Tantaram-piainana
Tena Tapa-kevitra Hiandany Tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra Izahay
NOTANTARAIN’I MICHAL ŽOBRÁK
Notaritaritina tany amin’ny mpaka am-bavany aho, rehefa avy natoka-monina tany am-ponja nandritra ny iray volana. Vetivety teo dia boramena ilay mpaka am-bavany, sady nivazavaza hoe: “Mpitsikilo ianareo! Mpitsikilo amerikanina!” Fa naninona izy no tezitra be? Vao avy nanontany ny fivavahako izy, ary nolazaiko taminy fa Vavolombelon’i Jehovah aho.
DIMAMPOLO taona mahery lasa izay no nitrangan’izany. Teo ambany fitondrana kominista ny firenenay tamin’izany. Efa nenjehina mafy anefa izahay ela be talohan’izay, noho ny fampianarana Baiboly nataonay.
Ny fahorianay vokatry ny ady
Valo taona aho rehefa nanomboka ny Ady Lehibe I, tamin’ny 1914. Teo ambany fifehezan’i Aotrisy-Hongria, fanjakan’olon-tokana, i Zálužice, tanàna nisy anay tamin’izany. Nanova tanteraka ny sehatr’izao tontolo izao ny ady, sady namarana tampoka ny fahazazako koa. Miaramila i Dada ary maty tamin’ny taona voalohany nisian’ny ady izy. Nanjary nahantra be izahay sy Neny sy ireo zandriko roa vavy. Voatery niantsoroka andraikitra maro tao an-trano sy nisahana ny toeram-pambolena sy fiompiana kelinay aho, satria izaho no lahimatoa. Tena tia fivavahana hatramin’ny mbola kely aho. Nasain’ny pretra tao amin’ny Fiangonana Kalvinista nisy anay nisolo azy mihitsy aza aho, ka nampianatra ny mpiray kilasy tamiko, rehefa tsy teo izy.
Tena faly izahay rehefa nifarana ny Ady Lehibe, tamin’ny 1918. Niongana ny Fanjakana Aotrisy-Hongria, ary lasa olom-pirenen’ny Repoblikan’i Tsekoslovakia izahay. Vetivety foana dia nody an-tanindrazana ny ankamaroan’ireo olona avy any amin’ny faritra nisy anay, izay nifindra monina tany Etazonia. Anisan’izany i Michal Petrík, izay tonga tao an-tanànanay tamin’ny 1922. Nitsidika fianakaviana iray teo akaikinay izy ary nasaina nankany koa izahay sy Neny.
Nanjary tena nisy taminay ny Fanjakan’Andriamanitra
Mpianatra ny Baiboly, na Vavolombelon’i Jehovah, i Michal. Niresaka foto-kevitra ara-baiboly tena nanaitra ahy izy. Ny momba ny hahatongavan’ny Fanjakan’i Jehovah no nahaliana ahy indrindra. (Daniela 2:44) Tapa-kevitra ny hankany Záhor aho, rehefa nolazainy fa hisy fivoriana kristianina any ny alahady aorian’io. Nifoha tamin’ny efatra maraina aho, ary nandeha an-tongotra valo kilaometatra mba hindrana bisikileta tany amin’ny havanay. Vaky ny pne iray, ka namboariko aloha, ary nanohy nandeha 24 kilaometatra nankany Záhor aho avy eo. Tsy hitako ilay toeram-pivoriana, ka nandeha moramora nanaraka lalana iray aho. Avy eo dia nandre hiran’ilay Fanjakana avy tao amin’ny trano iray aho, ka dibo-kafaliana ny foko. Nankao amin’ilay trano aho ary nanazava ny antony nahatongavako. Nasain’ilay fianakaviana hisakafo maraina niaraka tamin’izy ireo aho, ary avy eo dia nentiny nivory. Tsy nahatsiaro vizana mihitsy aho, na dia tsy maintsy mbola nandeha 32 kilaometatra nody aza.—Isaia 40:31.
Tena nahaliana ahy ny fampianarana ara-baiboly mazava nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanohina ny foko ilay fampanantenana fiainana mahafinaritra sy mahafa-po eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 104:28) Nanapa-kevitra àry izahay sy Neny fa handefa taratasy fialana tany amin’ny fiangonanay. Niteraka adihevitra teo an-tanàna izany, ary tsy nety niresaka taminay mihitsy aza ny olona sasany nandritra ny fotoana kelikely. Nanana namana tsara anefa izahay, dia ireo Vavolombelona maro teo amin’ny faritra nisy anay. (Matio 5:11, 12) Natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Uh aho, taoriana kelin’izay.
Lasa anisan’ny fiainanay ny fanompoana
Nanararaotra ny fahafahana rehetra izahay, mba hitoriana momba ny Fanjakan’i Jehovah. (Matio 24:14) Ny fandaharam-pitoriana nalamina isaky ny alahady no tena nifantohanay. Matetika no nifoha maraina kokoa ny olona tamin’izany fotoana izany, ka afaka nanomboka nitory aloha be izahay. Nisy fivoriana ho an’ny besinimaro, rehefa harivariva. Nandaha-teny tsy an-kijery soratra, ireo mpampianatra Baiboly tamin’ny ankapobeny. Noeritreretin’izy ireo koa ny habetsahan’ny olona liana sy ny fivavahany ary izay foto-kevitra mahakasika azy.
Nanazava ny sain’ny olona tso-po maro ny fahamarinana ara-baiboly notorinay. Nitory tany amin’ny tanànan’i Trhovište aho, raha vao vita batisa kelikely. Niresaka tamin’ny ramatoa iray tsara fanahy sy sariaka aho, tao amin’ny trano iray. Zuzana Moskal no anarany, ary Kalvinista, tahaka ahy taloha, izy sy ny fianakaviany. Nahafantatra tsara ny Baiboly izy, nefa mbola nisy fanontaniana maro tsy nahitany valiny. Nifanakalo hevitra nandritra ny adiny iray izahay, ary nomeko ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitraa izy avy eo.
Avy hatrany dia nampidirin’ny fianakaviana Moskal tao amin’ny fandaharam-pamakiany Baiboly ny famakiana ilay boky Harpa. Nisy fianakaviana maro koa teo amin’ilay tanàna, liana sy nanomboka nivory. Nandrahona mafy anay sy nandrara ireo boky aman-gazetinay anefa ny mpitondra fivavahan’izy ireo. Nanolo-kevitra azy àry ny olona liana sasany mba ho tonga any am-pivoriana, ka hilaza izay diso amin’ny fampianaranay, mandritra ny adihevitra iray andraisan’ny rehetra anjara.
Tonga tokoa ilay mpitondra fivavahana, saingy tsy nanana porofo ara-baiboly naroso izy na iray aza, mba hanohanana ny fampianarany. Niaro tena izy hoe: “Tsy azontsika inoana izay rehetra lazain’ny Baiboly, satria olona no nanoratra azy io. Azo hazavaina amin’ny fomba samihafa koa ireo fanontaniana momba ny fivavahana.” Nandray fanapahan-kevitra goavana ny olona maro nanomboka teo. Nilaza tamin’ilay mpitondra fivavahana ny sasany fa tsy ho tonga hihaino ny toriteniny intsony izy ireo, raha tsy mino ny Baiboly izy. Koa nanapa-patorana tamin’ny Fiangonana Kalvinista izy ireo, ary olona 30 teo ho eo tao an-tanàna no niandany tamin’ny fahamarinana ara-baiboly.
Lasa anisan’ny fiainanay ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ka tsy nahagaga raha tany amin’ny fianakaviana natanjaka ara-panahy aho no nitady namana. Iray tamin’ireo mpiara-nanompo tamiko i Ján Petruška, izay nahalala ny fahamarinana tany Etazonia. Nampiaiky volana ahy i Mária zanany vavy, noho ny fahavononany hitory tamin’ny olon-drehetra, tsy nisy hafa tamin-drainy. Nivady izahay tamin’ny 1936, ary namako nahatoky nandritra ny 50 taona i Mária, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1986. Teraka tamin’ny 1938 i Eduard, zanakay lahitokana. Nisy ady hafa efa nanangasanga anefa tamin’izay, tany Eoropa. Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fitorianay?
Tsy nety nandray anjara tamin’ny ady izahay
Rehefa nanomboka ny Ady Lehibe II, dia teo ambanin’ny fahefan’ny Nazia i Slovakia izay lasa firenena nahaleo tena tatỳ aoriana. Marina fa tsy tena nisy zavatra nataon’ny fanjakana, hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy niafina anefa izahay rehefa nitory, ary nandalo sivana ny bokinay. Nanohy nanompo anefa izahay, fa malina tsara fotsiny.—Matio 10:16.
Voantso ho miaramila aho na dia efa 35 taona mahery aza, rehefa nihamafy ny ady. Tsy momba ny atsy na ny aroa anefa aho, ka tsy nety nandray anjara tamin’ny ady. (Isaia 2:2-4) Soa ihany fa nafahana ny olona rehetra nitovy taona tamiko, talohan’ny nandraisan’ny manam-pahefana fanapahan-kevitra ny amin’izay hatao amiko.
Takatray fa sarotra kokoa ho an’ireo rahalahinay tany an-drenivohitra ny nahazo izay zavatra nilainy, raha noharina taminay tany ambanivohitra. Te hizara izay nanananay àry izahay. (2 Korintianina 8:14) Koa nentinay izay sakafo rehetra zakanay, ary nandeha 500 kilaometatra nanavatsava an’i Bratislava izahay. Nanampy anay hiatrika ny zava-tsarotra mandritra ireo taona hoavy, ny fisakaizana sy fitiavana kristianina izay nanjary nisy teo aminay nandritra ny fotoanan’ny ady.
Nahazo ny fampaherezana nilaina
Lasa anisan’i Tsekoslovakia indray i Slovakia, taorian’ny Ady Lehibe II. Natao tao Brno na tao Prague ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah, teo anelanelan’ny 1946 sy 1948. Nandeha fiarandalamby voatokana ho an’ny mpamonjy fivoriambe izahay avy any amin’ny faritra atsinanan’i Slovakia. Azo antsoina hoe fiarandalamby mihira izy io, satria nihira foana izahay teny an-dalana.—Asan’ny Apostoly 16:25.
Ilay fivoriambe tao Brno tamin’ny 1947 no tena tadidiko. Nanatrika azy io ny mpiandraikitra telo avy tany amin’ny foibe, anisan’izany ny Rahalahy Nathan Knorr. Namakivaky ny tanàna ny ankamaroanay, mba hampahafantatra ny foto-kevitry ny lahateny ho an’ny besinimaro, ka nitondra takelaka fampahafantarana. Nalahelo be i Eduard zanakay lahy, izay vao sivy taona monja tamin’izay, rehefa tsy nahazo takelaka fampahafantarana. Koa nanamboatra kelikely ho azy sy ny ankizy maro hafa ireo rahalahy. Niasa tsara ireny ankizy ireny!
Nandray ny fitondrana ny Kominista, tamin’ny Febroary 1948. Fantatray fa, na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy handrara ny asanay ny fanjakana. Nisy fivoriambe natao tao Prague tamin’ny Septambra 1948, ary nalahelo be izahay rehefa nahafantatra fa horarana indray ny fivorianay, nefa vao telo taona monja no nahafahanay nanao izany malalaka. Nisy fanapahan-kevitra nolaninay, talohan’ny nandaozanay ilay fivoriambe, anisan’izany ny hoe: “Isika Vavolombelon’i Jehovah niara-nivory teto ... dia tapa-kevitra hanao bebe kokoa hatrany amin’ity asa fanompoana mahafaly ity. Noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’ny Tompo, dia tapa-kevitra isika hiaritra hatrany amin’ny fotoam-pisedrana, ary mbola hazoto kokoa aza hitory ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.”
“Fahavalon’ny Fitondrana”
Nataon’ny polisy sava hao ny Betela tany akaikin’i Prague, roa volana monja taorian’ilay fivoriambe tao Prague. Nalainy an-keriny ny Betela, ary nalainy koa ny boky sy gazety rehetra hitan’izy ireo. Nosamboriny koa ny Betelita rehetra sy ny rahalahy sasany. Tsy nijanona hatreo anefa ilay izy.
Nitety ny toerana rehetra ny mpitandro filaminana, ny alin’ny 3 Febroary 1952, ary nisambotra Vavolombelona 100 mahery, ka anisan’izany aho. Nofohazin’ny polisy ny fianakaviako manontolo, tamin’ny telo maraina tany ho any. Nasainy nanaraka azy fotsiny aho fa tsy nisy fanazavana. Nofatorana aho sady notampenana ny masoko, ary natsipy tao anaty kamiao niaraka tamin’ny olona maro hafa. Natoka-monina tany am-ponja aho, tamin’ny farany.
Tsy nisy olona niresaka tamiko nandritra ny iray volana naninjitra. Ilay mpiambina manatsofoka sakafo kely eo am-baravarana ihany no mba olona hitako. Nantsoin’ilay mpaka am-bavany noresahina terỳ am-piandohana aho, avy eo. Nolazainy fa mpitsikilo aho, ary hoy izy: “Ny olona bado no mivavaka. Tsy misy izany Andriamanitra izany! Tsy hamela anareo hamitaka ny vahoaka madinika izahay. Hahantonay ho faty ianao, na havelanay ho lo ao am-ponja ao. Hovonoinay koa ny Andriamanitrao, raha tonga atỳ!”
Fantatry ny manam-pahefana fa tsy nisy lalàna mazava nandrara ny asa fitoriana nataonay. Mba hanenjehana anay araka ny lalàna nisy àry, dia nolazainy fa “fahavalon’ny Fitondrana” sy vahiny mpitsikilo izahay. Koa tsy maintsy nataon’izy ireo izay hahatonga anay hivadika ka “hanaiky” ireo fiampangana lainga. Tsy navela hatory aho iny alina iny, rehefa avy nalaina am-bavany. Nalaina am-bavany indray aho, rehefa afaka ora vitsivitsy. Tamin’izay dia nasain’ilay mpaka am-bavany nosoniaviko ny taratasy iray nilaza hoe: “Fahavalon’ny Fitondrana Demokratika Entim-bahoakan’i Tsekoslovakia aho, ka tsy nanohana ny asa [fambolena sy fiompiana iombonana], satria niandry ny Amerikanina aho.” Tsy nety nanao sonia an’io lainga be io aho, ka nalefa tany amin’ny efitra kely famaizana.
Tsy navela hatory aho, na nitsilailay, na nipetraka. Nitsangana sy nandehandeha ihany no azoko natao. Nitsotra teo amin’ny tany anefa aho, rehefa reraka be. Nentin’ilay mpiambina nankao amin’ny biraon’ilay mpaka am-bavany indray aho, avy eo. Nanontany ahy ilay mpaka am-bavany hoe: “Hanao sonia amin’izay ve ianao?” Mbola nanda ihany aho, ka nasiany teo amin’ny tavako, ka nanomboka nivoa-dra. Avy eo dia nivazavaza tamin’ny mpiambina izy hoe: “Te hamono tena izy e! Araho maso tsara io sao mamono tena!” Natoka-monina tany am-ponja indray aho avy eo. Toy izany foana no nataon’izy ireo mba hakana am-bavany ahy nandritra ny enim-bolana. Tsy nisy nandaitra izay rehetra natao hanasana ny atidohako na hanerena ahy hanaiky hoe fahavalon’ny Fitondrana aho. Tsy nisy nampihena ny fahatapahan-kevitro tsy hivadika amin’i Jehovah ireny.
Nisy mpampanoa lalàna avy any Prague nanadinadina ny tsirairay taminay 12 mirahalahy, iray volana talohan’ny fotoana tokony hitsarana ahy. Nanontany ahy izy hoe: “Inona no hataonao raha manafika ny firenentsika ireo firenena tandrefana?” “Inona no nataoko rehefa nanafika an’i URSS niaraka tamin’i Hitler ity firenena ity? Tsy niady aho tamin’izay, ary tsy hiady koa aho izao satria Kristianina ka tsy miandany na amin’iza na amin’iza.” Hoy àry izy tamiko: “Tsy afaka handefitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay. Mila miaramila izahay raha manafika antsika ireo firenena tandrefana, ary mila miaramila koa izahay mba hanafaka ny vahoakanay madinika any Andrefana.”
Nentina nankany amin’ny fitsarana izahay ny 24 Jolay 1953. Nantsoina tsirairay nankeo anoloan’ireo mpitsara izahay 12 lahy. Nanararaotra nitory momba ny finoanay izahay. Rehefa namaly ireo fiampangana lainga namelezana anay izahay, dia nitsangana ny mpahay lalàna iray ary nilaza hoe: “Efa imbetsaka aho no tato amin’ity efitrano fitsarana ity. Miaiky heloka sy mibaboka ary mitomany mihitsy aza ny olona matetika. Ireto lehilahy ireto anefa toa ho matanja-tsaina kokoa noho ny tamin’izy tonga teto rehefa hiala eto.” Nambara avy eo fa meloka ho mpiray tetika hanohitra ny Fanjakana izahay 12 lahy. Nomelohina higadra telo taona aho, ary nalain’ny Fanjakana daholo koa ny fananako rehetra.
Tsy nampitsahatra ahy ny fahanterana
Mbola nanara-maso ahy ny polisy miafina, rehefa niverina nody aho. Nanohy ny asa fanompoako ihany anefa aho, ary nanankinana andraikitra teo anivon’ny fiangonanay. Afaka nipetraka tamin’ilay tranonay nalain’ny Fanjakana ihany izahay, nefa 40 taona teo ho eo tatỳ aoriana vao tena naverina taminay ara-dalàna izy io, rehefa rava ny Kominisma.
Tsy izaho akory no nigadra farany tao amin’ny fianakavianay. Nantsoina hanao miaramila koa i Eduard, telo taona monja taorian’ny niverenako tao an-trano. Nanda izy noho ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly, ka nogadraina. Niharan’izany koa aza i Peter, zafikeliko, taona maro tatỳ aoriana, na dia tsy salama tsara aza izy.
Rava ny fitondrana kominista teto Tsekoslovakia tamin’ny 1989. Faly erỳ aho afaka nitory isan-trano tamin-kalalahana indray, taorian’ny fandrarana naharitra 40 taona! (Asan’ny Apostoly 20:20) Hanao io fanompoana io foana aho, raha mbola mamela ahy koa ny fahasalamako. Efa 98 taona aho izao, ka tsy tena salama tsara intsony. Faly anefa aho mbola afaka mitory momba ny fampanantenana be voninahitr’i Jehovah ny amin’ny hoavy.
Mpitondra 12 avy amin’ny firenena dimy no efa nitondra teto amin’ny taninay. Tao ny mpitondra jadona, ny filoham-pirenena, ary ny mpanjaka, kanefa tsy nisy tamin’izy ireny afaka nitondra vahaolana naharitra ho an’ireo zava-manahirana ny vahoaka nentiny. (Salamo 146:3, 4) Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho ny namelany ahy hahafantatra azy hatramin’ny fahazazako. Ary izany dia nahatonga ahy hahafantatra ny vahaolana hoentiny amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia, sy hanalavitra ny fiainana tsy misy heviny lavitra an’Andriamanitra. Tena nazoto nitory an’ilay vaovao tsara indrindra aho nandritra ny 75 taona mahery, ary izany dia nahatonga ahy hanana tanjona eo amin’ny fiainana, sy nanome ahy fahafaham-po sy fanantenana mahafinaritra ny amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Inona indray no hotadiaviko mihoatra noho izany?b
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.
b Nampalahelo fa tsy nanan-kery intsony ny Rahalahy Michal Žobrák tamin’ny farany, ka nodimandry raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity. Nahatoky hatramin’ny fahafatesana izy, ary manantena fitsanganana amin’ny maty.
[Sary, pejy 26]
Fotoana fohy taorian’ny mariazinay
[Sary, pejy 26]
Miaraka amin’i Eduard, teo am-piandohan’ireo taona 1940
[Sary, pejy 27]
Nampahafantatra ilay fivoriambe tany Brno, tamin’ny 1947