FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/03 p. 4
  • Fitoriana ny Vaovao Tsara any Ambanivohitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitoriana ny Vaovao Tsara any Ambanivohitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Midadasika ve ny Faritanin’ny Fiangonanareo?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Voasa Tsara ve ny Faritaninao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 7/03 p. 4

Fitoriana ny Vaovao Tsara any Ambanivohitra

1 Niezaka niresaka tamin’ny olona maro araka izay azony natao i Jesosy Kristy tamin’izy nitory. (Marka 6:34; Jaona 4:7, 40, 41) Maniry hanampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah isika mba hiantsoan’izy ireo ny anarany, ka ho voavonjy.​—Asa. 2:21.

2 Ahazoana vokatra tsara ny fitoriana ny vaovao tsara any ambanivohitra, na dia ahitana zava-tsarotra aza. Manaiky ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny olona maro monina any amin’ireny faritra mitokana ireny.

3 Ilaina ny miomana mialoha: Manana faritany any ambanivohitra ve ny fiangonanareo? Raha tsia, dia ampirisihinay ny anti-panahy hidinika momba izany. Hojereny raha afaka hanohana io fandaharana io ny fiangonana. Hofantariny koa hoe hatraiza ny faritany ho tongan’ireo rahalahy ary isaky ny inona izy ireo no ho afaka hankany. Raha hitan’izy ireo fa afaka miandraikitra faritany any ambanivohitra ny fiangonana, dia azon’izy ireo resahina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izany. Raha eken’ny fiangonana ilay andraikitra, dia afaka manoratra any amin’ny sampana ny anti-panahy mba hangataka faritany any ambanivohitra.

4 Ilaina ny miomana mialoha, raha tiana ho vita tsara ny faritany any ambanivohitra. Ny anti-panahy no tena tokony hiomana tsara. Hojeren’izy ireo raha tokony hoferana ny isan’ny mpitory handeha, mba hisian’ny faritany ampy ho an’ny rehetra. Mifanakaiky ny trano sasany any ambanivohitra, nefa misy koa mifanalavitra. Tokony hojerena ireo lafin-javatra ireo rehefa alamina ny mpitory. Azo zaraina ho antoko roa, ohatra, ireo mpitory, ary samy hanomboka amin’ny toerana roa samy hafa amin’ilay faritany izy ireo mandra-pifanenany.

5 Tsy maintsy jerena koa ny toetrandro sy ny hatsaran’ny lalana rehefa hitory any ambanivohitra. Mety ho sarotra ny fandehanana any amin’ny faritany sasany noho ny orana sy ny fotaka. Azon’ny anti-panahy alamina mandritra ny vanin-taona maina ny fitoriana any amin’ny faritany sasany.

6 Ilaina ny fiaraha-miasa: Ilana fiaraha-miasa sy fanehoam-piheverana avy amin’ny rehetra ny fitoriana any ambanivohitra. Mety ho afaka hifanampy amin’ny vola lany ny mpitory indraindray, raha lavitra ilay faritany handehanana. Mila mahay mitsara zavatra koa ny mpitory maromaro miara-miasa, raha misy amin’izy ireo ampandrosoin’ny olona any an-trano. Tokony hanam-paharetana ireo miandry eo ivelany. Tsy tokony hiresaka ela be koa anefa ilay mpitory ao an-trano. Tokony hotadidiny fa miandry azy ny mpitory hafa.

7 Manaova fandaharana mba hitoriana manontolo andro rehefa mankany ambanivohitra. Hahavita fitoriana betsaka isika amin’izay, nefa tsy ho lany vola be. Miezaha mitory foana mandra-paharivan’ny andro. Afaka mitondra sakafo ny mpitory, ary afaka mitondra gazety sy boky ampy tsara.

8 Mety ho azo atao ny mamela gazety tranainy na taratasy mivalona amin’ireo trano tsy misy olona, raha tsy itoriana matetika ilay faritany. Raiso an-tsoratra tsara ny momba ny olona liana, ary miezaha miverina any aminy amin’ny manaraka.

9 Enga anie i Jehovah hitahy hatrany ny ezaka ataontsika, rehefa ‘mitory ny fanjakan’Andriamanitra’ any ambanivohitra isika.​—Lioka 9:60.

[Fanontaniana]

1, 2. Nahoana no zava-dehibe ny hitoriana any amin’ny faritany rehetra manerana an’i Madagasikara?

3. Ahoana no ahazoan’ny fiangonana tsirairay faritany any ambanivohitra?

4. Ahoana no azo andaminana ny faritany ho an’ireo hitory any ambanivohitra?

5. Inona no tsy maintsy jerena rehefa manapaka ny fotoana hitoriana any ambanivohitra?

6. Ahoana no azon’ny rehetra hifanehoana fiheverana rehefa mitory any ambanivohitra?

7. Ahoana no ahavitantsika fitoriana faran’izay betsaka isaky ny mankany ambanivohitra?

8. Inona no azontsika atao raha tsy misy olona ao amin’ny trano iray?

9. Mila ny fanampian’iza isika mba hahavitana ny faritanintsika rehetra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara