampitso, dia hampiasa azy io eo amin’ny asa fitoriana aho, satria tena mahery sy mandresy lahatra tokoa ireo fanaporofoan-kevitra raketiny”, hoy ny nosoratan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray tany Frantsa. Nanoratra toy izao ny Vavolombelona iray tany Etazonia: “Namaky azy io avy hatrany aho ka tsy andriko izay hampiasana azy eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, satria maro be ny olona mihaona aminay no tsy rototra sy tsy matoky ny Baiboly.” Inona izany lazalazain’izy ireo izany? Ilay bokikely 32 pejy, mitondra ny lohateny hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra. Navoakan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”, natao nandritra ny 1997/1998, izy io.

Io zavatra vita an-tsoratra io dia nomanina manokana ho an’ny karazana mpamaky izay mety ho avara-pianarana, saingy tsy mahalala firy ny amin’ny Baiboly. Maro ny olona toy izany no manana ny heviny manokana voafaritra tsara momba ny Baiboly, na dia mbola tsy namaky mihitsy azy io aza ny tenan’izy ireo. Ny zava-kendren’io bokikely io dia ny handresy lahatra ny mpamaky fa mendri-kodinihina, fara faharatsiny, ny Baiboly. Tsy manery ny mpamaky hanaiky hihevitra ny Baiboly ho ara-tsindrimandrin’Andriamanitra akory, ilay bokikely. Mamela ny zava-misy hiteny kosa izy io. Tsy be renty ny teny ampiasainy fa mazava sy mivantana.

Araka ny asehon’ireo teny voatonona etsy ambony, dia tsy andrin’ireo nanatrika fivoriambe izay hampiasana io bokikely io eo amin’ny fanompoany eny amin’ny saha. Tany Frantsa, ohatra, dia nisy ezaka manokana nalamina mba hanaovana fanambarana tamin’ny 23 sy 24 Aogositra. Tanora mpitsidika ana hetsiny maro avy any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany, no vory lanona tao Paris tamin’izay, mba hankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora. Rehefa nizara an’io bokikely io tamin’ny fiteny alemà, anglisy, espaniola, frantsay, sy italiana ary poloney, ny Vavolombelona tokony 2 500 (16 taona ka hatramin’ny 30 taona ny ankamaroany), dia nahapetraka 18 000 tamin’izy io.

Amin’ny fomba rehetra azo atao, dia aoka isika hampiasa io bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra io, eo amin’ny fanompoantsika. Enga anie io zavatra vita an-tsoratra io ka ho hita ho mahasoa tokoa mba handresen-dahatra ny olona misaina, fa tokony handinika ny Baiboly ny tenan’izy ireo manokana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara