FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp17 No. 4 p. 3
  • Fanontaniana Manitikitika ny Saina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontaniana Manitikitika ny Saina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Inona no Inoan’ny Olona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?
    Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
  • Fanantenana Tsara Kokoa ho An’ny Fanahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Misy heriny eo amin’ny fiainanao ny fomba fiheveranao ny fanahy (âme)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
wp17 No. 4 p. 3
Vehivavy iray mivavaka eo anoloan’ny labozia maromaro mirehitra ary misy sapile eny an-tanany

Saika ny fivavahana lehibe rehetra no mino fa manana fanahy tsy mety maty ny olona

MATOAN-DAHATSORATRA | EFA LALAM-PIAINANA VE NY FAHAFATESANA?

Fanontaniana Manitikitika ny Saina

SAMY manana ny heviny momba ny fiainana sy ny fahafatesana ny olona. Ao no mino hoe lasa fanahy izy rehefa maty, dia hiaina any ankoatra. Ny hafa mihevitra fa hateraka indray izy, ka lasa olon-kafa na lasa biby. Ao kosa no mino hoe tsy misy intsony fotsiny izy rehefa maty.

Ary ianao? Inona no inoanao? Mety hiankina amin’izay nampianarin’ny ray aman-dreninao anao na ny kolontsainao izany. Hita hoe samy hafa be ny hevitry ny olona momba ny fahafatesana. Aiza àry isika no hahita valiny marina sy azo itokisana?

Efa hatry ny ela ny mpitondra fivavahana no nampianatra fa manana fanahy tsy mety maty ny olona. Saika ny fivavahana lehibe rehetra no mino hoe ny vatana ihany no maty, fa ny fanahy kosa mbola velona any ankoatra. Anisan’izany ny fivavahana kristianina, hindoa, jiosy, ary silamo. Ny Bodista kosa mino fa hateraka indray im-be dia be aloha ny olona iray, vao tonga amin’ilay hoe Nirvana na fahasambarana tonga lafatra.

Olona mandraraka sakafo ho an’ireo havany efa maty

Lasa mino àry ny ankamaroan’ny olona fa toy ny varavarana idirana any amin’ny tontolo hafa fotsiny ny fahafatesana. Lalam-piainana, hono, izany sady sitrapon’Andriamanitra. Mampianatra an’izany ve anefa ny Baiboly? Asainay ianao hamaky ny lahatsoratra manaraka, fa mety hahagaga anao ny valiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara