FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/8 p. 5-8
  • Eo Am-pitadiavana ny Anjaran’ny Olombelona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Eo Am-pitadiavana ny Anjaran’ny Olombelona
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiandohana fototra niavian’ny anjara
  • Ny anjara, tany Ejipta fahizay
  • Gresy sy Roma
  • Adihevitra “kristianina” momba ny anjara
  • Zavatra inoana miely patrana
  • Anjara ve, sa Kisendrasendra?
    Mifohaza!—1999
  • Moa ve manapaka ny fiainanao ny finoana ny anjara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mampianatra ny Finoana ny Anjara ve ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ireo Loza — Lahatra sa Zavatra Mpitranga?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/8 p. 5-8

Eo Am-pitadiavana ny Anjaran’ny Olombelona

NAHOANA no miely patrana aoka izany ny finoana ny anjara? Nitady hamantatra ny zava-miafina eo amin’ny fiainana sy hahita ny anton’ny fitrangan-javatra ny olombelona, nandritra ireo taonjato. “Eo indrindra no miditra an-tsehatra ny hevitra ny amin’ny ‘andriamanitra’ sy ny ‘anjara’ ary ny ‘kisendrasendra’, arakaraka ny hoe hery manana ny maha izy azy, sa fisehoan-javatra tsy manana ny maha izy azy, sa tsy fisehoan-javatra mihitsy, no nahatonga ireo zava-mitranga”, hoy ny fanazavan’ilay mpahay tantara atao hoe Helmer Ringgren. Feno hevitra ny amin’ny finoana sy ny angano ary ny hevi-dravina mifandray amin’ny anjara sy ny vintana ny tantara.

Milaza toy izao ilay manam-pahaizana manokana momba ny fandinihana ny tantaran’i Assyria sy i Babylonia fahiny, antsoina hoe Jean Bottéro: “Ny sivilizasiona avy any Mezôpôtamia no tena nandrafitra ny lafiny rehetra amin’ny kolontsaintsika.” Nanampy teny koa izy fa any Mezôpôtamia fahiny, na Babylonia, no ahitantsika “ny tranainy indrindra amin’ny fihetsika sy ny fanatsoahan-kevitra azo tsapain-tanana, ananan’ny olona, momba ny hery ambony noho ny olombelona, ny rafitra ara-pivavahana tranainy indrindra azo fantarina”. Eto koa no ahitantsika ny niandohan’ny anjara.

Fiandohana fototra niavian’ny anjara

Tao amin’ny sisan-javatra fahiny tany Mezôpôtamia, izay any Irak ankehitriny, no nahitan’ny arkeôlôgy ny sasany tamin’ireo asa soratra tranainy indrindra fantatry ny olombelona. Manampy antsika hahazo sary an-tsaina mazava ny fiainana tao amin’ny sivilizasiona tranainy tany Sumer sy Akkad ary tao amin’ilay tanàna malazan’i Babylona ny takelaka an’arivony maro nisy soratra cunéiforme. Araka ny voalazan’ilay arkeôlôgy atao hoe Samuel N. Kramer, dia “nampikorontan-tsaina [an’ireo mponin’i Sumer] ny olana ny amin’ny fijalian’ny olombelona, ary indrindra fa mifandray amin’ny antony somary mifono zava-miafina”. Nitarika azy ireo ho amin’ny hevitra ny amin’ny anjara ny fikatsahany valiny.

Milaza ilay arkeôlôgy hoe Joan Oates, ao amin’ilay bokiny hoe Babylon, fa “samy nanana ny andriamaniny na ny andriamani-baviny manokana ny Babylonianina tsirairay”. Nino ireo Babylonianina fa “nanapaka izay ho anjaran’ny olombelona rehetra, isam-batan’olona sy amin’ny fitambarany”, ny andriamanitra. Araka ny voalazan’i Kramer, dia nino ireo mponin’i Sumer fa “nandahatra sy nanorina faharatsiana sy fitaka ary herisetra ho tapany tsy afa-misaraka amin’ny sivilizasiona ny andriamanitra izay mifehy an’izao rehetra izao”. Niely patrana ny finoana ny anjara ary nomena fiheverana ambony.

Nihevitra ireo Babylonianina fa azo natao ny namantatra ny lahatra avy tamin’ireo andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanaovana sikidy, izay “fomba nifandraisana tamin’ireo andriamanitra”. Tafiditra ao amin’ny fanaovana sikidy ny fanandramana manambara mialoha ny hoavy amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny fanazavana ary ny filazana ny hevitry ny zava-mahaliana sy ny fisehoan-javatra. Fahita ny fandinihana ny nofy sy ny fihetsiky ny biby ary ny taova ao anatin’ny biby. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 21:26; Daniela 2:1-4.) Noraketina an-tsoratra teo amin’ny takela-tanimanga ny zava-nitranga tsy nampoizina na tsy nahazatra, izay voalaza fa nanambara ny hoavy.

Araka ny voalazan’ilay Frantsay antsoina hoe Édouard Dhorme, manam-pahaizana manokana momba ny sivilizasiona tranainy, dia “arakaraka ny hiverenantsika lavitra kokoa ao amin’ny tantaran’i Mezôpôtamia no ahitantsika ny fanambarana mialoha ny zavatra hiseho, sy ny hevitra ny amin’ny fisikidianana”. Lafiny nisongadina sy tsy afa-nisaraka tamin’ny fiainana ny fisikidianana. Eny tokoa, milaza ny Profesora Bottéro fa “azo heverina ho zavatra azo nodinihina sy nohazavaina araka ny fomban’ireo andriamanitra avokoa ny zava-drehetra (...). Izao rehetra izao hita maso manontolo dia nalaina ho ny porofo azo namantarana izay hitranga rehefa avy nodinihina lalina”. Mpanandro nafana fo àry ny Mezôpôtamianina, ka izany no fomba nanambarany mialoha ny hoavy. — Ampitahao amin’ny Isaia 47:13.

Fanampin’izany, dia nampiasa kodiakely na zavatra fanaovana antsapaka ny Babylonianina rehefa nanao sikidy. Manazava i Deborah Bennett, ao amin’ilay bokiny hoe Randomness fa ireo dia mba “hanilihana ny mety ho fanaovan-javatra avy amin’ny olombelona, ka hanomezana lalana fampitohizana mazava hanehoan’ireo andriamanitra ny sitrapony”. Tsy noheverina ho tsy azo nivalozana anefa ny fanapahan-kevitr’ireo andriamanitra. Azo natao ny nahazo fanampiana mba hanalavirana ny anjara ratsy raha nitalaho tamin’ireo andriamanitra.

Ny anjara, tany Ejipta fahizay

Tamin’ny taonjato faha-15 al.f.i., dia nifandray be i Babylonia sy i Ejipta. Tafiditra tao amin’ny fifanakalozana ara-kolontsaina naterak’izany ny fanao ara-pivavahana nifandray tamin’ny anjara. Nahoana ireo Ejipsianina no nanaiky ny finoana ny anjara? Araka ny voalazan’i John R. Baines, profesora momba ny fandinihana ny tantaran’i Ejipta, ao amin’ny Oniversiten’i Oxford, dia “nahakasika fanandramana hahazo ny hevitry ny fisehoan-javatra tsy azo fantarina mialoha sy ny fahavoazana, sy fanandramana hanao zavatra ho setrin’izany ny ampahany lehibe tamin’ny fivavahana” ejipsianina.

Tamin’ireo andriamanitra ejipsianina maro be, dia i Isis no nolazalazaina ho “mpifehy ny fiainana, mpanapaka izay ho anjara sy ho vintana”. Nanao sikidy sy nanandro koa ny Ejipsianina. (Ampitahao amin’ny Isaia 19:3.) Milaza toy izao ny mpahay tantara iray: “Tsy nisy fetra ny fahaizany namoron-kevitra teo amin’ny fanontaniana an’ireo andriamanitra.” Tsy i Ejipta ihany anefa no hany sivilizasiona nindrana ny hevitra ny amin’ny anjara avy tany Babylona.

Gresy sy Roma

Raha ny raharaha ara-pivavahana no asian-teny dia “tsy afa-nandositra ny hery nahataka-davitra nefa faran’izay mafin’i Babylonia i Gresy fahiny”, hoy ny fanamarihan’i Jean Bottéro. Manazava ny antony nahabe mpitia ny finoana ny anjara tany Gresy ny Profesora Peter Green: “Tao amin’ny tontolo iray tsy azo antoka, izay nahitana olona nihatsy tia mainty ny ho tompon’andraikitra tamin’ny fanapahan-keviny manokana, sady matetika tokoa no nihevi-tena ho fehezin’ny hery ivelan’ny tenany, ka nanjary fitaovana teo am-pelatanan’ireo zavatra notakin’ny Anjara nifono zava-miafina sady tsy azo nivalozana, dia fomba iray hananana hoavy voalahatra amin’ny an-tsipiriany ho tombontsoan’ny isam-batan’olona ny didy avy tamin’ireo andriamanitra [anjara] nampitaina tamin’ny alalan’ny olona tsindrian-javatra. Azo nambara mialoha izay hevitra notapahin’ny Anjara, raha toa ka misy olona manana fahaizana manokana na fahaiza-mahataka-javatra. Mety ho tsy ilay nirin’ny olona iray ho re ilay izy; nefa, fara faharatsiny, mba efa nahafahana niomana mialoha ilay fampitandremana mialoha.”

Nanome toky indray ny isam-batan’olona ny amin’ny hoavy ny finoana ny anjara. Fanampin’izany, dia nanatanteraka zava-kendrena ratsy kokoa izy io. Nanampy mba hifehezana ny daholobe ny hevitra ny amin’ny anjara. Noho izany, araka ny voalazan’i F. H. Sandbach, dia “nanintona ireo olona anisan’ny mpanapaka ny finoana fa eo ambany fitondran’Andriamanitra tanteraka izao tontolo izao”.

Nahoana? Manazava ny Profesora Green fa io finoana io dia “fanamarinana ara-pitondran-tena sy ara-teôlôjia ary araka ny hevi-teny, fanamarinana efa raiki-tampisaka, ho an’ny rafitra sosialy sy politika efa nitoetra: izy io no fitaovana nahery sy an-kolaka indrindra nampaharetana ny tena manokana, fitaovana noforonin’ny antokon’olona grika izay nitondra. Ny fitrangan-javatra na inona izany na inona dia nidika hoe efa voalahatra hitranga izany; ary satria mankasitraka ny taranak’olombelona ny natiora, araka ny fitondran’Andriamanitra, dia azo antoka fa hitondra soa faran’izay betsaka izay voalahatra hitranga”. Raha ny marina, dia nanome “fanamarinana ny fitiavan-tena tsy nisy indrafo” izany.

Manjary miharihary ny hoe neken’ny daholobe ny anjara, raha ny literatiora grika no dinihina. Anisan’ny endrika literatiora tranainy ny tantaran’ireo nahery fo, ny angano ary ny tantara an-tsehatra, izay vonton’ny hevitra ny amin’ny anjara. Ao amin’ny angano grika, dia nasehon’ny andriamanibavy telo antsoina hoe ny Moirai ny anjaran’ny olombelona. I Clotho no mpamoly ny kofehim-piainana, i Lachésis no nametra izay halavan’ny androm-piainana, ary i Atropos no nanapaka ny aina rehefa tapitra ny fotoana. Nanana andriamanitra telo toy izany izay nantsoin’izy ireo hoe ny Parcae, koa ny Romanina.

May erỳ ny Romanina sy ny Grika hahalala izay anjaran’izy ireo, araka ny niheverany azy. Noho izany, dia nindrana ny fanandroana sy ny fisikidianana avy tany Babylona izy ireo, ary nampivoatra azy io kokoa. Nantsoin’ny Romanina hoe portenta, na famantarana, ny fisehoan-javatra nampiasaina mba hamantarana mialoha ny hoavy. Nantsoina hoe omina ny hafatra nampitain’ireny famantarana ireny. Efa nanjary be mpitia ny fanandroana tany Gresy tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i., ary nipoitra tamin’ny 62 al.f.i. ilay tonom-bintana grika efa fantatra tany am-boalohany indrindra. Liana fatratra tamin’ny fanandroana ny Grika, hany ka araka ny voalazan’ny Profesora Gilbert Murray, dia “tonga hatrany amin’ny sain’ny Grika fahiny [ny fanandroana] toy ny nahatongavan’ny aretina vaovao hatrany amin’ny mponina anosy nitokana”.

Ho fanandramana hahalala ny hoavy, dia nampiasa malalaka olona tsindrian-javatra na mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy ny Grika sy ny Romanina. Voalaza fa nifandray tamin’ny olombelona tamin’ny alalan’ireo olona tsindrian-javatra sy mpanelanelana ireo ny andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:16-19.) Inona no vokatr’ireny zavatra ninoana ireny? Hoy ilay filôzôfa atao hoe Bertrand Russell: “Nisolo toerana ny fanantenana ny tahotra; ny zava-nokendren’ny fiainana dia ny hiala amin’ny fahavoazana, fa tsy ny hahatratra zava-kendrena tsara.” Nanjary loha hevitra niteraka adihevitra ny loha hevitra nitovy tamin’izany tao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina.

Adihevitra “kristianina” momba ny anjara

Nisy heriny lehibe teo amin’ny kolontsaina niainan’ny Kristianina tany am-boalohany ny hevitra avy tamin’ny Grika sy ny Romanina momba ny anjara sy ny vintana. Ireo lazaina fa Rain’ny Eglizy, ohatra, dia nanovo hevitra betsaka avy tamin’ny asa soratry ny filôzôfa grika toa an’i Aristote sy i Platon. Olana iray niezahan’izy ireo novahana ny hoe: Afaka ny ho Andriamanitra fitiavana ve ny Andriamanitra iray mahafantatra ny zava-drehetra sady tsitoha, ilay “manambara ny farany hatramin’ny voalohany”? (Isaia 46:10; 1 Jaona 4:8). Raha fantatr’Andriamanitra hatramin’ny voalohany izay ho farany, hoy ny fanjohian-kevitr’izy ireo, dia azo antoka fa efa fantany mialoha fa ho lavo ao amin’ny fahotana ny olombelona ka hisy vokany mahatsiravina izany.

Nanjohy hevitra i Origène, iray tamin’ireo mpanoratra kristianina tany am-boalohany nahavita nanao asa soratra be indrindra, fa anisan’ireo zavatra lehibe tokony hotadidina ny hevitra ny amin’ny safidy malalaka. “Misy tokoa andalan-teny tsy hita isa, ao amin’ny Soratra Masina, izay manorina mazava tsara ny fisian’ny safidy malalaka”, hoy ny nosoratany.

Nilaza i Origène fa ny fanilihana ny andraikitra noho ny zavatra nataontsika ho any amin’ny hery ivelan’ny tenantsika “dia sady tsy marina no tsy mifanaraka amin’ny fahaiza-misaina, fa fanambaran’izay maniry handrava ny hevitra ny amin’ny safidy malalaka”. Nanjohy hevitra i Origène fa na dia afaka mahalala mialoha izay zavatra hiseho araka ny fandaharan-taona aza Andriamanitra, dia tsy midika akory izany hoe izy no mahatonga ny zavatra iray hitranga, na hoe misy antony matoa nitranga ny zavatra iray. Tsy nitovy hevitra tamin’izany anefa ny rehetra.

Nohasarotin’i Augustin (354-430 am.f.i.), Rain’ny Eglizy, lehilahy iray nanan-kery nitaona, ilay adihevitra, tamin’ny fampihenana ny asan’ny safidy malalaka tao amin’ny fisehoan-javatra. Nataon’i Augustin fototry ny teôlôjiany ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny lahatra. Nifotoran’ny adihevitra ny asa sorany, indrindra fa ny De libero arbitrio (Momba ny Safidy Malalaka), tamin’ny Moyen Âge. Tamin’ny farany, dia niafara tamin’ny Fanavaozana ny adihevitra, rehefa nizarazara lalina ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny amin’ny raharaha momba ny lahatra.a

Zavatra inoana miely patrana

Tsy voafetra ho ao amin’ny tontolo tandrefana ihany anefa ny hevitra ny amin’ny anjara. Mampiharihary ny finoany ny anjara ny Miozolimanina rehefa milaza hoe “mektoub” (efa voasoratra izany), rehefa miatrika loza. Raha marina fa manantitrantitra ny asan’ny tsirairay eo amin’ny anjaran’ny tenany manokana ny fivavahana tatsinanana maro, dia misy kosa anefa mariky ny finoana ny anjara ao amin’ny fampianarany.

Ny Karma ao amin’ny Hindoisma sy ny Bodisma, ohatra, dia ny anjara tsy azo ihodivirana vokatry ny asa natao nandritra ny fiainana teo aloha. Any Chine, ny asa soratra tany am-boalohany indrindra hita teo amin’ny akoran-tsokatra dia nampiasaina ho fisikidianana. Anisan’ny zavatra ninoan’ireo mponina teratanin’ireo tanin’i Amerika koa ny anjara. Ny Aztèques, ohatra, dia namorona kalandrie araka an’andriamanitra izay nampiasaina mba hampisehoana ny anjaran’ny isam-batan’olona. Fahita koa ny finoana ny anjara atsy Afrika.

Raha ny marina, ny fielezan’ny faneken’ny olona ny hevitra ny amin’ny anjara dia mampiseho fa manana faniriana fototra ny olombelona, faniriana hino hery iray ambony kokoa noho izy. Miaiky toy izao i John B. Noss, ao amin’ilay bokiny hoe Man’s Religions: “Milaza ny fivavahana rehetra fa na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana dia tsy mahaleo tena, sady tsy afaka ny hahaleo tena, ny olombelona. Mifandray amin’ny hery eo amin’ny Natiora sy ny Fiaraha-monina ivelan’ny tenany izy, ary miantehitra amin’izany mihitsy aza, ka iankinan’ny ainy izany. Fantany mazava na tsy mazava fa tsy foiben-kery mahaleo tena, izay afaka misaraka amin’izao tontolo izao, izy.”

Ankoatra ny ilantsika ny hino an’Andriamanitra, dia ilaintsika mafy koa ny hahatakatra ny hevitr’izay mitranga manodidina antsika. Misy fahasamihafana anefa eo amin’ny hoe manaiky ny fisian’ny Mpamorona tsitoha iray sy ny hoe mino fa mametra ny anjarantsika tsy azo ovana izy. Inona tokoa moa no azontsika atao eo amin’ny fanapahana izay ho anjarantsika? Inona no ataon’Andriamanitra?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny gazety naman’ity, ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 15 Febroary 1995, pejy faha-3-4.

[Sary, pejy 5]

Kalandrie babylonianina fanandroana, tamin’ny 1000 al.f.i.

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris

[Sary, pejy 7]

Nino ny Grika sy ny Romanina fa noferan’ny andriamanibavy telo ny anjaran’ny olombelona

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris

[Sary, pejy 7]

Isis, any Ejipta, ilay “mpanapaka izay ho anjara sy ho vintana”

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris

[Sary, pejy 8]

Asa soratra sinoa tany am-boalohany indrindra teo amin’ny akoran-tsokatra nanaovana fisikidianana

[Sary nahazoan-dalana]

Institute of History and Philology, Academia Sinica, Taipei

[Sary, pejy 8]

Misy mariky ny “zodiaque” eo amin’ity boaty persanina ity

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph taken by courtesy of the British Museum

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara