FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/03 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampakaram-bady Mendri-kaja eo Imason’Andriamanitra sy ny Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tsy Maintsy Manaraka Fombafomba ve Rehefa Mampaka-bady?
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 2/03 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Inona no antony anaovana lahatenim-panambadiana sy amerenana ny voadim-panambadiana any amin’ny Efitrano Fanjakana?

Any amin’ny tany sasany, dia tsy maintsy solontenan’ny fanjakana, toy ny ben’ny tanàna na mpitsara, no manoratra ny fanambadiana any amin’ny lapan’ny tanàna, na any amin’ny fitsarana. Manaraka izany koa ny Kristianina. Mety haniry hiaraka hifaly amin’ny rahalahiny, sy hihaino lahateny ara-baiboly momba ny fanambadiana koa anefa ny mpivady kristianina. Mety hangataka hampiasa ny Efitrano Fanjakana àry izy ireo mba hanaovana lahateny ara-baiboly, aorian’ny fisoratana. Tsy io lahateny atao any amin’ny Efitrano Fanjakana io anefa no tena atao hoe fampakaram-bady, satria efa vita talohan’izay ilay izy.

Afaka mangataka ny hanaovana lahateny ara-baiboly any amin’ny Efitrano Fanjakana àry ny mpivady tsara laza eo anivon’ny fiangonana, aorian’ny fisoratana. Azony atao any an-toeran-kafa koa ilay lahateny.

Maro ny olona any amin’ny Kristianisma Anarana no mihevitra fa tsy maintsy hatao any am-piangonana ny fanambadiana vao eken’Andriamanitra. Tsy izany anefa no izy. (Gen. 24:67) Manan-kery eo imason’Andriamanitra sy ny fiangonana kristianina ny fanambadian’ny olon-droa, raha efa nosoratan’ny ben’ny tanàna na ny manam-pahefana hafa, sady tsy misy antony misakana azy ireo tsy hivady.

Mety hisy hihevitra fa tsy manan-kery ilay fisoratana, raha volana na taona maro atỳ aoriana vao atao ilay lahateny ara-baiboly. Niandry ela loatra, na herinandro maro mihitsy, ny mpivady sasany vao nampanao ilay lahateny tany amin’ny Efitrano Fanjakana na toeran-kafa. Nanafintohina ny sasany izany, satria noheveriny fa mety ho nanao firaisana izy roa talohan’ilay lahateny tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Anjaran’izy mivady anefa ny manapaka hoe hiray trano izy sa tsia, alohan’ilay lahateny ara-baiboly. Tokony hitandrina anefa izy mba tsy hanafintohina ny hafa. Tsara àry raha atao haingana araka izay azo atao aorian’ny fisoratana ny lahatenim-panambadiana, angamba mandritra iny andro iny ihany na ny ampitson’iny. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1997, pejy 24: “Rehefa asiana lahatenim-panambadiana aorian’ny fisoratana izay tsy maintsy atao, dia ho fahendrena ny tsy hamelana andro maro hanelanelana ireo fisehoan-javatra roa ireo.”

Nisy mpivady nangataka hamerina ny voadim-panambadiany any amin’ny Efitrano Fanjakana, raha vao vita ny fisoratana, ary mety izany. Misy mihevitra anefa fa ny voady atao any amin’ny Efitrano Fanjakana ihany no tena azo antsoina hoe voady. Marihina fa na dia mamaly fanontaniana fotsiny aza izy mivady rehefa misoratra, dia tena mifanao voady izy amin’izay fotoana izay. Araka ny torohevitr’i Jesosy, dia tokony hidika hoe “Eny” ny “eny” lazainy, ka hihevitra ny voadiny ho manan-kery eo imason’Andriamanitra sy ny olona izy. (Matio 5:37) Mifandray amin’izany ny voalazan’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1984, pejy 14, manao hoe: ‘Raha efa nisy manam-pahefana nanoratra ny fanambadian’izy ireo, dia afaka milaza ilay mpandahateny fa efa narahina ny fepetra ara-dalàna. Mety hisy ihany anefa mpivady te hamerina ilay voady eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana.’

Nantsoin’ny rahalahy sasany hoe fanambadiana voalohany ny fisoratana, ary “fanambadiana faharoa” ilay lahateny any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy izany anefa no izy, araka ny voalaza teo ambony. Iray ihany ny fampakaram-bady.

Afaka manambady olon-kafa anefa ny rahalahy na anabavy iray raha tsy manambady intsony izy, satria maty vady, ohatra. Ara-dalàna izany “fanambadiana faharoa” izany, ary afaka mampanao lahatenim-panambadiana ao amin’ny Efitrano Fanjakana izy mivady, raha samy tsara laza eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana.

Rehefa manaraka ireo torohevitra ireo isika, dia hatao amin’ny fomba mendrika ny zava-drehetra sady tsy hanafintohina.​—1 Kor. 14:40.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara