FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/01 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Natao Hanampiana Antsika ny Fianarana Boky
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mahasoa Antsika ny Fisian’ny Andia-mpitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mampandroso Ireo Asa Mifandray Amin’ny Fampianarana ny Fianarana ny Bokin’ny Kon
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Fiaraha-miasa Amin’ny Mpitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona Misy Antsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 4/01 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Rahoviana no mety ny hananganana Fianarana ny Boky vaovao?

Tokony hoeritreretina ny hananganana fianarana ny boky vaovao, rehefa tena ilaina, mba ho 15 eo ho eo na latsaka izany foana no manatrika ny fianarana ny boky tsirairay, anisan’izany ny ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Nahoana izany no tsara kokoa?

Afaka miahy akaiky kokoa ny tsirairay ao amin’ilay Fianarana ny Boky ilay mpitarika, rehefa vitsivitsy ny mpanatrika. Ankoatra izany, dia afaka mandray anjara tsara ny rehetra, satria malalaka kokoa hanao fanambarana ampahibemaso ny finoany. (Heb. 10:23; 13:15) Mora kokoa ny manatrika ny Fianarana ny Boky sy ny fivoriana alohan’ny fanompoana, rehefa vitsy kokoa ny mpanatrika, ary misy fianarana ny boky maromaro manerana ny faritanin’ny kongregasiona. Hitan’ireo kongregasiona fa nitombo ny fitambaran’ny isan’ny mpanatrika fianarana ny boky rehefa nampitomboina ny isan’ny fianarana ny boky.

Mety hisy antony manokana mampety ny hananganana fianarana ny boky iray hafa, na dia mety ho kelikely aza izy io. Izany no atao any amin’ireo faritany mitokana, na raha tery loatra na tsy ampy seza ilay trano anaovana azy. Azo atao ny manangana fianarana ny boky tsy atao amin’ny takariva, rehefa ilaina izany, mba hahasoa ny be taona sy ny mpiasa alina na ny anabavy manambady tsy Vavolombelona.

Tokony hanana mpitory matanjaka ara-panahy sy mavitrika maromaro ary mpitarika sy mpamaky teny mahay, ny fianarana ny boky tsirairay. Tokony hiezaka ho amin’izany ireo rahalahy, mba hananan’ny kongregasiona olona toy izany.

Mampandroso ny kongregasiona ireo anti-panahy rehefa manao izay hahazoana antoka fa antonony ny isan’ny iray fianarana ny boky, ary voakarakara tsara ara-panahy sy mivory amin’ny toerana mety. Tokony hisy fianarana ny boky vaovao hatsangana, rehefa ilaina izany, mba handraisan’ny rehetra tombontsoa feno amin’io fandaharana ara-panahy tsy manam-paharoa io. Azonao atolotra mba hanaovana fianarana ny boky ve ny tranonao? Maro no nandray soa ara-panahy rehefa nanao izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara