FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/4 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/4 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy?

Fianakaviana mikarakara zokiolona tsy mitovy volon-koditra aminy

Nahoana no hoe hifankatia ny olon-drehetra indray andro any noho i Jesosy maty ho antsika?

Azo antoka aloha fa mbola handroso foana ny teknolojia sy ny siansa. Ho vitan’ny olombelona ve anefa ny hampifankatia ny olon-drehetra? Tsia, satria tia tena sy tsy mety mionona amin’izay ananany ny olona. Misy zavatra tsara ampanantenain’Andriamanitra anefa.—Vakio ny 2 Petera 3:13.

Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa hifankatia ny olona maneran-tany amin’ny hoavy ary tsy hisy olona hampijaly azy ireo. Hanjaka ny fandriampahalemana.—Vakio ny Mika 4:3, 4.

Ahoana no hanafoanana ny fitiavan-tena?

Tsy nataon’Andriamanitra ho tia tena ny olombelona rehefa noforoniny. Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa ilay lehilahy voalohany, ka lasa tsy lavorary. Lasa tia tena koa àry isika satria taranany. Haverin’Andriamanitra ho lavorary indray isika ary i Jesosy no hampiasainy amin’izany.—Vakio ny Romanina 7:21, 24, 25.

Nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy ka nanao sorona ny ainy mba hanafoanana ny vokatry ny fahotan’ilay lehilahy voalohany. (Romanina 5:19) Hiova àry ny fiainantsika olombelona amin’ny hoavy, noho i Jesosy maty ho antsika. Tsy ho mora manao ratsy intsony ny olona satria tsy ho tia tena intsony.—Vakio ny Salamo 37:9-11.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 5 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity

Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara