“Jehovah” sa “Iaveh”?
“TENY zafindraony”, “teny vary amin’anana”, “mivaona”. Fa dia inona loatra no nampiteny mahery toy izany ny manam-pahaizana momba ny teny hebreo ao amin’ny Baiboly? Ny hoe “Jehovah” ve sa tsia no fanononana araka ny tokony ho izy ny anaran’Andriamanitra, no niadiana hevitra. Nahazo vahana io adihevitra io, efa hatramin’ny zato taona mahery. Amin’izao andro izao, dia toa aleon’ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana ilay teny misy vaninteny roa hoe “Iaveh”. Tena “mivaona” tokoa ve anefa ilay fanononana hoe “Jehovah”?
Any amin’ny fototr’ilay adihevitra
Araka ny Baiboly, dia Andriamanitra mihitsy no nanambara ny anarany tamin’ny taranak’olombelona. (Eksodosy 3:15). Asehon’ny porofo araka ny Soratra Masina fa nampiasa tamin-kalalahana izany anarana izany ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny. (Genesisy 12:8; Rota 2:4). Fantatry ny firenen-kafa koa ny anaran’Andriamanitra. (Josoa 2:9). Marina indrindra izany rehefa avy nifandray tamin’olona avy tamin’ny firenena maro, ireo Jiosy izay niverina avy tamin’ny sesitany tany Babylona. (Salamo 96:2-10; Isaia 12:4; Malakia 1:11). Hoy ny The Interpreter’s Dictionary of the Bible: “Misy porofo sesehena mampiseho fa vahiny maro no voasintona tamin’ny fivavahan’ny Jiosy taorian’ny sesitany.” Nisy finoanoam-poana momba ny anaran’Andriamanitra efa nitombo anefa tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Tamin’ny farany, dia tsy vitan’ny hoe nitsahatra tsy nampiasa an-karihary intsony ny anaran’Andriamanitra ny firenena jiosy, fa nisy mihitsy aza nandrara tanteraka ny fanononana azy io. Very, araka izany, ilay tena fanononana marina azy io. Izany tokoa ve?
Inona no hita ao amin’ny anarana iray?
Amin’ny teny hebreo, dia soratana hoe יהוה ny anaran’Andriamanitra. Tetragrama no fiantso ireo litera efatra izay vakina avy any an-kavanana no miankavia ireo. Maro ny anaran’olona sy anaran-toerana voalaza ao amin’ny Baiboly, izay mirakitra ilay anaran’Andriamanitra amin’ny endriny nohafohezina. Mety hisy famantarana sasany ve azon’ireny anaran-tsamirery ireny omena mahakasika ny fomba nanononana ny anaran’Andriamanitra?
Eny ny valin’izany, araka ny voalazan’i George Buchanan, profesora efa misotro ronono, tao amin’ny Wesley Theological Seminary, any Washington, D.C., Etazonia. Nanazava toy izao ny Profesora Buchanan: “Tamin’ny andro fahiny, dia matetika ireo ray aman-dreny no nanao ny anaran-janany avy tamin’ny anaran’ireo andriamaniny. Midika izany fa nanonona ny anaran-janany tamin’ny fomba nanononana ny anaran’ilay andriamanitra, izy ireo. Nampidirina tao amin’ny anaran’ny olona ny Tetragrama, ary ilay zanatsoratra teo afovoany foana no nampiasain’izy ireo.”
Diniho ange ireto ohatra vitsivitsy ny amin’ny anaran-tsamirery hita ao amin’ny Baiboly ireto e! Samy mirakitra ny anaran’Andriamanitra amin’ny endriny nohafohezina izy ireo. Nilaza ny Profesora Buchanan fa ny hoe Jonatana, izay Yoh·na·thanʹ na Yehoh·na·thanʹ no isehoany ao amin’ny Baiboly hebreo, dia midika hoe “Yaho na Yahowah no nanome”. Ny anaran’i Elia mpaminany, dia ʼE·li·yahʹ na ʼE·li·yaʹhu amin’ny teny hebreo. Araka ny voalazan’ny Profesora Buchanan, ilay anarana dia midika hoe: “Ny Andriamanitro dia i Yahoo na Yahoo-wah”. Toy izany koa fa ny anaran’i Josafata amin’ny teny hebreo, dia Yehoh-sha·phatʹ, izay midika hoe “Nitsara i Yaho”.
Raha tononina misy vaninteny roa toy ny hoe “Iaveh”, ilay Tetragrama, dia manjary tsy re ao amin’ny anaran’Andriamanitra ny feon-janatsoratra o. Ao amin’ireo anarana ara-baiboly am-polony maro izay mirakitra ny anaran’Andriamanitra anefa, dia samy ahitana io feon-janatsoratra afovoany io, na amin’ny endriny nohafohezina na tsy nohafohezina, toy ny ao amin’ny hoe Jonatana sy Jehonatana. Noho izany, dia izao no nolazain’ny Profesora Buchanan mahakasika ny anaran’Andriamanitra: “Tsy hadino mihitsy ilay zanatsoratra oo na oh. Indraindray ilay teny dia nohafohezina hoe ‘Ya’, fa tsy hoe ‘Ia-veh’ mihitsy. (...) Rehefa notononina nisy vaninteny tokana ilay Tetragrama, dia hoe ‘Yah’ na ‘Yo’. Rehefa notononina nisy vaninteny telo izy io dia hoe ‘Yahowah’ na ‘Yahoowah’. Raha toa ka nohafohezina hisy vaninteny roa izy io dia tokony ho ‘Yaho’.” — Biblical Archaeology Review.
Ireo fanazavana ireo dia manampy antsika hahatakatra ny hevitr’ilay filazana nataon’i Gesenius, manam-pahaizana momba ny teny hebreo, tamin’ny taonjato faha-19. Hoy izy tao amin’ny bokiny hoe Hebrew and Chaldee Lexicon to the Old Testament Scriptures: “Tsy hoe tsy manana porofo iorenana mba hiarovana ny heviny akory ireo izay mihevitra fa יְהוָֹה [Ye-ho-wah] no tena fanononana [ny anaran’Andriamanitra]. Amin’izany no azo anazavana amin’ny fomba mahafa-po ny fisian’ny vaninteny nohafohezina יְהוֹ [Ye-ho] sy יוֹ [Yo], eo am-piandohan’ny anaran-tsamirery maro.”
Na izany aza anefa, dia nanazava toy izao i Everett Fox, tao amin’ny sasin-tenin’ilay fandikana vao haingana nataony momba ny The Five Books of Moses: “Na ny taloha na ny vaovao, dia samy tsy nahomby ny fanandramana hamantatra indray ny fanononana ‘marina’ ilay anaran[’Andriamanitra] amin’ny teny hebreo; samy tsy azo porofoina ho marina tanteraka na ilay ‘Jehovah’ fandre tsindraindray, na ilay ‘Iaveh’ fampiasan’ny manam-pahaizana.”
Tsy isalasalana fa mbola hitohy ny adihevitr’ireo manam-pahaizana. Natsahatry ny Jiosy ny fanononana ny anaran’ilay Andriamanitra marina, talohan’ny nanaovan’ireo Masôreta ilay rafi-tsoratra misy teboka ho solon-janatsoratra. Araka izany, dia tsy misy fomba tsy azo iadian-kevitra, azo anaporofoana izay zanatsoratra niaraka tamin’ireo renisoratra hoe YHWH (יהוה). Na izany aza anefa, dia manome famantarana azo tsapain-tanana ny amin’ny fanononana fahiny ny anaran’Andriamanitra ny anaran’ireo olo-malaza ao amin’ny Baiboly, satria tsy very mihitsy ny fomba marina nanononana azy ireny. Noho io antony io, dia misy manam-pahaizana sasany, fara faharatsiny, manaiky fa tsy “mivaona” akory ilay fanononana hoe “Jehovah” rehefa dinihina.
[Sary, pejy 31]
“Jehovah” no fanononana ny anaran’Andriamanitra fampiasan’ny olona indrindra