FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/3 p. 24-25
  • Fanorenana eo Ambonin’ny Fototry ny Mpanompo Sampy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanorenana eo Ambonin’ny Fototry ny Mpanompo Sampy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Fifanarahana eo Amin’ny “Tempolin’Andriamanitra” sy ny Sampy hoe any Gresy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fanaon’ny olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny Eglizy Katolika ao Afrika
    Mifohaza!—1995
  • Ny noely — Fomba fiarahabana an’i Jesosy ve izy io?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/3 p. 24-25

Fanorenana eo Ambonin’ny Fototry ny Mpanompo Sampy

ANISAN’IREO trano mahatalanjona sy manan-tantara izay tsidihin’ny mpizaha tany any Roma, any Italia, ny Panthéon. Any an-toerana, dia io sangan’asan’ny hairafitrano romanina io no anisan’ireo trano vitsy izay saiky tsy niova firy tamin’ny naha izy azy fahiny. Natombok’i Agripa tokony ho tamin’ny taona 27 al.f.i. izy io, ary narenin’i Hadrien, tokony ho tamin’ny taona 120 am.f.i. Lafiny iray mampiavaka io rafitrano io ny tafony goavana boribory miendrika andohalambo, misy 43 metatra ny savaivony. Tsy nisy nahatoraka azy io teo amin’ny haben’ny sakany raha tsy tamin’ny andro ankehitriny. Tempolin’ny mpanompo sampy ny Panthéon tany am-boalohany, “toerana ho an’ny andriamanitra rehetra”, ary izany rahateo no dikan’ilay teny grika tany am-boalohany. Mbola heverina ihany ho Eglizy Katolika izy io amin’izao andro izao. Ahoana no nampisy izany fiovana mahagaga izany?

Tamin’ny 609 am.f.i, dia naverin’ny Papa Boniface IV notokanana indray ho eglizy “kristianina” io tempoly efa tsy nampiasaina hatramin’ny ela io. Tamin’izay fotoana izay, dia nomena ny anarana hoe Eglizin’i Santa Maria Rotunda izy io. Nilaza ny lahatsoratra iray navoakan’ilay gazety zezoita italianina atao hoe La Civiltà Cattolica, tamin’ny 1900, fa ny nieritreretan’i Boniface hampiasana manokana azy io, dia ny “hanomezam-boninahitra miaraka an’ireo maritiora rehetra teo amin’ny sehatra kristianina, na, raha ny marimarina kokoa, ireo olo-masina rehetra, kanefa voalohany sy lehibe indrindra amin’izany ny Virjiny Renin’Andriamanitra”. Ahitana taratr’izany fikasana tsy araka ny Soratra Masina izany ireo anarana nomen’ny Eglizy Katolika ny Panthéon amin’izao andro izao hoe Santa Maria ad Martyres, na koa hoe Santa Maria Rotunda. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 14:8-15.

“Tsy nisy zavatra firy nilaina natao” mba hampifanarahana ny Panthéon tamin’ilay fampiasana azy vaovao, hoy ihany ny tohin’ilay lahatsoratra. “Narahin’i Boniface ireo fitsipika tsotra sy feno hatsaram-panahy efa naorin’ilay nodimbiasany, dia ny Md. Grégoire Lehibe [Papa Grégoire I], izay kalazalahy sady môdely teo amin’ny fanovana tempolin’ny mpanompo sampy mba hifanaraka amin’ny fampiasana azy ho amin’ny fanompoam-pivavahana kristianina.” Inona izany fitsipika izany?

Nanome izao toromarika izao i Grégoire tamin’ny 601 am.f.i., tao amin’ny taratasy iray ho an’ny misionera iray nikasa hankany Grande-Bretagne izay mpanompo sampy: “Ny tempolin’ireo sampy any amin’io tany voalaza io dia tsy tokony horavana; fa ny sampy ao anatiny ihany (...). Raha tsara orina ireo tempoly voalaza, dia ilaina ny hanovana azy ireny mba tsy hanaovana fanompoam-pivavahana ho an’ny demony fa hanaovana fanompoana ho an’ilay Andriamanitra marina.” Ny hevitr’i Grégoire dia hoe rehefa hitan’ireo mpanompo sampy fa tsy nosimbana ny tempoliny taloha, dia mety hirona kokoa hanohy hankao izy ireo. Na dia “namono omby maro ho sorona ho an’ny demony” aza taloha ireo mpanompo sampy, hoy ny nosoratan’ny papa, dia antenaina izao fa “tsy hanao sorona biby ho an’ny demony intsony izy ireo fa mba hamono izany kosa ho fahafinaretan’ny tenany sy ho fiderana an’Andriamanitra”.

“Nanohitra” ny fanompoam-pivavahana tamin’ny sampy koa ny Fivavahana Katolika, tamin’ny fanorenana eglizy natokana ho an’ireo mpiaro “kristianina”. Teo akaiky kelin’ireo tempoly taloha no nanorenany ireny eglizy ireny. Noraisina ireo fankalazana fahiny ka nomena heviny “kristianina”. Izao no teny nilazan’ny La Civiltà Cattolica izany: “Fantatry ny manam-pahaizana rehetra amin’izao andro izao fa nifandray akaiky tamin’ny fomba amam-panao sasany teo amin’ny mpanompo sampy, ny fomba sy ny fankalazana ara-pivavahana sasany teo amin’ireo Kristianina voalohandohany. Izy ireny dia fanao mamin’ny fon’ny olona loatra, fomba lalim-paka loatra sy nifaningotra loatra tamin’ny fiainan’ny vahoaka sy ny an’olona manokana teo amin’ny tontolo fahiny. Tsy nihevitra ny eglizy reny, izay sady tsara fanahy no hendry, fa voatery hamongotra azy ireny; rehefa novany hanana heviny kristianina kosa izy ireny, ka nasandrany ho amin’ny fahamendrehana vaovao sy ho amin’ny fiainana vaovao, dia resiny tamin’ny fomba mahery kanefa malefaka, mba hahazoany tsy misy korontana ny fanahin’ny sarambaben’olona sy ny nahita fianarana.”

Mazava ho azy fa ny Krismasy no ohatra iray be mpahalala ny amin’ny fandraisana fetin’ny mpanompo sampy. Ny 25 Desambra, raha ny marina, dia daty nitandreman’ireo Romanina fahiny ny dies natalis Solis Invicti, izany hoe, “ny andro nahaterahan’ny masoandro tsy mety resy”.

Noho ny faniriany hahazo ny fon’ireo mpanompo sampy àry, dia tsy nanaraka ny fahamarinana ny eglizy. Nohamarininy ny fampivadiana finoana, dia ny fandraisana ireo zavatra ninoan’ny mpanompo sampy sy ny fanaony izay “mamin’ny fon’ny besinimaro”. Ny vokatr’izany dia eglizy safiotra sy nivadi-pinoana izay tsy mitovy velively amin’ny fampianaran’ny Kristianisma marina. Rehefa dinihina amin’izany, dia angamba tsy mahagaga loatra raha toa ka lasa eglizy katolika natokana ho an’i Maria sy ny “olo-masina” rehetra ny Panthéon, ilay tempoly romanina taloha ho an’ny “andriamanitra rehetra”.

Tokony hiharihary anefa fa ny fanovana ny fanokanana tempoly ho amin-javatra hafa iray, na ny fanovana ny anaran’ny fankalazana iray, dia tsy ampy mba hanovana ‘ny fanompoam-pivavahana amin’ny demony ho fanompoana an’Andriamanitra marina’. “Inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?”, hoy ny fanontanian’ny apostoly Paoly. “ ‘Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha’.” — 2 Korintiana 6:16-18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara