Ny Fomba Amantarana sy Andresena Izay Mety ho Fahalemena Ara-panahy
ARAKA NY ANGANO GRIKA, DIA I ACHILLE NO NAHERY FO INDRINDRA tamin’ireo mpiady grika tamin’ny Adin’i Troie, izay fanafihana ny tanànan’i Troie. Lazain’ny angano fa, fony vao zazakely i Achille, dia natsoboky ny reniny tao anatin’ny ranon’ny Ony Styx, ka izany dia nahatonga azy tsy hety haratran-javatra mihitsy, afa-tsy teo amin’ilay nihazonan-dreniny azy ihany, dia teo amin’ny voditongotr’i Achille, izay zary ohabolana (ilazana lafiny mampahalemy). Teo amin’io indrindra anefa no nitsatoka ilay zana-tsipìka nahafaty nalefan’i Pâris, zanak’i Priam Mpanjakan’i Troie, ka nahafaty an’i Achille.
Miaramilan’i Kristy, nirotsaka hanao ady ara-panahy, ny Kristianina. (2 Timoty 2:3). “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra”, hoy ny fanazavan’ny apostoly Paoly, “fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” Eny, tsy iza ny fahavalontsika fa i Satana Devoly sy ireo demonia. — Efesiana 6:12.
Miharihary fa ho ady ifanaovan’ny hery tsy mifandanja izy io raha tsy eo ny fanampiana raisintsika avy amin’i Jehovah Andriamanitra, izay nolazalazaina hoe “mpiady mahery”. (Eksodosy 15:3). Nomena fiadiana ara-panahy isika, mba hiarovantsika tena amin’ireo fahavalontsika lozabe. Izany no antony nampirisihan’ilay apostoly toy izao: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.” — Efesiana 6:11.
Tsy isalasalana fa ny fiadiana omen’i Jehovah Andriamanitra no tsara indrindra afaka mahatohitra izay mety ho karazam-panafihana ara-panahy rehetra. Jereo fotsiny ange ilay lisitra nomen’i Paoly e: sikina ny fahamarinana, fiarovan-tratra ny rariny, kiraro ny filazantsara, ampinga lehibe ny finoana, fiarovan-doha ny famonjena, ary sabatra ny fanahy. Fitaovana tsara kokoa inona indray no azon’ny olona iray antenaina mihoatra noho izany? Rehefa mitafy izany fiadiana izany ny miaramila kristianina, dia azony atao tsara ny hivoaka ho mpandresy, na dia atody miady amim-bato aza ny tenany. — Efesiana 6:13-17.
Na dia faran’izay tsara sy loharanom-piarovana ho antsika aza ilay fiadiana ara-panahy avy amin’i Jehovah, dia tsy tokony hohamaivanintsika ny raharaha. Rehefa tsaroantsika ny amin’i Achille, ilay noheverina fa tsy mety resy, moa ve isika koa mety hanana lafiny mampahalemy, na voditongotr’i Achille, eo amin’ny lafiny ara-panahy? Mety hahafaty izany raha tratran’ny tsy ampoizina isika.
Diniho ny fiadianao ara-panahy
Nitambotsotra tampoka ka maty nandritra ny fotoam-panazaran-tena, ny lehilahy iray mpikorisa amin’ny ranomandry, izay nahazo meday volamena indroa, tamin’ny lalao Olympika. Toa faran’izay tomady anefa ny fahitana azy. Tsy ela taorian’izay dia nisy sombim-baovao nampieritreritra navoaka tao amin’ny The New York Times: “Ny antsasak’ireo Amerikanina 600 000 voan’ny aretim-po isan-taona dia tsy nahitana soritr’aretina talohan’ilay fihetsehan’aretina.” Mazava àry fa tsy azo faritana fotsiny amin’izay tsapantsika ny toe-pahasalamantsika.
Mitovy amin’izany ihany ny amin’ny fahasalamantsika ara-panahy. Izao no torohevitry ny Baiboly: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” (1 Korintiana 10:12). Na dia manana ny fiadiana ara-panahy tsara indrindra misy aza isika, dia mety hitombo tsikelikely ny fahalemena. Noho isika teraka tao amin’ny ota no anton’izany, ary afaka mandresy mora foana ny fahatapahan-kevitsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny maha mpanota antsika sy ny tsy fahalavorariantsika. (Salamo 51:5). Na tsara fikasa aza isika, dia afaka manambaka antsika ny fontsika mpamitaka ka hamorona fanjohian-kevitra na fialan-tsiny toa marim-pototra. Amin’izay tokoa mantsy dia ho mora amintsika ny tsy hahita ny fahalementsika sy hamitaka ny tenantsika, ka hahatonga antsika hihevitra fa mandeha tsara ny zava-drehetra. — Jeremia 17:9; Romana 7:21-23.
Fanampin’izany, dia misafotofoto sy mivilana ny fahafantaran’ny olona ny atao hoe mety sy tsy mety, eto amin’ity tontolo misy antsika ity. Miankina amin’izay heverin’ny olona ny maha mety na tsy mety ny zavatra iray. Mampirisika io karazam-pisainana io ireo dokam-barotra sy fialam-boly tiam-bahoaka ary ny fampitam-baovao. Miharihary fa raha tsy mitandrina isika, dia mety ho voarotsirotsy hieritreritra toy izany, ary mety hanomboka halemy ny fiadiantsika ara-panahy.
Tsy hiditra ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza toy izany isika, fa tokony hanaraka kosa ny torohevitry ny Baiboly manao hoe: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo.” (2 Korintiana 13:5). Rehefa manao izany isika, dia sady afaka mahita izay fahalemena rehetra mety ho nitombo tsikelikely, no afaka manao ireo dingana ilaina mba hanarenana azy ireny, dieny mbola tsy hitan’ny fahavalontsika izy ireny ka hahatonga azy hanomboka hanafika. Ahoana anefa no fomba anaovantsika izany fandinihana izany? Inona avy no fambara sasany tokony hojerentsika ao amin’io fandinihan-tena io?
Famantarana ny fambara
Ny fambara iray fahita, izay mety hilaza fahalemena ara-panahy, dia ny fanaovana tsirambina eo amin’ny fahazarantsika manao fianarana manokana. Misy mahatsapa fa tokony hianatra bebe kokoa ny tenany, saingy toa tsy maka fotoana hanaovana izany tsotra izao izy. Mora ny hahalatsahana ao anatin’izany toe-javatra ratsy izany, amin’izao fiainana feno zavatra atao izao. Ny mbola ratsy kokoa aza anefa, dia matetika ny olona no manamarin-tena hoe, tsy dia ratsy loatra ny aminy satria mamaky zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly isaky ny afaka manao izany izy ireo, ary tonga any amin’ny fivoriana sasany.
Karazam-pamitahan-tena ny fanjohian-kevitra toy izany. Izany dia toy ny lehilahy iray izay mihevitra fa be atao loatra izy ka tsy afaka mipetraka sy mihinana sakafo araka ny tokony ho izy. Noho izany, dia mitsaingoka sakafo indraim-bava etsy sy eroa izy eo am-pihazakazahany manao an’itsy sy iroa. Na dia mety tsy ho faty noana aza izy, na ho ela na ho haingana, dia mety hipoitra ny olana ara-pahasalamana. Toy izany koa fa, raha tsy misakafo ara-panahy amin’ny fomba tsy miovaova isika, tsy ho ela dia hanjary hisy lafiny malemy eo amin’ny fiadiantsika ara-panahy. Mety ho lavo mora foana amin’ny fanafihana mahafaty ataon’i Satana isika, noho isika iharam-pamelezana tsy an-kijanona avy amin’ny fampielezan-kevitr’izao tontolo izao sy ny toe-tsainy.
Fambara fahalemena ara-panahy hafa iray ny tsy fahatsapana fahadodonana intsony eo amin’ilay ady ara-panahy ataontsika. Tsy mahatsapa ilay fihenjanana sy loza entin’ny ady ny miaramila iray, rehefa mandry ny tany. Mety tsy ho dodona hanao izay hahavonona ny tenany izy, noho izany. Raha voantso hanao zavatra tampoka izy, dia azo inoana tokoa fa tsy ho voaomana. Mitovy amin’izany koa eo amin’ny ara-panahy. Raha avelantsika hihena tsikelikely ny fahatsapantsika fahadodonana, dia mety hanjary tsy ho voaomana mba hanohitra ireo fanafihana mety hahazo antsika isika.
Ahoana anefa no ahafahantsika milaza raha efa latsaka ao anatin’ny toe-javatra toy izany ny tenantsika? Azontsika apetraka amin’ny tenantsika ireo fanontaniana ireto, izay mety hampiharihary ny tena toe-draharaha: Mitovy amin’ny fahamaizako handeha hitsangantsangana ve ny fahamaizako hanao fanompoana? Mitovy amin’ny fahavononako handany fotoana hitetezana magazay na hijerena tele ve ny fahavononako handany fotoana hanomanana ireo fivoriana? Niova hevitra indray ve aho mahakasika ireo asa na fahafahana hanao zavatra izay efa navelako, fony aho tonga Kristianina? Moa ve aho mitsiriritra ilay fiainana lazaina fa mampiadana, izay ananan’ny hafa? Fanontaniana mampieritreritra ireo, kanefa manampy mba hahitana izay mety ho fahalemena eo amin’ny fiadiantsika ara-panahy.
Koa satria ara-panahy ilay fiadiana fiarovana ananantsika, dia tena zava-dehibe ny hikorianan’ny fanahin’Andriamanitra amin-kalalahana eo amin’ny fiainantsika. Hita taratra izany eo amin’ny fihariharian’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny asa rehetra ataontsika. Moa ve ianao mora sosotra na mora misendaotra mihitsy aza, rehefa manao na milaza zavatra tsy araka ny itiavanao azy ny hafa? Mafy aminao ve ny manaiky torohevitra, sa heverinao fa mitsingoloka izay ataonao foana ny hafa? Moa ve ianao mialona mafy ny fitahiana azon’ny hafa na ny zava-bitany? Sarotra aminao ve ny mifankahazo amin’ny hafa, indrindra fa amin’ireo mitovitovy aminao? Ny fandinihan-tena amim-pahamarinana dia hanampy antsika hahita raha feno ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fiainantsika, na ireo asan’ny nofo no mihamiseho tsikelikely. — Galatiana 5:22-26; Efesiana 4:22-27.
Dingana hentitra mba handresena ny fahalemena ara-panahy
Sasanangy samy hafa ny hoe mahafantatra ireo fambara fahalemena ara-panahy sy ny hoe miatrika azy ireny sy manao dingana mba hanaovana fanitsiana. Mampalahelo fa maro no mirona hitady fialan-tsiny, na hanamarin-tena, na hanamaivana ilay zava-manahirana, na handa ny fisian’ilay izy. Mampidi-doza izany, toy ny fandehanana hiady, mitondra fiadiana misy tsy ampy! Hitono tena amin’ny fanafihan’i Satana isika raha manao izany. Tokony hanao dingana hentitra haingana kosa isika, mba hanitsiana izay lesoka mety ho voamaritsika. Inona no azontsika atao? — Romana 8:13; Jakoba 1:22-25.
Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao mba hiarovana ny fahaizantsika misaina isika, noho isika nirotsaka hanao ady ara-panahy izay mahafaoka ny fifehezana ny saina sy ny fon’ny Kristianina. Tsarovy fa anisan’ny ampahany amin’ny fiadiantsika ara-panahy ny “rariny ho fiarovan-tratra” miaro ny fontsika, sy ny “famonjena ho fiarovan-doha” miaro ny saintsika. Ny fianarana mampiasa amin’ny fomba mandaitra ireo fitaovana ireo no mety hahatonga ny tena handresy na ho resy. — Efesiana 6:14-17; Ohabolana 4:23; Romana 12:2.
Ny fitafiana araka ny tokony ho izy ny “rariny ho fiarovan-tratra” dia mitaky ny handinihantsika ny tenantsika tsy an-kijanona mahakasika ny fitiavantsika ny rariny na ny fahitsiana ary koa ny hankahalantsika ny tsy fankatoavan-dalàna. (Salamo 45:7; 97:10; Amosa 5:15). Moa ve ny fari-pitsipika arahinao niara-nidina tamin’ny an’izao tontolo izao? Hitantsika ho mampiala voly antsika ve ankehitriny ireo zavatra izay mety ho nanafintohina na nahasosotra antsika taloha, na zavatra tena miseho eo amin’ny fiainana izy ireny na aseho ao amin’ny tele sy sinema, na ao amin’ny boky sy gazetiboky? Ny fitiavantsika ny fahitsiana dia hanampy antsika hahita fa hay tena fijangajangana sy fiheveran-tena ho zavatra sandoka fotsiny ilay hasohasoin’izao tontolo izao hoe fahafahana sy hoe maharaka ny toetr’andro. — Romana 13:13, 14; Titosy 2:12.
Tafiditra amin’ny hoe manao “ny famonjena ho fiarovan-doha” ny fitanana ho velombelona ao an-tsaina ireo fitahiana mahatalanjona ho avy, ka tsy hamela ny tenantsika ho voavilin’ny famirapiratr’izao tontolo izao sy ny fanintonany. (Hebreo 12:2, 3; 1 Jaona 2:16). Hanampy antsika hametraka ireo tombontsoa ara-panahy ho eo alohan’ny fahazoan-javatra ara-nofo na ny tombontsoantsika manokana, ny fananana izany fomba fihevitra izany. (Matio 6:33). Koa mba hahazoana antoka fa tsara petraka eo amin’ny toerany io ampahany amin’ny fiadiana io, dia tsy maintsy manontany tena amim-pahamarinana toy izao isika: Inona no katsahiko eo amin’ny fiainana? Manana tanjona ara-panahy voafaritra tsara ve aho? Inona no ataoko mba hahatratrarako izany? Na anisan’ny Kristianina sisa voahosotra isika, na anisan’ny “olona betsaka” sesehena, dia tokony hanahaka an’i Paoly izay nanao hoe: “Tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho”. — Apokalypsy 7:9; Filipiana 3:13, 14.
Mifarana amin’izao fananarana izao, ilay filazalazan’i Paoly ny fiadiantsika ara-panahy: “Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra”. (Efesiana 6:18). Mampiseho izany fa misy dingana hentitra roa azontsika atao mba handresena, na hisorohana ny fahalemena ara-panahy: Mamboly fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, sy manao izay hifankahazoana am-po amin’ireo Kristianina hafa.
Rehefa zatra mitodika any amin’i Jehovah amin’ny vavaka isika, amin’ny “fivavahana rehetra” (fiekena ny fahotantsika, fitalahoana famelan-keloka, fangatahana tari-dalana, fisaorana noho ireo fitahiana, fiderana vokatry ny fo) sy “mandrakariva” (ampahibemaso, manokana, atao tampotampoka) dia hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah isika. Izany no fiarovana lehibe indrindra mety ho azontsika. — Romana 8:31; Jakoba 4:7, 8.
Omena fananarana mba hivavaka “ho an’ny olona masina rehetra”, izany hoe, ho an’ireo Kristianina hafa koa isika, etsy an-danin’izany. Azontsika atao ny mahatsiaro amim-bavaka ireo rahalahintsika ara-panahy any an-tany lavitra, izay mijaly noho ny fanenjehana, na noho ny zava-tsarotra hafa. Ahoana anefa ny amin’ireo Kristianina hafa izay miara-miasa amintsika sy mifandray amintsika isan’andro isan’andro? Mety ny hivavahana ho azy ireo koa, toy ny nivavahan’i Jesosy ho an’ny mpianany. (Jaona 17:9; Jakoba 5:16). Mampifanakaiky antsika sy manatanjaka antsika hahatohitra ny fanafihan’ilay “ratsy” ny vavaka toy izany. — 2 Tesaloniana 3:1-3.
Farany, dia tadidio tsara ilay fananarana feno fitiavana nataon’ny apostoly Petera hoe: “Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ny fivavahana. Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’.” (1 Petera 4:7, 8). Mora erỳ ny mamela ny tsy fahalavorarian’olombelona, izany hoe, ny an’ny olon-kafa sy ny antsika, hisoko mangina ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika, ka ho tonga vato misakana, ho vato mahatafintohina. Fantatr’i Satana tsara io fahalemen’olombelona io. Iray amin’ireo paikadiny feno hafetsen-dratsy ilay hoe: Zarazarao hanjakana. Tsy maintsy mailaka àry isika manarona ireny fahotana ireny amin’ny alalan’ny fifankatiavana fatratra, ka tsy ‘hanome fitoerana ho an’ny Devoly’. — Efesiana 4:25-27.
Mitoera ho matanjaka ara-panahy dieny izao
Rehefa voamarikao fa misaritaka ny volonao, na mivilana ny karavatonao, dia inona no ataonao? Azo inoana tokoa fa hamboarinao haingana araka izay azo atao izany. Vitsy ny olona hamela izany amin’izao fotsiny, ka hihevitra fa tsy mampaninona ny zavatra hafahafa toy izany eo amin’ny vatany. Aoka isika hanao zavatra faingana toy izany koa eo amin’ireo fahalementsika ara-panahy. Mety hahatonga ny olona ho tsy faly amin’ny fahitana antsika ny fisian-javatra misy tsininy eny amin’ny vatantsika, fa mety hahatonga ny tsy fankasitrahan’i Jehovah kosa ireo lesoka ara-panahy izay avela tsy ho voahitsy. — 1 Samoela 16:7.
Nomen’i Jehovah antsika tamim-pitiavana izay rehetra ilaintsika mba hanampiana antsika hamongotra izay mety ho fahalemena ara-panahy ka hitoerantsika ho matanjaka ara-panahy. Manome tsy an-kijanona fampahatsiahivana sy torohevitra ny amin’izay tokony hataontsika izy, amin’ny alalan’ireo fivoriana kristianina sy ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ary ireo namana kristianina matotra sy be fiheverana. Anjarantsika ny manaiky sy mampihatra azy ireny. Mitaky ezaka sy fifehezan-tena izany. Tsarovy anefa ilay nolazain’ny apostoly Paoly tamim-pahamarinana hoe: “Izaho (...) dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” — 1 Korintiana 9:26, 27.
Aoka isika ho mailo, ka tsy hamela mihitsy ny hisian’ny lafiny mampahalemy ara-panahy, toy ny voditongotr’i Achille. Aoka kosa isika hanao amim-panetren-tena sy amin-kerim-po izay tena ilaina hatao dieny izao mba hamantarana sy handresena izay mety ho fahalemena ara-panahy ananantsika.
[Teny notsongaina, pejy 19]
“DINIHO NY TENANAREO, NA MITOETRA AMIN’NY FINOANA HIANAREO, NA TSIA; IZAHAO TOETRA NY TENANAREO.” — 2 Korintiana 13:5.
[Teny notsongaina, pejy 21]
“MAHONÒNA TENA HO AMIN’NY FIVAVAHANA. ARY MIHOATRA NOHO NY ZAVATRA REHETRA, MIFANKATIAVA TSARA; FA ‘NY FITIAVANA MANARONA FAHOTANA MARO’.” — 1 Petera 4:7, 8.
[Efajoro/Sary, pejy 20]
MANONTANIA TENA HOE...
◆ Mitovy amin’ny fahamaizako handany fotoana hitetezana magazay na hijerena tele ve ny fahamaizako handany fotoana hanomanana ireo fivoriana?
◆ Moa ve aho mitsiriritra ilay fiainana lazaina fa mampiadana, izay ananan’ny hafa?
◆ Mora sosotra ve aho rehefa manao na milaza zavatra tsy araka ny itiavako azy ny hafa?
◆ Mafy amiko ve ny manaiky torohevitra, sa heveriko fa mitsingoloka izay ataoko foana ny hafa?
◆ Sarotra amiko ve ny mifankahazo amin’ny hafa?
◆ Moa ve ny fari-pitsipika arahiko niara-nidina tamin’ny an’izao tontolo izao?
◆ Manana tanjona ara-panahy voafaritra tsara ve aho?
◆ Inona no ataoko mba hahatratrarana ireo tanjoko ara-panahy?
[Sary, pejy 18]
Achille: Avy ao amin’ilay boky hoe Great Men and Famous Women; miaramila romanina sy pejy 21: Historic Costume in Pictures/Dover Publications, Inc., New York