FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp18 No. 2 p. 3
  • Maminavina ny Hoavy ny Olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maminavina ny Hoavy ny Olona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Antony Ahafahanao Mitoky Amin’ny Faminanian’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Misy Faminaniana Tanteraka Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Fitadiavana Filazana Mialoha Mendri-pitokisana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Misy Mahay Mamantatra ny Hoavy Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
wp18 No. 2 p. 3
Lehilahy iray milaza ny mety ho toetry ny andro mandritra ny herinandro

Maminavina ny Hoavy ny Olona

Efa nieritreritra ve ianao hoe hanao ahoana ny hoavinao sy ny an’ny fianakavianao? Ho lasa mpanankarena ve ianareo sa hahantra? Ho tian’ny olona sa tsy hisy hiraharaha? Ho ela velona sa ho faty tampoka? Efa an’arivony taona ny olona no lasa saina tamin’izany.

Mandinika ny zava-misy eran-tany izao ny manam-pahaizana, ary maminavina ny hoavy. Tanteraka ny zavatra sasany lazainy saingy misy kosa diso be. Niresaka momba ny hoavy, ohatra, i Guglielmo Marconi, tamin’ny 1912. Namorona fitaovana fampitana hafatra amin’ny alalan’ny onjam-peo izy, ary niteny hoe: “Tsy hisy intsony ny ady rehefa ampiasaina be ny onjam-peo.” Diso hevitra koa ny mpandraharaha tao amin’ny trano mpamokatra raki-kira iray, tamin’ny 1962. Tsy nety niara-niasa tamin’ilay tarika atao hoe Beatles izy satria efa tsy halaza intsony, hono, ny tarika mitendry gitara.

Te hahalala ny hoavy ny olona maro ka lasa liana amin’ny asan’ny maizina. Misy, ohatra, manatona mpanandro, na mijery tononandro amin’ny boky na gazety. Ny hafa indray mankany amin’ny olona milaza ho mahay mamantatra ny hoavy amin’ny alalan’ny karatra, na isa, na soritra eo amin’ny tanana.

Nanontany mpisikidy na mpisorona milaza fa misolo tena an’andriamanitra ny olona sasany fahiny, mba hahalalana ny hoavy. Voalaza, ohatra, fa nandefa fanomezana lafo vidy be ho an’ilay mpisikidy tao Delphes, any Gresy, i Crésus, mpanjakan’i Lydia. Tiany ho fantatra mantsy hoe iza no handresy raha miady amin’i Kyrosy mpanjakan’i Persa izy. Nilaza ilay mpisikidy fa hisy “fanjakana goavana” ho rava, raha miady amin’i Kyrosy i Crésus. Nino àry izy fa handresy ka niroso tamin’ilay ady. Indrisy fa ny azy ilay fanjakana goavana rava!

Tsy nisy dikany ny vinavina nataon’ilay mpisikidy, satria tsy voafaritra hoe ny fanjakan’iza no ho rava. Marina foana mantsy ny teniny, na iza na iza nandresy tamin’ilay ady. Voafitaka i Crésus ka namoy ny zava-drehetra. Ary ahoana ny amin’izao? Mba afa-po ihany ve ireo miezaka mamantatra ny hoaviny?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara