FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/8 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Ahafantaranao hoe Iza no Fivavahana Marina?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Inona no Vaovao Tsara ho An’ireo Olona Tia Fivavahana?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/8 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Avy amin’Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra?

Voamarikao angamba rehefa mihaino vaovao ianao fa ampiasain’ny olona hanaovana zava-dratsy ny fivavahana indraindray. Tsy ny fivavahana rehetra mantsy no avy amin’ilay tena Andriamanitra. (Matio 7:15) Hita hoe voafitaka ny ankamaroan’ny olona.—Vakio ny 1 Jaona 5:19.

Hitan’Andriamanitra foana anefa ireo olona tso-po tia fahamarinana sy te hanao ny tsara. (Jaona 4:23) Manasa an’ireny olona ireny izy mba hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly.—Vakio ny 1 Timoty 2:3-5.

Ahoana no hamantaranao ny fivavahana marina?

Mampiray saina ny olona avy amin’ny fivavahana samihafa i Jehovah Andriamanitra. Ampianariny ny fahamarinana izy ireo sady ampianariny hifankatia. (Mika 4:2, 3) Ny fifankatiavan’ny olona ao aminy àry no amantarana ny fivavahana marina.—Vakio ny Jaona 13:35.

Mampiray saina ny karazan’olona rehetra i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny fivavahana marina.—Salamo 133:1

Avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoan’izy ireo ary ampihariny izay nianarany. (2 Timoty 3:16) Manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra koa izy ireo. (Salamo 83:18) Toriny hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no fanantenana ho an’ny olombelona. (Daniela 2:44) Manahaka an’i Jesosy izy ireo ka ‘mampamirapiratra ny fahazavany’, izany hoe manao soa amin’ny hafa. (Matio 5:16) Mankany an-tranon’olona izy ireo mba hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Izay manao an’izany àry no manaraka ny fivavahana marina.—Vakio ny Matio 24:14; Asan’ny Apostoly 5:42; 20:20.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 5 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara