FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/04 p. 6
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpiandraikitra Mitari-dalana — Ny Mpitan-tsoratra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mpitory ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 5/04 p. 6

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Mandra-pahoviana no tokony hitehirizana ny taratasy iray ao amin’ny antontan-taratasin’ny fiangonana?

Araka ny lalàna, dia tokony hotehirizina folo taona, fara fahakeliny, ny taratasy momba ny volan’ny fiangonana. Azo tehirizina foana ny taratasy momba ny vola nampiasaina tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, sy ny fanamboarana lehibe natao, ary ny taratasy hafa mety hilaina na dia afaka folo taona aza.

Azo rovitina ireto taratasy ireto rehefa afaka herintaona: taratasy famandrihana, fanafarana boky sy gazety, fanafarana taratasy fanasana, fangatahana ho mpisava lalana mpanampy, ary zavatra hafa mitovy amin’izany.

Tokony hotehirizina ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory tsirairay, izay misy ny asa nataony nandritra ny valo taona farany, fara fahakeliny. Azo rovitina kosa ny firaketana talohan’izay. Tsy voatery hotehirizina ny Tatitra Momba ny Fanompoana, rehefa avy nampidirina tao amin’ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory. Hotehirizina valo taona na mihoatra an’izay, ny taratasy mirakitra ny isan’ny mpanatrika sy ny Tatitra Momba ny Fanompoan’ny fiangonana isam-bolana.

Azo ariana ny taratasy momba ny fivoriambe avy amin’ny mpiandraikitra ny faritra, sy ny taratasy milaza ny fitsidihany, sns., rehefa vita ilay fivoriambe na ilay fitsidihana. Hotehirizina mandritra ny valo taona kosa, fara fahakeliny, ny tatitra ataony momba ny fitsidihany sy izay taratasy mifandray amin’izany.

Hotehirizina foana ny taratasy momba ny fanendrena anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana ary mpisava lalana maharitra.

Indraindray, dia mety hisy taratasy avy amin’ny biraon’ny sampana momba ny nomerao manokana amin’ny gazetintsika, na ny fivoriambe iraisam-pirenena, sns. Azo ariana izy ireny rehefa vita ilay ezaka manokana na ilay fivoriambe. Tsara raha tehirizina foana ny taratasy misy toromarika, toy ny: Fomba Fameno Tsara ny Taratasy Famandrihana (S-11), Toromarika Momba ny Fanaovana ny Kaontin’ny Fiangonana (S-27), Lohatenin’ireo Lahateny ho An’ny Besinimaro (S-99), Ny Fomba Fangatahana Fanitsiana Faritany (S-6), Faritany Anendrena ny Fiangonana (S-54), ny toromarika momba ny asan’ny mpisava lalana, ny drafitry ny lahateny ho an’ny besinimaro, lahatenim-pandevenana, ary lahatenin’ny Fahatsiarovana.

Raharaha ara-pitsarana: Tokony hotehirizina tsara ny taratasy misy tsiambaratelo momba ny raharaha ara-pitsarana. Ny anti-panahy ihany no tokony hahita an’izany. Tokony hotehirizina dimy taona, fara fahakeliny, ny taratasy momba ny raharaha ara-pitsarana efa voalamina. Azo tehirizina ela kokoa izy io, raha hitan’ny anti-panahy fa ilaina izany.

Mety tsy ho voaresaka ato daholo ny taratasy rehetra, nefa inoanay fa hanampy an’ireo anti-panahy ny toromarika ankapobeny hita ato.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara