Mifaly Amin’i Jehovah na dia eo Aza ny Fisedrana
NOTANTARAIN’I GEORGE SCIPIO
Tany amin’ny hopitaly aho tamin’ny Desambra 1945, nalemy daholo ny tenako manontolo, afa-tsy ny tanako sy ny tongotro. Nihevitra aho fa handalo ihany izany, nefa ny hafa kosa nanahy sao tsy ho afa-mamindra intsony aho. Tena fisedrana izany ho an’ny tanora iray 17 taona, izay tia manao zavatra! Tsy nety nanaiky ny fanombantombanana toy izany aho. Be dia be ny zavatra nokasaiko hatao, anisan’izany ny fandehanana mankany Angletera miaraka amin’ny mpampiasa ahy, ny taona nanaraka an’iny.
TRATRAN’NY valanaretina poliomelita, izay nanenika ny nosy Sainte-Hélène nisy anay, aho. Nahafaty olona 11 izy io, ary namela kilemaina maro be. Raha mbola teo am-pandriana aho, dia nanam-potoana lava be nisaintsainana ny androm-piainako fohy sy ny hoaviko. Teo am-pisaintsainana toy izany aho no nahatakatra fa na dia teo aza ny fahoriako, dia nanana antony tokony hifaliana aho.
Fiandohana kely
Tamin’ny taona 1933, fony aho dimy taona, dia nahazo boky vitsivitsy i Tom raiko, izay sady polisy no diakônina tao amin’ny Fiangonana Batista. Vavolombelon’i Jehovah roa no nahazoany azy ireo. Mpitory ny filazantsara manontolo andro na mpisava lalana, izy mirahalahy ireo, ary nitsidika ny nosy nandritra ny fotoana fohy.
Nantsoina hoe La Harpe de Dieu ny iray tamin’ireo boky ireo. Nampiasa azy io ny raiko mba hianarana ny Baiboly niaraka taminay mpianakaviny sy niaraka tamin’olona maromaro liana. Lalina ilay fianarana ka tsy dia nahataka-javatra firy avy tamin’ilay izy aho. Tsaroako anefa fa nomarihiko tao amin’ny Baiboliko ny andinin-teny rehetra nodinihina. Tsy ela dia tsapan’ny raiko fa fahamarinana ilay nianaranay ary hafa noho izay notoriny tao amin’ny Fiangonana Batista ilay izy. Nanomboka niresaka tamin’ny hafa momba azy io izy, ary nitory teny amin’ny polipitra fa tsy misy ny Andriamanitra telo izay iray sy ny afobe ary ny fanahy tsy mety maty. Niteraka resa-be tao am-piangonana izany.
Tamin’ny farany, mba handaminana ilay raharaha niadian-kevitra, dia nampiantso fivoriana ny fiangonana. Napetraka ny fanontaniana hoe: “Iza no miandany amin’ny Batista?” Nanangan-tanana ny ankamaroany. Toy izao ny fanontaniana manaraka: “Iza no miandany amin’i Jehovah?” Tokotokony ho 10 na 12 no nanangan-tanana. Nasaina nandao ny fiangonana izy ireo.
Izany no fiandohana kelin’ny fivavahana vaovao iray teto Sainte-Hélène. Nifandray tamin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower any Etazonia ny raiko ary nangataka grafofaonina iray handefasana lahateny ara-baiboly noraisina feo, mba hohenoin’ny besinimaro. Nilazana izy fa ngeza loatra ilay milina ka tsy azo nalefa tatỳ Sainte-Hélène. Grafofaonina kely kokoa no nalefa, ary nanafatra roa fanampiny ireo rahalahy, tatỳ aoriana. Nandeha an-tongotra na nitaingina ampondra nitety ilay nosy izy ireo, nitondra ilay hafatra tany amin’ny olona.
Arakaraka ny nielezan’ilay hafatra no nielezan’ny fanenjehana koa. Nihirahira toy izao ny ankizy tany am-pianaranay: “Avia raha hihaino ô! Avia raha hihaino ô! Grafofaonin’ny tarik’i Tommy Scipio!” Fisedrana mafy ho ahy izany, dia izaho izay ankizy mpianatra mba naniry ny hankasitrahan’ireo nitovy taona tamiko. Inona no nanampy ahy hiaritra?
Nianatra ny Baiboly tsy tapaka ilay fianakavianay maro anaka, nisy ankizy enina. Niara-namaky ny Baiboly koa izahay isa-maraina, talohan’ny sakafo. Tsy isalasalana fa izany dia nanampy ny fianakavianay mba hahatoky hatrany ao amin’ny fahamarinana nandritra ireo taona. Mbola kely ny tenako dia efa nanjary tia ny Baiboly, ary nataoko fahazarana ny namaky tsy tapaka ny Baiboly nandritra ireo taona. (Salamo 1:1-3). Tamin’ny fotoana nialako tamin’ny fianarana, teo amin’ny faha-14 taonako, dia efa namaka mafy tamin’ny fahamarinana aho ary tao am-poko ny fahatahorana an’i Jehovah. Izany no nahatonga ahy hifaly amin’i Jehovah na dia teo aza ny fisedrana.
Fisedrana sy fifaliana fanampiny
Raha mbola narary teo am-pandriana aho, ka nisaintsaina an’ireny taona voalohandohany tamin’ny fiainako ireny sy izay antenaiko amin’ny hoavy, dia fantatro avy tamin’ny fianarako ny Baiboly fa tsy fitsapana na sazy avy tamin’Andriamanitra akory io aretina nahazo ahy io. (Jakoba 1:12, 13). Na izany aza anefa, dia fisedrana nampanaintaina ny poliomelita, ary hanjohy ahy mandritra ny androm-piainako sisa ny vokany.
Nony sitrana aho, dia voatery nianatra namindra indray. Tsy niasa intsony koa ny hoza-tsandriko sasantsasany. Tsy voaisako intsony hoe impiry aho no nianjera isan’andro. Na izany aza anefa, noho ny vavaka tamin-kafanam-po sy ny ezaka nitohy nataoko, dia afaka namindra nitondra tehina aho tamin’ny 1947.
Nandritra izany fotoana izany aho dia raiki-pitia tamin’ny tovovavy iray antsoina hoe Doris, izay nitovy finoana tamiko. Mbola kely loatra izahay ka tsy afaka nieritreritra ny amin’ny fanambadiana, nefa voatosika hanao fandrosoana fanampiny teo amin’ny fahaiza-mamindra aho. Niala tamin’ny asako koa aho satria tsy ampy hamelomam-bady ny karama, ka naleoko nanangana laboratoara momba ny nify, izay niasa nandritra ireo roa taona nanaraka. Nivady izahay tamin’ny 1950. Efa nahazo vola ampy hividianana fiara kely iray aho tamin’izany fotoana izany. Afaka nitondra an’ireo rahalahy nankany am-pivoriana sy teny amin’ny saha fanompoana aho, izao.
Fandrosoana teôkratika teto amin’ny nosy
Tamin’ny 1951 ny Fikambanana dia nandefa ny solontenany voalohany tatỳ aminay. Tsy iza izany fa i Jacobus van Staden, tovolahy iray avy atsy Afrika Atsimo. Vao nifindra nankao amin’ny trano iray nalalaka tsara izahay, hany ka afaka nampiantrano azy nandritra ny herintaona mipaka. Koa satria nanao asa tena aho, dia nandany fotoana betsaka niarahana nitory izahay, ary nahazo fampiofanana sarobidy betsaka avy taminy aho.
Nandamina fivorian’ny kôngregasiôna tsy tapaka, izay natrehinay rehetra tamim-pifaliana, i Jacobus, na i Koos, araka ny niantsoanay azy. Nahita olana momba ny fitaterana izahay satria tsy nanana afa-tsy fiara roa monja ny olona rehetra liana. Sady nikitoantoana no be havoana ny faritra nolalovana, ary vitsy ny lalana tsara tamin’izany fotoana izany. Tena raharaha be, araka izany, ny nitondra ny rehetra ho any am-pivoriana. Efa nanomboka nandeha an-tongotra vao maraina be ny sasany. Nitondra olona telo tamin’ilay fiara keliko aho, ary nametraka azy ireo, rehefa nahavita lalana lavidavitra. Nidina ry zareo, ary nanohy nandeha an-tongotra. Niverina aho, nitondra ny telo hafa lavidavitra koa, nametraka azy ireo, ary niverina indray. Farany, dia tonga tany am-pivoriana avokoa ny rehetra, tamin’izany fomba fitaterana izany. Taorian’ny fivoriana, dia izany fomba izany ihany no narahinay mba hahatongavan’ny rehetra tany an-tranony.
Nampianatra anay fomba fampiseho mandaitra eny am-baravarana koa i Koos. Nahita zavatra tsara maro izahay ary nahita zavatra sasany tsy dia tsara koa. Nihoatra lavitra noho ny fisedrana rehetra avy tamin’ny mpanohitra ny asa fitorianay anefa ny fifaliana hitanay teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Niara-niasa tamin’i Koos aho, indray maraina. Rehefa nanatona varavarana iray izahay, dia nandre feo tao an-trano. Lehilahy iray namaky mafy ny Baiboly ilay izy. Afaka nandre mazava tsara ireo andalan-teny efa mahazatra ao amin’ny Isaia toko faha-2 izahay. Rehefa tonga teo amin’ny andininy faha-4 izy, dia nandondòna izahay. Lahiantitra iray sariaka be no nampandroso anay, ary nampiasainay ny Isaia 2:4 mba hanazavana taminy ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Natomboka ny fampianarana Baiboly niaraka taminy, na dia tany amin’ny toerana iray tena saro-dalana aza izy no nipetraka. Tsy maintsy nidina ny havoana iray mantsy izahay, nita renirano iray nisy vato fiampitana, nananika havoana iray indray, izay vao nidina nankeo amin’ny tranony. Mendrika ny natao anefa ilay izy. Nanaiky ny fahamarinana io lahiantitra nalemy fanahy io ary natao batisa. Mba hamonjena fivoriana, dia nampiasa tehina roa izy, mandra-pahatongany teo amin’ny toerana nandraisako azy tamin’ny fiara. Tatỳ aoriana, dia maty tamin’ny naha Vavolombelona nahatoky izy.
Nanohitra ny asanay ny kaomiseran’ny polisy ary namerimberina nandrahona ny hampandroaka an’i Koos hiala teto. Niantso an’i Koos indray mandeha isam-bolana izy, mba halaina am-bavany. Namaly azy nivantana avy tao amin’ny Baiboly foana i Koos, ka vao mainka nahalotika azy izany. Isaky ny mihetsika izao izy, dia mampitandrina an’i Koos foana hoe tsy maintsy ajanona ny fitoriana, nefa nahazo fanambarana foana koa izy tamin’izany. Nanohy nanohitra ny asa fitoriana izy na dia efa nandao an’i Sainte-Hélène aza i Koos. Kinanjo, narary tampoka ilay kaomisera vaventibe sady natanjaka iny, ka nanjary kaozatra kely. Tsy hitan’ny dokotera anefa izay fototr’aretiny. Vokatr’izany, dia niala teto amin’ny nosy izy.
Batisa sy fitomboana nitohy
Taorian’ny telo volana nahatongavan’i Koos teto amin’ny nosy, dia tsapany fa nety amin’izay ny hanaovana batisa. Ny fitadiavana dobo nety tsara no olana. Tapa-kevitra izahay fa hangady lavaka be sy handalotra azy io amin’ny simenitra ary hitatitra rano hamenoana azy. Avy ny orana ny alina talohan’ny batisa, ary faly izahay ny ampitso maraina fa feno rano hatreo amin’ny morony ilay lavaka.
I Koos no nanao ny lahatenin’ny batisa tamin’io alahady io. Rehefa nanasa ny mpilatsaka hatao batisa mba hitsangana izy, dia 26 izahay no nitsangana namaly ireo fanontaniana fametraka amin’ny batisa. Nanana tombontsoa ho anisan’ireo Vavolombelona vita batisa voalohany teto amin’ny nosy izahay. Izay no andro nahasambatra indrindra teo amin’ny fiainako, satria nanahy foana aho sao ho tonga alohan’ny hahavita batisa ahy ny Haramagedona.
Kôngregasiôna roa no tafaorina tamin’ny farany, ka ny iray tany Levelwood ary ny iray teto Jamestown. Isan-kerinandro, dia telo na efatra taminay no nanao dia 13 kilaometatra nankany amin’ilay kôngregasiôna iray mba hitarika ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ny asabotsy takariva. Niverina izahay ny alahady maraina, taorian’ny fanompoana teny amin’ny saha, ka nanao ireo fivoriana ireo indray, ary koa ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, teto amin’ny kôngregasiônanay, ny tolakandro sy ny takariva. Koa feno asa teôkratika nahafaly àry ny faran’ny herinandronay. Naniry fatratra ny hanao asa fitoriana manontolo andro aho, saingy nanana ankohonana hovelomina. Koa tamin’ny 1952, dia niverina nanao asam-panjakana indray aho, izany hoe mpitsabo nify manontolo andro.
Tamin’ny 1955, dia nanomboka nitsidika ny nosy isan-taona ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany, solontena mpitety faritany nalefan’ny Fikambanana, ary nipetraka tao amiko izy ireo tamin’ny fotoana sasany nitsidihany. Nanana fitaomana tsara teo amin’ny fianakavianay izy ireo. Tokony ho tamin’izany fotoana izany ihany, dia nanana tombontsoa nandray anjara tamin’ny fampisehoana ny sarimihetsika telon’ny Fikambanana nanerana ny nosy aho.
Ny Sitrapon’Andriamanitra — Fivoriamben’ny Distrika nampientam-po
Tamin’ny 1958, dia niala tamin’ny asam-panjakana indray aho, mba hanatrehana ny Fivoriambe Iraisam-pirenena Ny Sitrapon’Andriamanitra, tany New York. Fotoan-dehibe teo amin’ny fiainako io fivoriambe io, satria fahafahana iray izay nahatonga ahy hanana antony be dia be hifaliana amin’i Jehovah. Noho ny tsy fisian’ny fitaterana nitohy ara-dalàna nanketo amin’ny nosy, dia tany ivelany nandritra ny dimy volana sy tapany izahay. Naharitra valo andro ilay fivoriambe, ary nanomboka tamin’ny sivy ora maraina ka hatramin’ny sivy ora alina ireo fotoam-pivoriana. Tsy nahatsiaro vizana mihitsy anefa aho, ary tsindrian-daona niandry ny andro tsirairay. Nanana tombontsoa nisolo tena ny nosy Sainte-Hélène nandritra ny roa minitra aho, tao amin’ny fandaharana. Nampihendratrendratra be ihany izany hoe niteny tamin’ny vahoaka be tao amin’ny Yankee Stadium sy Polo Grounds, izany.
Nanamafy ny fahatapahan-kevitro hanao ny asan’ny mpisava lalana ilay fivoriambe. Nampahery indrindra ilay lahateny ampahibemaso hoe “Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra — Akaiky ve ny Faran’izao Tontolo Izao?” Taorian’ilay fivoriambe izahay dia nitsidika ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn sy ny orinasa. Niresaka tamin’ny Rahalahy Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, momba ny fandroson’ny asa tatỳ Sainte-Hélène aho. Nilaza izy fa naniry ny hitsidika ny nosy indray andro any. Nitondra horonam-peon’ny lahateny rehetra, ary koa sarimihetsika maro momba ny fivoriambe izahay, mba ho hitan’ireo havana aman-tsakaiza.
Tratra ny tanjona hanompo manontolo andro
Notolorana ilay asako teo aloha indray aho, nony tafaverina, satria tsy nisy mpitsabo nify teto amin’ny nosy. Nohazavaiko anefa fa nikasa ny hirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro aho. Maro ny fifampiraharahana natao, ary raikitra fa hiasa telo andro isan-kerinandro aho, nefa misimisy kokoa noho ny tamin’ny niasako enina andro isan-kerinandro ny karama. Hita ny fahamarinan’ireto tenin’i Jesosy ireto tamin’izay: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Tsy mora tamiko foana akory ny nitety ny faritra be havoana teto amin’ny nosy, tamin’ireto tongotro malemy. Na izany aza, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 14 taona aho, ary afaka nanampy ireo mpiray nosy tamiko hianatra ny fahamarinana, ka azo antoka fa antom-pifaliana lehibe izany.
Tamin’ny 1961, dia nirin’ny fanjakana ny handefa ahy ho any amin’ny Nosy Fidji hanaraka fiofanana maimaim-poana roa taona, mba hahatongavako ho mpitsabo nify tena mahay. Nilaza tamiko aza izy fa handefa ny fianakaviako hiaraka tamiko. Naka fanahy izany, nefa rehefa avy nandinika tsara aho, dia nanda. Tsy tiako ny handao ireo rahalahy nandritra ny fe-potoana lava be toy izany sy hamela ny tombontsoa nananako tamin’ny fiaraha-nanompo tamin’izy ireo. Tezitra be tsy nisy ohatra izany ilay tompon’andraikitry ny fahasalamam-bahoaka nandamina an’ilay dia. Hoy izy hoe: “Raha mihevitra ianao fa akaiky dia akaiky ny farany, dia mbola afaka mampiasa izay vola ho azonao mandra-pahatongan’izay ianao!” Tsy nety niova hevitra anefa aho.
Nasaina ho atsy Afrika Atsimo aho ny taona nanaraka an’iny mba hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, izay fampiofanana iray volana ho an’ireo mpiandraikitra ny kôngregasiôna. Nomena fampianarana sarobidy izay nanampy anay hikarakara amin’ny fomba mandaitra kokoa ireo asa nanendrena anay any amin’ny kôngregasiônanay, izahay. Taorian’ilay sekoly, dia nahazo fampiofanana fanampiny aho tamin’ny fiasana niaraka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Avy eo aho dia nitsidika ireo kôngregasiôna roa teto Sainte-Hélène nandritra ny folo taona mahery tamin’ny naha mpiandraikitra ny fizaran-tany mpisolo toerana ahy. Tamin’ny farany, dia efa mba nisy rahalahy nahafeno fepetra, ka nifandimby izahay rehetra.
Tao anatin’izany fotoana izany, dia nifindra avy teto Jamestown nankany Levelwood, izay nilana mpitory bebe kokoa izahay, ary nijanona tany nandritra ny folo taona. Tsy nisy tany hipetrahana mihitsy aho nandritra izany fotoana izany: nanao ny asan’ny mpisava lalana sy niasa telo andro isan-kerinandro ho an’ny fanjakana ary nitantana tsenakely iray. Fanampin’izany, dia mbola nikarakara ireo raharahan’ny kôngregasiôna aho, ary nikarakara ny fianakavianay nisy ankizy teo an-dalam-pitomboana, izahay mivady. Mba hiatrehana izany, dia niala tamin’ilay asako telo andro aho, nivarotra ilay tsenakely, ary nitondra ny fianakaviana manontolo nankany Le Cap, atsy Afrika Atsimo, mba hiala sasatra nandritra ny telo volana. Avy eo izahay dia nifindra nankany amin’ny Nosy Ascension, ary nijanona tany herintaona. Afaka nanampy olona maro mba hahazo fahalalana araka ny marina momba ny fahamarinana ara-baiboly izahay, nandritra izany fotoana izany.
Tamin’ny fiverenanay tatỳ Sainte-Hélène, dia nifindra nanketo Jamestown indray izahay. Nohavaozinay ny trano iray mifanolotra amin’ny Efitrano Fanjakana. Mba hahazoana izay nilainay ara-nofo, dia nanamboatra fiara fivarotan-gilasy, avy tamin’ny kamiao Ford iray, izahay sy i John zanako, ary nivarotra gilasy izahay mianaka nandritra ny dimy taona nanaraka. Fotoana fohy taorian’ny nanombohanay ilay raharaha, dia tra-doza tamin’ilay fiara aho. Nidaboka ilay fiara ka voatery tao ny tongotro. Vokatr’izany, dia nisy hozatra maty teo ambany lohaliko, ka telo volana aho vao sitrana.
Fitahiana tondraka tamin’ny lasa sy amin’ny hoavy
Nandritra ireo taona, dia nahazo fitahiana maro izahay, ka antony fanampiny hifaliana izany. Iray tamin’izany ny fandehananay tatsy Afrika Atsimo mba hanatrika fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1985 sy hitsidika ny trano Betela vaovao, izay mbola teo an-dalam-panorenana. Teo koa ny fandraisana anjara kely niaraka tamin’i John zanako, tamin’ny fananganana Efitrano Fivoriambe iray tsara tarehy eto akaikin’i Jamestown. Faly koa izahay satria loholona izao ny telo amin’ireo zanakay lahy, ary manompo any amin’ny Betelan’i Afrika Atsimo ny zafikelinay lahy iray. Ary azo antoka moa fa nijinja fifaliana sy fahafaham-po be dia be izahay tamin’ny nanampiana olona maro hahazo fahalalana araka ny marina ny Baiboly.
Voafetra ny saha anaovanay fanompoana, satria tsy misy olona afa-tsy 5 000 eo ho eo monja. Na izany aza, dia nahazoana vokatra tsara dia tsara ny namerimberenana niasa an’ilay faritany. Olona vitsy dia vitsy no masiaka aminay. Fantatra noho ny fahaizany misariaka mantsy i Sainte-Hélène, ary misy miarahaba foana ianao na aiza na aiza alehanao, na mandeha eny an-dalana, na mitondra fiara. Ny zavatra hitako dia hoe arakaraka ny ifankahazoanao tsara amin’ny olona no mahamora ny hitorianao aminy. Manana mpitory 150 izahay izao, na dia maro aza no lasa any ampita.
Noho ireo zanakay efa lehibe sy lasa nikopaka elatra, dia izahay mivady irery indray sisa, taorian’ny 47 taona nivadiana. Ny fitiavana tsy mivadika nananan’ny vadiko, sy ny fanohanany nandritra ireo taona, dia nanampy ahy hanohy hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana na dia eo aza ny fisedrana. Mihamihena ny tanjakay ara-batana, fa mihavao isan’andro kosa ny tanjakay ara-panahy. (2 Korintiana 4:16). Na izaho na ireo havana aman-tsakaizako, dia samy miandrandra hoavy mahatalanjona izay hahasitranako indray, ka ho tsara lavitra noho ny tamin’ny faha-17 taonako ny fahasalaman’ny vatako. Maniry koa aho raha maniry ny hanana fahalavorariana amin’ny lafiny rehetra, ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny hanompo mandrakizay an’i Jehovah Andriamanitsika be fitiavana sy be fiahiana, sy i Jesosy Kristy Mpanjaka voatendriny, izay efa manapaka izao. — Nehemia 8:10.
[Sary, pejy 26]
George Scipio sy ny telo amin’ireo zanany, izay samy loholona
[Sary, pejy 29]
George Scipio sy Doris, vadiny