FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w01 15/8 p. 3
  • Boky Tsy Mahaliana ny Ankamaroan’ny Tanora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Boky Tsy Mahaliana ny Ankamaroan’ny Tanora
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hafa ny fomba fijerin’ny sasany
  • Manao ahoana ny fahalalanao ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ataovy Izay Hahombiazan’ny Fahatanoranao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Inona no Hataoko mba Hahafinaritra Kokoa ny Famakiako Baiboly?
    Mifohaza!—2001
  • Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Famakiana Isan’andro ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
w01 15/8 p. 3

Boky Tsy Mahaliana ny Ankamaroan’ny Tanora

“AHOANA no ahazoako antoka fa tena Tenin’Andriamanitra marina ny Baiboly? Tsy mahaliana ahy io boky io”, hoy ny nomarihin’ny tovovavy iray antsoina hoe Beate.

Mipetraka any Alemaina i Beate, ary mitovy hevitra aminy ny ankamaroan’ny tanora any. Noho izany, dia tsy zava-dehibe amin’izy ireo ny mamaky ny Baiboly. Nisy fanadihadiana natao vao haingana tany, nampiseho fa eo amin’ny 1 isan-jaton’ny tanora eo ho eo no mamaky Baiboly matetika be, ny 2 isan-jato mamaky matetika, ny 19 isan-jato zara raha mamaky, ary efa ho ny 80 isan-jato no tsy mamaky azy io mihitsy. Azo inoana fa mitovy amin’izany ny antontan’isa any an-tany hafa, any amin’ny misy anao koa angamba. Hita fa boky tsy mahaliana ny ankamaroan’ny tanora ny Baiboly.

Tsy mahagaga àry raha zara raha mahalala ny Baiboly ny tanora amin’ny ankapobeny. Tany am-piandohan’ny taona 2000, dia nasehon’ny fanadihadiana iray tao amin’ny gazety Lausitzer Rundschau, ny isan’ny olona mahalala tsara ny Didy Folo sy manaraka azy io eo amin’ny fiainany. Teo amin’ireo olona maherin’ny 60 taona, dia ny 67 isan-jato no nahafantatra sy nanaraka ireo didy ireo. Fa teo amin’ireo latsaka ny 30 taona kosa, dia 28 isan-jato monja izy ireo. Eny tokoa, tsy fantatry ny tanora maro ny Tenin’Andriamanitra.

Hafa ny fomba fijerin’ny sasany

Etsy an-kilan’izany anefa, dia misy tanora an-tapitrisany maro maneran-tany mahita fa tena faran’izay sarobidy ny Tenin’Andriamanitra. I Aleksandra, 19 taona, ohatra, dia mamaky ny Baiboly isa-maraina, alohan’ny handehanany hiasa. “Izany amiko no fomba tsara indrindra hanombohana ny andro”, hoy ny nomarihiny. Manana fahazarana mamaky ny Baiboly isan-kariva i Sandra. “Lasa zatra manao izany aho isan’andro”, hoy ny fanazavany. Efa zatra mamaky toko iray, fara fahakeliny, ao amin’ny Baiboly sahady, i Julia, 13 taona, alohan’ny handehanany hatory. “Tena tiako ilay izy, ary tiako hitohy foana izany fahazarako izany.”

Iza amin’ireo no fomba fijery mety sy mampiseho fahendrena? Mendrika hovakina tokoa ve ny Baiboly? Sarobidy sy zava-dehibe ho an’ny tanora ve izy io? Ahoana no hevitrao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara