Midadasika ve ny Faritanin’ny Fiangonanareo?
1 Nitory tany amin’ny tanàn-dehiben’i Jodia ka hatrany ambanivohitr’i Galilia i Jesosy, nanerana ny faritra midadasika tany amin’ny tanin’ny Isiraely fahiny. (Marka 1:38, 39; Lioka 23:5) Tokony hiresaka ny vaovao tsara amin’ny olona betsaka araka izay azo atao koa isika. (Marka 13:10) Mety ho sarotra anefa izany. Nahoana?
2 Any ambanivohitra, amin’ny ankapobeny, ny faritanin’ny fiangonana maro eto Madagasikara. Inona no azontsika atao, raha tiantsika ny hanampy ny olona mipetraka any amin’ireny faritra lavitra ireny, mba hianatra ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy Jesosy ary ilay Fanjakana?
3 Manaova fandaharana tsara: Tokony handamina ny fomba fiasan’ny fiangonana ny mpiandraikitra ny fanompoana sy ny mpikarakara ny faritany, mba hahavitana faritany betsaka araka izay azo atao. Azo asiana asabotsy manokana angamba, hahafahan’ny ankamaroan’ny mpitory hanompo manontolo andro. Manaova fandaharana hanompoana manontolo andro rehefa lavitra ny faritany hiasana, ary azo atao ny mitondra sakafo antoandro. Angamba azo atao any akaikin’ny faritany ny fivoriana alohan’ny fanompoana, na azo aroso aloha kokoa ny fotoana hanaovana azy, mba hahatongavana aloha any amin’ny faritany. Manaova fandaharana hiasana ny faritany ambanivohitra rehefa tsara ny andro sy ny lalana.
4 Ataovy azo antoka fa ampy tsara ny boky sy gazety hoentina. Mety ny hametrahana taratasy mivalona na gazety tranainy ho an’ireo tsy tratra an-trano, raha mahalana vao iasana ilay faritany. Raha misy ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, dia omeo ny olona rehetra hitanao ary ametraho koa ireo tsy tratra an-trano.
5 Miaraha miasa tsara: Mitaky fiaraha-miasan’ny mpikambana rehetra eo anivon’ny fiangonana ny fiasana amin’ny faritany midadasika. Aoka isika hahay handanjalanja rehefa mahita tompon-trano vonona hiresaka. Aoka hotadidintsika foana fa tokony hitoriana ny olona rehetra ao amin’ny faritany ary hoeritreretintsika koa fa miandry antsika ny mpitory hafa. Angamba te hiresaka elaela amin’ny olona liana iray ianao. Tsy tokony hampandre an’ireo mpitory hafa ve anefa ianao, mba tsy ho lany andro miandry anao fotsiny ry zareo?
6 Raha mety, dia manaova fandaharana voafaritra tsara hanolokoloana ny fahalianan’ireo olona liana. Ilaina hatao sary tsara angamba na hosoratana ny mombamomba ny toerana misy ny tranon’ireo olona liana, mba hahitana azy rehefa miverina mitsidika.
7 Tena manana tombontsoa isika manatanteraka ny toromarik’i Jesosy hoe: “Izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao”! (Matio 10:11) Azo antoka fa hitahy ny ezaka ataonao i Jehovah, satria vonona handany hery hanaovana an’io asa faran’izay mahasoa io ianao!