FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/1 p. 13
  • Fantatrao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Lehilahy Novosirina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hitsara ny Ondry sy ny Osy i Kristy Mpanjaka
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Inona ny Hoavy ho An’ny Ondry sy ny Osy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Abagta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/1 p. 13

FANTATRAO VE?

Inona no dikan’ilay hoe “eonoka” na “tandapa” ao amin’ny Baiboly?

Sary asyrianina ahitana tandapa

Sary Asyrianina ahitana Tandapa

Iantsoana olona novosirina io teny io indraindray, ao amin’ny Baiboly. Nisy lehilahy novosirina tokoa fahiny rehefa nosazina na rehefa lasa andevo na azo babo. Lehilahy novosirina azo natokisana no nasaina niambina ny tranom-behivavy tao an-dapan’ny mpanjaka. Anisan’izany i Hegay sy Sasegaza. Izy ireo no mpiambina an’ireo vady sy vadikelin’i Ahasoerosy mpanjaka persianina. Io Ahasoerosy io angamba ilay mpanjaka nantsoina hoe Ksersesy I.—Estera 2:3, 14, Fandikan-teny Katolika.

Tsy voatery hidika foana hoe lehilahy novosirina anefa ilay teny. Midika hoe olona ambony ao an-dapan’ny mpanjaka koa izy io, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana sasany. Toa tsy lehilahy novosirina, ohatra, i Ebeda-meleka, naman’i Jeremia, fa olona ambony tao an-dapa satria afaka nifanerasera akaiky tamin’i Zedekia Mpanjaka. (Jeremia 38:7, 8, Kat.) Toy izany koa ilay Etiopianina nitorian’i Filipo. Lazain’ny Baiboly hoe niandraikitra ny harenan’ny mpanjaka izy io, ary “nankany Jerosalema mba hivavaka.”—Asan’ny Apostoly 8:27.

Nahoana ny mpiandry ondry fahiny no nanasaraka ny ondry sy ny osy?

Mpiandry ondry sy ny ondriny

Hoy i Jesosy rehefa niresaka momba ny andro fitsarana amin’ny hoavy: ‘Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, dia hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.’ (Matio 25:​31, 32) Nahoana ny mpiandry ondry fahiny no nanasaraka ny ondry sy ny osy?

Navela hiara-miraoka ahitra mazàna ny ondry sy osy mandritra ny andro. Nangonina tao anaty vala kosa izy ireo rehefa alina mba hiarovana azy amin’​ny bibidia sy ny mpangalatra ary ny hatsiaka. (Genesisy 30:​32, 33; 31:​38-40) Nosarahina ny valan’ny ondry sy ny osy. Malemy paika mantsy ny ondry fa mahery setra kosa ny osy, ka atahorana hamely ny ondry, indrindra fa ny ondrivavy sy ny zanak’ondry. Nosarahin’ny mpiandry koa ny ondry sy ny osy rehefa “miteraka sy mampinono ary mihety”, araka ny boky Ny Zava-drehetra ao Amin’ny Baiboly (anglisy). Nampiasa fanoharana nahazatra ny olona tany Israely fahiny àry i Jesosy, satria mpiompy ondry aman’osy ny mponina tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara