Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Tokony hihazona fitahirizan-taratasy ho an’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana ve ny kongregasiona?
Tao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana tamin’ny May 1972, dia naseho fa anoroana hevitra ny hihazonana ao amin’ny fitoeram-bokin’ny Efitrano Fanjakana, fitahirizan-taratasy iray misy ireo Fanompoantsika ilay Fanjakana mivoaka isam-bolana mba hahafahana hijery izany. Mbola mety ihany ny fihazonana izany fitahirizan-taratasy izany ao amin’ny fitoeram-bokin’ny Efitrano Fanjakana tsirairay mba hampiasain’ireo loholona sy mpitory.
Rehefa misy izany fitahirizan-taratasy izany, dia afaka mijery ireo fanazavana tamin’ny lasa momba ireo fomba fampiseho eo amin’ny fitoriana, ny fitarihana fampianarana Baiboly, ny fanaovana fiverenana mitsidika, sy ny sisa, ireo mpitory. Misy hevitra tsara hampiasaina eo amin’ny fanompoana hita ao amin’izy ireny. Indraindray, ireo nomerao farany amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana dia misy fakàn-tany avy ao amina nomerao navoaka talohan’ny niarahan’ny sasany amin’ireo rahalahy nifandray tamin’ilay kongregasiona. Handray soa avy amin’ny fihazonana izany fitahirazana izany ireo vao nanomboka nifanerasera tamin’ny kongregasiona.
Ireo loholona dia tokony hanendry, na ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika na ny mpikarakara momba ny asa mahay iray mba hanao izay hahazoana antoka fa hazonina ho ara-potoana tsara isam-bolana io fitahirazana io. Na dia aseho ho toy ny fanoloran-kevitra fa tsy fitsipika henjana aza ny fanazavana aseho ao amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana, dia mbola loharanom-panazavana tsara dia tsara izay tokony ho hita ao amin’ny fitoeram-bokin’ny Efitrano Fanjakanan’ny kongregasiona tsirairay, ihany izy io. Tsy azo hafarana any amin’ny sampana anefa ireo nomerao taloha amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana.