FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb22 Jolay p. 5
  • Manitatra Faritany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manitatra Faritany
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Fomba Anitarana ny Fanompoana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Afaka ‘Miampita Mankany Makedonia’ ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • “Tokony Hifindra Monina ve Aho?”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
mwb22 Jolay p. 5
Sary avy amin’ilay video hoe “Manàna Finoana ka Ampitomboy ny Fanompoanao: Mandehana Manitatra Faritany”: 1) Manao fikarohana i Gabriel. 2) Miresaka amin’ny anti-panahy izy alohan’ny hifandraisana amin’ny biraon’ny sampana. 3) Mitory izy mandritra ny ezaka manokana nandehanan’izy sy Samuel.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA | TANJONA HO AN’NY TAOM-PANOMPOANA MANARAKA

Manitatra Faritany

Mila finoana isika vao hahavita hiala amin’ny toerana mahazatra antsika mba hampitomboana fanompoana. (He 11:8-10) Raha te hanitatra faritany ianao dia miresaha amin’ny anti-panahy. Inona avy no tokony hataonao mba hahafantaranao raha mety aminao ny manitatra na tsia? Ahoana no hahafantaranao hoe aiza no mety hanitarana faritany? Jereo daholo izay zavatra efa navoakan’ny fandaminana momba an’izany. Raha mahafantatra mpitory nahavita nifindra mba hanampy fiangonana ianao, dia miresaha amin’izy ireo. (Oh 15:22) Mivavaha mba hahazo ny tari-dalan’i Jehovah. (Jk 1:5) Fantaro tsara izay toerana tianao hifindrana. Raha mety, dia mankanesa any ary mijanòna elaela kely any alohan’ny hanapahana hevitra hoe hifindra sa tsia.

JEREO ILAY VIDEO HOE MANÀNA FINOANA KA AMPITOMBOY NY FANOMPOANAO: MANDEHANA MANITATRA FARITANY, ARY VALIO IRETO:

  • Inona avy ny olana natrehin’i Gabriel, ary inona no nanampy azy?

Miresaha amin’ny mpiandraikitra ny faritrareo raha mila fanazavana momba ny fiangonana mila fanampiana eny akaikinareo ianao. Raha lavitra kosa ilay toerana, dia manorata taratasy ary omeo ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana ilay izy mba halefan’izy ireo any amin’ny biraon’ny sampana. Raha tsy ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampana misy anao ilay toerana dia manorata any amin’izay biraon’ny sampana miandraikitra an’ilay firenena. Raha misy toerana efa noeritreretinao dia resaho ao amin’ilay taratasy izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara