FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w18 Janoary p. 32
  • Fantatrao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • Akanjo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Akanjom-boninahitra, Akanjona Mpaminany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fitafiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fomba Nentim-paharazana Indianina Amerikana Tranainy
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
w18 Janoary p. 32

Fantatrao Ve?

Tena nanaraka ny toro lalana tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ve ny Israelita rehefa nisy tsy fifanarahana azo nampakarina fitsarana?

INDRAINDRAY. Ity misy ohatra. Hoy ny Deoteronomia 24:14, 15: “Aza ambakaina ny mpikarama izay tra-pahasahiranana sady mahantra, na rahalahinao izy na vahiny monina ao an-tanànanao. ... Sao mantsy izy hitaraina amin’i Jehovah momba anao, ka ho fahotana ho anao izany.”

Vakin-tanimanga

Ilay vakin-tanimanga nanoratana ny fitarainan’ilay mpamboly

Nisy zavatra hoatr’izany nitranga tamin’ny mpamboly iray. Toa nampangaina ho tsy nahavita nanefa ny anjara vokatra tokony ho nomeny izy. Nitaraina tamin’ny governora izy, fa olon-kafa no nanoratra an’ilay fitarainana ho azy. Nosoratana tamin’ny vakin-tanimanga ilay izy talohan’ny taona 600 T.K., ary hita tany akaikin’i Asdoda. Izao no voalaza tao: “Rehefa avy nanangona vokatra ny mpanomponao [ilay nitory], andro vitsivitsy lasa izay, dia tonga i Hoshayahu zanakalahin’i Shobay, naka ny akanjon’ny mpanomponao. ... Ny namako rehetra niara-nijinja vokatra tamiko teny amin’ny masoandro nigaingaina no hanaporofo ... fa marina ny teniko. Tsy misy fahadisoako mihitsy. ... Na dia heverinao governora aza hoe tsy andraikitrao ny manao izay hamerenana ny akanjon’ny mpanomponao, dia mba amindrao fo re e! Tsy tokony hangina fotsiny ianao fa tsy manana akanjo ny mpanomponao.”

Hoy ny mpahay tantara atao hoe Simon Schama: ‘Hitantsika amin’io fitarainana io fa tsy hitan’ilay mpiasa intsony izay hatao mba hahazoana ny akanjony. Tsy izay ihany anefa! Hitantsika koa fa toa nahafantatra ny lalàna ao amin’ny Baiboly izy, indrindra fa ireo lalàna ao amin’ny Levitikosy sy Deoteronomia, izay mandrara ny olona tsy hampijaly ny mahantra.’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara