FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/01 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Azonao Atolotra ve ny Tranonao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Natao Hanampiana Antsika ny Fianarana Boky
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mahasoa Antsika ny Fisian’ny Andia-mpitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 4/01 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

[Adikanay eto ambany ny Valin’ny Fanontanianareo tao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana May 1983 (frantsay), satria tsy nisy tamin’ny teny malagasy izy io]

◼ Inona avy no tokony hodinihina rehefa mifidy trano hanaovana fianarana ny boky?

Tena tombontsoa tokoa ny hoe ao an-tranon’ny tena ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona! Rantsan’ny kongregasiona ny fianarana ny boky, ary mety raha heverina ho anisan’ny fandaharan’i Jehovah hampianarana ny vahoakany. Ilaina indraindray ny toeran-kafa na toerana vaovao, satria tsy azo ampiasaina intsony ny trano sasany na misy fitomboana. Tokony hiresaka amin’ny anti-panahy izay rehetra maniry hanolotra ny tranony hanaovana fianarana ny boky. Na dia tsy voafidy aza ny tranonao, dia matokia fa nankasitrahana tokoa ny fanoloranao.

Tokony hijery toerana mety ireo anti-panahy, nefa koa hihevitra ny fisorohana ny loza. Rehefa voafidy izay toerana heverina fa mety, dia manaova fandaharana mba hiarahan’ireo rahalahy mandeha rehefa mianatra ny boky, mba hifanampiana. Ankasitrahantsika foana izay mety ho trano azon’ireo rahalahy atolotra. Tokony hampiasaina ny fahaiza-mitsara zavatra mba ho azo antoka fa ny toerana tsara indrindra no hanaovana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.

Ankasitrahana foana ny trano madio sy milamina. Tsara koa raha trano misy jiro sy misy rivotra tsara. (Asa. 20:8) Tokony ho ohatra tsara ilay fianakaviana tompon-trano. Tsara kokoa raha tsy trano mety hahitana olona voaroaka na manohitra ny fahamarinana ilay izy. Mazàna no misy fanomanana ilaina hatao koa isaky ny alohan’ny fianarana ny boky, anisan’izany ny fandaminana ny seza. Mankasitraka izay manao ireny raharaha ireny isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara