FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 15/1 p. 3-4
  • Miankina Amin’ny Inona ny Hoavinao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miankina Amin’ny Inona ny Hoavinao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka Mifidy ny Hoavinao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Eo Am-pitadiavana ny Anjaran’ny Olombelona
    Mifohaza!—1999
  • “Mbola Tsy Tonga ny Androko”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Efa Voalahatra ve ny Hoavintsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 15/1 p. 3-4

Miankina Amin’ny Inona ny Hoavinao?

HOY ilay evolisionista atao hoe John Gray: “Toy ny biby ihany ny olona, ary tsy tompon’ny fiainany.” Mifanohitra amin’izany anefa ny nolazain’i Shmuley Boteach, nanoratra boky momba ny Jodaisma. Hoy izy: “Tsy toy ny biby ny olona, fa afaka mifidy foana izay ho fiainany.”  

Betsaka no mitovy hevitra amin’i Gray. Mino izy ireo fa misy hery tsy azo ivalozana mifehy ny fiainan’ny zanak’olombelona. Misy indray mihevitra fa noforonin’Andriamanitra ny olona, ary navela hisafidy ny hoaviny.

Ny sasany kosa milaza fa miankina amin’ny olona manana fahefana ny hoaviny. Araka ny tenin’ilay mpanoratra atao hoe Roy Weatherford ao amin’ny bokiny momba ny lahatra, dia ‘ny tsindry hazo lena sy ny fanararaotan’ny hafa no tena mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy ho tompon’ny fiainany, indrindra fa ny vehivavy maro.’ Betsaka no tsy manantena hoavy sambatra intsony, noho ny fifaninanana misy eo amin’ny mpanao politika na ireo firenena manana tafika matanjaka.

Nahatsiaro ho tsy afa-nanoatra kosa ny olona fahiny, satria nino fa misy hery tsy hita maso mifehy ny fiainany. Hoy i Boteach: “Nahazo vahana teo amin’ny Grika fahiny ilay fiheverana hoe zava-poana ny fanantenana, satria efa voalahatra ny fiainany, ka tsy misy azony atao.” Nino izy ireo fa nisy andriamanibavy be sitrapo nanapa-kevitra ny amin’izay ho fiainan’ny olona tsirairay. Nofaritan’izy ireo mialoha, hono, ny fotoana hahafatesan’ny olona ary ny fahoriana sy fijaliana rehetra hihatra aminy mandritra ny androm-piainany.

Betsaka no mino ankehitriny fa misy fahefana ambony noho ny olombelona mifehy ny fiainan’ny tsirairay. Maro, ohatra, no mino fa efa voalahatr’Andriamanitra daholo izay ho vokatry ny ataon’ny olona sy ny fotoana hahafatesany. Misy koa mihevitra fa ‘efa voalahatr’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, hoe iza no ho voavonjy ary iza no ho voaheloka.’ Maro amin’ireo milaza tena ho Kristianina no mino izany.

Ahoana kosa no hevitrao? Misy hery tsy hay tohaina tokoa ve mifehy ny fiainanao? Sa misy marina kely ihany ny tenin’ilay Anglisy William Shakespeare, mpanoratra tantara an-tsehatra, manao hoe: “Tompon-tsafidy ny amin’izay hiafarany ny olona indraindray”? Diniho izay lazain’ny Baiboly momba izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara