Hanolotra ny Boky Créateur ve Isika?
Tamin’ny taon-dasa, dia faly isika rehetra nahare ny famoahana ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? (Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve?) Io boky io dia natao indrindra ho an’ireo izay mety tsy hino an’Andriamanitra, na dia nahita fianarana tsara aza. Mihamitombo ny olona mila io boky io.
Mba hanamorana zavatra, ny zavatra atolotra isam-bolana mazàna dia izay manintona olona bebe kokoa. Midika ve izany fa tsy tokony hanolotra ny boky Créateur isika? Tsy izany velively! Io boky io dia azo atolotra amin’ny olona izay tsy mino an’Andriamanitra sy mety handray soa avy amin’izy io, amin’ny fotoana rehetra, mandritra ny taona. Izy io koa dia azo atolotra amin’ny olona izay mino an’Andriamanitra nefa tsy mahalala marina ny hoe iza izy, na ny hoe inona avy ny toetrany sy ny fikasany. Koa ampirisihina àry ianao mba hanolotra azy io amin’izay rehetra heverinao fa ho liana ny hamaky azy. Tsara homarihina fa amin’ny teny frantsay ihany ilay boky.