FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 15/10 p. 3-6
  • Nahafoy Tena Izy Ireo: Brezila

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahafoy Tena Izy Ireo: Brezila
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “TSY NAMPINO ILAY IZY!”
  • NANDINIKA NY FANOMPOANY INDRAY IZY
  • NY FITENDRENA ZAVAMANENO SA NY FANOMPOANA?
  • “TSY MAINTSY NIJANONA AHO”
  • Mitondra Valisoa ny Fanekena ny Fanasan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Nahafoy Tena Izy Ireo: Ekoatera
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Nahazo Hery Izy, ka Niova
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Nitahy ny fahavononako i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 15/10 p. 3-6

Nahafoy Tena Izy Ireo: Brezila

NANAO dia lavitra ny anabavy iray, taona vitsivitsy lasa izay. Rúbia no anarany, izay 30 taona izao. Nitsidika an’i Sandra, mpisava lalana ao amin’ny fiangonana kely iray any amin’ny faritra atsimon’i Brezila, izy. Nisy zava-nitranga nanohina ny fony tany, ka niova be ny fiainany. Fa inona no nitranga? Aleo i Rúbia no hitantara.

“TSY NAMPINO ILAY IZY!”

Sandra sy Rúbia mampianatra Baiboly

“Nentin’i Sandra nampianatra vehivavy iray aho, indray mandeha. Nilaza ilay vehivavy hoe misy namany telo te hianatra Baiboly any am-piasany. Nilazany anefa ireo namany ireo hoe tsy maintsy miandry, satria efa feno ny fotoanan’i Sandra mandritra ny taona. Tsy nampino ilay izy! Be dia be ny olona te hahalala an’i Jehovah, ary voatery miandry ny olona sasany. Tsy hoatran’izany anefa tany aminay, fa sahirana be aho vao nahazo mpianatra iray. Te hanampy mafy an’ireo olona tao amin’ilay tanàna kely àry aho, ka niala tany amin’ny tanàn-dehibe nipetrahako, tsy ela taorian’izay.”

Nanao ahoana ny vokatr’izany? Hoy i Rúbia: “Roa volana monja aho dia nanana mpianatra 15, ary tsy ela taorian’izay dia tsy arako koa ny fampianarako. Tsy maintsy nampiandrasina ny sasany.”

NANDINIKA NY FANOMPOANY INDRAY IZY

I Diego

Nitsidika mpisava lalana vitsivitsy tany Prudentópolis, tanàna kely any amin’ny faritra atsimon’i Brezila i Diego, rahalahy 20 taona mahery kely izao. Nisy akony be taminy izany, ka lasa nandinika ny fanompoany indray izy. Hoy izy: “Tsy dia nafana fo tamin’ny fanompoana aho taloha, fa afa-po rehefa nahavita ora vitsivitsy isam-bolana. Rehefa nitsidika an’ireo mpisava lalana ireo anefa aho ary nihaino azy ireo nitantara ny fanompoany, dia tsapako fa falifaly izy ireo. Izaho kosa hitako hoe tsy dia niraharaha ny fanompoana. Hitako hoe mahafinaritra sy misy dikany ny fiainan’izy ireo, ary tiako ho hoatr’izany koa ny fiainako.” Nirotsaka ho mpisava lalana i Diego taorian’izay.

Tanora Vavolombelona toa an’i Diego ve ianao, ary mandray anjara amin’ny fitoriana, nefa tsapanao hoe hoatran’ny lasa fahazarana fotsiny ny fanompoana fa tsy tena mahafinaritra? Nahoana raha manao fiovana mba hahafahanao mifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa? Tena hahafinaritra anao izany! Marina aloha fa mety hampahatahotra kely ny hoe hiala amin’ny fiainana mahazatra. Tanora maro anefa no nanao izany. Be herim-po izy ireo, ka nanova ny tanjony sy ny faniriany, mba hahafahany manompo an’i Jehovah bebe kokoa. Diniho koa ny nataon’i Bruno, izay 28 taona izao.

NY FITENDRENA ZAVAMANENO SA NY FANOMPOANA?

Bruno mampianatra gitara

Nianatra tany amin’ny sekoly malaza iray mampianatra mozika i Bruno, taona vitsivitsy lasa izay. Ny tanjony dia ny ho lasa mpibaiko mpitendry zavamaneno. Nahay be izy, ka imbetsaka no nasaina hibaiko andiana mpitendry zavamaneno maro be. Toa namirapiratra erỳ ny hoaviny! Hoy anefa izy: “Tsapako hoe nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainako. Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah aho, nefa fantatro fa tsy nanompo azy tamin’ny foko manontolo. Nanenjika ahy ny eritreritro. Noresahiko tamin’i Jehovah ny fihetseham-poko, ary niresaka tamin’ny rahalahy matotra koa aho. Nandinika tsara aho, ka nanapa-kevitra fa ny fanompoana no ataoko alohan’ny mozika. Niala tamin’ilay sekoly àry aho, ary nandeha nanitatra tany amin’ny toerana iray tena nila mpitory, na dia tsy mora aza izany.” Inona no vokany?

Nifindra tany Guapiara i Bruno, tanàna misy mponina 7 000 eo ho eo, 260 kilaometatra avy ao São Paulo. Fiovana be ilay izy. Hoy izy: “Trano kely no nipetrahako. Tsy nanana frizidera na tele aho, ary tsy afaka nampiasa Internet aho tao. Nanana zavatra hafa mbola tsy nananako mihitsy anefa aho, satria nisy zaridaina kely nambolena legioma sy voankazo tao!” Nanampy an’ilay fiangonana kely tany i Bruno, ary nandeha nitory tany ambanivohitra izy ireo isan-kerinandro. Mandeha môtô izy amin’izany, ary efa mivatsy sakafo sy rano ary boky sy gazety. Maro ny olona mbola tsy nandre ny vaovao tsara tany amin’ilay toerana. Hoy i Bruno: “Nanana mpianatra 18 aho, ary tena faly aho nahita azy ireo nanova ny fiainany! Tamin’izay vao tsapako fa mahita fifaliana ianao rehefa manao loha laharana ny fanompoana. Tsapako hoe izany no tsy ampy tamin’ny fiainako. Tsy ho nahatsapa izany aho, raha mbola variana tamin’ny mozika.” Rehefa nanontaniana i Bruno hoe inona no asa fivelomany tany Guapiara, dia nitsiky izy sady namaly hoe: “Nampianatra gitara aho.” Mbola nibaiko mpitendry zavamaneno ihany àry izy!

“TSY MAINTSY NIJANONA AHO”

Mariana sy Caroline midinidinika Baiboly miaraka amin’olona

Mitovy amin’ny zavatra niainan’i Bruno ny an’i Mariana, izay 30 taona latsaka kely izao. Mpisolovava izy ary be karama, kanefa tsy afa-po. Hoy izy: ‘Toy ny “nisambo-drivotra fotsiny” no fahatsapako ny tenako.’ (Mpito. 1:17) Nisy rahalahy sy anabavy maromaro nampirisika azy hieritreritra momba ny asan’ny mpisava lalana. Nandinika tsara àry i Mariana ary nanapa-kevitra hiaraka hanitatra faritany izy sy i Bianca, Caroline, ary Juliana namany. Nandeha tany amin’ny fiangonana iray any Barra do Bugres, izy ireo, any amin’ny tanàna mitokana tsy lavitra an’i Bolivia, any amin’ny an’arivony kilaometatra miala eo amin’ny misy azy. Inona no vokatr’izany?

João Paulo sy Noemi mampianatra Baiboly

Hoy izy: “Nieritreritra hijanona tany telo volana aho. Nanana mpianatra 15 anefa aho rehefa tapitra ny telo volana! Mbola nila fanampiana be izy ireo, ka tena tsy sahiko ny niteny hoe handeha aho. Tsy maintsy nijanona aho.” Ary dia nijanona tany daholo izy efa-bavy. Lasa nisy dikany kokoa ny fiainan’i Mariana noho io asany vaovao io. Hoy izy: “Faly aho hoe ampiasain’i Jehovah mba hanampy ny olona hiova. Mahatsiaro ho sambatra aho, satria fantatro fa zavatra tena mahasoa no andaniako ny fotoanako sy ny heriko.” Mahalaza ny fihetseham-pon’izy efa-bavy koa ny tenin’i Caroline hoe: “Rehefa matory aho amin’ny alina, dia tena afa-po satria niezaka mafy nanompo an’i Jehovah. Ny fanampiana ny mpianatro no zava-dehibe indrindra amiko izao. Mahafinaritra ny mahita azy ireo mandroso. Tena marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: ‘Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.’ ”—Sal. 34:8.

Azo antoka fa faly i Jehovah mahita hoe mihamaro ny rahalahy sy anabavy tanora maneran-tany ‘manolo-tena an-tsitrapo’, mba hitory any amin’ny toerana lavitra! (Sal. 110:3; Ohab. 27:11) Omeny fitahiana tondraka ireny mpiasa mazoto ireny, ho setrin’izany.—Ohab. 10:22.

“Tsy Ory na Inona na Inona Izahay”

Bianca sy Juliana eny am-pitoriana

Nisy olona vitsivitsy nanakivy an’i João Paulo sy Noemi vadiny, tamin’izy ireo nilaza fa te hanompo any amin’ny toerana mila fanampiana. Nilaza ny olona sasany tao amin’ny fiangonan-dry zareo hoe: “Mety hahita olana ara-bola ianareo raha mifindra any amin’ny tanàna kely.” Nisy koa niteny hoe: “Fa maninona ianareo no hifindra e? Mbola betsaka ny azo atao ato amin’ny fiangonantsika.” Hoy i João Paulo: “Marina fa te hanampy ireny olona ireny, kanefa saika kivy ihany izahay, rehefa nandre ny zavatra noteneniny.” Soa ihany fa nandeha ihany izy mivady, ary efa taona maromaro izy ireo izao no any amin’ny toerana mila mpitory bebe kokoa. Faly izy ireo hoe tsy niova hevitra. Hoy i João Paulo: “Mbola tsy ory na inona na inona izahay mivady tatỳ. Ary raha ny zavatra tena ilaina no resahina, dia manana betsaka noho ny taloha izahay.” Hoy koa i Noemi: “Tsy very maina mihitsy ny ezaka nataonay.”

Tsy mora anefa ny mitady fivelomana any amin’ny tanàna kely. Ahoana àry no ataon’ireo mpanitatra faritany? Mahay mitady hevitra izy ireo. Ao ny mampianatra teny anglisy na teny vahiny hafa. Misy koa mampianatra taranja hafa any an-tranony. Ny sasany indray manjaitra, na mandoko trano, na manao asa tapa-potoana hafa. Miombon-kevitra anefa ireny mpanitatra faritany ireny hoe be lavitra noho ny zava-tsarotra atrehiny ny fitahiana azony.

Ahoana Rehefa Malahelo?

Tiago mitory eny an-dalana

Hoy i Tiago: “Kivy aho tsy ela taorian’ny nahatongavako tao amin’ilay fiangonana vaovao. Vitsy kely ny mpitory, ary zara raha nisy fialam-boly, ka nalahelo be ny tany aminay aho. Fantatro hoe tsy maintsy manao zavatra aho mba hahitana fifaliana. Niezaka àry aho mba hifankahalala bebe kokoa tamin’ireo rahalahy sy anabavy teo anivon’ny fiangonana. Nisy vokany tsara ilay izy! Nahazo namana vaovao aho, ary tsy ela dia lasa faly be sy zatra an’ilay fiainako vaovao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara