‘Mamelona Fahalianana ao Am-po sy ao An-tsaina’
“Tsy hitako intsony izay teny hilazana ny hafaliako sy ny fientanentanako, izay tsy mitsaha-mitombo ato amiko, arakaraka ny mahasondriana ahy amin’ny famakiana ny Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? Mahatonga ny tena hanana faniriana hahafantatra bebe kokoa izy io — filana hahafantatra bebe kokoa mantsy e! Misaotra anareo noho ny namelomanareo fahalianana tato am-poko sy tato an-tsaiko.”
IZANY no tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray avy any Caroline Avaratra, any Etazonia, mahakasika ilay boky navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, tamin’ilay Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, nandritra ny taona 1998/1999. Na dia tsy manana an’io boky io aza ianao, dia mariho izay nolazain’ny hafa momba azy io.
Nanoratra toy izao ny lehilahy iray, andro vitsivitsy taorian’ny nahazoany an’io boky io, tany amin’ny fivoriambe iray tany San Diego, any Kalifornia, any Etazonia: “Hitako ho tena manatanjaka ny finoana io boky io. Mahatonga ny foko ho velom-pankasitrahana lalina an’ireo zavatra noforonin’i Jehovah izy io. Efa any amin’ny pejy 98 aho izao, ary tsy tiako hifarana ilay izy! Tena mitondra fifaliana sy fahafaham-po lehibe izy io.”
Nanoratra toy izao ny vehivavy tatsinanana iray: “Nampiasa ny teny hoe ‘boky tsy manam-paharoa’ ilay mpandahateny tamin’ny fivoriambe, ary tena mifanentana tsara amin’ny zavatra raketin’izy io izany teny izany. Lafiny iray mampiavaka ilay boky ny hoe tsy manery ny mpamaky hino ny fisian’Andriamanitra izy, fa ny zava-misy kosa no asehony.”
Anisan’izany zava-misy izany ireo zava-baovao mahaliana fatratra hitan’ny siansa, mahakasika an’izao rehetra izao misy antsika sy ny fiainana ary ny tenantsika. Nanaitra olona maro izany. “Tena tsy hitako izay teny hilazana azy fa nanohina ahy lalina io boky kely io”, hoy ny nosoratan’ny vehivavy iray avy any Kalifornia. “Tsy haiko najanona mihitsy ny famakiako ilay boky, satria ny pejy tsirairay dia nilazalaza zava-baovao ahalalan-javatra maro kokoa, mahakasika an’izao rehetra izao misy antsika, sy ny fiainana mihitsy. Tena niana-javatra be dia be mihitsy aho! Sarobidy amiko io boky kely io ka hozaraiko amin’ny olona maro araka izay azoko atao.”
Lafiny iray nahafinaritra ny maro ny fomba namintinan’ilay boky ny Baiboly, ka nanasongadinany ny toetran’ny Mpamorona. Ambentintenin’ny mpamaky ny hoe: “Ny fandinihana ny Baiboly amin’ny ankapobeny, any amin’ny faramparan’ilay boky, no anisan’ny tsara indrindra novakiko hatramin’izay.” Taoriana kelin’ny fivoriambe iray voalohandohany natao tany New York, any Etazonia, dia nanoratra toy izao ny olona hafa iray: “Iny boky vaovao iny no boky mahavariana indrindra tamin’izay navoakanareo. Nahasarika ahy ireo porofo ara-tsiansa manamarina ny fisian’ny Mpamorona. Efa ampy hanazavana ireo hevitra tiana holazaina ilay famintinana fohy ny Baiboly ka mampitombo ny fahazotoana hamaky bebe kokoa.”
Siansa mora azo
Mety ho toa sarotra raisina ny fanazavana ara-tsiansa ao amin’ireo toko voalohandohany, nefa mampiseho tsara ny nandraisan’ny mpamaky izany, izao manaraka izao:
Nanoratra toy izao ny lehilahy kanadianina iray: “Tsy mba tahaka azy io ireo boky ara-teknika, satria ny mpanoratra azy ireny dia miezaka hampiaiky volana antsika amin’ireo voambolany manaitra. Miavaka kosa ny fahaizanareo, satria ny foto-kevitra momba ny fizika, ny simia, ny ADN, sy ny chromosomes, sns., dia hainareo natao ho tena mora azonay. Raha mba ianareo mantsy no nanoratra ireo boky nianaranay tany amin’ny oniversite, taona maro lasa izay!”
Nanoratra toy izao ny mpampianatra fizika iray ao amin’ny oniversite iray: “Mampiseho mazava tsara ireo raharaha iadian-kevitra [izy io], kanefa tsy hasarotin’ny tsipirian-javatra momba ny teknika. Mampisaintsaina ny mpamaky ilay boky ary manonona mpahay siansa malaza maro. Io no ‘tsy maintsy vakin’ny’ olona rehetra liana amin’ny niandohan’izao rehetra izao sy ny fiainana, na mpahay siansa izy na olon-tsotra.”
Nilaza toy izao ny tovovavy iray izay mianatra ho mpitsabo mpanampy: “Akory ny hatairako rehefa nanokatra ny toko faha-4 aho, ka namaky andalan-tsoratra nalaina avy tao amin’ilay boky ampiasainay any am-pianarana! Nomeko an’ilay mpampianatra anay ilay boky ary nilaza taminy aho hoe fantatro fa hahafinaritra azy io fanazavana io. Nasehoko azy ny pejy faha-54 momba ny atidoha. Novakiny ilay izy ka hoy izy: ‘Mahaliana izy izany! Hojereko raha izany tokoa no izy.’ ”
Nanoratra toy izao ny olona iray anisan’ny antenimiera any Belzika: “Ny nanaitra ahy sy ny nahasarika ahy dia ilay filazalazana ara-tsiansa izay manasongadina fa tsy mifanohitra amin’izay ambaran’ny Baiboly mahakasika ny fisian’ny Andriamanitra tokana ny siansa maoderina, fa mifanaraka tsara aminy kosa. Fomba fijery tena mendri-komarihina izany.”
Fahafantarana bebe kokoa ilay Mpamorona
Nanampy olona tany amin’ny tany maro mba hahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra sy ho akaiky kokoa azy, ilay boky. Nanamarika toy izao ny mpamaky iray any Fukuoka, any Japon: “Toy ny hoe sambany vao nafantoka manokana tamin’i Jehovah ny fitaratra fanalehibeazana. Mampiaiky amin’ny fomba mahatalanjona ilay boky. Afaka nahafantatra an’i Jehovah avy tamin’ny fomba fijery iray mbola tsy noeritreretiko mihitsy hatramin’izay aho.” Nanoratra toy izao ny lehilahy iray avy any Salvador: “Tena voazavanareo tsara fa mamindra fo sy tsara fanahy sy tsy mora tezitra ary be hatsaram-panahy miharo fitiavana Andriamanitra. Tena izany indrindra no ilaintsika mba ho akaiky kokoa azy sy ny Zanany. Io no boky voalohany manazava ny toe-pon’i Jehovah sy ny fihetseham-pon’olombelona nananan’ny Zanany, dia i Jesosy.” Hoy ny mpamaky iray any Zambia: “Nanjary nisy heviny vaovao tanteraka tamiko ny hoe Jehovah.”
Ara-dalàna àry raha may ny hizara amin’ny hafa ny Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny fanamarihan’ny vehivavy iray: “Rehefa nahatapitra ny famakiana ny toko faha-10 [“Si le Créateur se soucie des hommes, pourquoi tant de souffrances?”] aho, dia tsy aritro intsony fa nihiaka toy izao aho: ‘Ity mihitsy ny boky ilainay atỳ Japon!’ Hotadidiko tsara ny fanazavana ato amin’ity toko ity ka hampiasaiko bebe kokoa hatrany eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.” Miara-mianatra ny Baiboly amin’ny zazavavy iray izay nobeazina tao amin’ny tempoly bodista iray, ny vehivavy hafa iray. Ny rain’io zazavavy io no pretra tao. “Sarotra amin’ilay zazavavy ny manaiky ilay hevitra ny amin’ny Mpamorona. Tsy misy fitompoan-teny fantatra ny fanazavan’io boky io. Mampiseho ny zava-misy kosa anefa izy io, ka, araka ny hevitro, dia afaka mamaky azy io tsy amim-pisalasalana na dia ny Bodista aza. Mahatonga antsika hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’i Jehovah izy io.”
Avy any Angletera no naharaisana izao fomba fijery izao: “Vao nahavita ny boky Créateur aho ary efa hanomboka hamaky azy indray. Mahatalanjona izany raha boky! Tsy afaka ny tsy ho tia an’i Jehovah ny tena rehefa mamaky azy io. Nomeko iray tamin’izy io ny vehivavy iray mpifanila trano amiko, izay nilaza toy izao rehefa avy namaky toko roa monja: ‘Satriko hotohizina foana ny famakiana azy, mahafinaritra loatra ilay izy.’ Azoko antoka fa hanampy olona hahafantatra sy ho tia an’ilay Mpamorona Lehibe antsika, izy io.”
Hoy ny lehilahy iray any Maryland, any Etazonia: “Tena niantefa nivantana tany amin’ny taolako sy ny tsokako ara-panahy ilay izy! Mikasa ny hanome azy io ny olona rehetra miara-miasa amiko aho. Hitako ho sarotra indraindray ny manomboka manao fanambarana amin’ireny olona be atao sy nahita fianarana ireny. Noho io boky io, dia ho hitako amin’izay ny tari-dresaka manintona sy mandaitra.”
Mazava fa hisy vokany tsara amin’ny olona maneran-tany ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Sary eo amin’ny fonony etsy ambony: Nébuleuse de l’Aigle: J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA