FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/8 p. 13-15
  • Nahoana Isika no Tokony Hahay Hankasitraka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Tokony Hahay Hankasitraka?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ao an-tokantrano
  • Amin’ny namana sy ny mpiara-monina
  • Nahoana no tokony hahay hankasitraka na dia tsy toy izany aza ny hafa?
  • Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • “Fa aiza ny sivy?”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Aoka isika hiseho ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/8 p. 13-15

Nahoana Isika no Tokony Hahay Hankasitraka?

“Ho an’i Raquel,

Misaotra indrindra nampahery ahy. Tsara fanahy ianao ary nampahery ahy ny teninao. Tena nanampy ahy izany, na dia mety tsy ho fantatrao aza.”—Jennifer.

EFA mba naharay taratasy tsy nampoizina, maneho fankasitrahana na fisaorana ve ianao? Azo antoka fa faly ianao. Ara-dalàna tokoa raha maniry hoheverina ho sarobidy sy hankasitrahana isika.—Matio 25:19-23.

Manamafy ny fifankatiavana ny fahaiza-mankasitraka. Manahaka an’i Jesosy Kristy koa ny olona mahay mankasitraka. Nahamarika ny zavatra tsara nataon’ny hafa foana mantsy izy.—Marka 14:3-9; Lioka 21:1-4.

Mampalahelo fa tsy fahita firy intsony ny fahaiza-mankasitraka, na am-bava izany na an-tsoratra. Efa nilaza ny Baiboly fa “tsy hisaotra” ny olona “amin’ny andro farany.” (2 Timoty 3:1, 2) Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanjary tsy hahay hankasitraka toy ny ankamaroan’ny olona ankehitriny.

Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampianarana ny zanany hahay hankasitraka? Iza no tokony hisaorana? Ary nahoana isika no tokony hahay hankasitraka, na dia tsy toy izany aza ny olona maro?

Ao an-tokantrano

Miasa mafy ny ray aman-dreny mba hamelomana ny zanany. Mety hahatsapa anefa izy ireo indraindray fa tsy ankasitrahan-janany ny ezaka ataony. Inona àry no azon’izy ireo atao? Misy zavatra telo tena ilaina ireto:

1) Modely. Fomba mandaitra hampianarana ny ankizy ny fanomezana modely. Hoy ny Baiboly momba ny reny iray niasa mafy tany Israely fahiny: “Ny zanany mitsangana ka midera azy.” Iza no nampianatra an’ireo ankizy ireo hahay hankasitraka? Hoy ny tohin’ilay andininy: “Ny lahy koa mitsangana ka midera azy.” (Ohabolana 31:28) Mila mifaneho fankasitrahana àry ny ray aman-dreny, mba ho hitan’ny zanany fa mahafaly ny anehoana izany, sady manatsara ny fifandraisan’ny mpianakavy, ary porofon’ny fahamatorana.

Hoy i Stephen, raim-pianakaviana: “Niezaka nanome modely ho an-janako aho, ka nisaotra ny vadiko tamin’ny sakafo hariva nataony.” Inona no vokany? Hoy ihany izy: “Voamariky ny zanako roa vavy izany, ka nanampy azy ireo hahatsapa bebe kokoa fa ilaina ny mahay mankasitraka.” Raha manambady ianao, misaotra ny vadinao foana ve ianao amin’ireo raharaha madinika fanao isan’andro? Misaotra ny zanakao ve ianao, na dia amin’ny zavatra tokony hataony aza?

2) Fampianarana. Toy ny voninkazo ny fahaiza-mankasitraka, ka mila kolokoloina vao mandrobona tsara. Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao mba hampianarana ny zanany hahay hankasitraka? Nanasongadina hevi-dehibe iray i Solomona mpanjaka hendry, rehefa nanoratra hoe: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.”—Ohabolana 15:28.

Ry ray aman-dreny, raha mahazo fanomezana ny zanakareo, ampianareo ve izy hieritreritra ny ezaka sy ny fahalalahan-tanan’ilay nanome izany? Mampitombo ny fahaizany mankasitraka izany, toy ny nofon-tany mampaniry ny voninkazo. Hoy i Maria, manan-janaka telo: “Rehefa misy manome fanomezana ny zanako, dia mipetraka mihitsy aho ary manazava amin’izy ireo hoe: ‘Matoa ny olona manome fanomezana, dia nieritreritra momba anareo izy, ary te hampiseho fa tena miahy anareo.’ Maka fotoana ny firesahana toy izany, nefa mendrika ny hatao.” Ianaran’ny ankizy avy amin’ny resaka toy izany hoe inona no tokony holazainy rehefa mankasitraka izy, ary nahoana izy no tokony hilaza izany.

Hendry ny ray aman-dreny raha manampy ny zanany tsy hihevitra fa zony ny mahazo zavatra tsara be dia be.a Azo ampiharina amin’ny ankizy koa ilay fampitandremana momba ny mpanompo, ao amin’ny Ohabolana 29:21, manao hoe: “Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely dia hihambo ho zanaka [tsy hahay hankasitraka, TV ] any am-parany.”

Ahoana no azo anampiana ny ankizy kely hahay hankasitraka? Hoy i Linda, manan-janaka telo: “Rehefa manoratra taratasy fisaorana izahay mivady, dia asainay manao sary ampiarahina amin’ilay taratasy ny zanakay, na asainay manoratra ny anarany eo amin’ilay izy.” Marina fa mety ho tsotra ilay sary ary tsy tsara ilay soratra. Mampianatra an’ilay ankizy hahay hankasitraka foana anefa izany.

3) Faharetana. Tsy mieritreritra afa-tsy ny tenantsika isika mazàna, ka mety tsy hahay hisaotra. (Genesisy 8:21; Matio 15:19) Mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra anefa ny Baiboly hoe: “Mba hohavaozina kosa ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo, ka mba hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra.”—Efesianina 4:23, 24.

Fantatry ny ray aman-dreny ela nitaizana, fa tsy mora ny manampy ny ankizy “hitafy ny toetra vaovao.” Hoy i Stephen, voaresaka tetsy aloha: “Ela ireo zanakay vavy vao nahay nisaotra tsy nila nampahatsiahivina.” Tsy kivy anefa izy mivady. Hoy i Stephen: “Nanam-paharetana be izahay, ka hain’izy ireo ihany izany tamin’ny farany. Faly erỳ izahay izao mahita azy ireo mahay mankasitraka ny hafa.”

Amin’ny namana sy ny mpiara-monina

Na dia mahay mankasitraka aza isika, dia mety ho hadinontsika indraindray ny milaza izany. Tsy efa ampy ve ny mankasitraka ao am-po? Sa tsy maintsy aseho izany? Mba hamaliana izany dia diniho ny tantaran’i Jesosy sy ireo boka folo.

Nihaona tamin’ny boka folo lahy i Jesosy, rehefa nankany Jerosalema. Hoy ny Baiboly: “Niantso mafy [izy ireo] hoe: ‘Ry Jesosy Mpampianatra ô, mba iantrao izahay!’ Ary raha vao nahita azy ireo izy, dia nanao hoe: ‘Mandehana miseho any amin’ny mpisorona.’ Dia lasa ireo, ka nadio raha mbola teny an-dalana. Ary nony hitan’ny anankiray fa sitrana izy, dia niverina io ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny feo avo. Dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy izy, ka nisaotra azy. Ary Samaritanina izy io.”—Lioka 17:11-16.

Tsy niraharaha ve i Jesosy, rehefa tsy nahay nankasitraka ireo sivy hafa? Izao no tohin’ilay fitantarana: “Koa hoy i Jesosy: ‘Tsy efa voadio avokoa moa izy folo? Fa aiza ny sivy? Dia tsy nisy niverina mba hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity hafa firenena ity ihany ve?’ ”—Lioka 17:17, 18.

Tsy ratsy fanahy ireo sivy hafa. Nilaza ampahibemaso ny finoany an’i Jesosy izy ireo. Nankatò ny toromarika nomeny koa izy ireo, anisan’izany ny fankanesana any Jerosalema mba hiseho amin’ny mpisorona. Tsy isalasalana fa tena nankasitraka ny hatsaram-panahin’i Jesosy izy ireo. Tsy nolazainy anefa izany. Nandiso fanantenana an’i Kristy izany. Ahoana ny amintsika? Rehefa misy manao soa amintsika, moa ve isika mailaka ny hisaotra, ka handefa taratasy milaza izany, raha azo atao?

Milaza ny Baiboly fa ny fitiavana dia “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany.” (1 Korintianina 13:5) Tsy hoe fanehoana fahalalam-pomba, na fahamendrehana, fotsiny àry ny fankasitrahana avy amin’ny fo, fa porofom-pitiavana koa. Hitantsika avy amin’ny tantaran’ireo jamba folo, fa raha te hampifaly an’i Kristy isika, dia tokony ho tia sy hahay hankasitraka ny olona rehetra, na inona na inona fireneny, na fokony, na fivavahany.

Eritrereto hoe: ‘Oviana no farany nisaorako ny mpiara-monina amiko, ny mpiara-miasa, mpiara-mianatra, mpiasan’ny hopitaly, mpivarotra, na olon-kafa nanampy ahy?’ Ato anatin’ny iray na roa andro, nahoana raha soratana ny isan’ny nitenenanao hoe ‘misaotra’, na ny fomba hafa nanehoanao fankasitrahana? Mety hanampy anao izany hahita izay azo hatsaraina eo amin’ny fahaizanao mankasitraka.

I Jehovah Andriamanitra no tena mendrika isaorantsika indrindra. Izy mantsy no Mpanome “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jakoba 1:17) Oviana no farany nilazanao tamim-pahatsorana ny fankasitrahanao an’Andriamanitra, noho ny zavatra iray nataony taminao?—1 Tesalonianina 5:17, 18.

Nahoana no tokony hahay hankasitraka na dia tsy toy izany aza ny hafa?

Mety tsy hahay hankasitraka antsika ny hafa rehefa manao soa aminy isika. Nahoana anefa isika no tokony hahay hankasitraka foana? Diniho ity antony iray ity.

Manahaka an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona sy Mpanao Soa, isika, rehefa manao soa amin’ireo tsy mahay mankasitraka. Maro ny olona tsy mankasitraka ny fitiavana asehon’i Jehovah, nefa tsy mahasakana azy tsy hanao soa amin’izy ireo izany. (Romanina 5:8; 1 Jaona 4:9, 10) “Mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy” izy, ary “mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” Ho hita fa ‘zanaky ny Raintsika any an-danitra isika’ raha miezaka hahay hankasitraka, na dia tsy toy izany aza ny ankamaroan’ny olona.—Matio 5:45.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ray aman-dreny maro no mamaky sy miara-midinika amin-janany ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Mahay Misaotra ve Ianao?” Izany no lohatenin’ny Toko 18 amin’io boky io.

[Teny notsongaina, pejy 15]

Ato anatin’ny iray na roa andro, nahoana raha soratana ny isan’ny nitenenanao hoe ‘misaotra’?

[Sary, pejy 15]

Mahaiza mankasitraka mba hotahafin’ny zanakao

[Sary, pejy 15]

Azo ampianarina hahay hankasitraka na dia ny ankizikely aza

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara