Mandehana Manampy ny Hafa
1 Efa mahazatra ny ankamaroantsika ireo teny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:6-10, sy izay nitranga tamin’izany. Be fitiavana i Paoly sy i Barnabasy. Niharihary tamin’ny asany fa nanana fahafoizan-tena izy ireo. Fahafoizan-tena tahaka izany koa no hitantsika eo amin’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. (Sal. 110:3) Nisy taminareo nifindra mba hanampy fiangonana hafa hamita ireo faritany tsy voasa matetika, sy hampahery ny olona any. Azontsika antoka fa nandray fitahiana lehibe ireo nanao izany, toa an’i Paoly sy i Barnabasy.
2 Tsy ny anti-panahy sy ny mpisava lalana ihany akory no voakasik’ilay fifindrana any amin’izay mila fanampiana. Matetika ny Fikambanana no maharay taratasy avy any amin’ireo fiangonana sy mpiandraikitra ny faritra. Mangataka fianakaviana hifindra any aminy izy ireo, mba hanohana azy sy hanampy azy amin’ny fiasana ny faritaniny.
3 Ny antony manosika tsara no zava-dehibe indrindra rehefa manapa-kevitra ny hanompo any amin’izay mila fanampiana. Ny tena antony hifindrantsika dia ny faniriana hanampy ny hafa. “Matetika no tena ilaina hotsorina kokoa ny fiainanao”, hoy ny rahalahy efa nanompo an-taonany maro niaraka tamin’ny vady aman-janany tany amin’ny fiangonana nila fanampiana. “Miaraha miasa amin’ilay fiangonana”, hoy izy, “fa aza mitady izay hanovana azy mba hifanaraka amin’ny fanirianao manokana. Ankino amin’i Jehovah ny fahitana asa sy trano ary ny toy izany, ka ekeo an-tsitrapo izay omeny anao.” Torohevitra tsara izany!
4 Inona no tokony hataonao raha manapa-kevitra ny hifindra ianao? Vakio indray aloha izay voalaza ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 112 sy 113. Avy eo dia manorata any amin’ny Komitin’ny Fanompoana. Izy ireo kosa no handefa izany atỳ amin’ny Fikambanana.
5 Afaka manoratra atỳ amin’ny Sampana koa ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana mba hahafantarana hoe aiza no faritany ilana mpitory. Ho faly ireo anti-panahy sy mpitory nahazo izany fanohanana izany, hiara-miasa amin’ireo Kristianina namany tonga mba hanampy azy.—3 Jaona 5.
6 Maneho toe-tsaina toy ny an’ny apostoly Paoly sy ny mpiara-miasa taminy ireo mpitory nifindra mba hanampy fiangonana hafa. Nahita Makedonianina iray tao amin’ny fahitana i Paoly, nilaza taminy hoe: “Mità mankatỳ ... ka vonjeo izahay.” Avy hatrany izy ireo dia “nitady handeha niaraka tamin’izay hankany Makedonia.” Nanome ny antony i Lioka mpanoratra ny Baiboly, hoe: “Nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ny olona any.” (Asa. 16:9, 10) Hoy ny mpivady nanaiky hifindra mba hanampy fiangonana hafa: “Tsy misy anenenantsika mihitsy ny fanampiana ny hafa any amin’izay ilana antsika.” Raha maka tahaka izany toe-tsaina tsara izany isika, dia azo antoka fa hahazo ny fitahian’i Jehovah.—Ohab. 10:22.