Fampakaram-bady Mendri-kaja eo Imason’Andriamanitra sy ny Olona
“Nisy fampakaram-bady tao Kana ... Ary nasaina ho amin’ilay fanasambe koa i Jesosy sy ny mpianany.”—JAONA 2:1, 2.
1. Inona no nataon’i Jesosy nandritra ny fampakaram-bady iray tany Kana, ary nahoana?
NIFALY tamin’ny fampakaram-bady mendri-kaja iray teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, i Jesosy sy ny reniny ary ny mpianany sasany. Nanao ny fahagagany voalohany mihitsy aza i Kristy nandritra izany, mba hampiavaka azy io sy hahatonga an’ilay izy hahafinaritra kokoa. (Jaona 2:1-11) Angamba ianao efa nanatrika fampakaram-bady nahafinaritra, izay nahitana Kristianina roa te hanana tokantrano sambatra eo am-panompoana an’i Jehovah. Irinao ho mendri-kaja koa angamba ny fampakaram-badinao, na te hanampy ny namanao ianao amin’ny fampakaram-badiny. Inona avy no azo atao?
2. Inona no fanazavana raketin’ny Baiboly momba ny fampakaram-bady?
2 Tsapan’ny Kristianina fa tena mahasoa ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra, rehefa misy olon-droa mikasa hivady. (2 Timoty 3:16, 17) Marina fa tsy resahin’izy io amin’ny an-tsipiriany ny fomba tokony hanaovan’ny Kristianina ny fampakaram-badiny. Ara-dalàna izany, satria miovaova arakaraka ny toerana sy ny vanim-potoana iainana, ny fanao sy ny zavatra takin’ny lalàna. Tsy nisy fomba narahina, ohatra, teo amin’ny Israely fahiny, rehefa nampaka-bady. Nentin’ilay mpampakatra ho any an-tranony na ho any an-tranon-drainy fotsiny ilay ampakarina, rehefa tonga ny andro ampakarany azy. (Genesisy 24:67; Isaia 61:10; Matio 1:24) Izany zavatra natao teo imasom-bahoaka izany no fampakaram-bady, fa tsy nisy fomba narahina toy ny fahita ankehitriny.
3. Inona no natrehin’i Jesosy tao Kana?
3 Nihevitra an’io zavatra nataon’ny mpampakatra io ho fampakaram-bady ny Israelita. Nety ho nifaly tamin’ny fanasambe toy ilay voaresaka ao amin’ny Jaona 2:1, 2 izy ireo, taorian’izay. Toy izao no andikana io andininy io ao amin’ny Baiboly maro: “Nisy fampakaram-bady tao Kana.” Ny mahadika tsara an’ilay teny tany am-boalohany anefa dia hoe “fanasambe amin’ny fampakaram-bady.”a (Matio 22:2-10; 25:10; Lioka 14:8) Asehon’ilay fitantarana fa nanatrika ny fanasambe tamin’io fampakaram-bady io i Jesosy, ary nanao fahagagana mihitsy aza mba hahatonga an’ilay izy hahafinaritra kokoa. Ny tiana hasongadina anefa dia hoe samy hafa ny fampakaram-bady tamin’izany sy ny fahita ankehitriny.
4. Fampakaram-bady manao ahoana no fidin’ny Kristianina sasany, ary nahoana?
4 Any amin’ny tany maro, dia tsy maintsy manaraka ny fepetra takin’ny lalàna ny Kristianina te hanambady. Raha mahafeno ireny fepetra ireny izy ireo, dia afaka mampaka-bady araka izay takin’ny lalàna. Angamba izany fisoratana eo ambany fitarihan’ny mpitsara, na ben’ny tanàna, na olon-kafa nahazo alalana tamin’ny Fanjakana. Izany no fidin’ny Kristianina sasany hanaovana ny fampakaram-badiny. Havana na namana akaiky vitsivitsy no asainy hanatrika, mba ho vavolombelona araka ny lalàna, na mba hiara-mifaly amin’ilay fotoan-dehibe fotsiny. (Jeremia 33:11; Jaona 3:29) Mety hifidy ny tsy hanisy fanasambe koa ny Kristianina sasany, satria mila vola sy fiomanana be izany. Namana akaiky vitsivitsy, no asainy hiara-misakafo aminy ary tsy be mpahafantatra ilay izy. Na inona na inona anefa mety hofidintsika, dia tokony hekentsika fa mety hanana hevitra hafa tanteraka noho ny antsika ny Kristianina matotra hafa.—Romanina 14:3, 4.
5. Nahoana ny ankamaroan’ny Kristianina no te hanisy lahatenim-panambadiana, ary inona no resahina ao amin’ilay lahateny?
5 Mifidy ny hanisy lahateny ara-baiboly ny ankamaroan’ny Kristianina amin’ny fampakaram-badiny.b Eken’izy ireo mantsy fa avy amin’i Jehovah ny fanambadiana. Ekeny koa fa manome torohevitra feno fahendrena i Jehovah ao amin’ny Teniny, momba izay azon’ny mpivady atao mba hahasambatra ny tokantranony. (Genesisy 2:22-24; Marka 10:6-9; Efesianina 5:22-33) Maro amin’ireo mikasa hivady koa no maniry hiara-mifaly amin’ny havany sy ny namany kristianina, amin’io fotoana io. Miovaova arakaraka ny toerana anefa ny fepetra takin’ny lalàna amin’ny fampakaram-bady. Miovaova koa ny fanatanterahana azy io, ary na dia ny fanao eo an-toerana aza. Ahoana àry no tokony hiheverantsika azy ireny? Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny zava-misy any amin’ny faritra samihafa. Mety ho samy hafa be amin’izay fantatrao, na izay atao eo amin’ny misy anao ny sasany aminy. Azonao marihina anefa ny fitsipika ankapobe itovizany, izay tena zava-dehibe amin’ny Kristianina.
Manaraka izay takin’ny lalàna ny fampakaram-bady mendri-kaja
6, 7. Nahoana no tokony hanaraka izay takin’ny lalàna ny olona hanambady, ary ahoana no ampisehoantsika fa manara-dalàna isika?
6 Marina fa avy amin’i Jehovah ny fanambadiana, nefa misy lalàna koa apetraky ny fitondram-panjakana ho an’izay olona hanambady. Mety raha manao izany ny fanjakana. Hoy i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17) Nandidy toy izao koa ny apostoly Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.”—Romanina 13:1; Titosy 3:1.
7 Any amin’ny tany maro, dia i Kaisara na ny manam-pahefana no mamaritra hoe iza no afaka manambady. Raha te hivady àry ny Kristianina roa, ary tsy misy fitsipiky ny Baiboly misakana azy, dia tokony hanaraka an-tsakany sy an-davany ny lalàna mihatra eo an-toerana izy ireo. Ilainy angamba, ohatra, ny maka fahazoan-dalana sy mangataka solontenam-panjakana mba hanatanteraka ilay fampakaram-bady, ary angamba hanoratra izany ao amin’ny bokim-piankohonana. Rehefa nampanao “fanoratana” i Aogosto Kaisara, dia nankatò izany i Maria sy Josefa, ary nankany Betlehema “mba hisoratra anarana.”—Lioka 2:1-5.
8. Rahoviana no manan-kery ny fanambadiana, ka inona no tsy ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?
8 Rehefa mivady araka ny fomba eken’ny lalàna ny Kristianina roa, dia efa manan-kery eo imason’Andriamanitra ny fanambadiany. Tsy mamerimberina fampakaram-bady àry ny Vavolombelon’i Jehovah, na mamerina manao voadim-panambadiana, toy ny ataon’ny mpivady sasany rehefa tonga ny faha-25 taona na faha-50 taonan’ny mariaziny. (Matio 5:37) (Tsy eken’ny fivavahana sasany ho manan-kery, ny fampakaram-bady ara-dalàna any amin’ny biraom-panjakana. Tsy tena mpivady, hono, ny olon-droa raha tsy misy mpitondra fivavahana manamasina ilay fanambadiana, na manambara azy ireo ho mpivady.) Any amin’ny tany maro, dia misy mpiandraikitra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah mahazo alalana amin’ny fanjakana hanoratra fanambadiana. Raha izany no izy, dia azo inoana fa ho tiany hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana, na ny fisoratana na ny lahatenim-panambadiana. Toerana fanaovana fanompoam-pivavahana marina ny Efitrano Fanjakana, ary mety tsara hanaovana lahateny momba ny fanambadiana, satria i Jehovah Andriamanitra no nanorina ny fanambadiana.
9. a) Mety hifidy ny hanisy inona ny Kristianina roa mikasa hivady, aorian’ny fisoratana? b) Inona no andraikitry ny anti-panahy, eo amin’ny fandaminana ilay fampakaram-bady?
9 Any amin’ny tany hafa indray, dia takin’ny lalàna ny hanaovana ny fampakaram-bady any amin’ny biraom-panjakana, toy ny lapan’ny tanàna, na eo anatrehan’ny solontenam-panjakana. Mankatò izany ny Kristianina. Matetika izy ireo no mifidy ny hanisy lahatenim-panambadiana any amin’ny Efitrano Fanjakana, amin’iny andro iny ihany na ny ampitson’iny. (Tsy tiany hifanelanelana andro maro ny fisoratana sy ny lahateny ara-baiboly. Efa mpivady ara-dalàna mantsy izy ireo amin’izay, eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, anisan’izany ny fiangonana.) Raha tian’ny olon-droa mikasa hivady ny hanaovana lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana, dia tokony hangataka fahazoan-dalana amin’ny anti-panahy anisan’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana izy ireo. Hodinihin’ireo mpiandraikitra ireo mantsy aloha raha samy tsara laza izy roa. Hojereny avy eo, raha tsy mifanindry amin’ny fivoriana sy ny fandaharana ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny fotoanan’ilay fampakaram-bady. (1 Korintianina 14:33, 40) Hodinihin’izy ireo koa izay fandravahana sy fanovana kasain’ilay mpivady hatao amin’ilay efitrano, ary hanapa-kevitra izy ireo raha tokony hasiana fampandrenesana mahakasika an’ilay lahatenim-panambadiana.
10. Ahoana no tokony hanaovana ny lahatenim-panambadiana, rehefa vita ny soratra?
10 Hiezaka ilay anti-panahy mba ho feno fisakaizana sy mampahery ary mihaja ilay lahatenim-panambadiana. Hohazavainy fa efa mpivady izy roa araka ny lalàn’i Kaisara, satria efa vita ny soratra. Mety ho tian’ireo mpivady vao ny hanao voady mandritra ilay lahateny, raha mbola tsy nanao izany izy ireo tany amin’ny biraom-panjakana.c Raha efa nisy voady nifanaovany kosa tany, nefa mbola te hanao izany eo anatrehan’i Jehovah sy ny fiangonana izy mivady, dia hampiasa fomba fiteny milaza ny lasa izy ireo, ka hasehony amin’izany fa efa ‘niray zioga’ izy.—Matio 19:6; 22:21.
11. Any amin’ny tany sasany, inona no tokony hataon’ny olon-droa raha tiany ho ara-dalàna ny fanambadiany? Ahoana no tokony hanaovana ny lahatenim-panambadiana amin’izay?
11 Any amin’ny tany sasany, dia tsy misy lalàna momba ny fanatanterahana ny fampakaram-bady, ary tsy takina akory na dia ny fisoratana eo anatrehan’ny manam-pahefana aza. Taratasy kosa no fenoin’ireo mikasa hivady, ary soniaviny. Ateriny any amin’ny solontenam-panjakana ilay izy avy eo, ka amin’izay no lasa mpivady izy ireo. Raketina an-tsoratra avy hatrany ilay fanambadiana, ary amin’io andro io no datin’ilay fampakaram-bady. Araka ny voalaza tetsy aloha, dia mety ho tian’izy roa hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana avy hatrany, aorian’io firaketana an-tsoratra io, ny lahateny ara-baiboly ataon’ny rahalahy matotra iray. Hampahafantatra ny mpanatrika rehetra izy fa mpivady izao izy roa, satria efa vita ny firaketana an-tsoratra. Tokony hifanaraka amin’izay voalaza eo amin’ny fehintsoratra faha-10 sy ilay fanamarihana ambany pejy miaraka aminy, ny voady atao. Hiara-mifaly amin’izy mivady ny mpanatrika rehetra ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ary handray soa amin’ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra.—Tonon-kiran’i Solomona 3:11.
Fampakaram-bady any amin’ny biraom-panjakana sy araka ny fomba nentim-paharazana
12. Inona no atao hoe fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana, ary inona no tokony hatao aorian’ny fampakaram-bady toy izany?
12 Fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana no ataon’ny olon-droa mikasa hivady, any amin’ny tany sasany. Tsy tokantranomaso, na olon-droa miara-miaina nefa tsy mpivady ara-dalàna, no tiana holazaina eto. Tsy araka ny lalàna mantsy izany, na dia mety heken’ny olona any amin’ny faritra sasany aza.d Ny tianay holazaina kosa dia fampakaram-bady tanterahina araka ny fombafomba eken’ny besinimaro ao amin’ny foko na faritra iray. Mety ho anisan’izany fombafomba izany ny vodiondry, ka aorian’izay dia eken’ny lalàna sy ny Soratra Masina ho mpivady izy roa. Mihevitra ny fampakaram-bady toy izany ho manan-kery sy ara-dalàna ny fitondram-panjakana any amin’ireny tany ireny. Mazàna, avy eo, no azo raketina an-tsoratra ao amin’ny bokim-piankohonana ilay fanambadiana, ka hahazo sora-piankohonana izy mivady. Afaka miaro azy roa na ireo zanaka haterany io firaketana an-tsoratra io. Afaka miaro an’ilay vehivavy koa izany, raha sanatria maty ny vadiny. Ampirisihin’ny fiangonana àry ireo nanao fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana, mba hampiditra izany haingana araka izay azo atao ao amin’ny bokim-piankohonana. Tsara homarihina fa toa noraketina an-tsoratra ny fanambadiana sy ny fahaterahana, teo ambany Lalàn’i Mosesy.—Matio 1:1-16.
13. Ahoana no tokony hanaovana ny lahatenim-panambadiana, aorian’ny fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana?
13 Lasa mpivady àry ny olon-droa rehefa vita ilay fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana, satria mpivady izy ireo eo anatrehan’ny lalàna. Araka ny voalaza tetsy aloha, dia mety ho tian’ny Kristianina nanaovana an’io fampakaram-bady eken’ny lalàna io ny hanisy lahateny sy hanao voady ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Holazain’ny mpandahateny amin’izay fotoana izay, fa efa mpivady araka ny lalàn’i Kaisara izy roa. Indray mandeha ihany àry no atao ny lahateny ara-baiboly toy izany, satria iray ihany ilay fampakaram-bady, dia ilay fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana eken’ny lalàna. Ho mendri-kaja eo anivon’ny fiaraha-monina ny fanambadiana kristianina, raha atao mifanakaiky araka izay azo atao ilay fampakaram-bady sy ny lahateny. Tsara kokoa aza izany raha atao ao anatin’ny iray andro.
14. Inona no mety ho safidin’ny Kristianina, raha samy ara-dalàna ny fampakaram-bady any amin’ny biraom-panjakana sy ny araka ny fomba nentim-paharazana?
14 Azo atao koa indraindray ny misora-panambadiana any amin’ny biraom-panjakana, any amin’ny tany haneken’ny lalàna ny fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana. Mazàna ilay fisoratana no atao eo anatrehan’ny manam-pahefana, ary mety hisy fanaovana voadim-panambadiana sy fanaovana sonia ny bokim-piankohonana. Aleon’ny Kristianina sasany io fampakaram-bady io, toy izay ilay fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana. Tsy takin’ny lalàna hoe tsy maintsy atao izy roa ireo, satria samy eken’ny lalàna. Mihatra eto koa izay voalaza teo amin’ny fehintsoratra faha-9 sy faha-10 momba ny lahatenim-panambadiana sy ny voady. Ny zava-dehibe indrindra dia ny hanambadian’ny olon-droa amin’ny fomba mendri-kaja eo imason’Andriamanitra sy ny olona.—Lioka 20:25; 1 Petera 2:13, 14.
Mifanomeza voninahitra
15, 16. Ahoana no hifanomezam-boninahitra mandritra ny fampakaram-bady sy aorian’izany?
15 Aoka ‘samy hanome voninahitra ny vadiny avy ny vehivavy rehetra.’ Izany no torohevitra mahasoa nomen’ny lehiben’ny mpanolo-tsaina atao hoe Memokana, rehefa nisy olana nipoitra tao an-tokantranon’ny mpanjaka persanina iray. (Estera 1:20) Tsy voatery hisy didy avoakan’ny mpitondra fanjakana vao hanome voninahitra ny vadiny ny vehivavy kristianina, fa izy mihitsy no maniry hanao izany. ‘Manome voninahitra ny vadiny’ koa ny lehilahy kristianina, sady midera azy. (Ohabolana 31:11, 30; 1 Petera 3:7) Hatrany am-boalohany mihitsy, izany hoe manomboka amin’ny fampakaram-bady, dia efa tokony hifanome voninahitra ny mpivady, fa tsy hiandry taona maro.
16 Tsy ilay mpampakatra sy ilay ampakarina ihany no tokony hifanome voninahitra amin’ny andro fampakaram-bady. Tokony ho feno fanajana koa ny lahatenim-panambadiana ataon’ny anti-panahy kristianina. Tokony havantana amin’izy roa ilay lahateny. Anisan’ny fanomezam-boninahitra azy ireo ilay izy, ka tsy hofenoina vazivazy na oha-pitenenana tsy dia mitombina loatra. Tsy tokony hidiran’ilay mpandahateny lalina loatra ny fiainana manokan’ilay mpivady. Mety hahasanganehana azy roa sy ny mpanatrika izany. Hiezaka ny ho tsara fanahy sy hampahery kosa izy, ka hanandratra an’ilay Mpamorona ny fanambadiana sy hanasongadina ireo toroheviny faran’izay tsara. Tena anisan’ny mahatonga ny fampakaram-bady hanome voninahitra an’i Jehovah ny lahatenim-panambadiana mendri-kaja ataon’ny anti-panahy.
17. Nahoana no tokony hanaraka ny lalàna eo an-toerana ny fampakaram-badin’ny Kristianina?
17 Voamarikao angamba fa nisy hevitra maro momba ny zavatra takin’ny lalàna amin’ny fampakaram-bady tato amin’ity lahatsoratra ity. Misy lafiny sasany tsy mihatra eo amin’ny tany misy anao. Ilaintsika rehetra anefa ny mitadidy, fa tokony hanaraka ny lalàna eo an-toerana ny fampakaram-badin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba handoavana amin’i Kaisara izay an’i Kaisara. (Lioka 20:25) Hoy i Paoly: ‘Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra, ny haba ho an’izay mitaky haba, ny haja ho an’izay tokony hohajaina.’ (Romanina 13:7) Mety tokoa raha manomboka amin’ny andro fampakaram-bady mihitsy, dia efa manaja ny fandaharana napetrak’Andriamanitra momba ny fanambadiana ny Kristianina.
18. Inona no mety ho tian’ny sasany hatao amin’ny fampakaram-badiny, ary aiza no ahitantsika fanazavana momba izany?
18 Maro amin’ny fampakaram-badin’ny Kristianina no arahin’ny fanaovana lanonana, toy ny fiaraha-misakafo na fiaraha-mikorana. Tadidio fa nanatrika lanonana toy ireny i Jesosy. Raha hisy àry ny fanasana toy izany, dia tokony ho azo antoka fa hanome voninahitra an’Andriamanitra ilay izy, sady hahatsara laza an’ilay mpivady vao sy ny fiangonana kristianina. Inona no torohevitra ara-baiboly hanampy antsika amin’izany? Izay mihitsy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.e
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo ampiasaina amin’ny fanasambe iray tsy misy ifandraisany amin’ny fampakaram-bady koa ilay teny.—Estera 9:22.
b Drafitra ho an’ny lahatenim-panambadiana maharitra 30 minitra no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitondra ny lohateny hoe “Fanambadiana Mendri-kaja eo Imason’Andriamanitra” izy io. Hazavaina ao ireo torohevitra tsara ara-baiboly avy ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana sy boky hafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandray soa avy amin’io lahateny io ireo mpivady vao sy ireo mpanatrika.
c Raha tsy misy zavatra hafa takin’ny lalàna eo an-toerana, dia ireto voady manome voninahitra an’Andriamanitra ireto no hataon’izy roa. Ho an’ny mpampakatra: “Izaho [anaran’ny mpampakatra] dia mandray anao [anaran’ny ampakarina] ho vadiko ara-dalàna, hotiaviko sy holalaiko mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina ho an’ny lehilahy kristianina manambady, raha mbola miara-miaina eto an-tany koa isika, araka ny fandaharan’Andriamanitra momba ny fanambadiana.” Ho an’ny ampakarina: “Izaho [anaran’ny ampakarina] dia mandray anao [anaran’ny mpampakatra] ho vadiko ara-dalàna, hotiaviko sy holalaiko ary tena hohajaiko, mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina ho an’ny vehivavy kristianina manambady, raha mbola miara-miaina eto an-tany koa isika, araka ny fandaharan’Andriamanitra momba ny fanambadiana.”
d Miresaka momba ny fanaovana tokantranomaso Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Mey 1962, pejy 287.
e Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja”, ao amin’ny pejy 28.
Tadidinao Ve?
• Nahoana isika no tokony hanaraka izay takin’ny lalàna sy ny Soratra Masina momba ny fampakaram-bady?
• Raha vao vita ny fisoratam-panambadiana, inona koa no mety hirin’ny Kristianina sasany?
• Nahoana no atao any amin’ny Efitrano Fanjakana ny lahatenim-panambadiana?
[Sary, pejy 18]
Tamin’ny fampakaram-bady teo amin’ny Israely fahiny, dia nentin’ilay mpampakatra ho any an-tranony na ho any an-tranon-drainy ilay ampakarina
[Sary, pejy 21]
Tian’ny Kristianina sasany ny hanisy lahateny any amin’ny Efitrano Fanjakana, aorian’ny fampakaram-bady araka ny fomba nentim-paharazana